2014
Ny Anton’ny Fanantenantsika
Nôvambra 2014


Ny Anton’ny Fanantenantsika

Zavatra tsy azo refesina na isaina ny fijoroana ho vavolombelona momba ny fanantenana ny fanavotana. I Jesoa Kristy no loharanon’izany fanantenana izany.

Taona maro lasa izay, nitsidika ny Oniverstite Oxford izaho sy Rahavavy Packer. Nikaroka ireo rakitsoratra ahitana ny rain’ny razambeko fahasivy tany alohako izahay. Feno hatsaram-panahy i Dr. Poppelwell, filohan’ny Christ’s College tao Oxford ka naniraka an’ilay mpiandraiki-tahirintsoratry ny toeram-pianarana hitondra ireo rakitsoratra. Hitanay tao amin’ny firaketana momba ny taona 1583 ny anaran’ilay razambeko, dia i John Packer.

Ny taona manaraka izahay dia niverina tany Oxford mba hanolotra boky soratra masina ankatoavin’ny Fiangonana voatambatra tsara mba ho an’ny toeram-pamakiam-boky ao amin’ny Christ’s College. Somary hafahafa kely tamin’ny Dr. Poppelwell izany. Angamba nihevitra izy fa tsy Kristiana loatra izahay ka dia niantso ilay mpitondra fivavahan’ny toeram-pianarana izy mba handray ireo boky.

Talohan’ny nanolorako azy ilay mpitondra fivavahana dia nosokafako teo amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ilay soratra masina ary nasehoko azy ny lohahevitra iray: 18 pejy, tarehintsoratra madinika kely, elanelan’andalana tokana, mitanisa ireo andinin-tsoratra masina amin’ny lohahevitra hoe “Jesoa Kristy.” Io no anisan’ny andian-tsoratra masina mazava indrindra voangona hatramin’izay mikasika ny Mpamonjy teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao—tenivavolombelona iray avy amin’ny Testamenta Taloha sy Vaovao, ary avy amin’ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny Voahangy Lafo Vidy.

“Na amin’ny fomba ahoana na fomba ahoana ny hanarahanao ireo andinin-tsoratra masina ireo,” hoy aho taminy, “na andaniny sy ankilany, na avy eny ambony mankany ambany, na boky iray oharina amin’ny boky iray, na isaky ny lohahevitra—dia ho hitanao fa vavolombelona mari-pototra sy mirindra izy ireo mikasika ny maha-masina ny iraka nampanaovina ny Tompo Jesoa Kristy—ny Fahaterahany, ny Fiainany, ny Fampianarany, ny Fanomboana Azy, ny Fitsanganany amin’ny maty, ary ny Sorompanavotany.”

Taorian’ny nizarako tamin’ilay mpitondra fivavahana ny sasantsasany amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy dia nihanalefaka ny fandraisany anay ary nentiny nitsidika ilay toeram-pianarana izahay, ka anisan’izany ny fitsidihana lavaka iray vao nohadiana izay nahitana rindrina naoriana tamin’ny andron’ny Rômana.

Isan’ireo andinin-tsoratra masina voatanisa ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ity iray ity izay hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta Iray Hafa momba an’i Jesoa Kristy: “Ary miresaka an’ i Kristy isika, mifaly amin’ i Kristy, mitory an’ i Kristy, maminany ny amin’ i Kristy, ary manoratra araka ny faminaniantsika mba hahafantaran’ ny zanatsika ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany” (2 Nefia 25:26).

Tamin’ny teniny manokana no nanambaran’ny Mpamonjy hoe: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako” (Jaona 14:6).

Ary ao amin’ny Bokin’i Môrmôna Izy no manambara hoe: “Indro, Izaho no Ilay efa nomanina hatry ny fanorenana izao tontolo izao mba hanavotra ny oloko. Indro, Izaho no Jesoa Kristy. … Ao Amiko no hananan’ ny olona rehetra fiainana, ary izany dia mandrakizay, dia ireo izay hino ny anarako; ary ho tonga zanako lahy sy vavy ireo” (Etera 3:14).

Misy andinin-tsoratra masina maro dia maro hafa manerana ny soratra masina ankatoavin’ny Fiangonana manontolo izay manambara ny anjara asa masin’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpanavotra ny olon-drehetra izay efa teraka na mbola ho teraka eto amin’ny fiainana an-tany.

Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no anavotana antsika rehetra amin’ny Fahalavoan’ny olombelona izay nitranga tamin’ny nihinanan’i Adama sy i Eva ilay voankazo voarara tao amin’ny Sahan’i Edena, araka ny voalaza ao amin’i 1 Korintiana, “Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy” (1 Korintiana 15:22).

