2015
Ahoana no hahafahako tsy hihafahafa raha hiresaka olana amin’ ny evekako?’
Aprily 2015


Fanontaniana & Valiny

“Ahoana no hahafahako tsy hihafahafa raha hiresaka olana amin’ ny evekako?”

Mety hitaintaina ianao raha hiresaka amin’ ny evekanao momba ny zavatra izay manahirana anao ary fomban-javatra izany. Mitaintaina foana isika alohan’ny hiaina zavatra vaovao na alohan’ny firesahana amin’ ny olon-dehibe iray.

Kanefa voantson’ Andriamanitra ny evekanao. Voantso izy satria mpanaradia mahafatra-po an’i Jesoa Kristy izy. Hanao izay tratran’ny heriny izy mba ho tsara fanahy sy hahatakatra ny fahatsapanao. Ny tanjony dia ny hanampy anao hanatona ny Mpamonjy mba hahafahanao mahita fiadanana. Amin’ ny voalohany dia mety ho sadaikatra ianao ny hiresaka aminy momba ny fanontanianao na ny fahotanao, nefa tsy hihevitra anao ho toy ny tsinontsinona izy. Raha ny marina dia ho faly izy noho ny fanirianao hivoatra. Ary hotazoniny ho tsiambaratelo ny resakareo.

Tsy mila mitondra irery ny enta-mavesatrao ianao. Hanampy anao hahita ny valin’ireo fanontanianao izy ary, raha toa ka ilaina izany dia, hanampy anao hibebaka sy handresy ireo fahatsapana ho meloka, ny famoizam-po, na ny tsy fahamendrehana amin’ ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy.

Rehefa miresaka amin’ ny evekanao ianao, dia ho tsapanao ny fitiavany anao. Na dia ny paroasy na ny sampana manontolo aza no iandraiketany, dia ny mahasoa ny zatovolahy sy ny zatovovavy no tena imasoany. Tsy manelingelina azy akory ianao raha mangataka fanampiana avy aminy.

Afaka mangataka hery sy risimpo amin’ ny Ray any an-danitra ianao mba hiresahana amin’ ny evekanao. Nomeny fahefana hanampy anao ny evekanao ary vonona ny hanao izany ny evekanao. Raha mandeha amin’ ny fo mahitsy sy amin’ ny faniriana ho tonga tsaratsara kokoa ianao, dia ho hitanao fa hahatsapa tena maivana be noho ny teo aloha ianao rehefa miala ny biraony.

Tsy hihevitra anao toy ny tsinontsinona izy

Nomena fahefana hitarika anao amin’ireo dingan’ny fibebahana ny evekan’ny paroasinao. Indraindray ny firesahana amin’ ny evekanao no lalana tokana hahafahanao mibebaka tanteraka amin’ ny alalan’ny Mpamonjy. Rehefa nila niresaka tamin’ ny evekako aho dia nanampy ahy hitady ny Mpamonjy izy ary nanampy ahy handresy ny ratra lalina indrindra nananako hatramin’izay. Te hanampy anao ny evekanao. Ny mikarakara anao no antsony, ary tsy hihevitra anao ho toy ny tsinontsinona izy noho ny zavatra izay mila resahanao aminy.

Nosoratan’i D., 18 taona, Utah, Etazonia

Vonona ny hanampy anao ny evekanao

Tsy mahazo aina aho taloha mandritra ny dinidinika, tsapako anefa taty aoriana fa vonona hatrany hanampy ahy hamaha ny olako ny evekako. Matokia ny evekanao; mpiandry ondry izy ary ny paroasy no andian’ondriny.

Nosoratan’i Jaime R., 19 taona, Cochabamba, Bolivie

Tsy hamadika ny fitokisanao izy

Nahazo fijoroana ho vavolombelona aho fa ny eveka angamba no olon-dehibe mendri-pahatokisana indrindra azon’ny zatovo angatahina fanampiana. Tsy hamadika na oviana na oviana ny fitokisanao izy—ny zava-drehetra noresahinao taminy dia hijanona ho tsiambaratelo. Tena sarotra indraindray ny mizara ny olanao, nefa lasa mora be izany rehefa olona tia sy miraharaha ary mikatsaka izay tsara ho anao no iresahanao mifanatrika.

Nosoratan’i Nicole S., 18 taona, Etazonia

Afaka miantehitra aminy ianao

Mpanompo mahatokin’ny Tompo ny eveka na ny filohan’ny sampana misy anao. Afaka miandrandra fitarihana aminy ianao rehefa mikatsaka fitaomam-panahy avy amin’ ny Fanahy Masina sy ny Soratra Masina. Tokony ho takatrao fa eo ny eveka mba hanampy ary tarihin’Andriamanitra izy.

Nosoratan’i Stanislav R., 19 taona, mipetraka any Donetsk, Ukraine

Tsarovy fa tia anao izy

Raha toa ianao ka manana zavatra tena tianao resahana amin’ ny eveka, dia mety ho mora kokoa izany raha miresadresaka aminy momba ny fianarana sy zavatra hafa mahazatra aloha. Raha mitaintaina ianao noho ny tsy maintsy hiresahanao aminy resaka fibebahana, dia tsarovy fotsiny fa tia anao izy. Tsy mila mitaintaina akory ianao ny amin’izay mety ho eritreretiny momba anao, satria inona moa no antony tokony hankahalany anao raha fanirianao ny hanakaiky bebe kokoa an’i Kritsy?

Nosoratan’i Ashley D., 17 taona, Arizona, Etazonia

Mivavaha dia ho Fantatrao

Manontania tena hoe nahoana ianao no tsy mahazo aina rehefa miresaka amin’ ny eveka. Mihevitra ve ianao fa tsy ho afaka hanampy anao hamaha ny olanao izy? Mivavaha dia ho fantatrao fa tia anao ny eveka ary nantsoina izy mba hanampy anao.

Nosoratan’i Adam H., 13 taona, Californie, Etazonia

Na dia manao hadisoana aza ianao

Mety ho sarotra sy mahasadaikatra ny mibaboka amin’ ny eveka, kanefa hahatsapa tena ho maivana ianao rehefa mivoaka izany birao izany, ary ho fantatrao fa tia anao ny Ray any an-danitra. Tiany ho faly ianao, na dia manao hadisoana aza.

Nosoratan’i Amanda W., 16 taona, Utah, Etazonia

Eo izy hanampy

Ny eveka no mpiandry ondrin’ny paroasy misy anao. Tsarovy fa hanao izay tsara indrindra vitany izy hanampiana anao ary manana ny herin’Andriamanitra izy momba azy. Raha matahotra ianao dia afaka mivavaka mba hahazo hery hahafahanao miresaka amin’ ny evekanao. Amin’ ny farany dia ho faly ianao satria nanatona azy—ary tsy ho very maina izany.

Nosoratan’i Samuel H., 14 taona, mipetraka any Idaho, Etazonia