2014
Aza Hamaivanina Ireo Zava-masina
Nôvambra 2014


Aza Hamaivanina Ireo Zava-masina

Diniho tsara ny safidy ataonareo amin’ny alalan’ny fanontanianareo ny tenanareo hoe: “Moa ve ireo fanapahan-kevitro mifaka tsara eo amin’ilay tany mamokatry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?”

Ry rahalahy sy ranabavy, misy fiantraikany lehibe amin’ny fizotran’ny fiainantsika mandrakizay ireo fanapahan-kevitra raisintsika eto amin’ity fiainana ity. Sady misy hery hita maso no misy hery tsy hita maso izay misy fiantraikany amin’ny safidintsika izany. Efa ho dimy taona lasa izay no nianarako ny maha-zava-dehibe an’io fitsipika io tamin’ny fomba izay tena efa saika novidiako lafo.

Nitety tany niaraka tamin’ny fianakaviana sy namana maromaro tany atsimon’i Oman izahay. Nanapa-kevitra ny haka aina teny amin’ny morontsiraky ny Ranomasimbe Indiana izahay. Fotoana fohy taorian’ny nahatongavanay, dia niera i Nellie zanakay vavy 16 taona raha toa izy ka afaka milomano mankeny amin’ilay fasika mivohitra toy ny nosikely. Nahatsikaritra aho fa somary nanonja ny rano ka noteneniko izy hoe aleo aloha izaho no handeha voalohany, satria nieritreritra aho hoe mety hisy rian-drano mampidi-doza.

Rehefa avy nilomano nandritra ny fotoana fohy aho, dia niantso ny vadiko ka nanontany azy raha toa ka efa akaikin’ilay nosikely aho. Dia namaly izy hoe: “Efa nihoatra ilay izy ianao.” Tsy nahafantatra akory aho fa voasariky ny sinton-dranomasina mahery hiala amin’ny moron-dranomasina1 ary vetivety foana aho dia voasintona ho eny afovoan’ny ranomasina.

Tsy fantatro marina izay tokony natao. Ny hany zavatra tonga tao an-tsaiko dia ny hitodi-doha hiverina ka hilomano hamonjy ny moron-dranomasina. Izay mihitsy anefa ilay tsy tokony natao. Nahatsiaro ho very aho. Nisintona ahy lavidavitra kokoa ho eny afovoan-drano ireo hery tsy haiko notohaina. Ny tena naha vao mainka ratsy ny toe-javatra dia nilomano nanaraka ahy ilay vadiko izay noho ny fahatokiany ny fanapahan-kevitra noraisiko.

Ry rahalahy sy ranabavy, nihevitra aho tamin’izay hoe tsy ho tafavoaka velona intsony angamba, ary noho ny fanapahan-kevitra noraisiko dia mety ho nanao izay hahafaty ny vadiko ihany koa. Taorian’ny ezaka mafy nataonay sy izay inoako fa fanampiana avy amin’Andriamanitra, dia nitehaka tamin’ny fanambanin’ny ranomasina izay feno fasika ihany ny tongotray ka afaka nandeha an-tongotra niverina soamantsara teny amin’ireo namanay sy ny zanakay vavy izahay.

Maro ny rian-drano amin’ity fiainana an-tany ity—ao ireo azo antoka ary ao ireo mifanohitra amin’izany. Nampianatra ny Filoha Spencer W. Kimball fa misy hery lehibe maro eo amin’ny fiainantsika izay mitovy be amin’ny fikorianan’ny ranomasina izay tsy hita maso.2 Tena misy ireo hery ireo. Tsy azontsika atao ny minia tsy mahalala azy ireny.

