Institiota
Lesona 8: Mampianatra ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny (Tapany 2)


8

Mampianatra ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny (Tapany 2)

Fampidirana

Ny hafatry ny famerenana amin’ny laoniny dia hoe naverina amin’ny laoniny eto an-tany tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, izay ahitana ny fotopampianarana mandrakizay sy ny fahefan’ny fisoronana ary ireo ôrdônansin’ny famonjena. Amin’ny alalan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny—ilay filazantsara mitovy amin’izay efa nambara tao amin’ny fotoampitantanana tsirairay—dia afaka mahazo ny fiainana mandrakizay ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Ny misiônera miomana amin’ny asa fitoriana dia tokony hahatakatra ny hevitry ny Apôstazia sy ny Famerenana amin’ny Laoniny ary tokony ho vonona ny hanazava azy ireo amin’ny fomba tsotra sy hijoro ho vavolombelona momba izany amin’ny hery.

Fiomanana mialoha

Sosokevitra Enti-mampianatra

Ny fahitan’i Joseph Smith an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy

Asehoy ilay rakitsary voalohany avy tamin’ny lahatenin’ny Filoha Thomas S. Monson hoe “Avia, Ianareo Zanakalahin’ Andriamanitra Rehetra,” izay itantaran’ny Filoha Monson ny fiovampon’i Elmer Pollard:

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Fony aho filohan’ny misiôna tany Kanadà 50 taona mahery lasa izay, dia nisy misiônera vao herotrerony iray izay avy amin’ny tanàna kely iray tany amin’ny tontolo ambanivohitra, ary talanjona tamin’ny haben’i Toronto. Fohy izy raha ny halavany fa lava raha ny fijoroany ho vavolombelona. Tsy ela taorian’ny nahatongavany dia niaraka tamin’ny mpiara-mitory taminy izy nankany an-tranon’i Elmer Pollard, tany Oshawa, Ontario, Kanadà. Nalahelo an’ireto tovolahy izay nitety trano nandritra ny rivo-mahery miaro oram-panala ireto Andriamatoa Pollard, ka nanasa ireto misiônera handroso ao an-tranony. Natolotr’ireto misiônera taminy ny hafatra nentin’izy ireo. Tsy nahatsapa ny fanahy izy. Afaka kelikely dia nangatahiny izy ireo handeha ary tsy hiverina intsony. Ny teny farany nataony tamin’ireo misiônera raha iny handao ny tokonam-baravarana iny izy ireo dia nifangaro fanarabiana: ‘Tsy afaka miteny amiko ianareo hoe tena mino marina tokoa fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith!’

“Nikatona ilay varavarana” (“Avia, Ianareo Zanakalahin’ Andriamanitra Rehetra,” Ensign na Liahona, mey 2013, 68).

Aorian’ny fanehoana ilay horonantsary dia anontanio hoe:

  • Raha toa ianao ka iray tamin’ireo misiônera ireo, dia inona no eritreritra sy fahatsapana mety ho nananao rehefa nandao an’Andriamatoa Pollard ianao?

  • Inona no mety ho efa nataonao hatreo?

Asehoy ilay rakitsary faharoa , izay misy ny zavatra ampahatsiahivin’ny tantara nataon’ny Filoha Monson.

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Nandeha nidina tamin’ilay lalana ireto misiônera. Nilaza tamin’ny namany ilay tovolahy tambanivohitra hoe: ‘Elder, tsy namaly an’Andriamatoa Pollard isika. Nilaza izy hoe tsy mino isika fa mpaminany marina i Joseph Smith. Andao hiverina ary hijoro ho vavolombelona aminy.’ Tamin’ny voalohany dia nisalasala ilay misiônera efa nanana traikefa kokoa, fa nony farany dia nanaiky hanaraka ny mpiara-mitory aminy izy. Tamin-tahotra no nanatonan’izy ireo ilay varavarana izay vao avy nandroahana azy ireo. Nandondòna izy ireo, ka nifanatrika tamin’Andriamatoa Pollard, niandry nandritra ny fotoana nampitebiteby, ary avy teo, nahazo hery avy tamin’ny Fanahy ilay misiônera tsy nanana traikefa ka niteny hoe: ‘Andriamatoa Pollard, hoy ianao hoe tsy tena mino izahay hoe mpaminany marina i Joseph Smith. Mijoro ho vavolombelona aminao aho fa tena mpaminany i Joseph. Tena nandika ny Bokin’i Môrmôna izy. Nahita an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany izy. Fantatro izany.’

