2015
Fivavahana madio
Aprily 2015


Fivavahana madio

Ny fanaovana asa fanompoana feno fitiavana—fanadinoana ny tenantsika, fanolorana ny zavatra ilain’ny hafa, ary fanokanana ny fiainantsika amin’ ny fanompoana azy ireo—no toetra mampiavaka ny mpianatr’i Jesoa Kristy hatramin’izay.

Sary
composite of different families

Sary nataon’i Annie Henrie

Ny Mpamonjy ao amin’ ny Matio toko 11 dia mampianatra antsika lesona manan-danja iray amin’ ny alalan’ny zavatra tsy nolazainy ho valin’ny fanontaniana napetrak’ireo mpianatra momba an’i Jaona Mpanao Batisa:

“Ary rehefa ren’i Jaona tao an-tranomaizina ny asa nataon’i Kristy, dia naniraka ny mpianany izy

“hanao aminy hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?

“Ary [Jesoa] namaly ka nanao taminy hoe: Mandehana hianareo, ka ambarao amin’i Jaona izao renareo sy hitanareo izao:

“Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa, diovina ny boka, ary malady ny marenina, atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara” (Matio 11:5).

Raha tokony hanome fanazavana ara-potopampianarana fohy Izy izay manazava fa hoe Izy tokoa “Ilay ho avy”, dia novalin’ny Mpamonjy tamin’ ny alalan’ny zavatra nataony izany—Ny asa fanompoana nataony.

Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ ny aprily 2014 dia nampahatsiahy antsika ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ ny Kôlejin’ny Apôstôly hoe: “Manompo amin’ ny fomba tena tsara ny Raintsika any an-danitra isika amin’ ny alalan’ny fitarihana ny hafa sy ny fanompoana azy ireo amim-pahamarinana. I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no ohatra lehibe indrindra nandia ny tany hatramin’izay.1

Ny fanaovana asa fanompoana feno fitiavana—fanadinoana ny tenantsika, fanolorana ny zavatra ilain’ny hafa, ary fanokanana ny fiainantsika amin’ ny fanompoana azy ireo—no toetra mampiavaka ny mpianatr’i Jesoa Kristy hatramin’izay. Nampianatra ny Mpanjaka Benjamina 100 taona mahery talohan’ny nahaterahan’ny Mpamonjy hoe: “Rehefa eo amin’ ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’Andriamanitrareo ianareo” (Môsià 2:17).

Nampahatsiahy antsika i Jakoba fa ilay lafiny manan-danjan’ny “fivavahana madio” dia hita ao anatin’ny fanompoantsika ny hafa rehefa “mamangy ny kamboty sy ny mpitondrantena amin’ ny fahoriany” (Jakoba 1:27). Ny “fivavahana madio” dia mifono zavatra bebe kokoa noho ny fanambarana ny finoana. Fampisehoana ny finoana amin’ ny alalan’ny asa izany.

Tiavo ireo namana mpiara-dalana aminao

Teo amin’ ny tapatapan’ny volana Jolay 1984, herinandro vitsivitsy taorian’ny nivadianay sy i Carol vadiko tany amin’ ny Tempolin’i Los Angeles Californie, dia nanainga nankany Utah izahay izay toerana hanombohako hiasa ary hamaranan’i Carol ny fianarany any amin’ ny oniversite. Samy nitondra fiara izahay. Nentinay tao anatin’ireo fiara roa ireo ny fanananay rehetra.

Teny antsasa-dalana dia nijanona nanakaiky ny fiarako i Carol ary nanomboka nanao fihetsika mba hisarihana ny saiko. Talohan’ny fotoana nisian’ny finday sy ny smartphone ary ny fandefasana hafatra sy ny Twitter izany. Rehefa hitako tamin’ ny alalan’ny varavarankelin’ny fiarany ny endriny dia fantatro fa tsy salama izy. Nilaza izy fa hanohy hitondra fiara saingy nitebiteby tamin’ilay vadiko vao haingana aho.

Rehefa nanakaiky ny tanàna kelin’i Beaver, Utah izahay dia nijanona indray izy ary hitako fa nila nijanona amin’izay izy. Narary izy ary tsy afaka nanohy intsony. Nanana fiara anankiroa feno akanjo sy fanomezana tamin’ ny fanambadiana izahay saingy indrisy fa kely vola. Tsy takatray izany efitrano any amin’ ny hotely izany. Tsy fantatro tsara hoe inona no tokony hatao.

Samy tsy mbola tany Beaver izahay, ka rehefa tsy nahafantatra marina ny zavatra tadiaviko aho dia nihodinkodina nitondra fiara nandritra ny minitra vitsy mandra-pahitako zaridaina iray azo idiran’ny besinimaro. Nijanona teo amin’ ny fitobiam-piarakodia izahay ary nahita hazo misy alokaloka, dia navelatro teo ny bodofotsy iray mba hahafahan’i Carol miala sasatra.

