2018
Zavatra dimy ataon’ny olona mahay mihaino
Jona 2018


Sary
Two young women talking

Fitsipika momba ny Fanompoana, jona 2018

Zavatra dimy ataon’ny olona mahay mihaino

Ny fihainoana tsara dia hanampy anao hahafantatra ny fomba hitondrana ireo zavatra ara-panahy sy ara-nofo ilain’ny hafa tahaka izay ho nataon’ny Mpamonjy.

Nilaza ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Angamba manan-danja kokoa noho ny fitenenana ny fihainoana. … Raha mihaino amim-pitiavana isika dia tsy hanana ahiahy ny amin’izay tokony holazaina. Homena antsika izany—amin’ny alalan’ny Fanahy.”1

Fahaiza-manao azontsika ianarana ny fihainoana. Ny fihainoana dia mampiseho ny fitiavantsika ny hafa, manampy amin’ny fanorenana fifandraisana matanjaka, ary manasa ny Fanahy hitahy antsika amin’ny fanomezam-pahasoavan’ny famantarana mba hanampy antsika hahatakatra izay ilain’ny hafa.2 Ireto misy fomba dimy ahafahantsika manatsara ny fomba fihainoantsika.

1.Omeo fotoana izy ireo

Maro ny olona no mila fotoana hanangonany ny eritreriny mialoha ny hiresahana. Omeo fotoana izy ireo hieritreretany mialoha sy aorian’ny hilazany zavatra iray (jereo ny Jakoba 1:19). Tsy hoe vita ny fitenenany dia midika izany fa voalazany avokoa izay rehetra tokony holazainy. Aza matahotra ny fahanginana (jereo ny Joba 2:11–3:1 sy ny Almà 18:14–16).

2.Mihainoa tsara

Mieritreritra haingana kokoa noho ny firesahan’ny hafa isika. Reseo ny fakam-panahy hitsambikina any amin’ny hevitrao na hieritreritra mialoha izay holazainao rehefa tapitra ny tenin’izy ireo (jereo ny Ohabolana 18:13). Fa, mihainoa kosa miaraka amin’ny fikasana hahatakatra. Ho tsara kokoa ny valinteninao satria ho feno fahatakarana tsara kokoa izany.

3.Hazavao

Aza matahotra hametraka fanontaniana izay hanazavana zavatra iray tsy takatrao (jereo ny Marka 9:32). Mampihena ny tsy fifankahazoan-kevitra ny fanazavana ary mampiseho ny fahalinanao amin’izay voalaza.

4. Tarafo

Avereno lazaina amin’ny teny hafa izay henonao sy ny fahatakarana ny fahatsapan’ilay olona hafa. Izany dia manampy azy ireo hahafantatra raha toa ka takatra izay nolazainy ary manome azy ireo fahafahana hanazava.

5. Mitadiava marimaritra iraisana

Mety tsy hiombon-kevitra amin’izay rehetra voalaza ianao, kanefa ekeo izay azonao ekena kanefa tsy handiso ireo fahatsapanao manokana. Ny fiombonan-kevitra dia afaka manampy manaisotra ny tahotra sy ny fahatezerana (jereo Matio 5:25).

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa isika dia tokony “hianatra hihaino, ary hihaino mba hifampiana-javatra.”3 Rehefa mihaino miaraka amin’ny fikasana mba hianatra momba ny hafa ianao, dia ho tsara toerana kokoa hahatakatra izay ilain’izy ireo sy hihaino ireo bitsika momba ny fomba hahafahanao miahy ireo izay manodidina anao tahaka izay ho nataon’ny Mpamonjy.

Ny fihainoana dia fitiavana

Ny tantara iray nozarain’ny Loholona Holland dia maneho ny herin’ny fihainoana:

“I Troy Russell namako dia nisarika miadana ny fiara hivoaka ny fitoeran’izany. … Tsapany fa nanitsaka zavatra toy ny dongona ny kodiarana aoriana. … Nivoaka izy ary dia i Austen zanany lahy sivy taona izay lalainy no hitany teo niankohoka teo amin’ny arabe. … Tsy namana intsony i Austen.

“Tsy nahita torimaso ary tsy nahita fiadanana mihitsy i Troy ka tsy nety nampiononina. … Saingy tao anatin’izany fotoana mahory indrindra izany no tonga … i John Manning.

“Tsoriko fa tsy fantatro hoe isaky ny inona i John sy ilay zatovo namany no mamangy ny tokantranon-dry Russell. … Fa ny fantatro dia tamin’ny lohataona farany teo Rahalahy Manning dia nanolo-tanana an’i Troy Russell ary nampiarina azy hiala tao amin’ilay fahoriana teo amin’ilay arabe, tsy misy hafa amin’ny hoe izy mihitsy no nandray an’i Austen kely. Araka ilay … rahalahy ao amin’ny filazantsara izay nantenaina taminy, dia noraisin’i John an-tanana tsotra izao fotsiny ny fiahiana ao amin’ny fisoronana an’i Troy Russell sy ny fitsimbinana azy. Nanombohany izany dia hoy izy: -Troy a! tian’i Austen hanohy hijoro ianao, anisan’izany ny hoe ho eo amin’ny kianja filalaovana basket, koa dia ho avy eto aho isa-maraina amin’ny 5:15. Aoka ianao ho vonona. …-

“-Tsy te hanao basket aho tamin’izany,- hoy i Troy tamiko taty aoriana, -satria taloha aho dia nitondra an’i Austen niaraka tamiko foana-.… Saingy nisisika ihany i John, ka dia nanao aho. Nanomboka tamin’io andro voalohany io dia niresaka izahay, na ny marina kokoa, niresaka aho dia nihaino i John. … Sarotra ilay izy tamin’ny voalohany, fa rehefa nandeha ny fotoana, dia tonga saina aho fa ny nahitako ny heriko indray dia tao amin’i [John Manning] izay tia ahy sy nihaino ahy mandra-piposaky ny masoandro indray teo amin’ny fiainako noho ny farany.-”4

Fanamarihana

  1. Jeffrey R. Holland, “Witnesses unto Me,” Liahona, jolay 2001, 16.

  2. Jereo ny David A. Bednar, ao amin’ny “Panel Discussion” (worldwide leadership training meeting, nôv. 2010), broadcasts.lds.org.

  3. Russell M. Nelson, “Listen to Learn,” Ensign, mey 1991, 23.

  4. Jeffrey R. Holland, “Iraka avy amin’ny Fiangonana,” Liahona, nôv. 2016, 62, 67.