Mampianatra ny Bokin’i Môrmôna hoe: “Fa ilaina ny hanaovana ny sorompanavotana … , fa raha tsy izany dia tsy azo ihodivirana ny tsy maintsy hahafaty ny olombelona rehetra; eny, mafy fo ny rehetra; eny, lavo sady very ny rehetra, ary tsy maintsy ho faty raha tsy noho ny sorompanavotana, … ny sorona lehibe sady farany” (Almà 34:9–10).

Mety tsy manana fiainana tonga lafatra isika ary misy sazy vokatry ny fahadisoantsika, kanefa talohan’ny nahatongavantsika teto an-tany dia nanaiky isika fa hanaraka ny Lalàny sy hanaiky ireo famaizana noho ny fandikana ireo lalàna ireo.

“Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra;

“Nefa hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy [Jesoa]” (Romana 3:23–24).

Nanao ny Sorompanavotana ny Mpamonjy, izay fomba iray hahafahantsika ho lasa madio. I Jesoa Kristy no ilay Kristy nitsangana tamin’ny maty. Mitsaoka sy manaja Azy isika noho ny fanaintainana nozakainy ho antsika rehetra ary noho ny fanaintainana niaretany ho antsika tsirairay avy, tao amin’ny Sahan’i Getsemane sy teo amin’ny hazofijaliana. Nizaka ny zava-drehetra tamim-panetrentena lehibe Izy sy tamin’ny fahatakarana mandrakizay ny anjara asany sy ny tanjony masina.

Ireo izay mibebaka sy mahafoy ny ota dia hahita fa vonona hanampy hatrany ilay sandriny feno famindrampo. Ireo izay mihaino sy mankato ny teniny sy ny tenin’ireo mpanompo voafidiny dia hahita fiadanana sy fahatakarana, na dia ao anatin’ny ratrampo sy fahoriambe aza. Hanafaka antsika amin’ny vokatr’ireo ota ny sorona nataony mba hahafahan’ny helotsika ho voafafa ka hananantsika fanantenana.

Raha tsy nanatanteraka ny Sorompanavotana Izy dia tsy ho nisy ny fanavotana. Ho tontolo izay sarotra hiainana tokoa ity izao tontolo izao ity raha toa ka tsy afaka ny ho voavela amin’ny fahadisoantsika mihitsy isika, raha toa ka tsy afaka ny ho voadio na oviana na oviana ary hanohy ny fiainantsika indray.

Tsy voafetra ho an’ireo izay nanota noho ny fanaovana ny ratsy amim-panahy iniana na noho ny fanadinoana manao ny tsara fotsiny ihany ny famindrampo sy fahasoavan’i Jesoa Kristy, fa tafiditra ao anatin’izany ilay fampanantenana ny fiadanana mandrakizay ho an’ireo rehetra izay manaiky sy manaraka Azy sy ny fampianarany. Ny famindrampony no mpanasitrana mahery, eny fa na ho an’ireo voaratra noho ny otan’ny hafa aza.

Vao tsy ela aho no nandray taratasy avy tamin’ny vehivavy iray izay nilaza fa nizaka fijaliana lehibe izy teo amin’ny fiainany. Nisy zavatra ratsy dia ratsy natao taminy, izay tsy tiany nambara mivantana. Niaiky izy fa sahirana nanoloana ny fahatezerana goavana tsapany. Tao anatin’izany hatezerany izany no nanozonany tao an-tsainy hoe: “Tsy maintsy misy olona manonitra zavatra ratsy dia ratsy natao tamiko izao.” Nandritra izany fotoan’ny alahelo sy ahiahy lehibe izany no nanoratany fa tonga tao am-pony teo no ho eo ny valiny, dia hoe: “Efa nisy olona nanonitra izany.”

Raha tsy takatsika ny zavatra azon’ny soron’ny Mpamonjy hatao ho antsika dia mety handia ny fiainantsika anatin’ny nenina isika hoe nanao zavatra tsy nety na nanafintohana olona. Azo diovina ilay fahatsapana ho meloka avy amin’ny hadisoana. Hanana fanajana lalina isika ho an’ny Tompo Jesoa Kristy sy ny asa nanirahana Azy teto an-tany ary ny asa masina nataony amin’ny maha-Mpamonjy Azy raha toa ka mikatsaka ny hahatakatra ny tanjon’ny Sorompanavotany.

