2018
Manorina fifandraisana manan-danja
August 2018


Sary
Ministering

Fitsipika momba ny Fanompoana, aogositra 2018

Manorina fifandraisana manan-danja

Mitombo ny fahafahantsika mikarakara ny hafa rehefa manana fifandraisana manan-danja amin’izy ireo isika.

Ny fanasana mba hanompo ny hafa dia fahafahana iray hanorenana fifandraisana feno fitiavana miaraka amin’izy ireo—dia ilay karazana fifandraisana hahatonga azy ireo hahazo aina rehefa mangataka na manaiky ny fanampiantsika. Rehefa nanao ny ezaka mba hampitomboana izany karazana fifandraisana izany isika dia afaka manova ny fiainan’ireo olona roa ao amin’ilay fifandraisana Andriamanitra.

“Tena inoako fa tsy misy fiovana goavana rehefa tsy misy fifandraisana goavana,” hoy Sharon L. Eubank, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany. Ary raha te hitondra fanovana eo amin’ny fiainan’ny hafa ny asa fanompoana ataontsika, hoy izy, dia tsy maintsy “mifototra amin’ny faniriana marina mba hanasitrana sy hihaino ary hifandamina sy hifanaja” izy ireny.1

Tsy mila paikady ny fifandraisana manan-danja. Ireo dia miorina eo amin’ny indrafo, ezaka an-kitsim-po, ary “fitiavana tsy mihatsaravelatsihy” (F&F 121:41).2

Ireo fomba hanorenana sy hampatanjahana fifandraisana

“Isika dia manorina [fifandraisana] amin’ny olona iray isaky ny mandeha,” hoy ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.3 Afaka mitarika antsika ny Fanahy Masina rehefa miezaka ny manorina fifandraisana manan-danja amin’ireo izay tompointsika isika. Ireto sosokevitra manaraka ireto dia mifototra amin’ny lamina natolotry ny Loholona Uchtdorf.4

  • Fantaro ny momba azy ireo.

    Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) hoe: “Tsy afaka manompo tsara ireo izay tsy fantatrao tsara ianao.” Nanome sosokevitra ny hamantatra ny anaran’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana izy ary hahalala ireo fotoana manan-danja toy ny tsingerintaona nahaterahana, fitsofan-drano, batisa, ary mariazy. Manolotra fahafahana hanoratra taratasy kely na hiantso mba hiarahabana ny olona iray ao amin’ny fianakaviana izany amin’ny fahavitany zavatra miavaka iray.5

  • Makà fotoana hiarahana.

    Mila fotoana ny fivoaran’ny fifandraisana. Mitadiava fahafahana hihazonana ny fifandraisana. Ny fikarohana dia mampiseho fa ny famelana ny olona hahafantatra fa miahiahy momba azy ianao dia manan-danja amin’ny fifandraisana tsara.6 Tsidiho matetika ireo izay nasaina hotompoinao. Miresaha amin’izy ireo any am-piangonana. Ampiasao daholo izay fomba mety rehetra—toy ny email, Facebook, Instagram, Twitter, Skype, antso an-telefaonina, na fandefasana karatra iray. Ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka momba ny herin’ny fanehoana fitiavana sy fanohanana tsotra: “Matetika aho no manokatra ny soratra masiko, … dia mahita teny kely feno fitiavana sy fanohanana natsofok’i Jeanene [vadiko] teo anelanelan’ireo pejy. … Ireo teny sarobidy ireo … dia harena sarobidy tsy voavidy vola ahitana fankaherezana sy fitaomam-panahy.”7

    Tsarovy ihany koa fa mila olona roa ny fifandraisana iray. Afaka manolotra fitiavana sy finamanana ianao, saingy tsy hitombo ny fifandraisana raha tsy ekena sy averina any aminao ilay tolotra. Raha toa ka toa tsy mandray ilay olona iray hafa dia aza terena ilay fifandraisana. Omeo fotoana izy hahitana ny ezaka an-kitsim-po ataonao, ary raha ilaina, dia mifanakaloza hevitra amin’ny mpitarika anao raha toa ka mety mbola hisy na tsia ny fifandraisana manan-danja.

  • Mifampiresaha amim-pitiavana.

    Mitaky antsika mba hanao mihoatra ny hita ety ivelany ny fanorenana fifandraisana manan-danja. Ny resaka tsy mitondra mankaiza dia feno resaka kely momba ny fandaharam-potoana, ny toetr’andro, ary ireo olana bitika hafa, kanefa tsy ahitana fizarana fahatsapana, finoana, tanjona, ary hevitra ilaina mba hampisy fifandraisana manan-danja bebe kokoa. Nanome ohatra ny amin’izany karazana fifampiresahana manan-danja izany ny Ray any An-danitra tamin’ny alalan’ny fizarana ny fahatsapany sy ny drafiny tamin’ny Zanany Lahy (jereo ny Jaona 5:20) ary amintsika amin’ny alalan’ny mpaminaniny (jereo ny Amosa 3:7). Mifanolotra fankasitrahana isika rehefa mahita zava-mahaliana iraisana sy traikefa itambarana amin’ny alalan’ny fifampizarana ireo zava-miseho isan’andro sy ireo fanambin’ny fiainana rehefa taomin’ny Fanahy.

    Ny fihainoana dia ampahany manan-danja amin’ny filazana fa miahiahy ianao.8 Rehefa mihaino tsara ianao dia mitombo ny fahafahanao manampy ny hafa hanatona an’i Kristy rehefa mahazo fahatakarana sy hevi-baovao mahakasika ny zavatra ilain’izy ireo ianao, sy rehefa mahatsapana ho tiana, sy takatra ary voaro izy ireo.

  • Hankamamio ny fahasamihafana sy ny fitoviana.