Mamelà ahy ianareo hiresaka momba ny rian-drano iray hafa, avy any an-danitra, izay lasa fitahiana iray lehibe tokoa teo amin’ny fiainako. Fiovampo no nidirako ho mpikamban’ny Fiangonana. Talohan’ny nidirako ho mpikambana dia ny hanao ireny fanatanjahantena migorisa amin’ny ranomandry ireny no mba faniriako teo amin’ny fiainana ka dia nifindra tany Eoropa aho noho izany rehefa vita ny fianarako teny amin’ny lycée mba hanatanterahana io faniriana io. Rehefa avy niaina nandritra ny volana maromaro an’ilay fiainana izay noheveriko fa fiainana tena andrandraina aho dia nahatsapa fa tokony hifindra. Tsy mbola takatro tamin’izany fotoana izany ny nahatonga io fahatsapana io, kanefa nisafidy ny hanaraka izany aho. Tafafindra tany Provo, aho teto Utah, niaraka tamin’ny namana akaiky vitsivitsy izay tsy mpikamban’ny Fiangonana toa ahy koa.

Fony tao Provo dia nihaona tamin’ny olona izay nanana fomba fiainana hafa be tamin’ny ahy aho. Nahasarika ahy izy ireo, na dia tsy fantatro aza ny antony. Tamin’ny voalohany dia notoheriko ireo fahatsapana nananako ireo, saingy tsy ela aho dia nahatsapa fiadanana sy fahatoniana izay tsy mbola tsapako mihitsy. Nanomboka nanaraka rian-drano hafa aho—rian-drano iray izay nahatonga ahy hahatakatra ny Ray any an-danitra be fitiavana sy i Jesoa Kristy Zanany.

Natao batisa niaraka tamin’ireo namako aho tamin’ny taona 1972. Nitondra fitarihana sy nampisy lanjany ny fiainako io rian-drano vaovao izay nofidiako mba harahina io, dia ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izany. Na izany aza dia nisy olana tsy maintsy natrehiko tao anatin’izany. Vaovao tamiko avokoa ny zavatra rehetra. Indraindray aho dia nahatsiaro ho very sy very hevitra. Samy nametraka fanontaniana sy olana na ireo namako na ny fianakaviako.

Tsy maintsy nanapa-kevitra aho. Ny sasany amin’ireo fanontanian’izy ireo dia nitondra fisalasalana sy ahiahy. Safidy manan-danja no niandry ahy. Aiza no hahitako ny valim-panontaniako? Maro no naniry handresy lahatra ahy hoe diso ny lalana nizorako—“sinton-dranomasina mahery” izay tapa-kevitra ny hisintona ahy hiala amin’ilay rian-drano tony izay efa lasa loharanom-pifaliana mahafinaritra. Nazava tsara tamiko ilay fitsipika hoe, misy “fifanoherana amin’ny zava-drehetra” sy ny maha-zava-dehibe ny manao araka ny safidiko fa tsy mamela ny fahafahako misafidy ho an’ny hafa.3

Nanontany tena aho hoe: “Nahoana aho no hiala amin’izay efa nitondra fitoniana lehibe ho ahy?” Tahaka ny nampahatsiahivan’ny Tompo an’i Oliver Cowdery hoe: “Tsy nilaza fiadanana tamin’ny sainao va Aho momba izany?”4 Nitovy tamin’izany ny zavatra niainako. Noho izany dia nitodika tamim-panolorantena bebe kokoa tany amin’ny Ray any an-danitra be fitiavana aho sy tany amin’ny soratra masina ary tany amin’ireo namana nitokisako.

Mbola maro ihany anefa ireo fanontaniana tsy voavaliko. Ahoana no hiatrehako ireo fisalasalana izay nentin’izy ireo? Nisafidy ny hanadino azy ireo elaela aho fa tsy namela azy ireo hanimba ilay fiadanana sy fifaliana tonga teo amin’ny fiainako, ary natoky aho fa amin’ny fotoana tendren’ny Tompo dia hanambara ny zavatra rehetra Izy. Nitondra fampiononana ho ahy ny teny nataony tamin’ny Mpaminany Joseph hoe: “Indro, ianareo dia ankizy madinika ka tsy mahazaka ny zavatra rehetra ankehitriny; tsy maintsy mitombo ao amin’ny fahasoavana sy ao amin’ny fahalalana ny marina ianareo.”5 Nosafidiako ny tsy hamela ny zavatra izay fantatro fa marina ka hoe hanaraka rian-drano tsy fantatra sy mampiahiahy—izay mety ho “sinton-dranomasina mahery.” Araka ny nampianarin’ny Filoha N. Eldon Tanner, dia nianatra aho fa, “fahendrena kokoa sy zavatra tsara kokoa ho an’ny olona ny manaiky ireo fahamarinana tsotra ao amin’ny filazantsara … sy ny manaiky amim-pinoana ireo zavatra izay … tsy azony takarina.”6