Naverina amin’ny laoniny Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany mba hanaparitaka eran’izao tontolo izao ny fahalalana momba ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny fampianarany. Ity fihaonambe goavana ity dia ampitaina amin’ny alalan’ny zanabolana amin’ny fiteny miisa 94 manerana ny firenena 102 ary azo jerena koa amin’ny Internet any amin’ny firenena tsirairay izay misy ny Fiangonana. Manana tsatòka mihoatra ny 3.000 isika. Mihoatra ny 88.000 ireo misiônerantsika manompo amin’ny fotoana feno ary mihoatra ny 15 tapitrisa ny totalin’ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana. Manaporofo ireo tarehimarika ireo fa ilay “vato izay nendahina hiala tamin’ny tendrombohitra nefa tsy nendahan-tanana” dia mandroso hatrany ary amin’ny farany hanenika “ny tany manontolo” (F&F 65:2).

Kanefa na lasa lehibe manao ahoana na manao ahoana aza ny rafitry ny Fiangonana, na firy tapitrisa na firy tapitrisa no tonga manatevin-daharana antsika, na firy na firy ireo kaontinanta sy firenena hitorian’ireo misiônera, na firy na firy ireo fiteny samihafa hifampiresahantsika, ny tena fahombiazan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia tombanana amin’ny tanjaka ara-panahin’ireo mpikambana tsirairay. Ilaintsika ny tanjaky ny finoana izay miorina ao am-pon’ny mpianatra tsirairay mahatokin’i Kristy.

Zavatra tsy azo refesina na isaina ny fijoroana ho vavolombelona momba ny fanantenana ny fanavotana. I Jesoa Kristy no loharanon’izany fanantenana izany.

Katsahantsika ny hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelon’ireo tanora sy ireo olon-dehibe, ireo manambady sy ireo tsy manambady. Mila mampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ireo lehilahy, sy vehivavy ary ankizy isika, sy amin’ireo olona manana fiaviana sy zom-pirenena samihafa, ary amin’ireo manankarena sy ireo mahantra. Mila ireo olona mpikambana vao haingana isika sy ireo eo anivontsika izay taranak’ireo mpamaky lay. Mila mikaroka ireo izay nivily làlana isika ary manampy azy ireo hiverina ato amin’ny vala. Mila ny fahendren’ny tsirairay isika sy ny fomba fijeriny ary ny tanjany ara-panahy. Singa manan-danja eo amin’ny rafitry ny Fiangonana manontolo ny mpikambana tsirairain’ity Fiangonana ity.

“Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy.

“Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray. …

“Nefa ny momba ny tena tsy iray, fa maro” (1 Korintiana 12:12–14).

Mijoro ho vavolombelona ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany ny mpikambana tsirairay. Mifanandrina amin’ny herin’ny fahavalo isika ary mila ny tsirairay avy raha toa ka maniry ny hahomby eo amin’ny asa izay nasain’ny Mpamonjy hataontsika.

Mety hanontany tena ianao hoe: “Inona no azoko atao? Olona tokana ihany aho.”

Azo antoka fa nahatsiaro ho tena irery i Joseph Smith indraindray. Nisondrotra tamin’ny avo izy saingy nanomboka izany fony izy zazalahy kely 14 taona izay nametraka fanontaniana iray hoe: “Iza amin’ireo [antokom-pivavahana] rehetra ireo no marina?” (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:10). Ny finoana sy ny fijoroana ho vavolombelona nananan’i Joseph momba ny Mpamonjy dia nitombo tahaka ny tsy maintsy hitomboan’ny antsika koa dia “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika, etsy kely ary eroa kely” (2 Nefia 28:30; jereo koa ny F&F 128:21). Nandohalika nivavaka i Joseph ary endrey ny zava-mahatalanjona nitranga vokatr’izany vavaka sy Fahitana Voalohany izany.

Amin’ny maha-iray amin’ireo Apôstôly Roambinifolo ahy dia mijoro ho vavolombelona momba ny Tompo Jesoa Kristy aho. Velona Izy. Mpanavotra sy Mpamonjy antsika Izy. “Noho ny Sorompanavotan’i Kristy dia azo vonjena ny olombelona rehetra” (Fanekem-pinoana 1:3). Lohan’ity Fiangonana ity Izy. Fantany ny mpanompony. Hiaraka amintsika ny Fanahiny eo am-pirosoantsika amim-pahatokiana mankany amin’ny hoavy. Tsy manam-petra ny Heriny enti-mitahy sy mitarika ny fiainan’ireo izay mikatsaka ny rariny sy ny fahamarinana. Mijoro ho vavolombelona ny Aminy aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.