2014
Manana Drafitra ho Antsika ny Tompo!
Nôvambra 2014


Manana Drafitra ho Antsika ny Tompo!

Raha manohy miaina araka izao iainantsika izao isika, moa ve ho tanteraka ireo fitahiana nampanantenaina?

Tombontsoa lehibe ny mandray anjara amin’izao fotoana manan-tantara izao, izay ahafahan’ireo mpandahateny amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany misafidy ny hiteny amin’ny fitenin-drazany. Tamin’ny fotoana farany nitenenako teto amin’ity polipitra ity dia sahiran-tsaina aho tamin’ny fomba fiteniko amin’ny teny anglisy. Ankehitriny aho dia sahiran-tsaina sao haingana loatra ny fiteniko amin’ny teny Pôrtogey. Tsy tiako hoe tsy haharaka ny fiteniko ireo teny ambara miseho an-tsoratra.

Isika rehetra dia samy niaina na mbola hiaina fotoana handraisana fanapahan-kevitra manan-danja eo amin’ny fiainantsika. Tokony hikatsaka an’ity asa ity ve aho sa ity asa iray hafa ity? Tokony handeha hanao asa fitoriana ve aho? Io ve ilay olona tena tokony ho vadina?

Toe-javatra samihafa eo amin’ny fiainantsika izy ireny izay ahitana fa fiovana kely iray eo amin’ny lalana izorana dia mety hisy fiantraikany lehibe any amin’ny hoavy. Hoy ny tenin’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf: “Tamin’ny alalan’ny fanompoako ny Tompo nandritra ny taona maro … , dia nianatra aho fa ny fahasamihafana eo amin’ny fifaliana sy ny fahoriana mitranga amin’ny olona iray, sy eo amin’ny fanambadiana, ary eo amin’ny fianakaviana dia matetika no vokatry ny fahadisoana kely fotsiny eo amin’ny mari-drefy” (“Resaka Elanelana kely fotsiny eo amin’ny Mari-drefy,” Liahona, Mey 2008, 58).

Ahona no fomba ahafahantsika misoroka ireny fahadisoana kely eo amin’ny kajikajy ireny?

Hampiasa zavatra niainako aho mba hanazavana ny hafatro.

Tany amin’ny faramparan’ireo taona 1980, ny fianakavianay dia nahitana an’i Mônica vadiko, ny roa amin’ireo zanakay efatra, ary izaho. Nonina tao Sao Paulo, Brésil izahay tamin’izany ary niasa tao amin’ny orinasa tsara iray aho. Nahavita ny fianarako tany amin’ny oniversite aho ary vao avy nisaorana tamin’ny naha-evekan’ilay paroasy izay nisy anay. Tsara ny fiainana tamin’izany ary toa araka ny tokony ho izy avokoa ny zava-drehetra mandra-pahatongan’ilay andro namangian’ny namana efa ela anankiray.

Tany amin’ny faramparan’ny famangiany dia niteny zavatra iray izy ary nametraka fanontaniana iray izay nanova ny fomba fijeriko. Hoy izy hoe: “Ry Carlos, toa mandeha tsara ny zava-drehetra raha mikasika anao sy ny fianakavianao ary ny asanao sy ny fanompoanao ao am-piangonana, saingy—” ary eto ilay fanontaniana, “raha manohy miaina araka izao fiainanao izao ianao dia moa ve ho tanteraka ireo fitahiana nampanantenaina ao amin’ny tsodranon’ny patriarika ho anao?”

Tsy mbola nijery ny tsodranon’ny patriarika izay azoko tamin’izay lafiny izay mihitsy aho. Namaky azy io aho tsindraindray saingy tsy mbola nanana tanjona hoe hibanjina ireo fitahiana ampanantenaina amin’ny hoavy sy hoe hanombantombana ny fomba fiainako ankehitriny.

Taorian’ny namangiany anay dia nifantoka tamin’ny tsodranon’ny patriarika izay azoko aho, ka nanontany tena hoe “Raha manohy miaina araka izao fiainanay izao izahay, moa ve ho tanteraka ireo fitahiana nampanantenaina?” Rehefa nandinika aho dia nahazo fahatsapana fa nilaina ny fanovana sasantsasany, indrindra indrindra raha ny mikasika ny fianarako sy ny anton’asako.

Tsy fanapaha-kevitra eo amin’ny hoe inona no tsara ary inona no ratsy izany fa eo amin’ny hoe inona no tsara ary inona no tsara kokoa, araka ny nampianarin’ny Loholona Dallin H.Oaks antsika tamin’izy niteny hoe: “Rehefa mandinika safidy samihafa isika dia tokony hahatsiaro fa tsy ampy ny hoe tsara ny zavatra iray. Misy safidy hafa tsara kokoa, ary mbola misy hafa tena tsara indrindra” (“Tsara, Tsara kokoa, Tsara indrindra,” Liahona, Nôv. 2007, 104–5).

Ahoana ary izany no ahafahantsika maka toky fa ny fanapahan-kevitra tsara indrindra no raisintsika?

