2015
Ny herin’ny finoana
Aprily 2015


Miresaka an’i Kristy isika

Ny herin’ny finoana

Mipetraka any Washington, Etazonia ny mpanoratra.

Raha toa ka afahan’ny Ray any an-danitra amin’ireo olana sedraintsika isika satria nangatahantsika tsotra fotsiny Izy hanao izany, dia hanakana antsika tsy hiaina toe-javatra maro tena ilaina amin’ ny famonjena antsika Izy.

Sary
A mother ssitting with her small daughter as the girl colors in a coloring book.

Indray taona tany amin’ ny oniversite raha teo am-panaovana fanadinana aho dia nanomboka narary ny hatoko. Tsy nitsahatra ilay fanaintainana na dia efa nilefa aza ny tebiteby tamin’ ny fanaovana fanadinana. Nanatona dokotera sy kinésithérapeute aho ary nanandrana fitsaboana isan-karazany saingy mbola nitohy ny fanaintainana. Sady sahirana mafy tamin’ ny fizakana izany fanaintainana izany aho nandritra ilay taona nanaraka no sahirana koa tamin’ ny fampitomboana ny finoako. Nanokana fotoana bebe kokoa hanaovana vavaka aho, nandalina soratra masina aho ary nangataka tsodranon’ny fisoronana. Nahatsapa aho fa raha toa ka manana finoana ampy fotsiny dia ho sitrana.

Nanasitrana ny marary, ny jamba, ny malemy ary ny boka i Jesoa Kristy—“araka ny finoan’ [izy ireo]” (Matio 9:29). Fantatro fa nanana hery hanasitranana ahy Izy toy ny nataony tamin’ireo maro nandritra ny fiainany teto an-tany. Nosintoniko avy amin’izany fa ny tsy fananako finoana ihany no nanakana ahy tsy ho sitrana, ka dia nampitomboako be dia be ny ezaka nataoko. Nivavaka, nifady hanina, ary nandalina sy nino aho tao anatin’ny fanohizana ny kinésithérapie. Kanefa tsy nisava ny fanaintainako.

Ny soratra masina dia mampianatra antsika fa afaka manatanteraka fahagagana isika amin’ ny alalan’ny finoana (jereo ny Matio 17:20), kanefa dia tsy niala tamiko ity fanaitainana kely ity. Aiza ilay hery mifandray amin’ ny finoako? Farany dia nanaiky mangina ny toe-javatra nahazo ahy aho ary nahita fomba ahafahana mizaka ilay tsy fahazoako aina, ary lasa faly ny hahazo fahatakarana feno mikasika ny finoana sy ny fahasitranana amin’ ny ho avy.

Taona maro taty aoriana aho dia niresaka tamin’ ny namana iray izay nianjadian’ny fandoavana nampijaly ary nahatonga azy hiditra hopitaly mihoatra ny indray mandeha nandritra ny fitondrany vohoka. Naniry ny hanan-janaka iray hafa i Erin saingy natahotra izy sao hizaka ilay tsy fahazoana aina niainany nandritra ny fitondrany vohoka voalohany. Nilaza tamiko izy fa nifady hanina sy nivavaka ary tena nino fa tsy hanao izay hiverenan’izany aminy fanindroany indray ny Ray any an-danitra.

Rehefa niresaka izahay dia tsaroako ilay soratra masina hoe, “Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra” (Salamo 46:10). Nieritreritra ny zavatra niainako manokana aho mba hianatra ny ho tony ao anatin’ny fotoam-pijaliana, ka dia namporisika an’i Erin hanohy ny fananana finoana aho saingy tsy tokony hampiankina izany finoana izany amin’ ny fandoavany na tsia mandritra ilay fitondrany vohoka manaraka izy.

Rehefa nanohy nandalina ny fitsipiky ny finoana aho dia namaky ny lahatenin’i Almà momba ny finoana izay ampianarany hoe “raha manam-pinoana ianareo, dia manantena ny zavatra izay tsy hita nefa marina” (Almà 32:21).

Rehefa nisaintsaina io soratra masina io aho dia nahatsapa fa tsy araka ny nieritreretako azy ny finoana. Ny finoana araka ny nampianarin’i Almà antsika dia fananana fanantenana amin’ireo fitsipika marina. Ny hoe manana finoana dia tsy midika hoe mino isika fa homen’ny Ray any an-danitra antsika foana izay zavatra angatahintsika amin’ ny fotoana angatahantsika izany. Ny fananana finoana fa hositranin’i Kristy ny hatoko na tsy hampandoaviny intsony i Erin mandritra ny fitondrany vohoka dia tsy fananana finoana amin’ireo fitsipika marina. Saingy afaka manana finoana isika fa manana ny hery hanasitranana i Kristy ary miraharaha antsika Izy sy hampatanjaka antsika, ary raha maharitra tsara isika dia ho mendrika ny hahazo ny fiainana mandrakizay.

Nampanantena ny Tompo hoe, “Na inona na inona zavatra angatahinao amin’ ny finoana, rehefa mino fa hahazo ianao amin’ ny anaran’i Kristy, dia ho azonao izany” (Enôsa 1:15). Mino aho fa ny hery mifandray amin’io fampanantenana io dia hita ao anatin’ilay torohevitra mba hino “amin’ ny anaran’i Kristy.” Ny fanazavana atolotry ny Bible Dictionary mikasika ny vavaka dia mampianatra antsika hoe: “Mivavaka amin’ ny anaran’i Kristy isika rehefa mitovy amin’ ny eritreritr’i Kristy ny eritreritsika, ary mitovy amin’ ny zavatra irin’i Kristy ny zavatra irintsika—rehefa mitoetra ao anatintsika ny teniny (Jaona 15:7). Dia mangataka ireo zavatra izay azon’Andriamanitra atolotra isika avy eo. Betsaka ireo vavaka izay mitoetra tsy misy valiny satria tsy amin’ ny anaran’i Kristy velively izy ireny; tsy maneho velively ny eritreriny izy ireny, fa vokatry ny fitiavan-tenan’ny fon’ny olona.”

Rehefa mangataka zavatra ombam-pinoana isika izay mifanaraka amin’ ny sitrapon’Andriamanitra dia hanome izany antsika araka ny faniriantsika Izy. Ny Ray any an-danitra dia tia sy mahafantatra antsika, ary maniry ny hanome antsika izay zavatra rehetra ilaina mba hiverenantsika eo anatrehany. Ahitana fitsapana sy olana ao anatin’izany indraindray (jereo ny 1 Petera 1:7). Raha toa ka afahan’ny Ray any an-danitra amin’ireo olana sedraintsika isika satria nangatahantsika tsotra fotsiny Izy hanao izany, dia hanakana antsika tsy hiaina toe-javatra maro tena ilaina amin’ ny famonjena antsika Izy. Tsy maintsy mianatra miantehitra amin’ ny drafitr’Andriamanitra ho antsika isika ary mampandefitra ny sitrapontsika ka manaiky ny Azy. Rehefa mampifanaraka ny faniriantsika amin’ ny faniriany isika ary manaiky ny fianteherantsika tanteraka Aminy, dia afaka ho mendrika ny handray “ny anton’ny finoan[tsika], dia ny famonjena ny fanahin[tsika]” (1 Petera 1:9).