2015
Hevi-baovao manaitra
Aprily 2015


Hevi-baovao manaitra

Ahoana no ataoko mba hahatonga ny takarivan’ny mpianakavy ho laharam-pahamehana?

“Eo am-panaovanareo izay hampatanjaka ny fianakavianareo sy hampisy fiadanana dia tadidio … ny takarivan’ny mpianakavy isan-kerinandro. Tandremo ny takarivan’ny mpianakavinareo mba tsy ho lasa hevitra tonga tampoka ao an-tsaina fotsiny ao anatin’ny andro iray feno firotorotoana. Manapaha hevitra fa hiaraka ao an-trano ny fianakavianareo amin’ ny takarivan’ny Alatsinainy. Aza avela ho manan-danja kokoa noho ny fotoana iarahanareo amin’ ny fianakavianareo ao an-tokantrano ny zavatra takin‘ny asa, na ny fanatanjahantena, na ny hetsika hafa, na ny enti-mody na ny zavatra hafa na inona na inona izany.

Tsy manan-danja noho ny fotoana natokana ho an’izany izay mety ho endrikendriky ny takarivanareo. Sady tokony hampianarina amin’ ny fotoana efa natokana tsara ho an’izany sy amin’ ny fotoana tsotsotra rehetra ny filazantsara. Ataovy lasa traikefa manan-danja ho an’ny olona tsirairay ao amin’ ny fianakaviana izany.”

Ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “Ataovy Voalohany amin’ ny Laharam-pahamehanareo ny Fampiasana Finoana,” Liahona, nôv. 2014, 94.