2018
Asehoy fa miraharaha ianao
Fitsipika momba ny fanompoana, desambra 2018


Sary
ministering

Fitsipika momba ny fanompoana, desambra 2018

Asehoy fa miraharaha ianao

Maro ireo fomba izay ahafahantsika mampiseho fa miraharaha isika, indrindra amin’ny vanim-potoan’ny Krismasy. Azontsika ambara izany, na alefa sms, na soratana, na zaraina, na atao ao anaty vavaka, na handrahoina, na hiraina, na fihinina, na tendrena, na hambolena, na diovina. Handramo fotsiny izany.

Ny fampisehoana fitiavana ho an’ny hafa no ampahany tena manan-danja indrindra amin’ny fanompoana. Ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, Jean B. Bingham, dia nilaza hoe: “Tontosa tsirairay ny tena fanompoana marina rehefa ny fitiavana no nanosika hanao izany. … Rehefa ny fitiavana no manosika antsika dia hitranga ny fahagagana, ary hahita fomba isika hitondrana ireo rahavavy sy anadahintsika “tsy tonga” ho ao amin’ny fandraisana tsy an-kanavaka amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.”1

Singa manan-danja amin’ny fikolokoloana fifandraisana manokana ny famelana ny hafa hahafantatra fa miraharaha isika. Saingy fomba samy hafa no ahatsapan’ny olona samy hafa fitiavana. Koa ahoana no fomba tsara ahafahantsika maneho ny fitiavantsika ny hafa amin’ny fomba izay ho takatr’izy ireo sy ho ankafiziny? Ireto misy fomba vitsivitsy hanehoana fa miraharaha isika, miaraka amin’ny hevitra vitsivitsy hanombohana ny hevitra avy aminao manokana.

Ambarao izany

Indraindray dia tsy misy tsara mihoatra ny filazana ny zavatra tsapanao momba ny olona iray. Raha toa izany ka mety hidika hoe filazana amin’ny olona iray fa tianao izy, dia tafiditra ao amin’izany koa ny fizarana ny zavatra ankafizinareo momba azy ireo na ny fanambarana fandokadokafana an-kitsi-po. Manampy hampatanjaka fifandraisana ny karazana teny toy izany. (Jereo ny Efesiana 4:29.)

  • Mitadiava fahafahana iray hampahafantarana amin’ilay olona fa tena ankafizinao ireo zavatra mampiavaka azy.

  • Mandalova, na miantsoa, na mandefasa email, na sms, na karatra kely hilazana amin’ilay olona fa mahatsiaro azy ianao.

Mifampiresaha aminy

Fomba iray mahery vaika hanehoana fa sarobidy aminao ny olona iray ny fanokanana fotoana hiresahana aminy sy hihainoana azy. Na any an-tokantranony ianareo no mifampiresaka, na any am-piangonana, na amin’ny toeran-kafa na aiza na aiza, dia maro ireo olona izay mila olona azony hiresahana. (Jereo ny Môsià 4:26; F&F 20:47.)

  • Manaova fotoana hifampiresahana amin’ilay olona araka ny zavatra ilainy. Makà fotoana tena hihainoana sy hahatakarana ny toe-javatra iainanany.

  • Any amin’ny toerana izay mety ho sarotra ny mitsidika ny tokantrano noho ny halavirana, na ny fenitry ny kolontsaina, na ny toe-java-misy hafa, dia makà fotoana hiarahana aorian’ireo fivoriam-piangonana.

Asio tanjona ny fanompoana

Eritrereto ireo zavatra ilain’ilay olona na ny fianakaviany. Ny fanolorana asa fanompoana manan-danja dia manambarana fa miraharaha ianao. Hita ao amin’izany ny fanomezana fotoana izay tena manan-danja sy ny ezaka nodinihina lalina. “Ny fanaovana asa fanompoana tsotra dia afaka ny hisy fiantraikany lalina amin’ny hafa” hoy ny Rahavavy Bingham.2

  • Manolora asa fanompoana izay mampatanjaka ny isam-batan’olona na ny fianakavian’izy ireo, toy ny fiambenana ny zanak’izy ireo mba hahafahan’ny ray aman-dreny mankany amin’ny tempoly.

  • Mitadiava fomba hanampiana rehefa misy fahasahiranam-be, toy ny fanadiovana ny varavaran-kely, ny fitondrana ny alika mandehandeha, na ny fanampiana amin’ny fanadiovana tokontany.

Miaraha manao zavatra

Misy ireo olona izay tsy dia mahay mifandray amin’ny alalan’ny firesadresahana lalina. Ho an’ny olona sasany dia ny fitadiavana zava-mahaliana itovizana sy ny fiarahana manao ireo zavatra ireo no ahafahana manorina fifandraisana. Ny tompo dia nanentana antsika mba “hiaraka sy hampatanjaka” (F&F 20:53) ireo rahalahy sy rahavavintsika.

