2014
Mandra-pihaonantsika Indray
Nôvambra 2014


Mandra-pihaonantsika Indray

Enga anie isika rehetra ka hisaintsaina ireo fahamarinana izay rentsika, ary enga anie izy ireny ka hanampy antsika mba ho lasa mpianatra mafana fo kokoa.

Ry rahalahiko sy anabaviko, niaina andro roa tena mahafinaritra isika, izay nizarana hafatra nentanim-panahy. Voakasika lalina ny fontsika ary nampatanjahana ny finoantsika rehefa nandray ilay fanahy izay niaraka tamintsika nandritra ireo fivoriana tamin’ity fihaonambe ity isika. Eto am-pamaranana dia misaotra ny Raintsika any an-danitra isika noho ireo fitahiana maro nomeny antsika.

Nahazo hery sy fahazavan-tsaina amam-panahy isika avy amin’ny hira mahafinaritra izay natolotra nandritra ireo fivoriana. Nampanakaiky antsika tamin’ny lanitra ireo vavaka natao.

Te haneho ny fisaorana avy amin’ny fo avy amin’ny Fiangonana iray manontolo aho ho an’ireo Rahalahy izay nisaorana tamin’ity fihaonambe ity. Hahatsiarotsiaro azy ireo foana isika. Goavana ny anjara biriky nentin’izy ireo tamin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo ary ho tsapan’ireo taranaka hifandimby izany.

Enga anie isika ka hody any an-tranontsika miaraka amin’ny fanapahan-kevitra ao am-pontsika ny hanao zavatra tsara kokoa noho izay nataontsika teo aloha. Enga anie isika ka ho tsara fanahy kokoa sy haneho fitiavana bebe kokoa. Enga anie isika ka hanolo-tanana amin’ny hamoram-panahy, tsy amin’ireo namantsika mpikambana fotsiny ihany fa amin’ireo izay tsy mitovy finoana amintsika koa. Enga anie isika ka haneho ny fanajantsika azy ireo rehefa mifandray aminy.

Ao ireo izay miady amin’ireo olana isan’andro. Aoka isika haneho fiahiana amin’izy ireo sy hanolo-tanana hanampy azy ireo. Hotahiana isika rehefa mifampiahy.

Enga anie isika hahatsiaro ireo zokiolona sy ireo izay tsy afaka mivoaka ny trano noho ny olana ara-pahasalamana. Rehefa maka fotoana hamangiana azy ireo isika dia ho fantany fa tiana sy omen-danja izy ireo. Enga anie isika ka hanaraka ilay didy mba “[hamonjy] ny osa, [hampakatra] ny tanana izay miraviravy, ary [hampatanjaka] ny lohalika malemy.”1

Antenaiko fa ho olona marin-toetra isika, izay miezaka manao ny tokony hatao amin’ny fotoana rehetra sy ao anatin’ny toe-javatra rehetra izay misy. Enga anie isika ka ho mpanaradia mahatoky an’i Kristy sy ho ohatry ny fahamarinana ka ho lasa “fanazavana eo amin’izao tontolo izao.”2

Ry rahalahiko sy anabaviko isany, misaotra anareo aho noho ny vavaka ataonareo ho ahy. Manamafy orina sy mampahery ahy izany eo am-piezahako manao ny asan’Andriamanitra amin’ny foko sy ny tanjako rehetra mba hanompoako Azy sy hanompoako anareo.

Raha hifarana izao fihaonambe izao dia mangataka ny tsodranon’ny lanitra aho hirotsaka eo aminareo tsirairay avy. Enga anie ianareo izay lavitra ny tranonareo mba ho tafody soa aman-tsara ary hilamina avokoa ny zava-drehetra ao. Enga anie isika rehetra ka hisaintsaina ireo fahamarinana izay rentsika, ary enga anie izy ireny ka hanampy antsika mba ho lasa mpianatra mafana fo kokoa raha oharina amin’ny toe-panahintsika tany am-piandohan’ity fihaonambe ity.

Mandra-pihaonantsika indray afaka enim-bolana dia mangataka ireo fitahiana avy amin’ny Tompo aho mba hirotsaka aminareo, amintsika rehetra raha ny marina, ary izany dia ataoko amin’ny Anarany masina—dia i Jesoa Kristy, ilay Tompo sy Mpanavotra antsika—amena.