Ireto misy fitsipika izay nianarako.

Fitsipika voalohany: Mila Mandinika ireo Safidy isika sady Mibanjina ao An-tsaina izay ho Fiafaran’izany

Ny fandraisana fanapahan-kevitra izay afaka miantraika amin’ny fiainantsika sy ny an’ireo malalantsika kanefa tsy manana fahatakarana mivelatra kokoa momba ny fiantraikan’izy ireo dia mety hampidi-doza. Kanefa raha mandinika izay mety ho vokatr’ireo fanapahan-kevitra ireo amin’ny ho avy isika, dia afaka mahita amin’ny fahazavana lehibe kokoa ilay lalana tsara indrindra tokony handehanana amin’izao fotoana izao.

Ny fahatakarana hoe iza moa isika, nahoana isika no tonga ety, ary inona no andrasan’ny Tompo amintsika eto amin’ity fiainana ity dia hanampy antsika hahazo ilay fahatakarana mivelatra izay ilaintsika.

Mahita ohatra ao amin’ny soratra masina isika izay ahitana fa ny fananana fahatakarana mivelatra kokoa dia nanome fahazavana mikasika izay lalana tokony hizorana.

Niresaka nifanatrika tamin’ny Tompo i Mosesy, ary nianatra mikasika ny drafitry ny famonjena, ka tamin’izany no nahatakarany tsara kokoa ny anjara asany tamin’ny naha-mpaminany nirahina hanangona an’i Isiraely azy.

“Ary niteny tamin’i Mosesy Andriamanitra, nanao hoe: Indro, Izaho no Tompo Andriamanitra Tsitoha. …

“… Dia hasehoko anao ny asan’ny tanako. …

“Ary manana asa ho anao Aho ry Mosesy zanakalahiko” (Mosesy 1:3–4, 6).

Rehefa nanana an’io fahatakarana io i Mosesy dia afaka niaritra taona maro nijaliana tany an’efitra ary nitarihana an’i Isiraely hiverina hody any aminy.

I Lehia, ilay mpaminany lehibe ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia nanofy, ary tao amin’ny fahitany izy dia nianatra mikasika ny asa nanirahana azy dia ny hitarika ny fianakaviany ho any amin’ny tany nampanantenaina iray.

“Ary ny zava-nitranga dia nandidy an-draiko ny Tompo, na dia tamin’ny nofy aza, ny hakany ny ankohonany sy hiaingany mankany an-tany foana.

“… Ary nilaozany ny tranony sy ny tany lovany, ary ny volamenany sy ny volafotsiny ary ny zava-tsarobidiny” (1 Nefia 2:2, 4).

Nahatoky hatrany tamin’io fahitana io i Lehia na dia teo aza ireo fahasarotana teny an-dalana sy ny tsy maintsy nandaozana ny fiainana tao anaty filaminana tao Jerosalema.

Ohatra iray lehibe hafa koa ny Mpaminany Joseph Smith. Tamin’ny alalan’ny fanambarana maro, nanomboka tamin’ny Fahitana Voalohany, no nahafahany namita ny asa nanirahana azy dia ny hamerina ny zava-drehetra amin’ny laoniny (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:1–26).

Ary ahoana ny amintsika? Inona no andrasan’ny Tompo amintsika tsirairay?

Tsy voatery mahita anjely isika vao hahazo fahatakarana. Ananantsika ny soratra masina, ny tempoly, ireo mpaminany velona, ny tsodranon’ny patriarika ho antsika, ireo mpitarika entanim-panahy, ary indrindra indrindra, ny zo handray fanambarana ho an’ny tena manokana mba hitarihana ireo fanapahan-kevitsika.

Fitsipika Faharoa: Mila Miomana Isika ho an’ireo Fanamby izay Hitranga

Ireo lalana tsara indrindra eo amin’ny fiainana dia mahalana no hoe mora indrindra. Matetika dia mifanohitra amin’izany mihitsy. Azontsika jerena ny ohatr’ireo mpaminany izay vao noresahiko teo.

Tsy mora ny dian’i Mosesy sy i Lehia ary i Joseph Smith na dia tsara aza ny fanapahan-kevitr’izy ireo.

Vonona ve isika hanefa ny saran’ireo fanapahan-kevitsika? Vonona ve isika handao ny faritra mahazatra manodidina antsika mba hahatongavana amin’ny toerana tsara kokoa?

Raha iverenako ilay zavatra niainako mikasika ny tsodranon’ny patriarika izay azoko, dia nahasintona hevitra aho tamin’io fotoana io fa tokony hikatsaka ny handranto fianarana fanampiny ary hangataka vatsim-pianarana avy amin’ny oniversite Amerikanina iray. Raha voafantina aho dia ho voatery handao ny asako, sy hivarotra ny fanananay rehetra, ary handeha hifindra monina any Etazonia ho toy ny mpianatra nahazo vatsim-pianarana mandritra ny roa taona.

