Ireo loharano hafa
Apôstazia


Apôstazia

Rehefa mandà ireo fitsipiky ny filazantsara ny olona iray na vondron’olona iray dia ao anatin’ilay toe-panahy miaina ny apôstazia izy ireo.

Nisy vanim-potoan’ny apôstazia faobe maro nitranga nandritra ny tantaran’izao tontolo izao. Taorian’ny fotoana lava niainana tao anatin’ny fahamarinana dia matetika nitodika tany amin’ny faharatsiana ireo olona. Ohatra iray amin’izany ny Apôstazia Lehibe izay nitranga taorian’ny nanorenan’ny Mpamonjy ny Fiangonany. Taorian’ny nahafatesan’ireo Apôstôlin’ny Mpamonjy dia novain’ny olona ireo fitsipiky ny filazantsara ary nitondra fanovana tsy nahazoana lalana teo amin’ny firafitry ny Fiangonana sy ireo ôrdônansin’ny fisoronana izy ireo. Nesorin’ny Tompo teto an-tany ny fahefan’ny fisoronana noho ny fipariahan’izany faharatsiana izany.

Tsy nandray fitarihana masina avy tamin’ny mpaminany velona ny olona nandritra izany Apôstazia Lehibe izany. Maro ireo fiangonana niorina kanefa tsy nanana ny fahefan’ny fisoronana hitarihana ny olona any amin’ny fahafantarana marina an’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy. Nisy novaina na very ireo ampahany sasany tamin’ny soratra masina, ary tsy nisy olona nanana fahefana hanome ny fanomezana ny Fanahy Masina na hanatanteraka ireo ôrdônansin’ny fisoronana hafa. Izany apôstazia izany dia naharitra hatramin’ny nisehoan’ny Ray any an-danitra sy ny Zanany Malalany tamin’i Joseph Smith tamin’ny 1820 ary nanombohan’Izy Ireo ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara.

Miaina ao anatin’ny fotoana izay ahitana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny isika ankehitriny. Saingy tsy ho resin’ny apôstazia lehibe intsony toy ilay Fiangonana fahiny Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Mampianatra ny soratra masina fa ny Fiangonana dia tsy ho rava intsony (jereo ny F&F 138:44; jereo koa ny Daniela 2:44).

Na dia tsy hisy intsony aza ny apôstazia lehibe hafa hialana amin’ny fahamarinana dia tokony hitandrina isika tsirairay tsy ho tratran’ny apôstazian’ny tena manokana. Afaka miaro ny tenanao amin’ny apôstazian’ny tena manokana ianao amin’ny alalan’ny fitandroana ny fanekempihavanana nataonao, ny fankatoavana ireo didy, ny fanarahana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo, ary ny fanamafisana orina tsy tapaka ny fijoroanao ho vavolombelona amin’ny fandalinana ny soratra masina, ny fanaovana vavaka sy asa fanompoana isan’andro.