2017
Te hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay
December 2017


Hafatra ho an’ny famangiana isan-tokantrano, Desambra 2017

Te hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay

Halalino amim-bavaka ity hafatra ity ary mikatsaha fitaomam-panahy mba hahafantatra izay tokony hozaraina. Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana hanomana ireo zanakavavin’ Andriamanitra amin’ireo fitahiana azo amin’ny fiainana mandrakizay?

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

“Voahodidin’ireo olona mila ny fitiavantsika, ny fankaherezantsika, ny fanampiantsika, ny fanohanantsika sy ny fampiononantsika, ary ny hatsaram-panahintsika isika,” hoy ny Filoha Thomas S. Monson. “Isika no tanan’ny Tompo ety an-tany, ary nodidina mba hanompo sy hampitraka ireo zanany. Miantehitra amintsika tsirairay Izy.”1

Ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolontsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia niteny hoe: “Nisy fiovana mahery vaika nanomboka nitranga tao am-ponao rehefa tonga tao amin’ny Fiangonana ianao. Nanao fanekempihavanana ianao, ary nandray fampanantenana izay nanomboka nanova ny tena toetranao marina. …

“… Nampanantena ianareo fa hanampy ny Tompo hanamaivana ny enta-mavesatry ny [hafa] ka hahatanjahany. Nomena anareo ny hery hanampiana, mba hanamaivana ireo enta-mavesatra ireo fony ianareo nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina.”2

“Te hampiasa ny fahazavan’ny filazantsara isika mba hijerena ny hafa tahaka ny hijeren’ny Mpamonjy azy ireo, omban’ny fangorahana sy fanantenana ary fiantrana,” hoy i Jean B. Bingham, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany. “Ho avy ny andro izay hahazoantsika fahatakarana feno ny ao am-pon’ny hafa ary ho feno fankasitrahana isika noho ny fanolorana famindram-po antsika, toy ny hanehoantsika fieritreretana sy teny feno fitiavana an’ireo olona hafa. …

“Ny adidintsika sy ny tombontsoa ho antsika dia ny manaiky ny fivoarana eo amin’ny olona rehetra rehefa miezaka ny hitovy bebe kokoa amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika isika.”3

Rehefa mifampitondra ny enta-mavesatra isika sy mitandrina ny fanekempihavanantsika, dia manokatra ny lalana ho an’i Jesoa Kristy mba hanasitrana ny hafa. Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Raha eritreretina ny saran’ny Fanomboana sy ny Sorompanavotana izay tsy takatry ny saina dia mampanantena anareo aho fa tsy handà antsika Izy amin’izao fotoana izao. Rehefa milaza amin’ny malahelo am-panahy izy hoe-Mankanesa atỳ Amiko-Ny tiany holazaina dia fantany ny lalana tokony hivoahantsika ary fantany ny lalana hampivoatra antsika. Fantany izany satria efa nodiaviny. Fantany ny lalana satria Izy no lalana.”4

Soratra masina fanampiny

Matio 25:40; Galatiana 6:2; Môsià 2:17; 18:8–9

Fanamarihana

  1. Thomas S. Monson, “Serve the Lord with Love,” Liahona, Feb. 2014, 4.

  2. Henry B. Eyring, “Ilay Mpampionona,” Liahona, Mey 2015, 18.

  3. Jean B. Bingham, “Hoentiko ao an-tokantranoko ny fahazavan’ny filazantsara,” Liahona,Nôv. 2016, 7.

  4. Jeffrey R. Holland, “Broken Things to Mend,” Liahona, May 2006, 71.