2014
Mandray Fijoroana ho Vavolombelona momba ny Fahazavana sy ny Fahamarinana
Nôvambra 2014


Mandray Fijoroana ho Vavolombelona momba ny Fahazavana sy ny Fahamarinana

Tsy vitan’ny hoe hitahy anareo sy ny taranakareo eto amin’ity fiainana ity fotsiny ny fijoroana ho vavolombelona manokana anananareo momba ny fahazavana sy ny fahamarinana, fa hanaraka anareo mandrakizay koa izany.

Fony aho mpanamory fiaramanidina, dia maro ny ora laniko namakivakina kaontinanta sy ranomasimbe maro teny ambony fiaramanidina tao anatin’ny alina maizina. Ny fitazanana ny lanitra amin’ny alina avy eo amin’ny varavarankelin’ny mpanamory fiaramanidina, indrindra ny Vahindanitra, dia matetika nahatonga ahy ho talanjona noho ny haben’ny velaran’ny faharian’Andriamanitra sy ny halaliny—izay lazain’ny soratra masina hoe “tontolo tsy hita isa.”1

Zato taona latsaka tany aloha tany dia nihevitra ny ankamaroan’ireo manam-pahaizana momba ny haikintana fa ny “voie lactée” misy antsika no hany vahindanitra na “galaxie” misy manerana izao zavatra ary rehetra izao.2 Nieritreritra izy ireo fa ankoatra ny vahindanitra misy antsika dia habakabaka goavana izay foana tsy manam-petra no manenika ny ambiny rehetra—foana, mangatsiaka, tsy misy kintana na hazavana na aina.

Rehefa nivoatra ny masolavitra fijerena ny habakabaka—anisan’izany ireo izay azo alefa any ambony tsy taka-maso—dia nanomboka nahatakatra fahamarinana iray izay tena mampitolagaga ary mila tsy ho takatry ny saina ireo manam-pahaizana momba ny haikintana: izao zavatra ary rehetra izao dia lehibe lavitra noho izay noheverina hatrizay, ary feno vahindanitra tsy hita isa ny lanitra, tsy azo eritreretina ny halavirany amintsika, ary ahitana kintana an-jato lavitrisany maro ny tsirairay amin’izy ireo.3

Tao anatin’ny vanim-potoana fohy monja dia niova tanteraka ny fahatakarantsika izao zavatra ary rehetra izao.

Amin’izao fotoana izao isika dia afaka mahita ny sasany amin’ireo vahindanitra lavitra dia lavitra ireo.4

Fantatsika fa misy izy ireo.

Fotoana ela dia ela no efa nisian’izy ireo.

Saingy talohan’ny nananan’ny zanak’olombelona fitaovana ary fomba nahafahana nanangona ny hazavana avy any an-danitra ka nahatonga ireo vahindanitra ireo ho hita maso, dia tsy nino isika fa mety hisy ny zavatra toy izany.

Tsy niova tampoka tsy akory ny halehibehin’izao zavatra ary rehetra izao, fa ny fahafahantsika mahita sy mahatakatra io fahamarinana io no niova tamin’ny fomba mahagaga. Ary rehefa nahazo io fahatakarana misimisy kokoa io ny zanak’olombelona dia nomena fahitana tena lehibe, izay tsy mbola azontsika sary an-tsaina mihitsy hatrizay.

Sarotra Amintsika ny Hino ny Zavatra tsy Hitantsika

Eriretrereto hoe afaka miverina mankany amin’ny lasa ianao ka miresaka amin’ireo olona izay niaina arivo taona lasa na zato taona lasa fotsiny aza. Alao sary an-tsaina ianao milazalaza amin’izy ireo ny sasany amin’ireo teknôlôjia maoderina izay tsy mahataitra antsika sy ianao ankehitriny. Ohatra, inona no mety ho eritreretin’ireo olona ireo momba antsika raha resahantsika momba ny fiaramanidina goavana izy ireo, sy ny lafaoro micro-onde, sy ny fitaovana entina mandehandeha izay ahitana tahirim-boky elektrônika midadasika, ary ireo horonan-tsary misy ireo zafikelintsika izay azontsika zaraina eo no ho eo amin’ny olona an-tapitrisany manerana izao tontolo izao?

Mety hino antsika ny sasany. Ny ankamaroany kosa dia hanao tsinontsinona sy hanohitra antsika na mety hanampina ny vavatsika na hanisy ratsy antsika mihitsy aza. Ny sasany mety hikasa ny hanazava amin’ny fomba tsara lahatra, sy hitaona amin’ny teny voalanjalanja tsara ary hilaza zava-misy araka izay fahafantarany azy mba hanehoana fa diso lalana isika, na adaladala, na atahorana mihitsy aza. Mety hiampanga antsika izy ireo hoe mikasa ny hitarika ny hafa amin’ny lalan-diso.

