2018
Manompo amin’ny fo mangoraka
July 2018


Sary
Ministering

Fitsipika momba ny Fanompoana, jolay 2018

Manompo amin’ny fo mangoraka

Rehefa manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny fangorahana ianao, dia ho hitanao fa afaka manatsara ny fiainan’ny hafa ianao.

Ny hoe mangoraka dia ny fananana fahatongavan-tsaina ny amin’ny fahorian’ny hafa omban’ny faniriana hampihena sy hanamaivana izany. Ny fanekempihavanana mba hanara-dia ny Mpamonjy dia fanekempihavanan’ny fangorahana mba “hifampitondra ny enta-mavesatry tsirairay” (Mosià 18:8). Ny andraikitra amin’ny fiahiana ny hafa dia fahafahana hanompo tahaka ny nataon’ny Tompo: “amindrao fo ny sasany izay miahanahana” (Joda 1:22). Nandidy ny Tompo hoe: “Samia mifampiantra sy mifamindra fo amin’ny rahalahiny avy” (Zakaria 7:9).

Ny fangorahan’ny Mpamonjy

Ny fangorahana no hery namporisika ny Mpamonjy tamin’ny fanompoany (jereo ny tsanganana eo amin’ny sisiny: “Mpamonjy feno fangorahana”). Ny fangorahana nananany ho an’ny mpiara-dia taminy dia nahatonga azy hanompo ireo manodidina azy tamin’ny fotoana tsy hita isa. Tamin’ny alalan’ny famantarana ireo filàna sy ireo fanirian’ny olona no nahafahany nitahy azy ireo sy nampianatra azy ireo tamin’ny fomba maro izay nanan-danja indrindra tamin’izy ireo. Ny fanirian’ny Mpamonjy hanondrotra antsika avy ao amin’ny fahoriantsika no nitondra tamin’ilay fihetsika faratampon’ny fangorahana: dia ny Sorompanavotana nataony ho an’ny fahotana sy fijalian’ny zanak’olombelona.

Ny fahafahany manome araka ny filàn’ny olona dia zavatra izay azontsika ilofosana eo amin’ny fanompoana ataontsika. Rehefa miaina amim-pahamarinana sy mihaino ireo bitsiky ny Fanahy Masina isika dia hoentanim-panahy hanompo amim-pahombiazana amin’ny fomba maro.

Ny fanekempihavanan’ny fangorahana nataontsika

Tian’ny Raintsika any An-danitra ho feno fangorahana ny zanany (jereo ny 1 Korintiana 12:25–27). Mba hahatonga antsika ho tena mpianatra dia mila mampitombo sy maneho fangorahana ny hafa isika indrindra amin’ny mahantra sy ny sahirana (F&F 52:40).

Tamin’ny fandraisantsika ho eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa isika dia mijoro ho vavolombelona fa vonona ny hangoraka. Ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra fa ny fanomezana ny Fanahy Masina dia manampy antsika hanao izany: “Ianareo dia mpikambana nanao fanekempihavanana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. …

“Izany no antony anananareo fahatsapana te hanampy olona iray miady mafy mba handroso eo ambany ziogan’ny enta-mavesatry ny fahoriana sy ny fahasarotana. Nampanantena ianareo fa hanampy ny Tompo hanamaivana ny enta-mavesatr’izy ireo ka hahatanjahany. Nomena anareo ny hery hanampiana, mba hanamaivana ireo enta-mavesatra ireo fony ianareo nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina.”1

Ohatra, nisy rahavavy iray tany Rosia nanana toe-draharaham-pianakaviana sarotra iray izay nanakana ny fankanesany any am-piangonana nandritra ny iray taona mahery. Nisy rahavavy iray tao amin’ny sampana nanompo azy tamim-pangorahana isaky ny Alahady tamin’ny alalan’ny fiantsoana azy an-telefaonina hiresahana aminy momba ireo lahateny, sy lesona ary vaovaon’ny sampana. Rehefa nivaha ilay toe-draharan’ny fianakaviana izay tsy namela ilay rahavavy hivoaka ny trano dia nahatsapa tena ho mbola isan’ny ao amin’ny sampana ihany izy noho ny antso isan-kerinandro nataon’ilay namany.

Fanamarihana

  1. Henry B. Eyring, “Ilay Mpampionona,” Liahona, mey 2015, 18.