“Fotoana elaela taty aoriana dia nitsangana Andriamatoa Pollard, izay efa lasa Rahalahy Pollard, nandritra ny fivorian’ny fisoronana ary nanambara hoe: “Tsy nahita tory aho io alina io. Mbola naheno foana tato an-tsofiko ireo teny hoe: “Tena mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith. Fantatro izany. Fantatro izany. Fantatro izany.” Ny ampitson’io aho dia niantso ireo misiônera ary nangataka azy ireo hiverina. Ny hafatr’izy ireo, miaraka amin’ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona, dia nanova ny fiainako sy ny fiainan’ny fianakaviako’” (“Avia, Ianareo Zanakalahin’ Andriamanitra Rehetra,” Ensign na Liahona, mey 2013, 68).

Anontanio hoe:

  • Nahoana araka ny eritreritrao ny fijroan’ireo misiônera ho vavolombelona momba ny Mpaminany Joseph Smith no nisy fiantraikany lalina tamin’Andriamatoa Pollard?

Asao ny mpianatra hijery ao amin’ny Joseph Smith—Tantara ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny andininy 5–6, ary avy eo ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ny andininy 7–9. Avy eo dia anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Ahoana no hamintinanao ireo andininy ireo ao anatin’ny fehezanteny iray na roa?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:10. Rehefa vita vaky ilay andininy dia asao ireo mpianatra mba handinika ny fomba itovizan’ny fitadiavan’i Joseph Smith ny fahamarinana ara-pivavahana amin’ireo olona maro izay hihaona aminy rehefa any amin’ny sahan’ny asa fitoriana. Manontania avy eo hoe:

  • Inona avy ireo fanontaniana izay nanahiran-tsaina an’ilay zazalahy Joseph Smith

  • Inona no nahatonga ny fanapahan-kevitr’i Joseph ny amin’izay fiangonana tokony hidirany ho mpikambana ho tena sarotra taminy?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hampitovy ireo fanontanian’i Joseph Smith amin’ireo fanontaniana izay ananan’ny olona amin’izao tontolo izao ankehitriny?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:11–13. Manontania avy eo hoe:

  • Inona no fitsipika nianaran’i Joseph Smith mikasika ny fomba hahitana ny fahamarinana ara-panahy? (Na dia mety hampiasa teny hafa aza ny mpianatra dia mety hilaza izao fitsipika izao izy ireo: Afaka mianatra fahamarinana ara-panahy avy amin’ Andriamanitra isika rehefa mivavaka Aminy mba hahazo valiny ary vonona ny hanao zavatra.)

  • Ahoana no mety hampiasanao ny ohatr’i Joseph Smith mba hanampiana ny hafa izay manana faniriana hahita fahamarinana ara-panahy?

Asao ireo mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny Joseph Smith—Tantara 1:14–19. Eo am-panaovany izany dia asao izy ireo mba hieritreritra ny fiantraikan’ny Fahitana Voalohany maharitra amin’izao tontolo izao sy amin’ny fiainany manokana. Rehefa avy nahazo fotoana hamitàna ny vakiteny izy ireo dia anontanio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy no mety ho antony sasany izay nanafihan’ny fahavalo an’i Joseph Smith mialoha ny nisehoan’ny Ray any An-danitra sy ny Zanany Jesoa Kristy? (Te hanakana an’i Joseph Smith mba tsy hianatra fahamarinana ara-panahy ny fahavalo mba hanakanana ny Famerenana amin’ny laoniny tsy hitranga avy eo.)

  • Amin’ny fomba ahoana ny Fahitana Voalohany no nanomboka nandresy ny vokatry ny Apôstazia Lehibe? (Hamafiso amin’ny mpianatra izao fahamarinana izao: Tamin’ny alalan’ny Fahitana Voalohany dia nisokatra indray ny lanitra ka nanomboka ny Famerenana amin’ny laoniny.

  • Inona no fahamarinana ara-potopampianarana izay azo ianarana avy amin’ny Fahitana Voalohany? (Ny Ray sy ny Zanaka dia olona miavaka, misokatra ny lanitra, afaka mahazo fanambarana isika, sy ny sisa.)