Mazava ho azy anefa fa diso tanteraka ireo olona ireo. Mety miezaka ny hanampy izy ireo sy mandeha amin’ny fahatsorampo. Mety resy lahatra tanteraka izy ireo fa marina ny heviny. Kanefa tsy ho afaka ny hahita mazava tsara izy ireo satria tsy mbola nahazo ilay fahazavan’ny fahamarinana feno kokoa.

Ny Fampanantenana hahazo Fahazavana

Toa efa toetran’ny zanak’olombelona mihitsy ny mieritreritra fa manana ny rariny isika na dia diso aza. Ary raha izay no izy, inona no fanantenana ho antsika? Moa ve isika voatery hiaina anatin’ny tsy fahalalana ny fahamarinana noho ireo hevitra maro mifanohitra izay mifamahofaho ka izay takatry ny saintsika sy izay inoantsika ihany no hohazonintsika?

Mety ho hita ve ny fahamarinana?

Ny tanjon’ny lahateniko dia ny hanambara ilay hafatra mahafaly hoe Andriamanitra mihitsy—Ilay Tompon’ny maro izay mahafantatra ny fahamarinana rehetra—no nanome fampanantenana ho an’ireo Zanany fa afaka mahafantatra ny fahamarinana ho azy manokana izy ireo.

Saintsaino ny maha zava-dehibe ity fampanantenana ity:

Hiteny amin’ireo rehetra izay manatona Azy amin-kitsimpo omban’ny tena finiavana ilay Andriamanitra Mandrakizay sy Tsitoha, ilay Mpahary izao zavatra ary rehetra izao.

Hiteny amin’izy ireo amin’ny nofy, sy fahitana, sy eritreritra ary fahatsapana Izy.

Hiteny amin’ny fomba izay tsy azo disoina ary tsy takatry ny traikefan’ny olombelona Izy. Hanome torolalana avy any an-danitra ho azy ireo Izy ary hanome valim-panontaniana ho an’ny fiainan’izy ireo manokana.

Mazava ho azy fa tsy maintsy misy ny olona izay hamingavinga sy hilaza fa tsy misy ny zavatra toy izany, fa raha misy Andriamanitra, dia tsy handany fotoana hihaino sy hamaly vavak’olona anankiray monja Izy.

Izao anefa no lazaiko anao: tena miraharaha anao Andriamanitra. Hihaino sy hamaly ireo fanontanianao manokana Izy. Ny valin’ireo vavaka ataonao dia ho tonga amin’ny fotoany sy araka ny fombany, ary noho izany dia mila mianatra mihaino ny Feony ianao. Tian’Andriamanitra ianao hahita ny lalanao miverina mankany Aminy, ary ny Mpamonjy no lalana.5 Tian’Andriamanitra ianao hianatra amin’i Jesoa Kristy Zanany ary hiaina ilay fiadanana sy fifaliana lehibe izay azo amin’ny fanarahana ny lalana izoran’ny mpianatry ny Tompo.

Ry namako malala isany, ity misy fanandramana tsotra azo atao, ary nahazoana toky avy amin’Andriamanitra, izay hita ao amin’ny rakitsoratra masina fahiny iray izay azon’ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy rehetra andramana:

Voalohany, mila mikatsaka ny tenin’Andriamanitra ianao. Izany hoe mamaky ny soratra masina sy mandalina ny tenin’ireo mpaminany taloha sy maoderina mikasika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny—tsy omban’ny fikasana hiahiahy na hitsikera fa omban’ny faniriana marina hahafantatra ny fahamarinana. Diniho ireo zavatra izay ho tsapanao, ary omano ny sainao handray ny fahamarinana.6 “Na dia tsy afa-manao mihoatra noho ny maniry ny hino aza ianareo, dia avelao izany faniriana izany hiasa ao aminareo, … hahafahanareo manisa toerana ho an’ny [tenin’Andriamanitra].”7

Faharoa, tokony hihevitra, sy hisaintsaina, ary hiezaka ny hino tsy amin-tahotra ianao8 ary hankasitraka noho ny famindrampo nasehon’ny Tompo ho an’ireo Zanany nanomboka tamin’ny vanim-potoan’i Adama ka hatramin’izao vanim-potoana misy antsika izao tamin’ny fanomezana mpampinany sy mpahita ary mpanambara mba hitarika ny Fiangonany sy hanampy antsika hahita ny lalana miverina any Aminy.