Minitra vitsy taorian’izay dia nisy fiara iray hafa niditra teo amin’ilay fitobiam-piarakodia teo akaiky teo ary nijanona teo akaikin’ny fiaranay. Vehivavy nitovitovy taona tamin’ ny reninay no nivoaka avy tao anatin’ny fiarany ary nanontany sao dia misy olana ary sao misy azony anampiana. Nilaza izy fa nahatsikaritra anay teny am-pamiliany ny fiarany ary nahatsapa fa tokony hijanona. Rehefa nohazavainay ny toe-javatra nahazo anay dia tonga dia nasainy nanaraka azy tany an-tranony izahay ka afaka ny hiala sasatra any araka izay hilanay izany.

Vetivety izahay dia teo ambonin’ny fandriana mampahazo aina iray tao amin’ ny efitrano fatoriana iray tany amin’ ny lakavy mangatsiatsiaka tao an-tranony. Vao niala sasatra kely izahay dia nilaza ity rahavavy mahafinaritra ity fa tsy maintsy handeha hanao zavatra maromaro ka dia hijanona irery mandritra ny ora vitsivitsy izahay. Nilaza izy fa raha noana izahay dia afaka maka izay hitanay ao an-dakozia ary raha toa handeha alohan’ny hiverenany izahay dia nangatahiny mba hanidy ny varavarana fidirana.

Rehefa nahazo ny torimaso tena nilainy i Carol dia nihatsara ary lasa nanohy ny dianay izahay ka tsy nandalo tao amin’ ny lakozia. Tsy mbola niverina ilay vehivavy tsara fanahy tamin’ ny fotoana nandehananay. Menatra izahay satria tsy mba nandray an-tsoratra ilay adiresin’ny trano ary tsy mba nisaotra araka ny tokony ho izy ilay Samaritananay tsara fanahy, izay nijanona teny an-dalana ary nanokatra ny tranony tamin’ ny vahiny nila fanampiana.

Rehefa mandinika io zavatra niainana io aho dia tonga ato an-tsaina ny tenin’ny Filoha Thomas S. Monson, izay maneho ny didin’ny Mpamonjy mba “[handeha] sy [hanao] toy izany koa” (jereo ny Lioka 10:37) toy ny olona rehetra: “Tsy afaka mitia marina an’Andriamanitra isika raha tsy tia ireo mpiara-belona amintsika eto amin’ity fiainana ity.”2

Na aiza na aiza hihaonantsika amin’ireo “mpiara-belona” amintsika—eny an-dalana na any ao an-tokantranontsika na eny amin’ ny toeram-pilalaovana na any an-tsekoly na any am-piasana na any am-piangonana—dia hitovy bebe kokoa amin’ ny Mpamonjy isika, ka mitahy sy manompo eny an-dalana eny rehefa mikatsaka izany sy mijery ary mandray andraikitra.

Mikatsaha

Sary
drawing of woman praying

Sary nataon’i Annie Henrie

Ny Loholona Neal A. Maxwell (1926–2004) tao amin’ ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

“Azo antoka fa tsy afaka ny hanonitra ny fahotan’ny olombelona tahaka ilay Mpamonjy sarobidintsika mihitsy isika! Ankoatra izany dia tena tsy afaka ny hizaka ny aretina sy ny rofy ary ny fahorian’ny olombelona mety maty rehetra isika (jereo ny Almà 7:11–12).

“Kanefa, raha aty amin’ ny ambaratonga ambanimbany kokoa, toy ny fanasana nataon’i Jesoa dia tena afaka miezaka ny ho lasa ‘toa [Azy]’ isika (3 Nefia 27:27).”3

Rehefa mikatsaka ny ho lasa toa Azy isika, miaraka amin’ ny faniriana amin-kitsimpo hitahy “ny mpiara-belona amintsika,” dia homena fahafahana hanadino ny tenantsika sy hampitraka ny hafa. Mety tsy dia mampahazo aina loatra ireo fahafahana manompo ireo indraindray, satria mitsapa ny faniriantsika marina hitovy bebe kokoa amin’ ny Mpampianatra, izay nanao ilay asa fanompoana lehibe indrindra, dia ilay Sorompanavotany tsy manam-petra, izay tena nilaina tokoa. “Kanefa,” hoy Izy, “voninahitra anie ho an’ny Ray, ary nosotroiko izany ary novitaiko izay efa nomaniko ho an’ny zanak’olombelona” (F&F 19:15–19).

Ny fikatsahana amin-kitsimpo hitovy bebe kokoa amin’ ny Mpamonjy dia hanome fahafahana antsika hahita ny zavatra mety tsy ho hitantsika raha amin’ ny fomba hafa. Niaina akaikin’ny Fanahy ilay Samaritananay tsara fanahy ka nandray andraikitra teo anatrehan’ny bitsika henony ary dia nanatona vahiny nila fanampiana.