  • Nahoana ny Torio ny Filazantsarako no manoro hevitra ny misiônera mba hampianatra mikasika ny Fahitana Voalohany mandritra ny firesahan’izy ireo voalohany amin’ny naman’ny Fiangonana iray?

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fianarana ny nisehoan’ny Ray any An-danitra sy ny Zanany Jesoa Kristy manampy ny naman’ny Fiangonana amin’ny fitadiavany fahamarinana ara-panahy?

Mba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fahatakarany momba ny maha zava-dehibe ny Fahitana Voalohany, dia omeo ny tahadikan’ny taratasy fizara mitondra ny lohateny hoe “Ilay Fototra Mahatalanjon’ny Finoantsika,” ny mpianatra tsirairay izay ahitana ampahan-dahateny iray izay nataon’ny Filoha Gordon B. Hincley

Sary
Taratasy fizara: Fototra

Asao ny mpianatra mba hamaky ny andalana telo voalohany. Manontania avy eo hoe:

  • Nahoana ny “hery manontolo” an’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no miankina amin’ny fahamarinan’ny Fahitana Voalohany? (Tokony hahatakatra ny mpianatra fa raha marina ny tantaran’i Joseph Smith mikasika ny fahitany, dia marina ihany koa ny filazana fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no hany fiangonana eto an-tany izay manana ny fankatoavana feno sy ny fahefan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.)

  • Araka ny voalazan’ny Filoha Hinckley, inona no mampiavaka ny asa nataon’i Joseph Smith amin’ny asa vitan’ireo mpitondra fivavahana teo aloha izay nanavao ireo fomba fitsaohana sy ireo fampianarana ara-potopampianarana?

Omeo minitra vitsivitsy ny mpianatra hamakiana amim-pahanginana ny ambin’ny taratasy fizara. Eo am-pamakiany dia amporisiho izy ireo mba hanisy marika ireo teny na andian-teny na fehezanteny izay manan-danja aminy. Rehefa avy mamaky ny mpianatra dia asao ny vitsivitsy amin’izy ireo mba hizara ny zavatra izay nasiany marika ka hanazava ny antony maha-manan-danja izany aminy. Mametraha fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Nahoana no mety ho sarotra amin’ny olona sasany ny manaiky ny fahamarinan’ny fahitan’i Joseph Smith?

  • Raha heverina ireo fitsipika izay nianarana tao amin’ny lesona nataontsika teo aloha, dia amin’ny fomba ahoana ny Fahitana Voalohany no mahafeno ilay dingana hoe fotoampitantanana dia avy eo apôstazia ary famerenana amin’ny laoniny? (Taorian’ny vanimpotoana iray nisian’ny apôstazia, ny Fahitana Voalohany dia nanomboka famerenana amin’ny laoniny sy fotoampitantanan’ny filazantsara vaovao. Tahaka ny tamin’ireo fotoampitantanana teo aloha, dia nisy mpaminany iray nantsoin’ Andriamanitra mba hamerina amin’ny laoniny ireo fahamarinana ara-pilazantsara sy ny fahefan’ny fisoronana. Nantsoina i Joseph Smith mba ho mpaminanin’ny “fitantanan’ny fotoam-pahafenoana” [Efesiana 1:10]. Midika izany fa tsy ho very amin’ny alalan’ny apôstazia ny filazantsara fa hijanona eto an-tany mandra-pahatongan’ny Fiavian’i Kristy Fanindroany.)

  • Ahoana no ahafahan’ny fanampiana ny naman’ny Fiangonana iray hahatakatra io dingana ara-tsoratra masina izay ahitana ny apôstazia sy ny famerenana amin’ny laoniny io manampy azy hanaiky ny maha-tena nisy ny Fahitana Voalohany sy ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara amin’izao andro izao?

