2015
Ny lalana marina
Aprily 2015


Ny lalana marina

From “Aoka Isika Tsy ho Diso Lalana,” Liahona, mey 2014, 39–41.

“Mandrenesa ny tenin’ilay Andriamanitra izay nanao anareo” (F&F 43:23).

Taona maro lasa izay izaho sy ny fianakaviako no nitsidika ny valan-javaboahary Arches National Park any Utah, Etazonia. Anisan’ireo andohalambon-tany tsara sy malaza indrindra ao amin’ilay valan-javaboahary ny Delicate Arch ary nanapa-kevitra ny hihanika ilay tendrombohitra izay hahatongavana eny amin’ilay andohalambon-tany izahay.

Feno fientanentanana izahay raha nanomboka ny dianay, saingy rehefa nandeha kelikely dia nila naka aina ny hafa. Noho ny faniriako te ho tonga eny, dia nanapa-kevitra aho ny hanohy irery ny dia. Tsy dia nandinika loatra ny lalana izay tokony halehako aho fa nanaraka ny dian’ny lehilahy iray teo alohako izay toa nandroso tamim-pahatokian-tena be.

Nanomboka nihasarotra hatrany ny lalana. Azoko antoka fa tsy ho vitan’ny fianakaviako ilay lalana. Tampoka teo dia tazako ny Delicate Arch, saingy tsy nampoiziko fa teny amin’ ny toerana tsy nisy fomba nahafahako mandeha eny no nisy azy. Tsy nitondra ahy teny amin’ilay andohalambon-tany ny lalana nizorako.

Feno fahasorenana aho ka nanapa-kevitra hiverin-dalana. Tsy andriko izay nihaonana indray tamin’ilay vondron’olona nisy ahy. Nohazavain’izy ireo fa nanaraka ireo toromarika manondro ny lalana izy ireo, ary rehefa nitandrina sy niezaka dia tojo tany amin’ ny toerana nokasainy hahatongavana. Nampalahelo fa diso lalana aho. Lesona lehibe no nianarako tamin’io andro io!

Aza miala amin’ ny lalana mankany amin’ ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ ny Rainao any an-danitra. Araho ireo fitsipiky ny filazantsara sy ny didy ianaranao, dia ho eo amin’ ny lalana marina mitondra anao hiverina hiaina miaraka Aminy mandrakizay ianao.