2014
Ny Asa Fanompoana Ataon’ny Tenantsika Manokana
Nôvambra 2014


Ny Asa Fanompoana Ataon’ny Tenantsika Manokana

Tokony ho ny fitiavantsika an’i Jesoa Kristy no mpitarika antsika raha tiantsika ny hahafantatra ny zavatra ilain’ireo izay azontsika ampiana amin’ny fomba iray.

Omena fahafahana sy fitahiana manokana isika mba hanompo ato amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Nandritra ny naha-mpikambana ahy dia nanompo tamin’ny fomba maro aho. Tahaka ny filazan-dRahalahy Udine Falabella, izay rain’ny Loholona Enrique R. Falabella, hoe “Izay manompo dia misy ilàna azy; ary izay tsy manompo dia tsy misy ilàna azy.” Teny tokony hotehirizintsika ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika ireo teny ireo.

Rehefa nikatsaka fitarihana aho nandritra ny asa fanompoana nataoko dia nahazo hery tamin’ny fahatsiarovana fa nifantoka tamin’ny olona tsirairay sy ny fianakaviana ny Mpamonjy. Ny fitiavany sy ny fieritreretany am-pitiavana ny olona tsirairay dia nampianatra ahy fa fantany ny hasarobidin’ny tsirairay amin’ireo zanaky ny Ray any an-danitra ary tena ilaintsika ny manao izay hanompoana sy hampatanjahana ny olona tsirairay amin’ny alalan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Hoy ny soratra masina hoe:

“Tadidio fa lehibe ny hasarobidin’ ny olona eo imason’ Andriamanitra; …

“Ary raha toa aza ka miasa amin’ ny andronareo rehetra ianareo … ary mitondra olona iray monja ho Ahy, akory ny halehiben’ ny fifalianareo miaraka aminy ao amin’ ny fanjakan’ ny Raiko!”1

Sarobidy amin’Andriamanitra ny olona tsirairay satria zanany isika ary afaka ho tonga toa Azy.2

Tokony ho ny fitiavantsika an’i Jesoa Kristy no mpitarika antsika raha tiantsika ny hahafantatra ny zavatra ilain’ireo izay azontsika ampiana amin’ny fomba iray. Ireo fampianaran’ny Tompo no manoro antsika ny lalana. Ka toy izao no hiantombohan’ny fanompoana ataon’ny tenantsika manokana: mamantatra ireo zavatra ilaina dia manome izany avy eo. Araka ny voalazan-dRahavavy Linda K. Burton, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany hoe: “Mijere aloha, ary avy eo dia Manompoa.”3

Ohatra lehibe amin’io fitsipika io ny Filoha Thomas S. Monson. Tamin’ny Janoary 2005 izy dia niahy ny fivorian’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana tany Porto Rico, izay fotoana nanehoany ny fomba nanompoan’ny Mpamonjy sy ireo mpanompony tamin’ny alalan’ny asa fanompoana ataon’ny tena manokana. Rehefa tapitra io fivoriana mahafinaritra io dia nanomboka niarahaba ireo mpitarika rehetra ao amin’ny fisoronana izay nanatrika ny Filoha Monson. Tampoka teo dia tsikariny fa ny iray tamin’izy ireo dia nitazana izay rehetra niseho tery alavitra tery sady nitokantokana.

Niala teo amin’ilay vondron’olona ny Filoha Monson dia nanatona io rahalahy io ka niresaka taminy. Nilaza taminy tamim-piontanampo i José R. Zayas hoe fahagagana ny nanatonan’ny Filoha Monson azy ary izany dia valin’ireo vavaka nataon’izy sy i Yolanda vadiny talohan’ilay fivoriana. Nolazainy tamin’ny Filoha Monson fa narary mafy ny zanany vavy ary nisy taratasy avy amin’ny vadiny tany aminy, izay tian’ny vadiny omena ny Filoha Monson. Nilaza tamin’ny vadiny Rahalahy Zayas hoe tsy ho voatolotra ilay taratasy satria ho be hatao tokoa izao ny Filoha Monson. Nihaino ilay tantara ny Filoha Monson ary nangataka ilay taratasy, izay novakiny mangina. Dia nataony tao am-paosin’ny palitaony izany ary nilaza tamin-dRahalahy Zayas izy fa hijery akaiky ny fangatahan’izy ireo.

Tamin’io fomba io no nikasihan’i Jesoa Kristy Tompo an’io fianakaviana io tamin’ny alalan’ny mpanompony. Mino aho fa miantefa amintsika ireo tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny fanoharana momba ilay samaritana tsara fanahy hoe: “Mandehana hianao, ka mba manaova toy izany koa.”4

Tamin’ny 21 septambra 1998 dia namely an’i Porto Rico ny rivo-doza Georges, ka nanimba zavatra marobe. Tsy maty tamin’io rivo-doza goavana io sy ny tafiotra mahery vaika nentiny izaho sy Rahavavy Martinez ary ireo zanakay dimy satria nijanona tao an-tranonay izahay. Na izany aza anefa dia tapaka nandritra ny roa herinandro ny rano sy ny jironay.