Asao ny mpianatra mba hijery ao amin’ny pejy 44 amin’ny Torio ny Filazantsarako ka hamaky amim-pahanginana ny andalana telo farany eo amin’ny pejy sady hitady ireo zavatra izay naverina tamin’ny laoniny na naorina indray tamin’ny alalan’ny Famerenana amin’ny laoniny. Avy eo dia asao ireo mpianatra mba hizara ny zavatra hitany. Azonao atao ny maka antoka fa voalazan’ny mpianatra ny (1) famerenana amin’ny laoniny ny fahefana sy ireo fanalahidy ary ireo ôrdônasin’ny fisoronana, (2) ny fanorenana indray ny Fiangonan’i Kristy, (3) ny fiantsoana ireo Apôstôly roambinifolo, (4) ny fanombohan’ny fotoampitantanan’ny filazantsara vaovao, ary (5) ny fiantsoana mpaminany velona.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ny Fahitana Voalohany sy ny Famerenana amin’ny Laoniny dia asao ireo mpianatra mba hamaly fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto:

  • Ahoana no nahatonga anao nahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny maha-tena nisy sy momba ny maha-zava-dehibe ny Fahitana Voalohany?

  • Ahoana no niantefan’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Fahitana Voalohany amin’ny finoanao ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

Anontanio raha misy mpianatra te hizara amin’ny iray kilasy ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny Fahitana Voalohany na ny Famerenana amin’ny laoniny.

Zarazarao ho tsiroaroa ny mpianatra. Alamino ireo mpianatra mba ho vondrona tsikelikely misy olona efatra (ekipa misy olona miisa roa isaky ny vondrona). Omeo fotoana ampy ny mpianatra hanomanana ny fomba hampianarany lesona mandritra ny telo ka hatramin’ny efatra minitra mikasika ny Fahitana Voalohany sy ny Famerenana amin’ny laoniny. Hazavao fa tokony ho tsotra sy mazava ny fampianarany. Asao ireo mpianatra hamerina hijery ny Torio ny Filazantsarako, pejy 43–44, na ao amin’ny pejy 11 amin’ny kibokin’ny misiônera mitondra ny lohateny hoe Ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Entano ireo mpianatra mba hampiasa ny teniny manokana hoentina manazava ny zavatra niainan’i Joseph Smith (raha tsy hoe rehefa milaza na mamaky ny Joseph Smith—Tantara 1:16–17 izy ireo). Ampahatsiahivo izy ireo mba hamarana amin’ny fijoroany ho vavolombelona. Tendreo ny ekipa iray ao anatin’ny vondrona tsirairay hampianatra ny ekipa iray hafa.

Rehefa mamarana ny fanazarany tena hampianatra ireo mpianatra dia asao ny vondrona tsirairay hifampiresaka ny zavatra nety nandritra ny fampianarana sy ny zavatra azon’ireo izay nampianatra ho hatsaraina.

Avy eo dia ampifamadiho ny andraikitra ka avelao ilay ekipa iray hafa mba hampianatra. Alaivo antoka fa misy fotoana hanaovana fanamarihana. Rehefa avy nampianatra ny ekipa rehetra dia asao ny mpianatra mba hizara amin’ny iray kilasy ireo hevi-baovao avy tamin’ny zavatra nataony.

Mety hanampy ny mpianatrao ny mahafantatra ny fomba hamaliana ireo fanontaniana sarotra mikasika ireo tantara isan-karazany nosoratan’i Joseph Smith momba ny Fahitana Voalohany. Hazavao fa ny tantaran’ny Fahitana Voalohany hita ao amin’ny Joseph Smith—Tantara dia nosoratan’ny mpaminany tamin’ny 1838 ho anisan’ny tantara ôfisialin’ny Fiangonana izay natao havoaka ho an’izao tontolo izao. Satria tsy indray mandeha ihany i Joseph Smith no nanoratra ny zavatra niainany, dia misy ny tantara hafa mikasika ny Fahitana Voalohany. Hazavao amin’ny mpianatra fa somary miovaova ny fitantarana tsirairay amin’ny zavatra izay asongadiny sy ireo antsipiriany. Ny mpitsikera sasany dia milaza am-pahadisoana fa ny fiovana rehetra mety hita amin’ny famerenana ilay tantara dia mampiseho fa tsy tena marina ilay izy. Kanefa rehefa tantarain’ny olona iray amin’ny sehatra samy hafa sy amin’ny mpihaino samy hafa ny zava-nitranga iray, dia hanantitrantitra lafiny isan-karazany mikasika an’ilay zava-nitranga sy hahitana antsipiriany miavaka ny fitantarana tsirairay. Ohatra, misy tsy fitoviana tahaka ny amin’ireo fitantaran’ny Fahitana Voalohany ny fitantarana momba ny fahitan’i Paoly tany amin’ny lalana nankany Damaskosy (jereo ny Asan’ny Apostoly 9:3–9; 22:6–11; 26:12–18).

