Ireo loharano hafa
Finoana


Finoana

Nampianatra ny Apôsôtly Paoly fa “ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita” (Hebreo 11:1). Nanambara zavatra mitovy amin’izany koa i Almà: “Raha manam-pinoana ianareo, dia manantena ny zavatra izay tsy hita kanefa marina” (Almà 32:21).

Ny finoana dia fitsipika ahitana asa sy hery. Isaky ny miezaka manatratra tanjona tsara iray ianao dia mampihatra finoana. Mampiseho ny fanantenanao zavatra iray izay tsy hita maso ianao.

Finoana ny Tompo Jesoa Kristy

Mba hahafahan’ny finoanao hitondra anao any amin’ny famonjena dia tokony hifantoka amin’ny Tompo Jesoa Kristy izany (jereo ny Asan’ny Apôstôly 4:10–12; Môsià 3:17; Môrônia 7:24–26; Fanekem-pinoana 1:4). Afaka mampihatra ny finoanao an’i Kristy ianao rehefa manana fahatokiana fa misy Izy, sy rehefa manana fihevitra marina mikasika ny toetrany ary rehefa manana fahalalana fa miezaka miaina araky ny Sitrapony ianao.

Ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy dia midika ho fiankinana Aminy tanteraka—fahatokiana ny heriny, sy ny faharanitan-tsainy ary ny fitiavany tsy manam-petra. Tafiditra ao anatin’izany koa ny finoana ny fampianarany. Izany dia midika hoe, mino fa na dia tsy takatrao aza ny zava-drehetra dia takany izany. Tsarovy fa mahafantatra ny fomba hanampiana anao handresy ireo fahasarotana eo amin’ny fiainanao andavanandro Izy satria efa niaina ny fanaintainanao, sy ny fahorianao ary ny fahalemenao rehetra (jereo ny Almà 7:11–12; F&F 122:8). “Efa naharesy izao tontolo izao” Izy (Jaona 16:33) ary nanomana ilay lalana ho anao hahazoanao ny fiainana mandrakizay. Vonona hatrany Izy hanampy anao rehefa mahatsiaro ity fiangaviany ity ianao hoe: “Banjino Aho amin’ ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra” (F&F 6:36).

Miaina Amim-pinoana

Ny finoana dia mihoatra lavitra noho ny finoana tsy arahan’asa. Maneho ny finoanao amin’ny alalan’ny asa ianao—amin’ny alalan’ny fomba fiainanao.

Nampanantena ny Mpamonjy hoe: “Raha manam-pinoana Ahy ianareo dia hanana ny fahefana hanao na inona na inona zavatra mahasoa ao Amiko” (Môrônia 7:33). Ny finoana an’i Jesoa Kristy dia afaka mamporisika anao hanaraka ilay ohatra tonga lafatra nasehony (jereo ny Jaona 14:12). Afaka ny hitarika anao hanao zavatra tsara, hankatò ireo didy ary hibebaka amin’ny fahotanao ny finoana (jereo ny Jakoba 2:18; 1 Nefia 3:7; Almà 34:17). Afaka manampy anao handresy ireo fakam-panahy ny finoanao. Nanome torohevitra an’ i Helamàna zanany lahy i Almà hoe: “Ampianaro izy hanohitra ny fakam-panahy rehetra avy amin’ ny devoly amin’ ny alalan’ ny finoana an’ i Jesoa Kristy Tompo” (Almà 37:33).

Haneho fahagagana lehibe eo amin’ny fiainanao ny Tompo arakaraky ny finoanao (jereo ny 2 Nefia 26:13). Ny finoana an’i Jesoa Kristy dia manampy anao hahazo fahasitranana ara-panahy sy ara-batana amin’ny alalan’ny Sorompanavotany (jereo ny 3 Nefia 9:13–14). Rehefa tonga ny fotoam-pisedrana dia afaka manome anao tanjaka handroso hatrany sy hiatrika ireo olana amin-kerim-po ny finoana. Na dia toa mampiahiahy aza ny hoavy dia afaka manome anao fiadanana ny finoanao ny Mpamonjy (jereo ny Romana 5:1; Helamàna 5:47).

Fampitomboana ny Finoanao

Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny finoana, kanefa tsy maintsy kolokoloinao ny finoanao mba hihazonana azy ho matanjaka. Toy ireo hozatra eo amin’ny sandrinao ny finoana. Raha ampiasainao izany dia hihamatanjaka. Raha toa ka hahantonao amin’ny zavatra izany ka avelanao eo dia hihamalemy.

Afaka mikolokolo izany fanomezam-pahasoavan’ ny finoana izany ianao amin’ny alalan’ny fivavahana amin’ny Ray any An-danitra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Rehefa maneho ny fankasitrahanao amin’ny Rainao ianao sy mangataka Aminy handrotsaka ny fitahiana izay ilainao sy ny ilain’ny hafa dia hanatona akaikikaiky kokoa Azy ianao. Hanatona akaikikaiky kokoa ny Mpamonjy ianao ary ny Sorompanavotany dia nanome fahafahana anao hangataka famindram-po (jereo ny Almà 33:11). Ho mora mandray kokoa ilay fitarihana mangina avy amin’ny Fanahy Masina ianao.

Afaka mampatanjaka ny finoanao amin’ny alalan’ny fitandremana ireo didy ianao. Toy ireo fitahiana rehetra avy amin’Andriamanitra dia azo sy mitombo avy amin’ny fankatoavan’ny tena manokana sy ny fanaovan-javatra amim-pahamarinana ny finoana. Raha manam-paniriana hampiakatra ny finoanao any amin’izay mety ho farany ambony indrindra ianao dia tsy maintsy mitandrina ireo fanekempihavanana nataonao.

Afaka mampitombo ny finoanao amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina sy ireo tenin’ny mpaminanin’ny andro farany koa ianao. Nampianatra ny mpaminany Almà fa ny tenin’Andriamanitra dia manampy amin’ny fampahatanjahana ny finoana. Rehefa nohariny tamin’ny voa ny teny dia nilaza izy fa afaka mitarika anao “hanome toerana” ho an’ny teny mba “hanirian’izany ao am-ponao” ny “faniriana ny hino.” Dia hahatsapa ianao fa tsara ny teny, satria hanomboka hampivelatra ny fanahinao sy hanazava ny fahatakaranao izany. Hampahatanjaka ny finoanao izany. Rehefa manohy mikolokolo ny teny ao am-ponao ianao “miaraka amin’ ny fahazotoana be sy miaraka amin’ ny faharetana, sady miandrandra ny voany, dia hiorim-paka izy; ary indro izy ho tonga hazo maniry hatrany amin’ ny fiainana maharitra mandrakizay.” (Jereo ny Almà 32:26–43.)