2014
Fanohanana ireo Mpaminany
Nôvambra 2014


Fanohanana ireo Mpaminany

Ny fanohanantsika ireo mpaminany dia fanolorantena ataon’ny tena manokana fa hanao izay tsara indrindra vitantsika isika mba hanohanana ireo laharam-pahamehan’izy ireo amin’ny maha-mpaminany azy.

Ry Filoha Eyring, misaotra anao izahay noho ny hafatra feno fampianarana sy manentana ny fanahy izay nozarainao. Ry rahalahiko sy anabaviko, misaotra anareo izahay noho ny finoanareo sy ny fanolorantenanareo. Omaly isika dia nasaina tsirairay hanohana an’i Thomas S. Monson amin’ny maha-mpaminanin’ny Tompo azy sy Filohan’ny Fiangonan’ny Tompo. Ary matetika isika no mihira ny “Misaotra Anao noho ny Mpaminany.”1 Moa ve izaho sy ianao tena mahatakatra ny dikan’izany? Alaivo sary an-tsaina ny tombontsoa lehibe nomen’ny Tompo antsika amin’ny fanohanana ny mpaminaniny, ary ny hafatr’io mpaminany io dia tsy misy pentina, madio, tsy voatosiky ny tanjon’ny tena manokana ary marina tanteraka!

Ahoana no fomba hanohanantsika marina ny mpaminany iray? Taloha ela tany, nialohan’ny nahalasa azy ho Filohan’ny Fiangonana dia nanazava ny Filoha Joseph F. Smith hoe: “Andraikitra manan-danja iantsorohan’ny Olomasina izay … manohana ireo manampahefana ato amin’ny Fiangonana ny manao izany, tsy amin’ny fananganan-tanana ihany, izay fanehoana izany ara-batana fotsiny ihany, fa tena manao izany mihitsy, izay hita amin’ny asa ataontsika.”2

Tadidiko tsara ny “asa” miavaka indrindra nataoko mba hanohanana mpaminany iray. Amin’ny maha-dokotera mpitsabo sy mpandidy fo ahy dia nanana andraikitra aho hanatanteraka fandidiana fo misokatra tamin’ny Filoha Spencer W. Kimball tamin’ny taona 1972, ary tamin’izany izy dia Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Nila fandidiana sarotra tokoa izy. Kanefa izaho tsy nanana traikefa tamin’ny fanaovana fandidiana toy izany tamin’ny olona 77 taona izay tratran’ny fiatoan’ny fo tampoka. Tsy nandrisika ny hanaovana ilay fandidiana aho ka dia nampahafantatra izany tamin’ny Filoha kimball sy ny Fiadidiana Voalohany. Saingy nisafidy tamim-pinoana ny hiatrika ilay fandidiana ny Filoha Kimball satria ny Fiadidiana Voalohany no nanoro hevitra azy hanao izany. Izany dia maneho ny fomba nanohanany ireo mpitarika azy! Ka dia nampangovitra ahy io fanapahan-kevitra noraisiny io!

Isaorana ny Tompo fa nahomby ilay fandidiana. Rehefa nanomboka nidoboka indray ny fon’ny Filoha Kimball dia nidoboka tamin-kery lehibe tokoa izany! Tamin’izay fotoana izay mihitsy dia naharay tenivavolombelona mazava avy amin’ny Fanahy aho fa ho lasa Filohan’ny Fiangonana io lehilahy io indray andro any!3

Fantatrareo ny zavatra nitranga taorian’izay. 20 volana monja taorian’izay dia lasa Filohan’ny Fiangonana ny Filoha Kimball. Ary nitarika tamim-pahasahiana sy tamin-kerimpo nandritra ny taona maro izy.

Nanomboka tamin’izany fotoana izany isika dia nanohana ny Filoha isany Ezra Taft Benson, Howard W. Hunter, Gordon B. Hinckley, ary ankehitriny i Thomas S. Monson mba ho Filohan’ny Fiangonana mpaminany ara-bakiteny!