  • Miaraha mandehandeha, na manaova drafitra hiarahana milalao amin’ny takariva iray, na manaova fotoana raikitra hiarahana manao fanatanjahan-tena.

  • Miaraha manompo amin’ny tetik’asa iray eo amin’ny fiarahamonina na karakarain’ny Fiangonana.

Manolora fanomezana

Voafetra indraindray ny fotoana nany fahafahana mifandray. Amin’ny kolontsaina maro, ny fanolorana fanomezana dia mariky ny firaharahiana sy ny fitiavana. Na ny fanomezana tsindraindray sy tsotra aza dia afaka maneho ny fahaliananao hanorina fifandraisana tsara kokoa. (Jereo ny Ohabolana 21:14.)

  • Hitondrao sakafo maivana tiany indrindra izy.

  • Mizarà teny kely, na soratra masina, na hafatra hafa izay tsapanao fa mety hitondra soa ho azy.

Fisasarana feno fitiavana

Rehefa manjary fantatrao ireo izay tompoinao sy hikatsahanao fitaomam-panahy, dia ho fantatrao kokoa ny fomba hampitana ny fitiavanao sy hikarakarana azy ireo.

I Kimberly Seyboldt avy any Oregon, Etazonia, dia nilaza ny tantara mikasika ny fikatsahana fitaomam-panahy sy fanolorana fanomezana mba hanehoana fitiavana:

“Rehefa mahakivy ahy ny fiainana dia mitsangana aho dia manamboatra mofo avy amin’ny korzety, mazàna eo amin’ny mofo valo eo ho eo. Ny akora miavaka ampiasaiko dia ny vavaka mangina ataoko eo am-pandrahoana ilay mofo mba hahafantarana hoe iza no mila ireo mofo ireo. Afaka nifankahafantatra tsara kokoa tamin’ireo manodidina ahy aho rehefa rehefa ireo mofo korzety vao mafana no fomba nidirako tao an-tokantranon’izy ireo sy teo amin’ny fiainan’izy ireo .

“Indray andro fahavaratra iray dia najanoko teo akaikin’ny fianakaviana iray nivarotra voaroihazo teo amoron-dalana ny fiarako. Tsy nila fanampina voaroihazo aho, saingy faly ery ilay zazalahy manifinify teo amin’ilay tsenakely, nihevitra fa izaho no mpividy manaraka. Nividy voaroihazo aho, ary nanome fanomezana ho azy ihany koa. Nomeko mofo roa ilay zazalahy. Nitodika tany amin’ny rainy izy raha toa ekeny izany, dia nilaza izy hoe: ‘Dada, manana sakafo hohanina anio isika izao.’ Feno fankasitrahana aho noho io fahafahana mampiseho fitiavana tamin’ny fomba tsotra io.”

Niangavy ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo nanao hoe: “enga anie ny vehivavy sy ny lehilahy rehetra, ary ireo tovolahy sy tovovavintsika, … mba hanana fanolorantena lalina kokoa ny hifampikarakara amin’ny fo tokoa, ka ny fitiavana madion’i Kristy no hany hery manosika azy ireo hanao izany. … Enga anie isika hiara-hiasa mifanila amin’ny Tompon’ny tanim-boaloboka, manome an’ Andriamanitra sady Raintsika rehetra fanampiana amin’ny andraikiny mavesatra amin’ny famaliana vavaka, fitondrana fankaherezana, famafana ranomaso, ary fampatanjahana ireo lohalika mitolefika.”3

Mikarakara i Jesoa Kristy.

“Jesosy [dia] nitomany” rehefa avy nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty.

“Ary hoy ny Jiosy: Akory ity haben’ny fitiavany azy!” (Jaona 11:35–36).

“Manana fangorahana ho anareo aho,” hoy i Kristy tamin’ny Nefita. Avy eo Izy dia niantso ireo marary sy ory, ireo malemy sy jamba teo aminy, ary “nositraniny ny tsirairay avy taminy” (jereo ny 3 Nefia 17:7–9).

Maneho ny ohatra ho antsika ny Mpamonjy rehefa nikarakara ny hafa izy. Nampianariny isika hoe:

“Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.

“Izany no didy lehibe sady voalohany.

“Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” ( Matio 22:37–39).

Iza no mila ny fikarakaranao? Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mampiseho azy ireo fa miraharaha ianao?

Fanamarihana

  1. Jean B. Bingham, “Manompo tahaka ny ataon’ny Mpamonjy,” Liahona, mey 2018, 106.

  2. Jean B. Bingham, “Manompo tahaka ny ataon’ny Mpamonjy,” 104.

  3. Jeffrey R. Holland, “Miaraka amin’izy ireo sy manatanjaka azy,” Liahona mey 2018, 103.