2017
Mitady an’i Kristy mandritra ny Krismasy
December 2017


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Desambra 2017

Mitady an’i Kristy mandritra ny Krismasy

Ho an’ny rehetra izay maniry ny hahatakatra hoe iza moa isika amin’ny maha-mpikambana ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika, dia te hanolotra zavatra iray iaingana aho izay voafaritra amin’ireto teny efatra ireto: Mitady an’i Kristy isika.

Mikatsaka ny hahafantatra Azy isika. Mikatsaka ny hanaraka Azy isika. Mikatsaka ny hitovy bebe kokoa Aminy isika.

Mandritra ny taona dia mitady Azy isan’andro isika. Kanefa ao anatin’ity vanim-potoana iray ao anatin’ny taona ity indrindra, dia ny Krismasy izany, izay ankalazantsika ny nahaterahan’ny Mpamonjy malalantsika, dia vao mainkamirona bebe kokoa mankany Aminy ny fontsika.

Ao anatin’ny fiomanantsika hankalaza ny Krismasy dia tokony hodinihantsika ny fahavononan’ireo izay niaina roa arivo taona lasa izay mba hitsenana ny Mpamonjy amin’ny fahatongavany.

Ireo mpiandry ondry

Tsy mahalala zavatra betsaka mikasika ireo mpiandry ondry isika afa-tsy ny hoe, “nitoetra tany an-tsaha nitandrina ny ondriny tamin’ny alina”1izy ireo. Ireo mpiandry ondry ireo angamba dia toy ny olona tsotra ihany, toy ireo olona tsara maro izay manao ny asa fivelomany andavanandro.

Karazan’ireo olona izay, nisy fotoana, mety tsy nazoto nitady an’i Kristy izy ireo, saingy niova ny fon’izy ireo rehefa nisokatra ny lanitra ary nambara tamin’izy ireo ny momba an’i Kristy.

Izy ireo no ireo izay rehefa avy naheno ny feon’ireo iraka avy any an-danitra, dia nandeha faingana tany Betlehema mba hijery izany.2

Ireo Magy

Ireo magy dia olona manam-pahaizana izay nandalina ny fahatongavan’ny Mesia, ilay Zanak’ Andriamanitra. Tao anatin’ny fianarana nataon’izy ireo no nahitan’izy ireo ireo famantarana izay nanondro ny fahaterahany. Rehefa hitan’izy ireo izany dia nandao ny fonenany izy ireo ary nandeha nankany Jerosalema ka nanontany hoe: “Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan’ny Jiosy?”3

Tsy nijanona ho toy ny fahalalana an-tsaina fotsiny ny fahafantaran’izy ireo an’i Kristy. Raha vao nahita ireo famantarana ny fahaterahany izy ireo dia nandray andraikitra. Nanomboka nandeha nitady an’i Kristy izy ireo.

Ireo Magy dia karazan’ireo olona izay mitady an’i Kristy amin’ny alalan’ny fianarana sy fandalinana ambony. Ny fifantohan’izy ireo tamin’ny fahamarinana dia nitondra azy ireo tany amin’ny fahitana an’i Kristy tamin’ny farany sy tany amin’ny fitsaohana Azy amin’ny maha-Mpanjakan’ny mpanjaka sy Mpamonjy ny olombelona Azy.4

I Simeona sy i Ana

I Simeona sy i Ana dia karazan’ireo olona izay mitady an’i Kristy amin’ny alalan’ny Fanahy. Ireo olona mahafinaritra ireo dia mpivavaka feno fanoloran-tena, ka niandry tamim-pientanentanana ny andro hiavian’ilay Zanak’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fifadian-kanina sy vavaka ary tamin’ny alalan’ny fananana fiainana feno fanoloran-tena sy fankatoavana.

Niandrandra tamim-paharetana ny fiavian’ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fahatokiana sy fanetrentena ary finoana izy ireo.

Nony farany dia nisy valiny ny fahatokian’izy ireo rehefa nampahafantarin’i Maria sy i Josefa azy ireo ilay zazakely izay hitondra eo Aminy ny fahotan’olombelona.5

Ireo mpino teo anivon’ny Nefita sy ny Lamanita

Hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny tantara mampihetsi-po mikasika ny fomba niandrandran’ireo mpino ireo famantarana ny fahaterahan’ny Mpamonjy.

Tadidinareo angamba fa ireo izay nanana finoana an’i Kristy dia nesoesoana sy nenjehina. Ireo manam-pahalalana tamin’izany andro izany dia niampanga ireo mpino ho mifikitra amin’ny finoanoam-poana. Raha ny marina dia tena nivatravatra ny fanesoesoan’ireo tsy mpino ka namelona “hotakotaka” teo amin’ny tany izy ireo (3 Nefia 1:7). Nesoin’izy ireo ireo izay nino fa ho teraka ny Mpamonjy.

Nitombo tsy nisy toy izany ny hatezeran’izy ireo sy ny haromotan’izy ireo ka lasa nibahana tao an-tsain’izy ireo ny famonoana ireo izay nino ny Mpamonjy. Mirakitra ilay fanapahan-kevitra mampivarahontsana ny Bokin’i Môrmôna.6

Ireo mpino niaina tamin’izany fotoana izany dia karazan’ireo olona izay mitady an’i Kristy na dia mihomehy sy maneso ary manevateva aza ny hafa. Mitady an’i Kristy izy ireo na dia miezaka ny manome endrika ratsy azy ireo ho toy ny olona tanavo, na bado, na mora ambakaina aza ny hafa.

Saingy tsy mahasakana ireo mpino marina mba hitady an’i Kristy ny fankahalan’ny hafa.

Mitady an’i Kristy isika

Mandritra ny taona ary indrindra angamba mandritra ity vanim-potoan’ny Krismasy ity, dia hitondra soa ho antsika ny fametrahana indray ilay fanontaniana hoe: “Ahoana no fomba fitadiavako an’i Kristy?”

Nandritra ny fotoana sarotra iray teo amin’ny fiainany, dia nanoratra i Davida Mpanjaka lehibe hoe: “Andriamanitro ô, Andriamanitro Hianao; Mitady anao fatratra aho; Mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko.”7

Angamba io toetra mitady an’ Andriamanitra io no iray amin’reo antony namaritana an’i Davida ho toy ny lehilahy araka ny fon’ Andriamanitra.8

Mandritra izao vanim-potoan’ny Krismasy izao ary mandritra ny taona iray manontolo, dia enga anie isika hitady amin’ny fontsika sy fanahintsika ilay Mpamonjy malalantsika, ilay Mpanjakan’ny Fiadanana ary ilay Iray Masin’ny Isiraely. Satria izany faniriana izany amin’ny ampahany lehibe dia tsy mamaritra fotsiny hoe iza isika amin’ny maha-mpikambana ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika, fa mamaritra antsika bebe kokoa aza hoe iza isika amin’ny maha-mpanara-dia an’i Kristy antsika.