Midika va izany fa tsy azo atao ny mangataka amin-kitsimpo? Anontanio ilay zatovolahy izay nitady fialofana tao amin’ny alakely masina iray mba hahafantarana hoe iza amin’ireo fiangonana nisy no tokony hidirany ho mpikambana. Tazony eny an-tananao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ary fantaro fa ny ankamaroan’izay zavatra nambara ao amin’io rakitsoratra nentanim-panahy io dia vokatry ny fikatsahana ny fahamarinana tamim-panetrentena. Toy ny nahafantaran’i Joseph fa, “raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra, … ary dia homena azy izany,”7 amin’ny fametrahana fanontaniana amin-kitsimpo sy amin’ny fikatsahana valiny avy amin’Andriamanitra, dia mianatra “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra”8 isika rehefa mitombo fahalalana sy fahendrena.

Ny fanontaniana mipetraka dia tsy hoe “Azo atao ve ny manontany marina sy amin-kitsimpo?” fa kosa hoe “Aiza no hitodihako mba hahazoako ny fahamarinana rehefa misy fanontaniana mipetraka?” “Moa ve aho ho ampy fahendrena hifikirana amin’izay fantatro fa marina na dia eo aza ireo fanontaniana vitsivitsy mety hananako?” Mijoro ho vavolombelona aho fa misy loharano avy any an-danitra—Loharano iray izay mahafantatra ny zavatra rehetra, ny farany ka hatrany am-boalohany. Ny zava-drehetra dia miharihary eo Anoloany.9 Mijoro ho vavolombelona ny soratra masina fa Izy dia “tsy mandeha amin’ny lalana miolinkolika … , ary tsy mivadika amin’izay efa nolazainy.”10

Mandritra ity fiainana ety an-tany ity dia tsy tokony hieritreritra mihitsy isika fa ireo safidy ataontsika dia tsisy fiantraikany afa-tsy amintsika ihany. Vao tsy ela izay dia nisy zatovolahy namangy ahy. Mahatsapa tena izy hoe mety ny ara-panahiny, kanefa nahatsapa aho fa tsy nandray anjara feno tamin’ireo zavatra atao ato am-piangonana izy. Nilaza tamiko izy fa nobeazina tao anatin’ny tokantrano nifototra tamin’ny filazantsara ny tenany mandra-pivadiky ny rainy tamin’ny reniny, izay niafara tamin’ny fisaraham-panambadiana ary nahatonga ireo iray tampo aminy rehetra hisalasala momba ny Fiangonana ka lavo. Nalahelo ny foko rehefa niresaka tamin’io raim-pianakaviana vao herotrerony io noho izy, amin’izao fotoana izao, manabe ireo zanany izay fanahy sarobidy ireo any ivelan’ireo fitahiana azo avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy satria nisy fiantraikany taminy ny safidy nataon’ny rainy.

Mahafantatra lehilahy iray koa aho, izay mpikambana mahatoky tato amin’ny Fiangonana fahiny, ary nametra-panontaniana mikasika ny fotopampianarana iray. Raha tokony ho nanontany ny Ray any an-danitra izy mba hahazoana valiny, dia naleony nisafidy ny tsy hiantehitra afa-tsy amin’ireo loharanon’izao tontolo izao mba hahazoana torolalana. Nitodika tany amin’ny lalan-diso ny fony rehefa nikatsaka izay heverina ho voninahitry ny olona izy. Mety nahazo tambiny ny fireharehany, farafaharatsiny nandritra ny fotoana tsy naharitra, kanefa dia tsy afaka nahazo ny herin’ny lanitra.11 Raha tokony ho nahita ny fahamarinana izy, dia lasa very ny fijoroany ho vavolombelona ary notarihiny niaraka aminy ny olona maro tao amin’ny fianakaviany.

