2015
Nanasitrana boka iray i Jesoa
Aprily 2015


Fotoan’ny soratra masina

Nanasitrana boka iray i Jesoa

Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.

Miaraha-mianatra momba ny Testamenta Vaovao amin’ity taona ity!

Mieritrereta fotoana iray namparary anao. Nisy olona naneho hatsaram-panahy ve nanampiana anao ho salama kokoa?

Ao amin’ ny Testamenta Vaovao isika dia mamaky momba an’i Jesoa Kristy naneho hatsaram-panahy tamin’olona narary. Indray andro nisy lehilahy iray voan’ny aretin-koditra manaintaina antsoina hoe leprosisa (habokàna) nanatona an’i Jesoa. Fantany fa manana ny fahefana hanasitrana ireo rehetra izay marary i Jesoa. Nino izy fa afaka hanasitrana azy i Jesoa. Nokasihin’i Jesoa ilay boka ary hoy Izy, “Madiova hianao” (Marka 1:41). Vantany vao niteny izany i Jesoa dia sitrana ilay lehilahy.

Afaka manaraka ny dian’i Jesoa isika amin’ ny alalan’ny fanehoana hatsaram-panahy sy fitiavana amin’ ny hafa izay marary na malahelo.