2018
Mifampilà hevitra mikasika ny filàn’izy ireo
Septambra 2018


Sary
ministering

Fitsipika momba ny Fanompoana, septambra 2018

Mifampilà hevitra mikasika ny filàn’izy ireo

Tsy voatery manao izany irery ianao. Afaka manolotra ny fanampiana ilainao mba hanampiana ny hafa ny fanaovana filankevitra.

Andriamanitra dia nanasa anao mba hanompo ny olona iray na ny fianakaviana iray ao amin’ny paroasy na sampana misy anao araka ny filàn’izy ireo. Ahoana no ahafantaranao hoe inona ireo filàna ireo? Ny fitsipiky ny fanaovana filankevitra, izay efa lasa fifantohana lehibe tokoa ato amin’ny Fiangonana, no fanalahidy.

Rehefa avy miresadresaka ny amin’izay mety tokony hanaovana filankevitra isika dia hijery ny:

  1. Filàna hevitra amin’ny Ray any An-danitra.

  2. Filàna hevitra amin’isam-batan’olona sy fianakaviana nampiandraiketina.

  3. Filàna hevitra amin’ny mpiara-manompo amintsika.

  4. Ary ny filàna hevitra amin’ireo hafa izay nampiandraiketina an’io olona na fianakaviana io ihany.

Manan-danja ihany koa ny filankevitra amin’ireo mpitarika antsika. Hisy lahatsoratra iray mikasika ny Fitsipika momba ny Fanompoana ao amin’ny Liahona izay hamelabelatra bebe kokoa ny momba ny fanaovana filankevitra amin’ireo mpitarika ary koa ny anjara asan’ireo dinidinika momba ny fanompoana ao anatin’izany lamina izany.

Inona no hanaovantsika filankevitra?

Manan-danja amin’ny fifanompoana ny fahatakarana ireo filàna. Kanefa mety ho amin’ny endrika toy ny ahoana ireo filàna ireo, ary moa ve misy zavatra hafa ankoatra ny filàna izay tokony ho fantatsika?

Mety miseho amin’ny endriny maro ireo filàna. Mety mandalo olana ara-pihetseham-po, ara-bola, ara-batana, ara-pianarana, ary hafa koa ireo izay tompointsika. Ny filàna sasany dia laharam-pahamehana kokoa noho ny hafa. Misy ireo izay hanam-pitaovana hoenti-manampy; ny hafa dia mety hitaky antsika hitady fanampiana. Ao amin’ny ezaka ataontsika mba hitondrana ireo zavatra ilaina ara-nofo, dia aza adinoina fa ny antsontsika mba hanompo dia ahitana ny fanampiana ny hafa hivoatra eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana, miomana dia mandray ireo ôrdônansin’ny fisoronana ilaina amin’ny fisandratana.

Ankoatra ny fanaovana filankevitra momba ny filàn’ny olona na fianakaviana iray, dia tokony hikatsaka ny hahafantatra ny tanjak’izy ireo isika. Amin’ny inona no tsy ilain’izy ireo fanampiana? Inona avy ireo fahaiza-manao sy fanomezam-pahasoavana ananan’izy ireo ka afaka hitahy ny hafa? Ahoana no mampiavaka azy ireo ka hahafahany manampy amin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra? Mety tsara ho takatra tahaka ny filàn’ny olona iray ihany koa ireo tanjaka ananany.

Fanaovana filankevitra amin’ny Ray any An-danitra

Anisan’ireo foto-pinoantsika ny hoe miresaka amin’ireo zanany ny Ray any An-danitra (jereo ny Fanekem-pinoana 1:9). Rehefa mandray asa ampiandraiketina iray isika mba hanompo olona iray, dia tokony hanao filankevitra amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka, ka mikatsaka hevi-baovao sy fahatakarana ny filàn’izy ireo sy ny tanjaka ananany. Tokony hitohy mandritra ny asa fanompoana nampiandraiketina antsika izany filàna hevitra amin’ny alalan’ny vavaka izany.

Fanaovana filankevitra amin’ny isam-batan’olona sy fianakaviana

Mety hiovaova araka ny toe-javatra mitranga ny fomba sy ny fotoana hanatonantsika ny isam-batan’olona sy fianakaviana niantsoana antsika mba ho tompointsika, kanefa manan-danja ny mila hevitra mivantana amin’ilay olona na fianakaviana mba hanorenana fifandraisana sy hahatakarana ny filàn’izy ireo, anisan’izany ny fomba irian’izy ireo hanampiana azy ireo. Mety mila miandry ny fanontaniana sasany mandra-pisian’ny fifandraisana manan-danja voakolokolo. Na dia tsy misy fomba tsara tokana hanaovana izany aza dia saintsaino ireto manaraka ireto:

  • Fantaro ny fomba sy ny fotoana tian’izy ireo hifandraisana amin’izy ireo.

  • Fantaro ny zava-mahaliana azy ireo sy ny tantarany.

  • Tongava miaraka amin’ny sosokevitra ny amin’ny fomba ahafahanao manampy, ary anontanio ny sosokevitra avy amin’izy ireo.

Rehefa manorina fitokisana isika dia azonareo atao ny miresadresaka mikasika ny filàn’ny olona na fianakaviana iray. Mametraha fanontaniana araka ny fitaomana avy amin’ny Fanahy Masina.1 Ohatra:

  • Inona moa ireo olana atrehan’izy ireo?