Ny fitsapam-pahaizana toy ny TOEFL sy ny GMAT no lasa fanamby voalohany tsy maintsy noresena. Nitaky telo taona lavabe niomanana, ary niaina “fandavana” maro sy “angamba” maro, izay vao voaray tany amin’ny oniversite iray aho. Mbola tsaroako hatrany ny antso an-tariby izay voaraiko tamin’ny fiafaran’ireo telo taona, izay avy tamin’ilay tompon’andraikitry ny vatsim-pianarana.

Hoy izy: “Ry Carlos, manana vaovao tsara sy vaovao ratsy ho anao aho. Ilay vaovao tsara dia hoe anisan’ireo telo tafakatra amin’ny dingana farany amin’ity taona ity ianao.” Iray ihany no toerana tamin’io fotoana io. “Ilay vaovao ratsy dia hoe ny iray amin’ireo mpifaninana dia zanak’olona iray manana toerana ambony, ary ilay iray hafa dia zanak’olona manana toerana ambony koa, ary ny farany dia ianao.”

Namaly faingana aho hoe: “Ary izaho … izaho zanak’Andriamanitra.”

Soa ihany fa tsy fepetra hanapahana hevitra ny toeran’ny ray aman-dreny ara-nofo, ary dia voaray aho tamin’io taona io, tamin’ny 1992.

Zanak’Andriamanitra Tsitoha isika. Raintsika Izy. Tia antsika Izy, ary manana drafitra ho antsika Izy. Tsy ny handany ny fotoantsika sy hihaantitra ary ho faty fotsiny no antony nahatongavantsika tety. Tian’ Andriamanitra isika hivoatra ary hahatratra izay tokony hahatongavantsika.

Hoy ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Ianareo tsirairay, na manambady na tsia, na firy taona na firy taona, dia manana fahafahana hianatra sy hivoatra. Hitaro ny fahalalanareo, na ara-tsaina na ara-panahy mba hitovy haavo tanteraka amin’ilay hery anaty avy amin’Andriamanitra ho anareo.” (“The Mighty Strength of the Relief Society,” Ensign, Nôv. 1997, 95).

Fitsipika Fahatelo: Mila Mizara io Fahitana io amin’ireo Olona Tiantsika isika

Nanao andrana maromaro ihany i Lehia hanampiana an’i Lamana sy i Lemoela hahatakatra ny lanjan’ilay fanovana izay nataon’izy ireo. Ny tsy nahitany ilay fahitan-drainy dia nahatonga azy ireo himonomonona nandritra ny dia. I Nefia kosa tetsy ankilany dia nikatsaka ny Tompo mba hahitany izay zavatra hitan-drainy.

“Ary ny zava-nitranga izaho Nefia, rehefa avy nandre ny tenin-draiko rehetra momba ny zavatra izay hitany tamin’ny fahitana, … Izaho … dia naniry koa mba hahita sy handre ary hahalala ny amin’ireo zavatra ireo, amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina” (1 Nefia 10:17).

Noho io fahitana io, i Nefia dia tsy hoe afaka nandresy fotsiny ireo olana nandritra ilay dia fa afaka ihany koa nitari-dalana ny fianakaviany rehefa nilaina izany.

Tena mety hitranga mihitsy izany hoe rehefa manapa-kevitra ny handeha amin’ny lalana iray isika dia hisy fiantraikany amin’ireo izay tiantsika izany, ary ny sasany aza hifampizara amintsika ny vokatr’io safidy io. Ny tena tsara dia tokony hoe afaka mahita izay hitantsika izy ireo ary miray hevitra amintsika. Tsy ary ho tanteraka foana izany, saingy rehefa mitranga izany dia mora lavitra kokoa ny dia.

Teo amin’ilay zavatra niainako manokana izay nampiasaiko ho fanoharana dia tsy hisalasalana fa nila ny fanohanan’ny vadiko aho. Mbola kely ireo zanakay ka tsy dia nanan-kambara firy, fa tena nilaina ny fanohanan’ny vadiko. Tsaroako fa tamin’ny voalohany dia nila nandinika tsara ireo fanovana nokasaina hatao izaho sy Mônica mandra-pandry ny sainy ka nahatonga azy hanolo-tena ihany koa. Io hevitra niraisana io dia nahatonga azy tsy hoe hanohana ilay fanovana fotsiny fa ho tonga mpandray anjara manan-danja ihany koa eo amin’izay hampahomby izany.

Fantatro fa manana drafitra ho antsika ny Tompo eto amin’ity fiainana ity. Fantany isika. Fantany izay tsara indrindra ho antsika. Tsy hoe rehefa mandeha tsara ny zava-drehetra dia midika fa tsy tokony handinika isika indraindray sao mety hisy zavatra tsara kokoa. Raha manohy miaina araka izao iainantsika izao isika, moa ve ho tanteraka ireo fitahiana nampanantenaina?

Velona Andriamanitra. Raintsika Izy. Velona i Jesoa Kristy Mpamonjy, ary fantatro fa amin’ny alalan’ny sorompanavotana nataony no ahafahantsika mahita hery handresena ireo olantsika isan’andro. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.