2014
Ilay Boky
Nôvambra 2014


Ilay Boky

Tokony ho tafiditra ho anisan’ireo zavatra ataon’ny tenantsika manokana tsy tapaka mba hitsaohana ny fanaovana tantaram-pianakaviana sy ny asa any amin’ny tempoly.

Fony aho tovolahy Skoto 12 taona, dia nahazo fanomezana tena niriako tokoa aho izay nanampy ireo fitaovana ilaiko ao amin’ny Skoto. Famaky ilay izy izay nisy fonony hoditra matevina! Efa maizina izahay vao tonga teo amin’ny toeram-pilasiana ny ampitson’ilay dia nataonay, ary lena sy nangatsiaka noho ny ranomandry matevina nilatsaka teny an-dalana. Ny zavatra nibahana tato an-tsaiko dia ny hanamboatra afon-dasy lehibe. Tonga dia lasa aho nanapatapaka hazo iray efa nianjera tamin’ny alalan’ilay famakiko vaovao. Sorena aho teo am-panapahana hazo fa toa tsy manapaka tsara ilay izy. Niezaka mafy ihany aho na dia tao anatin’ny fahasorenana aza. Diso fanantenana aho ka dia niverina tany amin’ny toeram-pilasiana niaraka tamin’ireo sombin-kazo vitsy kely izay voatapaka. Hitako anefa ny anton’ilay olana tamin’ny alalan’ny hazavan’ny afo narehitry ny olona iray hafa. Tsy nesoriko ny fonon’ilay famaky ary azoko lazaina fa rotidrotika ilay hoditra matevina. Noho izaho nifantoka loatra tamin’ny fanapahana hazo dia lasa variana aho ka tsy nieritreritra ireo zavatra hafa manan-danja.

Rehefa miasa mba hahazoana fisandratana isika dia tsy maintsy manatanteraka ireo fepetra rehetra takina fa tsy tokony ho variana amin’ny fepetra takina iray na roa na amin’ny zavatra hafa tsy misy ifandraisany amin’izany. Mitondra fifaliana sy fahasambarana ny fikatsahana ny fanjakan’Andriamanitra.1 Tsy maintsy mivonona ny hiova isika raha ilaina izany. Tsy dia mafy sy tsy dia manahirana kokoa ny fanitsiana madinidinika atao matetika noho ny fanitsiana goavana atao eo amin’ny fiainantsika.

Nitety firenena maro izaho sy Rahavavy Packer vao tsy ela akory izay. Nomaninay ny pasipaoronay sy ireo taratasy hafa. Vitanay ireo tsindrona fiarovana amin’ny aretina rehetra, ny fizahana ara-pahasalamana ary azonay ny visa, ary feno ny fepetra rehetra hampanan-kery ny pasipaoronay. Nosavaina ireo antontan-taratasinay isaky ny tonga tany amin’ny toerana iray izahay ary rehefa hita fa feno ny fepetra rehetra dia nahazo niditra izahay.

Mitovy amin’ny fiomanana hiditra any amin’ny firenena iray hafa ny fiomanana mba ho mendrika ny hahazo fisandratana. Tsy maintsy ataontsika tsirairay izay hananana ny pasipaorontsika ara-panahy. Tsy isika no mametraka ny fepetra fa ny manatanteraka azy rehetra no tsy maintsy ataontsika tsirairay. Ahitana ny fotopampianarana, ny lalàna, ny didy ary ny ôrdônansy iray manontolo ilain’ny olona rehetra mba hahazoana ny fisandratana ny drafitry ny famonjena.2 Ary, “Noho ny Sorompanavotana nataon’i [Jesoa] Kristy, dia azo vonjena ny olombelona rehetra.”3 Manampy ny Fiangonana, saingy tsy afaka manao izany asa mba hahazoana fisandratana izany ho antsika izy. Ny fiomanana mba ho mendrika ny hahazo fisandratana no tanjona ezahantsika hotratrarina eo amin’ny fiainantsika.

Nanorina ny Fiangonany i Kristy mba hanampiana antsika. Niantso lehilahy miisa 15 izay tohanantsika ho toy ny mpaminany sy mpahita ary mpanambara Izy mba hitarika ny Fiangonana sy hampianatra ny olona. Manana hery sy fahefana mitovy ny Fiadidiana Voalohany4 sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo5 ary,6 ny Apôstôly efa ela niasana indrindra no tendrena ho Filohan’ny Fiangonana. Voantso mba hanampy ny Fitopololahy.7 Tsy ny mpitarika no nametraka ireo fepetra takina hahazoana ny fisandratana fa Andriamanitra! Ireo mpitarika ireo dia voantso mba hampianatra sy hanazava ary hanentana sy hampitandrina mihitsy aza mba hijanonantsika eo amin’ilay lalana.8

