Ireo loharano hafa
Batisa


Batisa

Ny Bokin’i Môrmôna dia miresaka momba ny vondron’olona iray izay nianatra ny filazantsara ary natao batisa teo amin’ny toerana iray antsoina hoe Môrmôna. Nanomboka tamin’ny fotoana nanaovana batisa azy ireo dia noraisin’izy ireo ho toy ny toeran’ny fahatsarana i Môrmôna satria tao amin’izany no “tonga tamin’ny fahalalana ny Mpanavotra azy” izy ireo (Môsià 18:30). Nijanona ho mahatoky ny Tompo izy ireo na dia nandritra ny fotoam-pitsapana mivaivay aza rehefa nampahatanjahan’ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona sy ny fanekempihavanan’ny batisan’izy ireo (jereo ny Môsià 23–24).

Afaka mifaly koa ianao rehefa mahatsiaro ny fanekempihavanan’ny batisa izay nataonao sy ireo fampanantenan’ny Tompo ho anao, tahaka ny vahoaka tao amin’ity tantara tao amin’ny Bokin’i Môrmôna ity. Afaka mahazo tanjaka ao amin’ny ôrdônansin’ny batisa ianao, na vao haingana no vita batisa na efa taona maro lasa.

Miditra amin’ny Lalan’ny Fiainana Mandrakizay

Ny batisa no ôrdônansin’ny famonjena voalohany ao amin’ny filazantsara (jereo ny Fanekem-pinoana 1:4). Lasa mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ianao amin’ny alalan’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana.

Nampiseho ny fahavononanao hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy ianao rehefa natao batisa. Natao batisa koa Izy na dia tsy nanota aza. Nanazava tamin’i Jaona Mpanao Batisa Izy fa nilaina natao batisa mba “hahatanteraka ny fahamarinana rehetra” (jereo ny Matio 3:13–17).

Izay rehetra mikatsaka fiainana mandrakizay dia tokony hanaraka ny ohatra nataon’ny Mpamonjy, dia ny firotsahana amin’ny batisa sy ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina izany. Nilaza ny mpaminany Nefia fa ny Mpamonjy dia nampiseho antsika “ny vavahady tokony hidira[ntsika]. Satria ny vavahady izay tokony hidira[ntsika] dia ny fibebahana sy ny batisa amin’ ny rano; ary avy eo dia tonga ny famelana ny fahota[ntsika] amin’ ny alalan’ ny afo sy ny Fanahy Masina. Ary efa mby amin’ ny lalana ety sy tery izay mitondra mankany amin’ ny fiainana mandrakizay [isika] amin’ izany” (2 Nefia 31:17–18). Hahazo ny fiainana mandrakizay isika raha toa ka maharitra hatramin’ny farany, mitandrina ny fanekempihavanana nataontsika ary mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena hafa.

Batisa araky ny Fomban’ny Tompo

Nanambara ny fomba marina fanaovana batisa tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny Mpamonjy, ary nametraka mazava fa tsy maintsy tanterahin’ny olona iray mihazona ny fahefan’ny fisoronana izany ôrdônansy izany ary tsy maintsy atao amin’ny alalan’ny fanitrihana anaty rano:

“Ny olona izay antsoin’ Andriamanitra ary manana ny fahefana avy amin’ i Jesoa Kristy hanao batisa dia hidina ao anaty rano miaraka amin’ ilay olona, na lahy izy na vavy, izay efa nanolo-tena ho amin’ ny batisa, ary hiteny hoe, rehefa avy niantso azy tamin’ ny anarany: Rehefa nomen’ i Jesoa Kristy fahefana aho, izaho dia manao batisa anao amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny an’ ny Zanaka ary ny an’ ny Fanahy Masina. Amena.

“Avy eo dia hanitrika ilay lehilahy na vehivavy ao anaty rano izy, sy hamoaka indray avy ao anaty rano” (F&F 20:73–74).

Ny fanitrihana dia tandindon’ny fahafatesan’ny fiainan’ny olona mpanota iray ary fahaterahana indray ao anatin’ny fiainana ara-panahy, izay mifantoka amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ireo Zanany. Tandidon’ny fahafatesana sy fitsanganana amin’ny maty koa izany. (Jereo ny Romana 6:3–6.)

Ireo Zaza Madinika sy ny Batisa

Fantatsika avy tamin’ny fanambarana amin’izao andro farany izao fa voavotra amin’ny alalan’ny famindram-pon’i Jesoa Kristy ireo zaza madinika. Hoy ny Tompo hoe: “Koa tsy afaka manota izy ireo fa tsy nomena an’ i Satana ny hery hakana fanahy ny ankizy madinika ambara-panombohan’ izy ireo ho lasa tompon’ andraikitra eo anoloako” (jereo ny F&F 29:46–47). Tsy ilaina atao batisa izy ireo raha tsy efa tonga amin’ilay taona maha-tompon’andraikitra azy ireo, izay nambaran’ny Tompo fa valo taona (jereo ny F&F 68:27; Dikan-tenin’i Joseph Smith, Genesisy 17:11). Na iza na iza milaza fa ilaina atao batisa ireo zaza madinika dia “mandà ny famindram-pon’ i Kristy ary mametraka ho tsinontsinona ny sorompanavotany sy ny herin’ ny fanavotany” (Môrônia 8:20; jereo koa ny Môrônia 8:8–19, 21–24).