    “Ny olona sasany … dia mihevitra fa ny Fiangonana dia te hamolavola ny mpikambana rehetra ho lasitra iray—hoe ny tsirairay dia tokony hitovy amin’ny hafa rehetra ny endriny sy ny heviny ary ny fitondran-tenany,” hoy ny Loholona Uchtdorf. “Hifanohitra amin’ny fahendren’ Andriamanitra izany, izay nahary ny olona rehetra samy hafa amin’ny rahalahiny. …

    “Mihamatanjaka ny Fiangonana rehefa manararaotra izany fahasamihafana izany isika ary mifamporisika mba hikolokolo sy hampiasa ny talentantsika mba hampivoarana sy hanatanjahana ireo mpianatra namantsika.”9

    Mitaky ny hiezahantsika hijery ny hafa amin’ny fomba ahitan’ny Tompo azy ireo ny fitiavana ny hafa amin’ny fomba hitiavan’ Andriamanitra antsika. Nampianatra ny FilohaThomas S. Monson (1927–2018) hoe: “Tokony hampitombo ny fahaizantsika mijery [ny hafa] tsy amin’ny endriny amin’izao fotoana izao isika fa amin’ny zavatra mety ho vitany.”10 Afaka mivavaka isika ka mangataka fanampiana mba hahita ny hafa amin’ny fomba ahitan’ Andriamanitra azy ireo. Rehefa mandray ny hafa araka ny mety hitomboan’izy ireo isika dia azo antoka fa hijoro hanatanteraka izany izy ireo.11

  • Manompoa azy ireo.

    Diniho tsara ireo zavatra ilain’ireo izay tompoinao ary aoka ianareo haniry hanome ny fotoanareo sy ny talentanareo, na amin’ny fotoana ilaina izany na koa miahiahy fotsiny ianao. Afaka manolotra fankaherezana, fanohanana, ary fanampiana ilaina ianao rehefa misy vonjy taitra, aretina, na toe-java-miseho maika. Kanefa mamaly fotsiny isika amin’ny fifandraisana maro. Nanome fahafahana misafidy ho antsika Andriamanitra mba ahafahantsika mihetsika fa tsy hetsehana (jereo ny 2 Nefia 2:14). Tahaka ny nampianaran’ny Apôstôly Jaona hoe tia an’ Andriamanitra isika satria Izy no tia antsika voalohany (jereo ny 1 Jaona 4:19), rehefa tsapan’ny hafa ny fitiavantsika lalina ananantsika ho azy ireo amin’ny alalan’ny asa fanompoana, dia afaka mampalefaka fo sy mampitobo fitiavana ary fatokisana izany.12 Izany dia miteraka tohivakan’ny asa feno hatsaram-panahy miakatra izay afaka manorina fifandraisana.

Manompo tahaka ny nataon’ny Mpamonjy

Nanorina fifandraisana manan-danja tamin’ny mpianany (jereo ny Jaona 11:5) i Jesoa Kristy. Fantany izy ireo (jereo ny Jaona 1:47–48). Niaraka tamin’izy ireo Izy (jereo ny Lioka 24:13–31). Nihoatra ny hita ety ivelany ny fifandraisany (jereo ny Jaona 15:15). Tiany ny fahasamihafan’izy ireo (jereo ny Matio 9:10) ary hitany izay hahatongavan’izy ireo (jereo ny Jaona 17:23). Nanompo ny rehetra izy, na dia Tompo ny rehetra aza Izy, nilaza fa tsy tonga mba hotompoina Izy fa hanompo kosa (jereo ny Marka 10:42–45).

Inona no hataonao mba hanorenana fifandraisana matanjaka amin’ireo izay niantsoana anareo mba hotompoinareo.

Fanamarihana

  1. Sharon Eubank, ao amin’ny “Humanitarian Acts Must Be Rooted in Relationship, Sharon Eubank Says,” mormonnewsroom.org.

  2. Jereo ny “Fitsipika momba ny Fanompoana: Manolo-tanana amin’ny indrafo,” Liahona, jolay 2018, 6–9.

  3. Dieter F. Uchtdorf, “Ny amin’ireo zavatra izay manan-danja indrindra” Liahona, nôv. 2010, 22.

  4. Dieter F. Uchtdorf, “Ny amin’ireo zavatra izay manan-danja indrindra,” 22.

  5. Ezra Taft Benson, “To the Home Teachers of the Church,” Ensign, mey 1987, 50.

  6. Jereo ny Charles A. Wilkinson and Lauren H. Grill, “Expressing Affection: A Vocabulary of Loving Messages,” ao amin’ny Making Connections: Readings in Relational Communication, ed. Kathleen M. Galvin, ed. faha-5 (2011), 164–73.

  7. Richard G. Scott, “Ireo fitahiana mandrakizain’ny fanambadiana,” Liahona, mey 2011, 96.

  8. Jereo ny “Fitsipika momba ny Fanompoana: Zavatra dimy ataon’ny olona mahay mihaino,” Liahona, jona 2018, 6-9).

  9. Dieter F. Uchtdorf, “Fomba efatra iantsoana antsika,” Liahona, mey 2013, 59.

  10. Thomas S. Monson, “Mijery ny hafa araka izay mety ho ahatongavany,” Liahona, nôv. 2012 69.

  11. Jereo ny Terence R. Mitchell and Denise Daniels, “Motivation,” ao amin’ny Handbook of Psychology, boky faha-12, ed. Walter C. Borman sy ny hafa (2003), 229.

  12. Jereo ny Edward J. Lawler, Rebecca Ford, and Michael D. Large, “Unilateral Initiatives as a Conflict Resolution Strategy,” Social Psychology Quarterly, boky faha-62, lah. 3 (sept. 1999), 240–56.