Ny boky torolalana momba ny fitantanana ny Fiangonana dia manazava hoe: “Mifantoka amin’ireo adidy masina nampiandraiketina azy ny Fiangonana ao anatin’ny fanatanterahana ilay tanjony mba hanampy ny olona tsirairay sy ny fianakaviana ho mendrika ny hahazo ny fisandratana. Izany dia ahitana ny fanampiana ireo mpikambana mba hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny alalan’ny asa fitoriana, ny fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana, ary ny fanatanterahana ny famonjena ny maty amin’ny alalan’ny fanorenana tempoly sy fanaovana ôrdônansy isoloana tena.”9 Tsy maintsy tanterahina fa tsy hoe, tsy voatery atao ireo zavatra efatra ifantohana ireo ary ireo lalàna sy didy ary ôrdônansy hafa. Fenontsika tsikelikely ireo fepetra ilain’ ny pasipaorontsika ara-panahy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy amin’ny alalan’ny fanaovana ireo zavatra tsirairay ireo.

Ampianarina mikasika ireo fanovana izay hanampy antsika rehetra ho tsara omana kokoa isika mandritra ity fihaonambe ity.

Ny fianakaviana no ivon’ny drafitry ny famonjena ary izay angamba no antony iantsoana azy koa hoe “drafitra lehiben’ny fahasambarana.”10 Hoy ny Filoha Boyd K. Packer hoe: “Ny tanjona lehibe indrindran’ny zavatra rehetra atao ato amin’ny Fiangonana dia ny mba hanomezana fahafahana ny lehilahy iray sy ny vadiny ary ny zanany ho sambatra ao an-tokantrano.”11

Hoy ny Filoha Spencer W. Kimball hoe: “Ny fahombiazantsika, na ny an’ny tenantsika tsirairay izany na ny an’ny Fiangonana dia hiankina be dia be amin’ny halehiben’ny fahatokiantsika eo amin’ny fiainana ny filazantsara any an-tokantrano.”12 Tafiditra ao anatin’ny fiainana ny filazantsara ao an-tokantrano ny momba ny fanaovana asa any amin’ny Tempoly sy ny tantaram-pianakaviana. Tokony ho asa natao ho tanterahan’ny mpianakavy mihitsy aza izany fa tsy asa atao any amin’ny Fiangonana.

Nisy indray ny fanantitranterana vaovao nataon’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mikasika ny fanaovana tantaram-pianakaviana sy ny asa any amin’ny tempoly.13 Hampitombo ny fifaliana sy ny fahasambaran’ny tenanareo manokana sy ny fianakavianareo ny fandraisanareo andraikitra eo anatrehan’izany.

Hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny hoe: “Efa antomotra ny andro lehiben’ny Tompo. … Koa aoka isika amin’ny maha-fiangonana sy vahoaka ary Olomasin’ny Andro Farany antsika, hanatitra fanatitra amim-pahamarinana ho an’ny Tompo; ary aoka isika ho ao amin’ny tempoliny masina, … hanolotra ny boky mirakitra ny rakitsoratry ny maty eo amintsika izay ho mendrika ny fankasitrahana rehetra.”14

Io “boky” io dia harafitra amin’ny alalan’ireo anarana sy ôrdônansy voarakitra ao anatin’ny tahiry fototry ny Rafi-tetiarana an’ny Fiangonana.

Manara-maso sy mampiditra zavatra horaketina ao amin’io tahiry fototra io aho satria tiako ho tafiditra ao anatin’io boky io ny anaran’ireo olona tiako rehetra. Tsy mba tianareo ho ao anatin’izany koa ve ny anareo?

Hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana 128 ny hoe: “Tsy hatao tanteraka isika raha tsy eo [ireo razambentsika]; tsy hatao tanteraka koa izy ireo raha tsy eo isika.”15

Mifono zavatra hafa ankoatry ny tetiarana, fitsipika arahina, anarana, daty ary toerana ny tantaram-pianakaviana. Mifono zavatra hafa ankoatry ny fifantohana amin’ny lasa izany. Tafiditra ao anatin’ny tantaram-pianakaviana koa ny ankehitriny rehefa mandrafitra ny tantarantsika manokana isika. Tafiditra ao anatin’izany ny hoavy rehefa volavolaintsika amin’ny alalan’ireo taranatsika ny tantaran’ny hoavy. Manao tantaram-pianakaviana ohatra ny reny vao herotrerony iray rehefa mitantara ny tantaran’ny fianakaviany sy mampiseho sary amin’ny zanany.

Tokony ho tafiditra ho anisan’ireo zavatra ataon’ny tenantsika manokana tsy tapaka mba hitsaohana ny fanaovana tantaram-pianakaviana sy ny asa any amin’ny tempoly tahaka ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo, ny fanatrehana fivoriana, ny famakiana soratra masina, ary ny fanaovana vavaka manokana. Ny faneken’ireo tanorantsika sy ny hafa hanatanteraka ilay fanasan’ny mpaminany dia nanentana ny fanahy ary nanaporofo fa ity asa ity dia azo sy tokony hataon’ny mpikambana rehetra na firy taona izy na firy taona.