Ny Fanekempihavanana ataonao amin’ny Batisa

Niditra nanao fanekempihavanana tamin’Andriamanitra ianao rehefa natao batisa. Nampanantena ianao fa handray ny anaran’i Jesoa Kristy eo aminao, hitandrina ireo didiny ary hanompo Azy hatramin’ny farany (jereo ny Môsià 18:8–10; F&F 20:37). Manavao io fanekempihavanana io ianao isaky ny mandray ny Fanasan’ny Tompo (jereo ny20:77, 79).

Mitondra ny Anaran’i Jesoa Kristy eo Aminao.

Rehefa mandray ny anaran’i Jesoa Kristy eo aminao ianao dia hitanao ho lasa Azy ny tenanao. Apetrakao ho lohalaharana eo amin’ny fiainanao Izy sy ny Asany. Mikatsaka izay tiany fa tsy izay tianao ianao na izay tian’izao tontolo izao ho ataonao.

Manazava ny maha-zava-dehibe ny fitondrana ny anaran’ny Mpamonjy eo amintsika ny Mpanjaka Benjamina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna:

“Tsy misy anarana hafa nomena izay hiavian’ ny famonjena; noho izany, dia mba tiako ny hitondranareo eo aminareo ny anaran’ i Kristy, dia ianareo rehetra izay efa nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra fa ho mpankatò mandra-pahatapitry ny ainareo.

“Ary ny zavatra hitranga dia na zovy na zovy no manao izany, dia ho hita eo an-tànan’ ankavanan’ Andriamanitra izy, satria hahafantatra ny anarana izay iantsoana azy izy; fa hantsoina amin’ ny anaran’ i Kristy izy.

“Ary ankehitriny ny zavatra hitranga dia na zovy na zovy no tsy hitondra eo aminy ny anaran’ i Kristy, dia tsy maintsy hantsoina amin’ ny anarana hafa izy; noho izany izy dia mahita ny tenany eo an-tànana ankavian’ Andriamanitra” (Môsià 5:8–10).

Fitandremana ireo Didy.

Ny fanekempihavanana ataonao amin’ny batisa dia fanoloran-tena hiditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra, hampanalavitra ny tenanao amin’ny zavatr’izao tontolo izao ary hijoro ho vavolombelon’Andriamanitra “amin’ ny fotoana rehetra sy amin’ ny zava-drehetra ary amin’ ny toerana rehetra” (Môsià 18:9). Tafiditra amin’ireo ezaka ataonao mba hijoro ho vavolombelon’Andriamanitra ny zavatra ataonao sy teneninao. Miezaha hatrany hahatsiaro sy hitandrina ireo didin’ny Tompo. Aoka ny eritreritrao, sy ny fiteninao ary ny fihetsikao hadio hatrany. Rehefa mitady fialam-boly ianao toy ny sarimihetsika, fijerena fahitalavitra, ny Internet, hira, boky, gazetiboky ary ireo gazety, dia mitandrema mba tsy hijery sy tsy hihaino ary tsy hamaky afa-tsy ireo zavatra izay anovozam-pahalalana ihany. Manaova akanjo maontina. Misafidiana namana izay mamporisika anao hahatratra ireo tanjonao mandrakizay. Alaviro ny fahavetavetana, pôrnôgrafia, filokana, sigara, toaka ary ireo zava-maha-domelina tsy ara-dalàna. Aoka ianao ho mendrika ny hiditra ny tempoly hatrany.

Manompo ny Tompo.

Ilay didy hoe manalavitra ny tenanao amin’ny zavatr’izao tontolo izao dia tsy midika fa tokony hitoka-monina tsy hiaraka amin’ny olon-kafa ianao. Tafiditra ao anatin’ny fanekempihavanana atao amin’ny batisa ny manompo ny Tompo, ary tena manompo Azy tsara ianao rehefa manompo ny mpiara-belona aminao. Rehefa nampianatra mikasika ny fanekempihavanana atao amin’ny batisa ny mpaminany Almà dia niteny izy fa tokony “hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay mba hanamaivana izany [isika]” ary “hiara-malahelo amin’ izay malahelo … ary hampionona ireo izay mila fampiononana” (Môsià 18:8–9). Aoka ianao haneho hatsaram-panahy sy fanajana ny olon-drehetra, ka hanaraka ny ohatra nataon’i Jesoa Kristy eo amin’ny fomba itondranao ny hafa.

