2015
Ny vavaka sy ny katedraly
Aprily 2015


Ny vavaka sy ny katedraly

Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.

“Fa mpianatro hianareo, raha mifankatia” (Jaona 13:35).

Niandrandra nijery i Dani fa mbola tsy afaka nahita ny tampon’ilay katedraly tsara tarehy ihany. Olona avy amin’ ny fiangonana hafa no tonga teo. Tsy fantatr’i Dani hoe maninona no andro zoma no itsidihan’ny fianakaviany io fiangonana io, saingy niteny i Dada hoe handeha ho any amina zavatra antsoina hoe Evensong hono ry zareo.

“Inona koa izany?” Hoy i Dani.

“Fivoriana ahitana olona mihira, mamaky soratra masina, sy miara-mivavaka izany,” hoy i Dada. “Tahaka ny fianakaviana lehibe rehefa hariva ny andro.”

Toa tian’i Dani sahady izany. Nitsidika an’i Angletera izy sy ny fianakaviany. Nankany amin’ ny paroasy tany amin’ ny tanàna lehibe nantsoina hoe York ry zareo tamin’ ny alahady farany teo. Hain’ny ankizy rehetra tao amin’ ny Kilonga ireo soratra masina sy hira hain’i Dani. Fantany fa ilay paroasy notsidihany dia anisan’ny Fiangonana marin’i Jesoa, mitovy amin’ ny paroasy any aminy ihany.

Fa ity katedraly ity kosa dia tena niavaka tamin’ ny nahazatra azy. Nahatsikaritra latabatra kely feno labozia izy. Nodinihan’i Dani ilay ankizilahy kely iray izay nandrehitra labozia iray.

“Fa maninona ianao no mandrehitra labozia?” Hoy i Dani nanontany azy.

Nitsiky ilay ankizilahy. “Mandrehitra labozia iray aho rehefa mangataka zavatra iray manokana. Manantena aho fa ho ren’Andriamanitra foana ilay vavaka raha mbola mirehitra koa ny labozia.”

Labozia ohatra ny mahazatra no fahitan’i Dani ireo labozia. Sahiran-tsaina kely izy, kanefa te hahalala fomba. Nitsiky tamin’ilay ankizilahy izy.

Nipetraka i Dani sy ny fianakaviany, dia nanomboka avy hatrany ny Evensong. Hitany teny amin’ ny laharan-tseza vitsivitsy lavidavitra kely ilay ankizilahy teo. Avy eo vao tonga saina izy fa tsy nisy hainy na dia iray aza ny hira noventsoin’ny rehetra. Namaky boky kely izy ireo rehefa nivavaka. Toa hafa amin’ ny mahazatra azy ny zava-drehetra.

Kanefa tsara ilay mozika, na dia tsy mitovy amin’ ny mahazatra aza. Nitsangana hamaky soratra masina ny lehilahy iray avy eo. Nanao akanjo mirebareba be izy raha toa ka tokony ho pataloha sy palitao ary karavato tahaka ny an’i evekan’i Dani. Fa vao nanomboka namaky izy dia fantatr’i Dani fa hainy ilay tantara! Namaky momba an’i Jesoa nanasitrana ireo boka 10 izy.

“Dada a!” hoy i Dani nibitsibitsika, “Tiako izay tantara izay.”

Nitsiky i Dada. “Izaho koa tia izay tantara izay.”

Nanonona vavaka avy eo ilay lehilahy manao akanjo lava be. Nangataka an’Andriamanitra izy hitahy ireo marary sy sahirana. Mitovy tamin’ ny nataon’i Dani! Nangataka fitahiana manokana ho an’ireo mpitarika ao amin’ ny fiangonany ihany koa izy. Tsaroan’i Dani fa nangataka foana ny Ray any an-danitra ny fianakaviany mba hitahy ny Filoha Thomas S. Monson sy ireo mpanolotsainy.

Nisy fahatsapana hafanana tonga tao am-pon’i Dani. Fantany fa niteny taminy ny Ray any an-danitra fa tiany avokoa ny zanany rehetra ary henoiny avokoa ny vavaka rehetra ataony, na dia mivavaka amina fiangonana hafa aza izy ireo ary na tsy manana ny fahafenoan’ny filazantsara aza.

Raha nitsangana handeha izy ireo, dia nijery ny findainy i Dada. Nalahelo ny endriny raha namaky ny hafatra azony izy. “Maty ny rahavavy Monson,” hoy izy.

“Oay!” Nivavaka haingana tao am-pony ho an’ny Filoha Monson i Dani mba tsy haninona.

“Ao tsara ve ianao?” hoy ny olona iray nanontany. Ilay ankizilahy teo aloha ilay izy. Henony i Dani teo, ary toa nitaintaina izy.

“Maty ny rahavavy Monson,” hoy i Dani. “Vadin’ny mpaminaninay izy, ny Filoha Monson.”

“Mampalahelo izany,” hoy izy tamin-katsaram-panahy. “Handrehitra labozia iray ho azy aho.”

Nitsiky i Dani ary nisaotra azy. Feno hatsaram-panahy tokoa ilay ankizilahy hoy izy tany an’eritreriny noho izy nanao vavaka manokana ho an’ny Filoha Monson. Fantany fa horenesin’ny Ray any an-danitra ny vavaka noteneniny tao am-pony ary ny vavak’ilay ankizilahy koa.