Ry rahalahiko sy anabaviko, raha nisy angamba ny zavatra nentin’ny Famerenana amin’ny laoniny dia ny fampitsaharany ilay zavatra ninoana hatry ny ela hoe efa nitsahatra tamin’ny firesahany tamin’ireo zanany Andriamanitra. Tsy misy zavatra hafa ampiana intsony hanehoana ny fahamarinan’izany. Nisy foana ny mpaminany iray nitarika ny Fiangonan’Andriamanitra tao anatin’ny fotoampitantanana rehetra, nanomboka tamin’i Adama ka hatramin’izao androntsika izao.4 Ireo mpaminany dia mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy—mikasika ny maha-Andriamanitra Azy sy mikasika ny iraka novitainy ary ny asa fanompoany tety an-tany.5 Manome voninahitra ny Mpaminany Joseph Smith isika satria izy no ilay mpaminany amin’ity fotoampitantanana farany ity. Ary omentsika voninahitra ireo lehilahy tsirairay izay nandimby azy amin’ny anjara asa maha-Filohan’ny Fiangonana.

Rehefa manohana ireo mpaminany sy ireo mpitarika hafa isika,6 dia mampiasa ny lalàn’ny faneken’ny rehetra, satria hoy ny Tompo hoe, “Tsy homena na iza na iza ny handeha hitory ny filazantsarako na ny hanorina ny fiangonako, raha tsy natokan’ ny olona izay manana fahefana izy sady fantatry ny fiangonana fa manana fahefana ary efa natokan’ ny lohan’ ny fiangonana araka ny fitsipika.”7

Izany dia manome antsika fahatokiantena sy finoana, amin’ny maha-mpikambana antsika ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo, eo am-piezahantsika hanaraka ilay torohevitra ao amin’ny soratra masina mba hihaino ny feon’ny Tompo8 rehefa tonga amin’ny alalan’ny feon’ny mpanompony izany, dia ireo mpaminany.9 Ireo mpitarika rehetra ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo dia antsoina amin’ny alalan’ny fahefana tena izy. Ka raha ny mikasika izany dia tsy misy mihitsy mpaminany na mpitarika hafa ato amin’ity Fiangonana ity izay niantso ny tenany. Tsy mbola nisy mpaminany nofidiana. Nataon’ny Tompo mazava tsara izany rehefa nilaza Izy hoe “Tsy hianareo no nifidy Ahy, fa izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo.”10 Tsy “mifidy” ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana izaho sy ianao na amin’ny sehatra inona izany na inona. Kanefa manana tombontsoa lehibe isika ny hanohana azy ireo.

Ny lalan’ny Tompo dia tsy mitovy amin’ny lalan’ny olona. Ny lalan’ny olona dia manala ny olona ao amin’ny toeram-piasany na eo amin’ny fandraharahana ara-barotra ataony rehefa miha-antitra izy ireo na mihena ny heriny. Kanefa ny lalan’ny olona dia tsy ho lalan’ny Tompo na oviana na oviana. Ny fanohanantsika ireo mpaminany dia fanolorantena ataon’ny tena manokana fa hanao izay tsara indrindra vitantsika isika mba hanohanana ireo laharam-pahamehan’izy ireo amin’ny maha-mpaminany azy. Ny fanohanantsika dia toy ny voady enti-maneho fa ekentsika ny antson’izy ireo amin’ny maha-mpaminany azy mba hahatonga izany hanan-kery, ary ekentsika fa tsy maintsy manaja izany fanohanana izany isika.

Enina amby roapolo taona talohan’ny nahalasa Filohan’ny Fiangonana azy dia hoy i George Albert Smith izay Loholona tamin’izany hoe: “Ny fanolorantena izay ataontsika rehefa manangana ny tanantsika isika … dia fanolorantena tena masina. Tsy midika akory izany hoe miaina ny fiainantsika tsy misy mpanelingelina isika ary manaiky ny hitarihan’ny mpaminanin’ny Tompo ity asa ity, fa midika kosa izany … hoe hanohana azy isika, hivavaka ho azy isika; hiaro ny laza tsara ananany isika, ary hiezaka ny hanatanteraka ireo toromarika avy aminy araka izay handidian’ny Tompo.”11

Mitarika ny Fiangonany velona ilay Tompo velona!12 Ny Tompo dia mampahafantatra ny sitrapony mikasika ny Fiangonana amin’ny mpaminaniny. Omaly, taorian’ny nanasana antsika hanohana an’i Thomas S. Monson amin’ny maha-Filohan’ny Fiangonana azy, dia nanana tombontsoa lehibe ihany koa isika mba hanohana azy sy ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ary ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mba ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara. Eritrereto anie izany e! Manohana lehilahy 15 isika mba ho mpaminanin’Andriamanitra! Izy ireo dia mihazona ireo fanalahidy rehetra an’ny fisoronana izay natolotra an’ny olona tao anatin’ity fotoampitantanana ity.

