2015
Inona no hatao mba ho hendry?
Aprily 2015


Inona no hatao mba ho hendry

Nalaina tamin’ ny lahateny natao nandritra ny lanonam-panokafana ny taom-pianarana tao Brigham Young University–Idaho tamin’ ny 10 aprily 2009.

Amin’izao andron’ny fitobahan’ny fampahalalana izao, no tena ilantsika fahendrena indrindra—fahendrena entinahifantenana sy handanjalanjana ny fomba hampiharana ny zavatra ianarantsika.

Aoka hotadidiantsika fa:

  1. Tsy maintsy mitady fahendrena isika.

  2. Maro karazana ny fahendrena sy azo ampiharina amin’ ny toe-javatra maro samihafa.

  3. Ny fahendrena azo hatramin’ ny fahakely dia mitondra fitahiana goavambe.

  4. Ny fahendrena amin’ ny toe-javatra iray dia mety tsy azo ampiharina amin’ ny toe-javatra iray hafa.

  5. Ny fahendren’izao tontolo izao, izay mahasoa tokoa ho an’ny tranga maro samihafa, dia ho faran’izay mahasoa rehefa milefitra amim-panetrentena eo anatrehan’ny fahendren’Andriamanitra.

Mamaritra karazana fahendrena roa ny soratra masina: ny fahendren’izao tontolo izao sy ny fahendren’Andriamanitra. Manana ny lafy tsarany sy ny lafy ratsiny ny fahendren’izao tontolo izao. Mba hamaritana ny fahendren’izao tontolo izao amin’ ny fomba tena ratsy indrindra, dia azo faritana ho toy ny ampahana fahamarinana miharo fahakingan-tsaina sy fandemen-tsaina entina hanatratrarana tanjona mifono fitiavan-tena na tanjona ratsy izany.

Misy karazana fahendren’izao tontolo izao iray hafa izay tsy dia manana tanjona ratsy loatra toy izany. Tena tsara ilay izy raha ny marina. Ity fahendrena ity dia azo amin’ ny alalan’ny fandalinana, fieritreretana, fandinihana, ary asa mafy. Tena mahasoa sy manampy antsika amin’ ny zavatra ataontsika tokoa izy io. Ho an’ny olona tsara fanahy sy tsara fitondrantena, dia tonga amintsika izany mandritra ity fiainana an-tany ity.

Fa ny tena zava-dehibe, dia tsy tokony hialoha lalana ny fahendrenan’Andriamanitra ary tsy tokony ho eritreretina fa afaka ny hahasolo izany ny fahendrena izay mitondra fahombiazana eo amin’izao tontolo izao.

Tsy noforonina hitovy ny fahendrena rehetra. Mila mianatra isika fa rehefa misy fifanoherana eo amin’ ny fahendren’izao tontolo izao sy ny fahendren’Andriamanitra, dia tsy maintsy mampifanaraka ny sitrapontsika amin’ ny fahendren’Andriamanitra isika.

Mangataka anareo aho mba hieritreritra ireo olana sasany atrehinareo. Makà taratasy iray ary tsipiho midina eo afovoany. Tanisao eo amin’ ny ilany ankavia ny fahendren’izao tontolo izao ary eo amin’ ny ilany ankavanana kosa ny fahendren’Andriamanitra. Soraty ireo olana izay tsy mampifanaraka ny andaniny amin’ ny ankilany.

Inona no safidy arahinao?

Ao amin’ ny fizarana faha 45 ao amin’ ny Fotopampianarana sy Fanekempihavana, izay miresaka ireo tranga mialoha ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany, ny Tompo dia mitantara indray ny tantaran’ireo virjiny folo ary namela ireto teny ireto ho antsika: “Fa ireo izay hendry ary efa nandray ny Fanahy Masina ho mpitari-dalàna—lazaiko aminareo marina tokoa, fa tsy hokapaina ireo ka hatsipy any anaty afo fa hahatanty ny andro” (jereo ny F&F 45:57).

Ndeha isika hikatsaka ny fahendren’Andriamanitra. Misy zavatra maro azontsika ianarana momba ny fahendrena amin’izao fotoana izao. Mampanantena anareo aho fa ho tonga aminareo ny fitahian’ny Tompo rehefa mikatsaka fahendrena ianareo, dia ny fahendren’Andriamanitra izany. Tena tsy andriny ny hizarana ny fahendreny amintsika. Ary raha toa ka mankatò sy mivavaka tsy tapaka ary mitady izany isika, dia ho tonga izany.