Fahatelo, tokony hangataka amin’ny Rainao any an-danitra ianao, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Zanany, mba haneho aminao ny fahamarinan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Manontania amin-kitsimpo omban’ny tena finiavana sady manam-pinoana an’i Kristy.9

Misy dingana fahefatra ihany koa, izay nomen’ny Mpamonjy ho antsika: “Raha misy olona ta-hanao ny sitrapon’[Andriamanitra], dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy, na avy amin’Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy aho.”10 Izany hoe, rehefa miezaka ny hanamarina ny fahamarinan’ireo fitsipiky ny filazantsara ianao, dia tokony hiainanao aloha ireo fitsipka ireo. Tsapao eo amin’ny fiainanao ny fitsipiky ny filazantsara sy ireo fampianaran’ny Fiangonana. Ataovy miaraka amin’ny tena finiavana sy fananana faharetana amin’ny finoana an’Andriamanitra izany.

Raha manao ireo zavatra ireo ianao dia mahazo fampanantenana avy amin’Andriamanitra—izay voafatotry ny teny nolazainy11—fa haneho ny fahamarinana aminao Izy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Homeny fahazavana bebe kokoa ianao izay hahafahanao hijery ny ao anatin’ny haizina sy hanana fahitana tena lehibe tsy takatry ny saina izay tsy hita raha amin’ny fijerin’olombelona fotsiny.

Mety misy hilaza hoe sarotra loatra ireo dingana ireo na koa hoe tsy ahitam-bokatsoa ny fanaovana azy. Kanefa izaho dia milaza fa io fijoroana ho vavolombelon’ny tena manokana momba ny filazantsara sy ny Fiangonana io no zavatra manan-danja indrindra tokony ho azonao amin’ity fiainana ity. Tsy vitan’ny hoe hitahy sy hitarika anao amin’ity fiainana ity izany, fa hisy fiantraikany mivantana amin’ny fiainanao ho amin’ny mandrakizay ihany koa.

Ny Zavatry ny Fanahy dia tsy azo takarina raha tsy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina

Sahirana ireo mpahay siansa niezaka nahatakatra ny halehiben’izao zavatra ary rehetra izao, mandra-pahatongan’ireo fitaovana ho ary fomba araka ny tokony ho izy mba hanangonana fahazavana bebe kokoa ka nahafahan’izy ireo nahatakatra fahamarinana feno kokoa.

Nampianatra fitsipika mifandraika amin’izany i Paoly Apôstôly mikasika ny fahalalana ara-panahy. “Ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ny Fanahin’Andriamanitra,” hoy ny nosoratany ho an’ny Korintiana, “fa fahadalana aminy izany: sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.”12

Izany hoe raha tianao ny hamantatra fahamarinana ara-panahy, dia mila mampiasa ny fitaovana mety amin’izany ianao. Tsy afaka mahatakatra ny fahamarinana ara-panahy ianao raha mampiasa fitaovana izay tsy afaka mahita izany.

Nilaza tamintsika amin’izao vanim-potoana misy antsika izao ny Mpamonjy hoe: “Izay avy amin’Andriamanitra dia fahazavana; ary izay mandray fahazavana, sy mitoetra ao amin’Andriamanitra, dia handray hazavana misimisy kokoa; ary izany hazavana izany dia mihamamiratra hatrany mandra-pitataovovonan’ny andro.”13

Arakaraky ny hampanantonantsika ny fontsika sy ny saintsika an’Andriamanitra, no hirotsahan’ny fahazavana avy any an-danitra ho amintsika. Ary isak’izay mikatsaka izany fahazavana izany amim-pahazotoana sy amim-pahamatorana isika, dia maneho amin’Andriamanitra ny fahavononantsika handray fahazavana misimisy kokoa. Ny zavatra izay toa nanjavozavo sy maizina ary saro-takarina taloha dia miova tsikelikely ho lasa mazava sy mamiratra ary fantatsika tsara.

Tahaka izany koa, raha miala amin’ny fahazavan’ny filazantsara isika, dia mihena ny fahazavantsika—tsy ao anatin’ny indray andro na herinandro fa tsikelikely—ambara-panaovantsika jery todika ka tsy hahazoantsika loatra ny antony ho nahatonga antsika hino fa marina ny filazantsara. Ny fahalalana nananantsika teo aloha aza dia mety ho raisintsika ho hadalana satria ny zavatra izay nazava fahiny dia lasa niverina ho manjavozavo sy maizina ary saro-takarina.