Ny fiantsoana lehilahy 15 ho amin’ny fanompoana masina ataon’ny apôstôly dia mitondra fiarovana lehibe ho antsika amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika. Nahoana? Satria tsy maintsy iray feo ireo mpitarika ireo amin’ny fanapahan-kevitra raisiny.13 Azonareo an-tsaina ve ny asa tsy maintsy ataon’ny Fanahy mba hitaomana lehilahy 15 hiray feo? Ireo lehilahy 15 ireo dia samy manana ny fianarana sy ny asa nataony, ary samy manana ny heviny mikasika ny zavatra marobe. Matokia ahy fa ireo lehilahy 15 ireo—izay mpaminany sy mpahita ary mpanambara—dia mahafantatra hoe inona no sitrapon’ny Tompo rehefa tratra ilay firaisam-peo! Vonona tanteraka izy ireo ny hahita fa tena ny sitrapon’ny Tompo tokoa no ho tanteraka. Ny vavaka nataon’ny Tompo dia manome ny lamina tokony harahan’ny tsirairay amin’ireo lehilahy 15 ireo rehefa mivavaka izy ireo manao hoe: “Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.”14

Ny Apôstôly zokiny indrindra amin’ny naha-tao amin’ny anjara fanompoan’ny Apôstôly no mitarika.15 Izany rafitry ny maha-zokiny indrindra teo amin’ny fanompoana izany mazàna no mahatonga ny hoe lehilahy efa nahazo taona no lasa ao amin’ny anjara fanompoan’ny Filohan’ny Fiangonana.16 Izany dia mitazona ny fitohizam-pahefana, mampanana fahamatorana avy amin’ny zavatra niainana sy traikefa, ary manome fotoana maharitra hiomanana satria ny Tompo no mitarika izany.

Ny Tompo Izy tenany mihitsy no nandamina ny Fiangonana amin’izao fotoana izao. Nametraka rafi-pitantanana miavaka Izy, izay ahitana rafitra manana andraikitra mitovy amin’ny an’ny hafa ary olona afaka misolo toerana raha sendra tsy afaka ny iray. Izany rafitra izany dia mahatonga ny fitarihan’ny mpaminany hisy na dia mety hitranga aza ny aretina tsy azo sakanana sy ny tsy fahafahana manao asa noho ny fitomboan’ny taona.17 Maro be ireo hery mampifandanja sy ireo fiarovana mba hanakanana ny fisian’ny olona iray hitarika ny Fiangonana ho any amin’ny lalana diso. Ampianarina tsy tapaka toy izany ireo mpitarika efa ela niasana mba hahavonona azy ireo hanompo ao amin’ny filankevitra avo indrindra. Mianatra ny fomba handrenesana ny feon’ny Tompo izy ireo amin’ny alalan’ny bitsiky ny Fanahy.

Rehefa nanompo tamin’ny naha-mpanolotsaina Voalohany an’ny Filoha Ezra Taft Benson, izay efa akaiky hodimandry, ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nanazava hoe:

“Ireo fitsipika sy paikady izay napetraky ny Tompo mba hitantanana ny Fiangonany dia manomana amin’ireo … toe-javatra rehetra miseho. Zava-dehibe ny … tsy hisian’ny ahiahy sy ny olana mikasika ny fitantanana ny Fiangonana ary ny fampiasana ireo fanomezam-pahasoavana mahakasika ny faminaniana, tafiditra ao anatin’izany ny zo hahazo fitaomana avy amin’ny Fanahy sy hahazo fanambarana amin’ny fitantanana ireo raharaha sy fandaharan’asan’ny Fiangonana raha sendra marary na tsy afaka miasa araka ny tokony ho izy ny Filoha.

“Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Filankevitry ny Apôstôly Roambinifolo, izay nantsoina sy notendrena mba hihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana, dia manana ny fahefana sy ny andraikitra hitantana ny Fiangonana, hitantana ireo ôrdônansy misy ao, hanazava ny fotopampianarana misy ao, ary mametraka sy manao izay hanajana ireo fomba amam-panao hita ao.”

