Ireo loharano hafa
Filankevitra Ampiharana ny Fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana


Filankevitra Ampiharana ny Fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana

Manana andraikitra hanampy ireo mpikambana handresy ny fandikan-dalàna amin’ny alalan’ny fibebahana ireo eveka, filohan’ny sampana sy tsatòka, ary ireo filohan’ny misiôna sy distrika. Matetika mitaky ny fampiharana ny fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana araka ny fitsipika ireo fandikan-dalàna tena goavana toy ny fandikana mihoampampana ny lalàn’ny tany, herisetra atao amin’ny vady, herisetra atao amin’ny ankizy, fijangajangana, fanitsakitsaham-bady, fanolanana, ary ny fanambadiana havana. Ny fampiharana ny fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana araky ny fitsipika dia mety ahitana ny famerana ireo zo ananana amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana na ny fanesorana tsy ho mpikamban’ny Fiangonana.

Ireo dingan’ny fampiharana ny fitsipi-pifehezana araka ny fitsipika dia manomboka amin’ny fangatahan’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana mpiahy ny hanaovana ny Filankevitra Ampiharana ny Fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana. Ny tanjon’ny Filankevitra Ampiharana ny Fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana dia ny hamonjena ny ny fanahin’ ireo nandika lalàna, ny hiarovana ireo tsy manan-tsiny ary ny hitandroana ny fahadiovan’ny Fiangonana, sy ny fahamarinany ary ny laza tsarany.

Ny Filankevitra Ampiharana ny Fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana dia dingana izay entanin’ ny Fanahy, izay atao mandritra ny fotoana maharitraritra. Amin’ny alalan’izany dingana izany sy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no ahafahan’ ny mpikambana iray mahazo ny famelana ny fahotany, sy mahazo fiadanan-tsaina ary mahazo tanjaka mba hialana amin’ny fandikan-dalàna amin’ny hoavy. Ny fanapahan-kevitra raisina mandritra ilay Filankevitra Ampiharana ny Fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana dia tsy natao ho toy ny tanjona faran’ izany dingana izany. Natao hanampiana ireo zanaky ny Ray any an-danitra izany mba hanohizan’izy ireo ny ezaka ataon’izy ireo hiverina ho mpikambana feno sy hahazo ireo fitahiana rehetra avy amin’ny Fiangonana. Ny vokatra iriana dia ny mba hanaovan’ilay olona izay mety fanovana takiana mba hibebahana tanteraka.