Izany no nahatonga an’i Paoly nanizingizina fa ny hafatry ny filazantsara dia fahadalana ho an’izay ho very, “fa herin’Andriamanitra kosa amin’ [ireo] izay hovonjena.”14

Tsy Zavatra Tokana no Entina Mitsara

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia toerana ahitana olona izay manana fijoroana ho vavolombelon isan-karazany. Ao ireo mpikamban’ny Fiangonana izay manana fijoroana ho vavolombelona azo antoka sy miredareda ao anatiny. Ao koa ireo mbola miezaka mahafantatra ho azy ireo manokana. Natao ho fonenana ho an’ireo rehetra izay mivondrona ao aminy ny Fiangonana, na manao ahoana na manao ahoana ny tanjaky ny fijoroantsika ho vavolombelona. Tsy mbola nahita soratra teny amin’ny varavaran’ireo trano fivoriantsika aho izay milaza hoe, “Tsy maintsy toy izao ny tanjaky ny fijoroanao ho vavolombelona vao mahazo miditra ianao.”

Tsy natao ho an’ny olona tanteraka ihany ny Fiangonana fa natao ho an’ny rehetra mba “[hanatona] an’i Kristy ary […] hatao tanteraka ao aminy”15 Natao ho an’ny olona toa ahy sy ianao ny Fiangonana. Toerana handraisana sy hikolokoloana ny Fiangonana fa tsy toerana hampizarazarana sy hitsikerana. Toerana izay hanolorantsika tanana mba hifamporisika sy hifankahery ary hifanohana eo am-pikatsahantsika manokana ny fahamarinan’Andriamanitra izany.

Farany, mpivahiny isika rehetra izay mikatsaka ny fahazavan’Andriamanitra eo am-pandehanana amin’ilay lalana izoran’ireo mpianatry ny Tompo. Tsy manameloka ny hafa isika noho ny habetsaky ny hazavana izay mety ananany na tsy ananany; fa kolokolointsika kosa, ary amporisihintsika izay fahazavana rehetra mandra-pahatongan’izany ho mazava sy mamiratra ary marina.

Fampanantenana ho an’ny Rehetra

Aoka isika hiaiky fa matetika ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona dia tsy vita ao anatin’ny iray minitra, na adiny iray na andro iray. Tsy hoe rehefa tontosa indray mandeha izany dia vita hatreo. Ny dingana arahina amin’ny fanangonana fahazavana dia katsahina mandritra ny androm-piainana manontolo.

Mety tsy ho tonga faingana araka izay irianao ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Zanak’Andriamanitra velona sy ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, kanefa kosa izao no azoko ampanantenaina anao: raha manao ny anjaranao ianao dia ho tonga izany.

Ary hahatalanjona tokoa izany.

Atolotro anareo ny fijoroako ho vavolombelona manokana fa ny fahamarinana ara-panahy dia hameno ny fonareo ary hitondra fahazavana ho an’ny fanahinareo. Hanolotra faharanitan-tsaina madio ho anareo izany sy fifaliana mahagaga ary fiadanan’ny lanitra. Efa niaina izany ny tenako tamin’ny herin’ny Fanahy Masina.

Araka ny efa nampanantenain’ny soratra masina fahiny, ny fanatrehan’ny Fanahin’Andriamanitra izay tsy hay tenenina dia hahatonga anao hikalo ny hiran’ny fitiavana manavotra,16 sy hampitraka ny masonao ho any an-danitra, ary hanandratra ny feonao hidera an’Andriamanitra avo indrindra, izay Fialofanao, sy Fanantenanao, sy Mpiaro anao, ary Rainao. Nampanantena ny Mpamonjy fa raha mitady ianareo dia hahita.17

Mijoro ho vavolombelona aho fa marina izany. Raha mikatsaka ny fahamarinan’Andriamanitra ianareo, izay zavatra toa manjavozavo, sy tsy taka-maso ary saro-takarina amin’izao fotoana izao dia hambara sy hohazavaina tsikelikely ary ho lasa akaikin’ny fonareo amin’ny alalan’ny fahazavan’ny fahasoavan’Andriamanitra izany. Fahitana ara-panahy tena lehibe ho an’ny mason’ny zanak’olombelona no haseho anareo.

Mijoro ho vavolombelona aho fa izany fahazavana ara-panahy izany dia mety ho azon’ny zanak’Andriamanitra rehetra. Hanazava ny sainareo izany, sy hitondra fanasitranana ho an’ny fonareo sy fifaliana ho an’ny androm-piainanareo. Ry namako malala isany, aoka tsy hahemotrareo ny fotoana hikatsahanareo sy hanamafisanareo ny fijoroanareo ho vavolombelona manokana momba ny asa masin’Andriamanitra, dia ilay asan’ny fahazavana sy fahamarinana.

Tsy vitan’ny hoe hitahy anareo sy ny taranakareo eto amin’ity fiainana ity fotsiny ny fijoroana ho vavolombelona manokana anananareo momba ny fahazavana sy ny fahamarinana, fa hanaraka anareo mandrakizay koa izany eny anivon’ny tontolo tsisy fiafarana. Izany no ijoroako ho vavolombelona sy hametrahako aminareo ny tsodranoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.