Fanasana ny hafa hamaky ny Bokin’i Môrmôna

Manomboha mampiseho ny maha-manan-danja ity ampahan-desona ity amin’ny fanasana ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny andalana roa farany ao amin’ny teny fanoloran’ny Bokin’i Môrmôna. Asao ireo mpianatra hitady ireo fampanantenana nomena an’ireo izay misafidy ny hamaky ny Bokin’i Môrmôna, hisaintsaina izany, ary hangataka amin’ Andriamanitra raha marina izany. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.

Asaivo mijery ao amin’ny pejy 45 amin’ny Torio ny Filazantsarako ireo mpianatra ka asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny andalana voalohany ao amin’ny fizarana manao hoe “Ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta Iray Hafa momba an’i Jesoa Kristy.” Ampio ireo mpianatra hamantatra fitsipika iray ampianarina ao amin’io andalana io amin’ny fanontaniana hoe:

  • Nahoana ny Bokin’i Môrmôna no fitaovana sarobidy sy mahery vaika ho an’ny misiônera? (Ampio ireo mpianatra mba hahita fa ny Bokin’i Môrmôna dia ahitana ny filazantsara maharitra mandrakizay, porofo mandresy lahatra fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith, ary testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy. (Jereo ny F&F 20:8–11.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa an’io fotopampianarana io dia mametraha fanontaniana vitsivitsy tahaka ireto manaraka ireto:

  • Nahoana ny Bokin’i Môrmôna no porofo mandresy lahatra fa mpaminany i Joseph Smith? (Raha misy olona mahita fa marina ny Bokin’i Môrmôna, dia tokony hahita koa izy fa niasa teo ambany fitarihan’ Andriamanitra i Joseph Smith mba hahita sy handika izany ary mpaminanin’ Andriamanitra izy.)

  • Ahoana no hitahiana ny naman’ny Fiangonana rehefa mamaky ny Bokin’i Môrmôna izy ireo ka mahazo fijoroana ho vavolombelona fa marina izany? (Ho fantany fa i Joseph Smith dia mpaminany, ary ho vonona izy ireo ny hanaiky ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy handray ireo ôrdônansin’ny famonjena.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môrônia 10:3–5. Anontanio ireto manaraka ireto:

  • Inona avy ireo dingana tsy maintsy raisin’ny olona iray mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona fa marina ny Bokin’i Môrmôna? (Na dia mety hampiasa teny hafa aza ny mpianatra dia mety hilaza izao fitsipika izao izy ireo: Rehefa mamaky sy misaintsaina ary mivavaka omban’ny tena finiavana momba ny Bokin’i Môrmôna isika, dia Andriamanitra no hanambara amintsika ny fahamarinany amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.)

  • Inona no dikan’ny hoe “manontany omban’ny tena finiavana” (Môrônia 10:4? (Maniry marina ny hahazo valiny amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ary vonona ny hanao zavatra araka ilay valiny.)

Mba hanehoana ny antony maha-manan-danja ny hamakian’ny naman’ny Fiangonana ny Bokin’i Môrmôna sy hivavahany omban’ny tena finiavana momba ny fahamarinan’izany dia asehoy ny horonantsary “Invitation to Read the Book of Mormon: Jynx” (8:06).

Ajanony eo amin’ny mari-potoana 0:55 ilay horonantsary ka asao ireo mpianatra hisaintsaina vetivety ny eritreritra sy fahatsapana izay mety hananany raha toa ka anisan’ireo misiônera izay mampianatra an’i Jynx izy. Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny zavatra mety holazain’izy ireo aminy.

Rehefa mampiseho ny ambin’ilay horonantsary dia asao ny antsasaky ny kilasy hijery ny antony tsy maintsy hamakiana sy hivavahan’ny naman’ny Fiangonana momba ny Bokin’i Môrmôna mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona ny fahamarinan’izany. Asao ny antsaky ny kilasy hafa mba hijery ny zavatra izay nolazain’ireo misiônera ka nanampy an’i Jynx ho voatosika hamaky ny Bokin’i Môrmôna. Aorian’ilay horonantsary dia ifampiresaho amin’ny mpianatra ireto manaraka ireto:

  • Inona no zavatra nolazain’ireo misiônera sy nataon’izy ireo izay nanosika an’i Jynx hamaky sy hivavaka momba ny Bokin’i Môrmôna?