Notohizan’ny Filoha Hinckley hoe:

“Rehefa marary ny Filoha na tsy afaka miasa araka ny tokony ho izy amin’ireo andraikitra rehetra ao amin’ny anjara fanompoany dia mitambatra ho Kôlejin’ny Fiadidiana Voalohany ireo mpanolotsaina azy miisa roa. Izy ireo no manohy ny asan’ny Fiadidiana isan’andro. …

“… Fa ireo zavatra lehibe kosa izay mahakasika ny fitsipi-pandaminana na ireo paikady na ireo fandaharan’asa na ireo fotopampianarana dia dinihin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Roambinifololahy miaraka ombam-bavaka ary amin’ny antsipiriany.”18

Tamin’ny taona lasa teo, rehefa nahatratra ny faha 5 taona nanompoany amin’ny maha-Filohan’ny Fiangonana ny Filoha Monson, dia nieritreritra mikasika ny 50 taona nanompoany tamin’ny naha-apôstôly azy izy ka nilaza an’izao: “Ny fitomboan’ny taona dia misy fiantraikany ratsy eo amintsika rehetra amin’ny farany. Na izany aza dia miombom-peo amin’ny Mpanjaka Benjamina isika, izay nilaza hoe … ‘Izaho dia tahaka ny tenanareo andairan’ ny karazany rehetra amin’ ny rofin’ ny vatana sy ny saina; kanefa dia efa nofini[dy] … aho … ary natokan’ ny raiko, … ary dia efa notehirizina sy notsimbinina tamin’ ny heriny tsy manan-tsahala aho mba hanompo anareo amin’ ny hery sy saina ary tanjaka rehetra izay efa nomen’ ny Tompo ahy (Môsià 2:11).’”

Dia notohizan’ny Filoha Monson hoe: “Na dia eo aza ireo olana ara-pahasalamana izay mety hitranga amintsika, na dia eo aza ireo tsy fahatomombanan’ny vatana na ny saina dia manompo araka izay tsara indrindra vitantsika isika. Manome toky anareo aho fa voatantana tsara araka ny tokony ho izy ny Fiangonana. Ilay rafitra napetraka ho an’ny Filankevitry ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny [Apôstôly] Roambinifolo dia manome antoka [antsika] fa ho tsara tantana foana izany, ary na inona na inona hitranga, dia tsy tokony hisy hampiahiahy sy hampatahotra. Ny Mpamonjy antsika, Jesoa Kristy, izay arahantsika sy deraintsika ary tompointsika dia mitarika mandrakariva ny Fiangonana.”19

Ry Filoha Monson, misaotra anao izahay noho ireo fahamarinana ireo! Ary misaotra anao izahay noho ny ohatra asehonao eo amin’ny fomba fiainanao sy ny fanompoana feno fanolorantena ataonao. Te hisolo tena ny mpikambana rehetra ato amin’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao aho amin’ny fanehoanay miaraka sy amin-kitsimpo ny fankasitrahanay anao. Manaja anao izahay! Tianay ianao! Manohana anao izahay, tsy amin’ny fananganan-tanana fotsiny ihany fa amin’ny fonay rehetra sy amin’ny ezaka feno fanolorantena ataonay. Amim-panetrentena sy amim-pahazotoana tokoa [no] “[ivavahanay] mandrakariva ho anao, ry mpaminany malalanay”!20 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. “Misaotra Anao noho ny Mpaminany,” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, no. 72.

  2. Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph F. Smith (1998), 211; nampiana fanamafisana. Ity fanambarana ity dia natao tamin’ny taona 1898 tamin’ny fotoana naha-Mpanolotsaina Faharoa an’ny Filoha Smith tao amin’ny Fiadidiana Voalohany.

  3. Mba hahazoana fanazavana fanampiny dia jereo ny Spencer J. Condie, Russell M. Nelson: Father, Surgeon, Apostle (2003), 153–56.

  4. Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fotoampitantanana.”