Nanazava ny Loholona Quentin L. Cook hoe: “Ananantsika [izao] ny fotopampianarana sy ny tempoly ary ny teknôlôjia.”16 Mora kokoa ny manao io asa io ankehitriny fa ny isan’ny mpikambana manao izany ho lohalaharana no mety hampitaredretra izany. Mbola mitaky fotoana sy fahafoizantena ihany izany asa izany, kanefa afaka manao izany ny olona rehetra ary azo atao hoe mora ny fanaovana azy amin’izao raha oharina tamin’ireo taona vitsy lasa.

Mba hanampiana ny mpikambana dia nanangona fampahalalana voarakitra sy nanome fitaovana ny Fiangonana mba hahafahana manatanteraka ny ankamaroan’ny asa any an-tokantranontsika na any amin’ny trano fiangonantsika na any amin’ny tempoly. Nesorina ny ankamaroan’ireo zavatra manakantsakana. Na inona na inona eritreritrao taloha mikasika ny fanaovana izany asa izany dia efa hafa mihitsy izy izao ankehitriny!

Misy sakana iray anefa izay tsy vitan’ny Fiangonana ny manaisotra azy. Tsy inona fa ny fisalasalan’ny olona iray hanao izany asa izany. Tsy mitaky afa-tsy fandraisana fanapahan-kevitra sy ezaka kely izany. Tsy mitaky fotoana be dia be izany. Ny fanokanana fotoana kely fotsiny tsy tapaka hanaovana izany dia hitondra ilay fifaliana fonosin’io asa io. Manapaha hevitra hanao dingana iray, mba hianatra sy hangataka ny hafa mba hanampy anao. Hanampy tokoa izy ireo! Ho lasa fampahalalana voarakitra ao anatin’ “ilay boky” ireo anarana hitanao sy entinao any amin’ny tempoly.17

Na dia lasa mitombo be aza ny fandraisan’ny mpikambana anjara amin’izany dia hita fa mpikamban’ny Fiangonana vitsy ihany no mitady anarana tsy tapaka sy manatanteraka ireo ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny fianakaviany.18 Mitaky fanovana ireo zavatra ataontsika lohalaharana izany. Aza manohitra an’ilay fanovana fa ekeo izany! Tafiditra ao anatin’ny drafitra lehiben’ny fahasambarana ny fanovana.

Ilaina atao ity asa ity, tsy hoe ho tombontsoan’ny Fiangonana fa ho tombontsoan’ireo havantsika efa nodimandry sy ho an’ny tenantsika. Ilaintsika sy ireo havantsika efa nodimandry ny mameno ireo fepetra ilain’ny pasipaorontsika ara-panahy.

Any amin’ny tempoly ihany ary amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny famehezana no ahafahana manatanteraka ny “fampiraisana”19 ny fianakaviantsika hatrany amin’ireo taranaka maro nifandimby. Tsotra ireo dingana arahina: Mitadiava fotsiny anarana dia ento any amin’ny tempoly izany. Ho afaka ny hanampy olona hafa koa ianao rehefa mandeha ny fotoana.

Afaka manao ity asa ity ny olona rehetra afa-tsy izay vitsivitsy manana ny antony manokana!

Mifono fitahiana azo tsapain-tanana ity asa ity. Maro ireo ray aman-dreny sy mpitarika izay sahiran-tsaina amin’ny toe-javatra misy eto amin’izao tontolo izao amin’izao fotoana izao ary ny fiantraikan’izany eo amin’ny fianakaviana sy ny tanora.

Nampanantena an’izao ny Loholona David A. Bednar: “Manasa ny tanoran’ny Fiangonana aho mba hianatra sy hahatsapa ny Fanahin’i Elia. … Mampanantena anareo aho [fa] ho voaro amin’ny fitarihan’ny fahavalo izay mihamahery vaika ianareo. Rehefa mandray anjara ao anatin’ity asa masina ity sy mitia izany ianareo dia ho voaro mandritra ny fahatanoranareo ary mandritra ny fiainanareo.”20

Ry rahalahy sy rahavavy, tonga ny fotoana hanesorantsika ny fonon’ny famaky sy handehanantsika hiasa. Tsy tokony hataontsika sorona ny fisandratan’ny tenantsika sy ny an’ny fianakaviantsika mba hanaovana zavatra hafa tsy manan-danja.

Ity no asan’Andriamanitra, izay tokony ho tanterahan’ny mpikambana sy ireo tsy mpikambana koa, tanora sy antitra, lehilahy sy vehivavy.

Hofaranako amin’ny famakiana ny andalana ao amin’ny Fihirana 324 (amin’ny teny Anglisy) izany, izay hanovako ny teny iray:

“Mitsangana, ry [Olomasin’] Andriamanitra!

Ialao ireo zavatra tsy manan-danja.

Atolory ny fo, fanahy, saina ary tanjaka

Hanompoana ilay Mpanjakan’ny mpanjaka.”21

I Jesoa Kristy no ilay Mpanjaka! Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.