  • Inona no zavatra nolaizain’ireo misiônera na nataon’izy ireo izay nanasa ny Fanahy Masina hijoro ho vavolombelona mikasika ny tenin’izy ireo?

  • Nahoana no tena ilain’ny naman’ny Fiangonana ny mamaky sy mivavaka momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna? (Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra fa tsy ampy ho an’ny misiônera ny mizara ny Bokin’i Môrmôna fotsiny . Ny andraikitry ny misiônera dia ny hanampy ny hafa hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny famakiana sy ny fivavahana momba ny Bokin’i Môrmôna mba hahafantarany fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith ary tafaverina amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.)

Hazavao amin’ny mpianatra fa hanana fahafahana hanao tantara an-tsehatra momba ny fanasana olona iray hamaky ny Bokin’i Môrmôna izy ireo ankehitriny. Asehoy ny ohatra amin’ny fomba fampahafantarana ny Bokin’i Môrmôna sy ny fanasana hamaky sy hivavaka mba hahafantatra fa marina ny hafatra raketin’izany. Avy eo dia zarao tsiroaroa ny mpianatra, na ampiasao ireo hevitra enti-mampianatra atoro ao amin’ny fizarana “Asa atao enti-mampianatra” ao amin’ny teny fampidirana an’ity boky ity.

Omeo fotoana ampy ireo mpianatra hiomanana hanasa naman’ny Fiangonana iray hamaky ny Bokin’i Môrmôna ka hivavaka mba hahafantarany raha marina izany. Asao ny mpianatra mba hamaky ao amin’ilay faritra mitondra ny lohateny hoe “Ampiasao ny Bokin’i Môrmôna hanamafisana ny Fahamarinan’ny Famerenana amin’ny laoniny,” hita ao amin’ny pejy 46 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Azon’ny mpianatra ampiasaina koa ny pejy 15 amin’ny kibokin’ny misiônera izay mitondra ny lohateny hoe Ny Famerenana amin’ny laoniny ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy. Tokony ho faranan’izy ireo amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna sy amin’ny fanasana mba hamaky sy hivavaka momba ny fahamarinany ilay asa atao ho fanazaran-tena.

Rehefa samy nanana fahafahana hanao fanazaran-tena amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna sy ny fanasana mba hamaky sy hivavaka ny mpianatra rehetra dia asao ny mpianatra mba hizara amin’ny iray kilasy ireo hevi-baovao avy tamin’ny zavatra nataony.

Eo am-pamarananao ny lesona dia ampahatsiahivo ny mpianatra ireo fitahiana azo avy amin’ny famakiana sy ny fanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo manokana momba ny Bokin’i Môrmôna alohan’ny hanombohana ny asa fitoriana amin’ny fotoana feno. Anontanio raha misy amin’izy ireo te hijoro ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Bokin’i Môrmôna ary omeo toky ireo mpianatra fa hahita fifaliana izy ireo rehefa manasa ny hafa hamaky ity vavolombelona mahery vaika an’i Jesoa Kristy ity.

Fanasana mba hanao asa

Entano ireo mpianatra hampihatra ny zavatra nianarany tato amin’ity lesona ity mandritra ny herinandro ho avy. Mety hanao ireto manaraka ireto izy ireo:

  • Mivavaka mba hahazo fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa momba ny Fahitana Voalohany sy ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna.

  • Hamaky ny lahatsoratra “First Vision Accounts” (Ireo fitantarana ny Fahitana Voalohany) ao amin’ny fizarana the Gospel Topics (Lohahevitra avy ao amin’ny filazantsara) amin’ny lds.org/topics.

  • Manao tsianjery ny tantaran’ny Fahitana Voalohany voarakitra ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:16–17. Mizara izany amin’ny namana na havana iray ka mijoro ho vaovolombelona momba ny maha-zava-dehibe an’ilay tantara.

  • Mivavaka mba hahazo fanampiana hahafantarana olona iray izay azonao omena Bokin’i Môrmôna iray. Manao zavatra araka ny bitsiky ny Fanahy izay voarainao.