Mijere

Sary
drawing of three children with lantern

Sary nataon’i Annie Henrie

Ny hoe mijery amin’ ny alalan’ny maso ara-panahy dia mijery zavatra araka ny tena fisehony ary mahafantatra hoe misy zavatra ilaina izay mety tsy ho hitantsika raha tamin’ ny fomba hafa. Ao anatin’ny fanoharana momba ny ondry sy ny osy dia samy tsy nisy nahafantatra na ireo izay “notahina” na ireo izay “voaozona” hoe ny Mpamonjy no tao anatin’ireo noana, nangetaheta, tsy nanan-kitafy na tao an-tranomaizina. Ny fihetsika nasehon’izy ireo teo anatrehan’ny valisoa azony dia ny fametrahana fanontaniana hoe, “Oviana no hitanay … Hianao?” (Jereo ny Matio 25:34–44).

Ireo izay nijery tamin’ ny alalan’ny maso ara-panahy ihany no nahafantatra ny zavatra ilaina ka nandray andraikitra sy nitahy ireo izay nijaly. Nahafantatra ny zavatra ilaina ilay Samaritananay tsara fanahy rehefa nijery tamin’ ny alalan’ny maso ara-panahy izy.

Mandraisa andraikitra

Sary
drawing of older woman and young man

Sary nataon’i Annie Henrie

Mety mahita fahasahiranana isika manodidina antsika saingy mahatsapa ho toy ny tsy afaka manampy noho ny fiheverana hoe tsy ampy ny zavatra azontsika atolotra. Rehefa mikatsaka ny ho lasa tahaka Azy isika ary mahita ny zavatra ilain’ny mpiara-belona amintsika amin’ ny alalan’ny maso ara-panahy, dia tsy maintsy matoky isika fa afaka miasa amin’ ny alalantsika ny Tompo, dia tsy maintsy mandray andraikitra isika.

Raha niditra ny tempoly i Petera sy i Jaona dia nifanena tamin’ ny lehilahy iray “nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny” izay nangataka azy ireo mba homena fiantrana (jereo ny Asan’ny Apôstôly 3:1–3). Ny valintenin’i Petera dia ohatra sy fanasana iray ho antsika tsirairay avy:

“Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin’ ny anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna.

“Ary noraisiny tamin’ ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany” (Asan’ny Apôstôly 3:6–7).

Afaka mandray andraikitra amin’ ny alalan’ny fanomezana ny fotoantsika sy ny talentantsika isika ary amin’ ny alalan’ny fanaovana teny mamy na asa mitaky hery ara-batana. Rehefa mikatsaka sy mijery isika dia hapetraka ao anatin’ny toe-javatra izay hahafahantsika mandray andraikitra sy mitahy. Nandray andraikitra ilay Samaritananay tsara fanahy. Nentiny tany an-tranony izahay ary nomeny an’izay nananany. Raha halalinina dia nilaza izy hoe: “Izay ananako no omeko anao.” Izay mihitsy no zavatra nilainay.

Nampianatra ireo fitsipika ireo ihany koa ny Filoha Monson:

“Samy handeha hamakivaky ny lalan’i Jeriko isika tsirairay mandritra ny diantsika eto an-tany. Inona no zavatra hiainanao? Inona no hiainako? Moa ve aho tsy hahatsikaritra ilay olona lavo notafihan’ny fahavalo izay hangataka ny fanampiako? Ho toy izany ve ianao?

“Moa ve aho ho toy ilay iray izay nahita olona maratra sy naheno ny fitarainany nefa dia niampita? Ho toy izany ve ianao?

“Na moa ve aho ho ilay iray izay nahita sy nandre dia nijanona ka nanampy?” Hoy toy izany ve ianao?

“I Jesoa no nanome ilay teny filamatsika hoe, ‘Mandehana ary manaova toy izany koa.’ Rehefa mankatò io fanambarana io isika, dia miseho amintsika mandrakizay ilay fahitana fifaliana izay mahalana no manan-tsahala ary tsy misy mahatafahoatra velively.”4

Rehefa lasa mitovy bebe kokoa amin’ ny Mpamonjy isika amin’ ny alalan’ny fikatsahana, ny fijerena ary ny fandraisana andraikitra dia hahafantatra ny fahamarinan’ny tenin’ny Mpanjaka Benjamina hoe: “Rehefa eo amin’ ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’Andriamanitrareo ianareo” (Môsià 2:17).

Fanamarihana

  1. Richard G. Scott, “Fianarana no Nomeko Anareo,” Liahona, mey 2014, 35.

  2. Thomas S. Monson, “Ny Fitiavana—Fitsipika Fototry ny Filazantsara,” Liahona, mey 2014, 91.

  3. Neal A. Maxwell, “Apply the Atoning Blood of Christ,” Ensign, nôv. 1997, 22.

  4. Thomas S. Monson, “Your Jericho Road,” Ensign, mey 1977, 71.