  • Inona avy ireo tanjon’izy ireo samirery na iombonana ao amin’ny fianakaviany? Ohatra, maniry ny hanao takarivan’ny mpianakavy tsaratsara kokoa ve izy ireo, na ny hizaka tena bebe kokoa?

  • Ahoana no ahafahantsika manampy azy ireo amin’ireo tanjona sy olana atrehany?

  • Inona avy ireo ôrdônansin’ny filazantsara tokony ho atao manaraka eo amin’ny fiainan’izy ireo? Ahoana no ahafahantsika manampy azy ireo hiomana?

Tsarovy ny manolotra fanampiana mazava tsara, toy ny hoe: “Rahoviana izahay no afaka mitondra sakafo hariva ho anareo amin’ity herinandro ity?” Ny tolotra tsy mazava, toy ny hoe: “Ampahafantaro anay raha toa ka misy zavatra azonay atao,” dia tsy dia manampy firy.

Fanaovana filankevitra amin’ny mpiara-manompo amintsika

Satria tsy voatery hiaraka foana ianao sy ny mpiara-manompo aminao rehefa miresaka amin’ilay olona na fianakaviana, dia manan-danja ny mifandrindra sy mifampilà hevitra rehefa mikatsaka fitaomam-panahy ianareo mpiara-manompo. Ireto misy fanontaniana vitsivitsy azo eritreretina:

  • Amin’ny fomba ahoana sy isaky ny inona ianareo no hifampiresaka amin’ny maha-mpiara-manompo anareo?

  • Ahoana no ahafahanareo mampiasa ny tanjaky ny tenanareo manokana mba hanampiana amin’ny filàn’ny fianakaviana na ny olona iray?

  • Inona ireo zavatra nianaranao, inona ireo traikefa niainanao, ary inona ireo bitsika noraisinao hatramin’ny fotoana farany niresahanareo momba ilay olona na ilay fianakaviana?

Fanaovana filankevitra amin’ireo hafa izay nampiandraiketina hanompo

Mety ho tsara indraindray ny miresaka amin’ireo olona hafa izay nampiandraiketina mba hanompo ilay olona na ilay fianakaviana nampiandraiketina anao.

Mifampiresaka mba hamahana olana

Ny Loholona Chi Hong (Sam) Wong ao amin’ny Fitopololahy dia nampihatra ho amin’ny androntsika ny tantara iray avy ao amin’ny Marka 2 mba hanehoana ny nahatonga ny olona efatra izay nifampila hevitra mba hahay ny fomba hitondrana ny lehilahy iray voan’ny paralysisa ho eo anatrehan’i Jesoa.

“Mety ho toy izao izany,” hoy ny Loholona Wong. “Olona efatra no nanatanteraka asa nampandraiketin’ny evekany azy mba hamangy lehilahy iray izay voan’ny paralysisa any an-tranony. … Nandritra ny filankevitry ny paroasy farany indrindra, rehefa avy nifanakalo hevitra momba ny zavatra ilaina tao amin’ny paroasy izy ireo dia nampiandraikitra asa -fanavotana- ny eveka. Nasaina hanampy ity lehilahy mararin’ny paralysisa ity ireto olona efatra ireto. …

“[Rehefa tonga teny amin’ilay trano nisy an’i Jesoa izy ireo dia,] hiboka olona ilay efitrano. Tsy afaka niditra tao avy teo am-baravarana izy ireo. Azoko antoka fa nanandrana izay rehetra tonga tao an-tsainy izy ireo izany, saingy tsy tafiditra tsotra izao. … Niara-nikaon-doha izy ireo ny amin’ny zavatra hatao manaraka izy ireo, dia ny hoe ahoana no fomba ahafahan’izy ireo mitondra ilay lehilahy ho eo amin’i Jesoa Kristy mba hositranina. … Nahita drafitra iray izy ireo—drafitra tsy mora, saingy notanterahany izany.

“… -Nanesorany ny tafon’ny trano nitoeran’i Jesoa, ka nony efa voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana izay nandrian’ilay nararin’ny paralysisa- (Marka 2:4). …

“… -Ary Jesoa, nony nahita ny finoan’izy ireo, dia nanao tamin’ilay mararin’ny paralysisa hoe: Anaka, voavela ny helokao.-(Marka 2:5).”2

Fanasana mba hanao asa

Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namporisika antsika hoe: “Manaova filankevitra, ampiasao ireo loharano rehetra misy, katsaho ny fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina, angataho amin’ny Tompo ny fankatoavany, ary dia ampiakaro ny tanan’akanjonao ary mandehana miasa.

“Mampanantena anareo aho: fa raha manaraka izany lamina izany ianareo, dia hahazo fitarihana manokana mikasika ny hoe iza, inona, rahoviana, ary aiza mahakasika ny fanampiana amin’ny fomban’ny Tompo.”3

Fanamarihana

  1. Jereo ny Torio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny asa fanompoan’ny misiônera (2004), 183.

  2. Chi Hong (Sam) Wong, “Manavotra ao anatin’ny firaisankina,” Liahona, nôv. 2014, 14–15.

  3. Dieter F. Uchtdorf, “Manome araka ny fomban’ny Tompo,” Liahona, nôv. 2011, 55.