Fitahiana Nampanantenaina amin’ny Batisa

Hitahy anao noho ny fahatokianao ny Tompo rehefa mitandrina ny fanekempihavana nataonao tamin’ny batisa ianao. Ny sasantsasany amin’ireo fitahiana azonao dia ny fananana ny Fanahy Masina ho namana lalandava, ny famelana ireo fahotana ary ny fahafahana ho ateraka ara-panahy indray.

Ny Fananana ny Fanahy Masina ho Namana Lalandava.

Aorian’ny batisanao dia mametraka ny tanany eo ambony lohanao ny iray na maromaro amin’ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka ary manome anao ny fanomezana ny Fanahy Masina. Izany fanomezana izany dia manome anao ny zo hanana lalandava ny Fanahy Masina ho namana raha toa ka mitoetra ho mendrika hatrany ianao. Ny fananana ny Fanahy Masina ho namana lalandava dia iray amin’ireo fitahiana lehibe indrindra azonao raisina eto amin’ity fiainana an-tany ity. Hitarika anao amin’ny lalan’ny fahamarinana sy fiadanana ny Fanahy, izay hitondra anao any amin’ny fiainana mandrakizay.

Famelana ireo Fahotana.

Afaka mahazo famelana ny fahotanao ianao satria natao batisa. Amin’ny teny hafa dia hoe afaka mahazo famelan-keloka ianao amin’ny alalan’ny famindram-pon’ny Mpamonjy. Afaka ny hahazo alalana hiaina eo anatrehan’ny Ray any an-danitra ianao amin’ny farany amin’ny alalan’izany fitahiana izany.

Mba hahazoana ny famelana ny fahotanao dia tsy maintsy mampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy ianao, mibebaka amin-kitsimpo ary miezaka hatrany hitandrina ireo didy. Nampianatra ny mpaminany Môrmôna fa, “Ny voaloham-bokatry ny fibebahana dia ny batisa; ary tonga ny batisa amin’ ny alalan’ny finoana ho fanatanterahana ny didy; ary ny fanatanterahana ny didy dia mitondra famelana ny fahotana” (Môrônia 8:25). “Mihazona ny famelana ny fahotanao” ianao rehefa manohy manetry tena eo anatrehan’Andriamanitra, miantso Azy amin’ny alalan’ny vavaka isan’andro, mitoetra ho mafy orina ao amin’ny finoana, ary manompo ireo mila fanampiana (jereo ny Môsià 4:11–12, 26).

Ateraka Indray.

Amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana dia ateraka indray ao anatin’ny fiainam-baovao ianao. Nilaza tamin’i Nikodemosy ny Mpamonjy hoe: “Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra” (Jaona 3:5). Toy ny zaza tonga eto amin’ity fiainana vaovao eto ity rehefa teraka dia nanomboka fiainana vaovao ianao rehefa niditra tao amin’ny fanekempihavanan’ny batisa. Afaka ny hivoatra ara-panahy sy ho tonga bebe kokoa tahaka ny Mpamonjy ianao amin’ny alalan’ny fitandroana ireo fanekempihavanana nataonao tamin’ny batisa, sy ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo mba hanavaozana ny fanekempihavananao ary amin’ny alalan’ny fibebahana amin’ireo otanao. Nampianatra ny Apôstôly Paoly fa rehefa natao batisa isika dia “[tokony] handeha kosa amin’ny fiainam-baovao” (Romana 6:4).

Maharitra hatramin’ny Farany.

Ankehitriny rehefa natao batisa sy nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina ianao dia tsy maintsy manohy miaina amim-pahamarinana, satria ireo ôrdônansy ireo dia manamarika ny fiantombohan’ilay dianao hiverina hitoetra miaraka amin’ny Ray any an-danitra ihany. Nampianatra ny mpaminany Nefia hoe:

“Rehefa nihazo ny lalana ety sy tery ianareo dia mba te hanontany anareo aho raha toa ka efa vita ny zava-drehetra? Indro lazaiko anareo, Tsia; satria tsy ho tonga hatreo amin’ izay isianareo ianareo, raha tsy noho ny tenin’ i Kristy sy ny finoanareo Azy tsy voahozongozona ary ny fianteheranareo tanteraka amin’ ny fahamendrehan’ Ilay Mahery ka mahavonjy.

“Noho izany dia tsy maintsy mibosesika handroso amin’ ny fiorenana ao amin’ i Kristy ianareo, amin’ ny fanananareo fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra. Koa raha mibosesika handroso ianareo ka mivoky amin’ ny tenin’ i Kristy ary maharitra hatramin’ ny farany, dia indro, izao no lazain’ ny Ray: Hahazo ny fiainana mandrakizay ianareo” (2 Nefia 31: 19–20).