Voafandrika tao anatin’ny sinton-dranomasina mahery izay tsy hita maso ireo lehilahy roa ireo ary maro no notarihiny niaraka taminy.

Mifanohitra amin’izay anefa, dia mahatsiaro an’i LaRue sy i Louise Miller rafozako aho, izay na dia tsy nanana firy tamin’ny haren’izao tontolo izao aza dia nisafidy ny hampianatra ny fotopampianarana madion’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny tamin’ireo zanany, ary hampihatra izany koa mandritra ny androm-piainan’izy ireo manontolo. Rehefa nanao izany izy ireo dia nahatonga ny taranany hahazo ireo fitahiana entin’ny filazantsara sy ny fanantenana ny fiainana mandrakizay.

Nametraka lamina harahina tao amin’ny tokantranony izy ireo izay nahitana ny fanajana ny fisoronana, ny fitiavana sy ny firindrana sesehena, ary ireo fitsipiky ny filazantsara no nitarika ny fiainan’izy ireo. Nasehon’i Louise sy i LaRue miaraka, ny hevitry ny hoe manana fiainana manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy. Hitan’ireo zanany mazava tsara hoe inona avy ireo rian-drano eo amin’ny fiainana izay hitondra fiadanana sy hasambarana. Ary nisafidy araka izany izy ireo. Araka ny nampianarin’ny Filoha Kimball hoe: “Raha toa isika ka afaka mamorona … rian-drano mahery sy tsy miova izay mikoriana mankany amin’ny tanjontsika hanana fiainana marina, dia ho voasarika handroso isika sy ireo zanatsika na dia eo aza ny fanoheran’ ireo rivotry ny fotoan-tsarotra, sy ny fahadisoam-panantenana, [ary] ny fakampanahy.”12

Manan-danja ve ireo safidintsika? Amintsika irery ihany ve izy ireny no hisy fiantraikany? Nosoritantsika mafy tsara ho eo amin’ilay rian-drano mandrakizain’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny ve ny lalam-piainantsika?

Indraindray aho dia mieritreritra zavatra izay miverina matetika ao an-tsaiko. Nanao ahoana tokoa moa raha toa aho tamin’io volana Septambra io, raha iny mbola naka aina teny amoron’ny Ranomasimbe Indiana iny, ka niteny tamin’i Nellie zanako vavy hoe: “Eny, mandehana e! Milomanosa mankeny amin’ilay nosikely.” Na koa hoe nanaraka ny ohatro izy ary tsy afaka nilomano niverina? Nanao ahoana moa raha toa aho voatery niaina niaraka tamin’ny fahafantarana hoe ny ohatra nasehoko no nahatonga azy ho voasariky ny sinton-dranomasina mahery ho eny afovoan-dranomasina, ka tsy ho tafaverina intsony?

Manan-danja ve ny rian-drano fidiantsika harahina? Manan-danja ve ireo ohatra asehontsika?

Nomen’ny Ray any an-danitra antsika ny fanomezana sarobidin’ny Fanahy Masina mba hitarika antsika amin’ny safidy ataontsika. Nampanantena Izy fa homeny fitaomam-panahy sy fanambarana isika raha toa ka manana fiainana mendrika hahazoana izany. Manasa anareo aho handray ireo tombontsoa entin’io fanomezana masina io sy handinika tsara ny safidy ataonareo amin’ny alalan’ny fanontanianareo ny tenanareo hoe: “Moa ve ireo fanapahan-kevitro mifaka tsara eo amin’ilay tany mamokatry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?” Manasa anareo aho hanao izay fanitsiana rehetra ilaina, na kely na lehibe, mba hahazoanareo ireo fitahiana entin’ny drafitry ny Ray any an-danitra ho anareo sy ireo olon-tianareo.

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Mijoro ho vavolombelona aho fa ireo fanekempihavanana izay ataontsika Aminy dia masina. Tsy tokony hanamaivana ireo zava-masina13 mihitsy isika. Mivavaka aho ny mba hijanonantsika ho mahatoky mandrakariva, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.