2015
Fantatro fa tia ahy i Jesoa
Aprily 2015


Ho an’ny ankizy madinika

Fantatro fa tia ahy i Jesoa

Mipetraka any Washington, Etazonia ny mpanoratra.

Niezaka mafy haneho fanajana ao am-piangonana i Laney. Saingy vizaka izy ka te hanetsiketsika mafy ny tongony.

Rehefa tapitra ny Fanasan’ny Tompo dia nosokafan’i Laney ny bokiny momba an’i Jesoa. Hitany ilay sarin’i Jesoa miaraka amin’ireo ankizy kely. Nampitony sy nampifaly azy ilay sary.

Rehefa tapitra ny fivoriana Fanasan’ny Tompo dia nanontany ny reniny izy hoe: “Fa maninona no mora kokoa ho ahy ny maneho fanajana rehefa mamaky ilay bokiko momba an’i Jesoa aho?”

“Raha ny eritreritro dia satria mampahatsiahy anao ny halehiben’ny fitiavan’i Jesoa anao ilay izy,” hoy ny reniny.

Nanetsika ny lohany i Laney ho fanekeny izany. “Mieritreritra ve ianao fa fantatr’i Jesoa fa tiako koa Izy?” hoy izy nanontany.

Nofihinin’i neny i Laney. “Eny, azoko antoka fa fantany izany.”