2015
Iza no maherifonao?
Aprily 2015


Iza no maherifonao?

Mipetraka any Washington, Etazonia ny mpanoratra.

Fantatr’i Ellie ny maherifony, fa matahotra be izy ny hiteny izany.

“Mijoroa amin’ ny feon’ny fieritreretanao, ny voninahitrao, ny finoanao; mijoroa tahaka ny maherifo” (Chants Pour les Enfants, 80).

Nanaikitraikitra ny hohon-tanany sady mieritreritra mafy i Ellie. Nitety ny laharan-dabilio Madama Fitz ka nametraka fanontaniana iray isaky ny ankizy tsirairay.

“Iza no maherifonao? Hoy Madama Fitz tamin’i Jeremy.

Tsy nihambahamba akory i Jeremy namaly. “Ny dadako!” hoy izy kevoka ery.

Nitsiky Madama Fitz. “Ary ny anao, ry Sarah?”

Vetivety kely no nanomezany ny valiny. “Abraham Lincoln.”

Nidobodoboka aoka izany ny fon’i Ellie rehefa nanohy nidina nanesy laharana mpianatra Madama Fitz. Maherifo foana no noresahan’izy ireo ny manontolo andro, ary izao dia tokony hilaza ny maherifony ny rehetra—eo anoloan’ny mpianatra rehetra!

I Amber sy i Justin dia nilaza fa ny renin’izy ireo no maherifony. Ny dadabeny kosa ny an’i Walter. Ankizy vitsivity no nilaza hoe mpanjaka na filoham-pirenena ny azy.

Mpianatra vitsy monja sisa tavela dia ho tonga eny amin’i Ellie Madama Fitz. Mila mieritreritra maherifo iray izy—ary mila manao izany faingana.

Niondrika nijery ny kirarony i Ellie, sady sahiran-tsaina. Tsy olana ny fieritreretana olona mahery fo iray. Efa fantany ny maherifony. I Jesoa Kristy izany. Nanasitrana ny marary Izy, nampitsangana ny maty, ary nanonitra ny fahotan’ny rehetra. Izy no mahery fo lehibe indrindra niaina hatramin’izao! Matahotra loatra fotsiny izy ny hiteny izany.

Lasa nikaikikaikitra ny hohon-tanany indray i Ellie noho ny fieritreretany hoe hanambara amin’iray kilasy fa i Jesoa Kristy no maherifony. Dia ahoana raha hihomehezan’i Jeremy izy? Dia ahoana raha hibitsibitsika momba azy ry Sarah sy Amber rehefa avy mamaly izy?

Mazava ho azy fa fantany fa i Jesoa Kristy no maherifony. Fa tsy midika akory izany fa tokony ho fantatry ny olona hafa rehetra koa izany.

Nijanona nanoloana ny latabatr’i Ellie tsara sady nitsiky Madama Fitz. “Ary iza no maherifonao ry Ellie?”

Nanopy ny masony teny amin’ireo mpianatra teo amin’ ny laharan-dabilio akaikiny hatrany amin’i Madama Ellie izy. “Abraham Lincoln,” hoy izy nibitsibitsika.

Nitsiky Madama Fitz. “Tsara!” hoy izy sady nandeha nankeo amin’ ny mpianatra manaraka tao amin’ilay laharana.

Nidina toy ireny afa-doza ireny ny sorok’i Ellie vao lasa izy. Misaotra an’Andriamanitra fa vita aloha ny amin’iny. Ny zavatra farany nila nataony dia ny nampahafantatra ny iray kilasy fa ny maherifony dia i—

“Jesoa Kristy,” hoy ny feo iray.

Nihiratra ny mason’i Ellie raha nitraka nijery izy. Nisy—ankizy lahy kely iray mikorontam-bolo—nipetraka lavidavitra kely fotsiny tamin’ ny laharana nisy azy. Mahia sady saro-kenatra izy, ary mipetraka any amin’ ny seza faran’ny efitrano fianarana foana. Tsy fantatr’i Ellie akory ny anarany. Tsy mbola tadidiny ho niteny na dia indraim-bava akory aza izy—hatramin’izay.

Ankizy vitsivitsy no nitodika nibanjina tany amin’ilay ankizilahy, fa tsy tsikariny ireo. Nijery an’i Madama Fitz fotsiny izy dia niteny indray. “I Jesoa Kristy no maherifoko.”

Nitsiky tamim-pifaliana Madama Fitz no nanohy nitety ny laharana. Fa i Ellie kosa nijery ilay ankizilahy tamim-pahatalanjonana. Natahotra nilaza tamin’ ny rehetra momba ny maherifony izy, kanefa ilay ankizilahy tsy natahotra. Tsy mivavaka any amin’ ny fiangonana misy azy akory anefa izy! Kanefa nahafantatra ny maha-zava-dehibe ny mijoro ho ohatra ho an’i Jesoa Kristy izy, na dia sarotra aza izany.

Nitsiky tamin’ilay ankizilahy i Ellie. Tsy hatahotra ny hiteny ny maherifony intsony izy. Raha ny marina dia misy roa izao ny maherifony.