  5. Mpaminany maro ny nilaza mialoha ny fahatongavan’ny Tompo, ao anatin’izany i Lehia (jereo ny 1 Nefia 1:19), i Nefia (jereo ny 1 Nefia 11:31–33; 19:7–8), i Jakôba (jereo ny Jakôba 4:4–6), i Benjamina (jereo ny Môsià 3:5–11, 15), i Abinadia (jereo ny Môsià 15:1–9), i Almà (jereo ny Almà 40:2), ary i Samoela ilay Lamanita (jereo ny Helamàna 14:12). Talohan’ny nahaterahan’ny Mpamonjy tao Betlehema dia nahita mialoha ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganana tamin’ny maty nitranga taorian’izany izy ireo.

  6. Fototra manan-danja manerana ny fiangonan’ny Tompo ny fitsipiky ny fanohanana. Tohanana ny olona iray alohan’ny hanokanana azy amin’ny antso iray na hanendrena azy amin’ny anjara fanompoana iray ao amin’ny fisoronana.

  7. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:11. Ny fanohanana ireo mpitarika antsika dia natao nanomboka tamin’ny 6 Aprily 1830 raha naorina ny Fiangonana, sy tamin’ny volana Martsa 1836, izay fotoana nanohanana ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara (jereo ny Histoire de l’Église, 1:74–77; 2:417).

  8. Ny Bokin’i Môrmôna dia mampitandrina amin’ny loza mety hiseho raha toa isika ka tsy miraharana ireo fampianaran’ny mpaminany. Hitantsika ao anatin’izany fa “io trano lehibe sy malalaka io no fieboeboan’ izao tontolo izao; ary nianjera izany ka lehibe fatratra tokoa ny fianjerany. Dia niteny … indray ilay anjelin’ny Tompo nanao hoe: Ho toy izany no faharavan’ ny firenena, ny foko, sy ny samy hafa fiteny, ary ny mponina rehetra izay hiady amin’ ny apostoly roa ambin’ ny folon’ ny Zanakondry” (1 Nefia 11:36).

  9. Jereo ny Daniela 9:10; Amosa 3:7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:1, 4–5; 124:45–46.

  10. Jaona 15:16. Manazava ny fanekem-pinoana fahadimy hoe: “Mino isika fa tsy maintsy voantson’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ ny faminaniana sy amin’ ny alalan’ ny fametrahan-tanana, ataon’ ireo izay manana fahefana, ny olona iray vao mitory sy manatanteraka ny ôrdônansin’ ny Filazantsara.”

  11. Enseignements des Présidents de l’Église: George Albert Smith (2011), 64; nampiana fanamafisana. Ity teny nambara ity dia notsongaina tao amin’ny lahatenin’ny fihaonambe nataon’ny Loholona George Albert Smith tamin’ny taona 1919. Lasa Filohan’ny Fiangonana izy tamin’ny taona 1945.

  12. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30, 38.

  13. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:27.

  14. 3 Nefia 13:10; jereo koa ny Matio 6:10; Lioka 11:2.

  15. Rehefa maty ny Filohan’ny Fiangonana dia rava ny Fiadidiana Voalohany ary maka ny toerany ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ireo mpanolotsaina. Avy eo dia ny Kôlejin’ny Roambinifololahy no mitarika ny Fiangonana mandrapahatonga ny fotoana hananganana indray ny Fiadidiana Voalohany. Izany fotoana izany dia fantatra amin’ny hoe tetezamita tantanan’ny apôstôly. Teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana dia niovaova tamin’ny faharetany izany tetezamita izany, izay efatra andro ka hatramin’ny Telo taona sy tapany.

  16. Marina tokoa fa io lamin’ny fifandimbiasan-toerana io dia tsy nihatra tamin’ny fiantsoana an’i Joseph Smith, izay voatendry mialoha mba ho mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny sy ho Filoha voalohany tato amin’ny Fiangonana (jereo ny 2 Nefia 3:6–22; jereo koa ny Abrahama 3:22–23).

  17. Isika dia mahafantatra fa mety hiantso antsika hody any Aminy amin’ny fotoana izay fidiany ny Tompo izy tenany mihitsy.

  18. Gordon B. Hinckley, “God Is at the Helm,” Ensign, Mey 1994, 54; jereo koa ny Gordon B. Hinckley, “He Slumbers Not, nor Sleeps,” Ensign, Mey 1983, 6.

  19. “Message from President Thomas S. Monson,” Church News, 3 Feb. 2013, 9.

  20. “We Ever Pray for Thee,” Hymns, no. 23.