Rehefa lany ny vatsin-dranonay dia sarotra ny nahazo rano fanampiny. Tsy ho adinoiko na oviana na oviana ireo rahalahy izay nanompo anay tamin’ny famatsiana io rano sarobidy io, ary tsy ho adinoiko velively koa ny fomba feno fitiavana izay nanompoan’ireo rahavavy anay ihany koa.

Tonga tao an-tranonay i Germán Colón niaraka tamin’ny fitoeran-drano plastika lehibe izay nentiny tamin’ny fiara tsy mataho-dalana. Nolazainy taminay hoe nanao izany izy satria, hoy izy tamin’ny teniny manokana hoe “fantatro fa manana ankizy kely mila rano ianareo.” Andro maromaro taty aoriana dia nampakatra siniben-drano telo lehibe teo amin’ny fiarabe mpitatitra entana iray ry Rahalahy isany Noel Muñoz sy Herminio Gómez. Nandalo tampoka tao an-tranonay izy ireo ary nofenoiny rano fisotro madio avokoa ireo tavoahangin-drano rehetra azo nampiasaina, ary nanasa ihany koa ireo mpifanolobodirindrina taminay mba hameno ny azy.

Voavaly ireo vavakay tamin’ny alalan’ny asa fanompoana nataon’izy ireo manokana. Ny endrik’ireo rahalahy telo ireo dia nampiseho ny fitiavan’i Jesoa Kristy anay, ary ny fanompoan’izy ireo—na ny asa fanompoana nataon’izy ireo manokana raha lazaina amin’ny teny hafa—dia nitondra zavatra betsaka lavitra noho ny rano fisotro madio teo amin’ny fiainanay. Ho an’ny zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra tsirairay dia manan-danja aminy ny fahafantarany fa misy olona mijery izay mahasoa azy.

Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa ny ray any an-danitra sy ny Tompontsika, Jesoa Kristy, dia mahafantatra antsika tsirairay avy. Noho io antony io dia manome antsika izay ilaintsika Izy ireo mba hananantsika fahafahana ho tody amin’izay tokony hahatongavantsika. Asian’Izy ireo olona izay hanampy antsika eny an-dalana eny. Ka rehefa lasa fitaovana eo am-pelatanan’Izy ireo isika dia afaka manompo ireo olona izay asehony antsika amin’ny alalan’ny fanambarana.

Amin’io fomba io no hanampian’i Jesoa Kristy Tompo ireo zanaka rehetra an’ny Ray any an-danitra. Hanangona ny ondriny rehetra ilay Mpiandry Tsara. Hanao izany amin’ny olona tsirairay Izy rehefa mampiasa tsara ny fahafahany manavaka ny tsara sy ny ratsy izy ireo—rehefa mihaino ny feon’ireo mpanompony sy mandray ny asa fanompoan’izy ireo. Dia hahafantatra ny feony izy ireo ka hanaraka Azy. Ny asa fanompoana ataon’ny tena manokana toy izany dia tafiditra ao anatin’ny fanajana ireo fanekempihavanan’ny batisa izay nataontsika.

Tahaka izany koa dia ny fanehoana hoe tena mpianatr’i Jesoa Kristy marina isika no toy ny taratasy fampahafantarana tsara indrindra antsika amin’ireo izay azontsika hizarana ny filazantsarany. Rehefa manokatra ny vavantsika isika ary mizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia lasa “mpiandry ondry eo ambany fitarihany [isika], izay nomena andraikitra hamahana ireo ondriny eo amin’ny tanim-bilony sy ireo zanak’ondry ao am-balany”5; lasa “ny malemy sy ny tsotra”6 isika, “mpanarato olona.”7

Tsy voafetra amin’ny fiainana eto an-tany ny fanompoantsika sy ny asa fanompoana ataon’ny tenantsika manokana. Afaka manao asa ho an’ny maty koa isika—ho an’ireo miaina any amin’ny tontolon’ny fanahy izay tsy nanana fahafahana nandray ireo ôrdônansin’ny famonjena ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy nandritra ny fiainany teto an-tany. Afaka manoratra diary ihany koa isika ary manoratra ny tantaram-pianakaviantsika mba hampitodihana ny fon’ireo velona hanompo ireo mpiara-belona aminy—ary koa ny fon’ireo velona hanompo ireo razambeny. Fampifandraisana ny fianakaviantsika isaky ny taranaka mifandimby izany mba ho voafatotra mandrakizay. Rehefa manao izany isika dia lasa “mpamonjy … ao an-tendrombohitra Ziona.”8

Manana ilay fahafahana manokana isika mba ho tonga fitaovana eo am-pelatanany. Afaka manao izany isika ao anatin’ny fanambadiantsika sy ao anatin’ny fianakaviantsika sy amin’ireo namantsika ary amin’ireo mpiara-belona amintsika. Izany no asa fanompoana ataon’ny tenantsika manokana amin’ny maha-mpianatra marin’i Jesoa Kristy antsika.

“Ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy;

“Ary hametraka ny ondry eo amin’ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin’ny ankaviany.

“Ary amin’izany ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo amin’ny ankavanany hoe: Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao;

“Fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo;

“Tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-trano-maizina Aho, dia novangianareo.

“Ary hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay?

“Ary oviana no hitanay nivahiny Hianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka notafianay?

“Ary oviana no hitanay narary Hianao, na tao an-trano-maizina, ka novangianay?

“Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.”9

Mivavaka aho mba hanaovantsika izany, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.