Ireo loharano hafa
Fahasoavana


Fahasoavana

Ny teny hoe: fahasoavana, araky ny ampiasana azy ao amin’ny soratra masina, dia ilazana voalohany indrindra ny fanampiana sy ny tanjaka avy any an-danitra izay azontsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Tompo. Nampianatra ny Apôstôly Petera fa tokony “[hitombo] amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy” isika (2 Petera 3:18).

Famonjena amin’ny alalan’ny Fahasoavana

Noho ny Fahalavoana dia handalo ny fahafatesana ara-nofo ny olona tsirairay. Hitsangana amin’ny maty sy handray ny tsy fahafatesana ny olona rehetra amin’ny alalan’ny fahasoavana, izay nomena tamin’ny alalan’ny sorompanavotan’ny Mpamonjy (jereo ny 2 Nefia 9:6–13). Kanefa ny fitsanganana amin’ny maty irery dia tsy hahatonga antsika ho mendrika hahazo ny fiainana mandrakizay eo anatrehan’Andriamanitra. Mahatonga antsika haloto sy tsy mendrika hitoetra eo anatrehan’Andriamanitra ny fahotantsika, ary mila ny Fahasoavany isika mba hanadio sy hanao izay hahatonga lafatra antsika “rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao” (2 Nefia 25:23).

Ilay andian-teny hoe “rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao” dia mampianatra fa ilaina ny ezaka avy amintsika mba handraisana ny fahafenoan’ny fahasoavan’ny Tompo ary mba hahamendrika ny hitoetra hiaraka Aminy. Nandidy antsika mba hankatò ny Filazantsarany ny Tompo, ka tafiditra ao anatin’izany ny fananana finoana Azy, fibebahana amin’ny fahotantsika, fanaovana batisa, fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary faharetana hatramin’ny farany (jereo ny Jaona 3:3–5; 3 Nefia 27:16–20; Fanekem-pinoana 1:3–4). Nanoratra mikasika ny fahasoavana izay raisintsika rehefa manatona ny Mpamonjy sy mankatò ny Fampianarany ny mpaminany Môrônia:

“Manatòna an’ i Kristy, ary aoka hatao tanteraka ao Aminy, ary holavin’ ny tenanareo ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra; ary raha mandà ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra ny tenanareo, ary tia an’ Andriamanitra amin’ ny herinareo, ny sainareo ary ny tanjakareo rehetra ianareo, amin’ izany dia ampy ho anareo ny fahasoavany, fa amin’ ny fahasoavany no hahatonga anareo ho tanteraka ao amin’ i Kristy; ary raha tanteraka ao amin’ i Kristy ianareo amin’ ny alalan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra, dia tsy afaka mandà mihitsy ny herin’ Andriamanitra ianareo.

“Ary koa, raha tanteraka ao amin’ i Kristy amin’ ny alalan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra ianareo ary tsy mandà ny heriny, amin’ izany dia hamasinina ao amin’ i Kristy amin’ ny alalan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra ianareo, noho ny fandatsahana ny ran’ i Kristy, izay ao amin’ ny fanekempihavanan’ ny Ray ho famelana ny fahotanareo, mba hahatonga anareo ho emasina, tsy misy pentina” (Môrônia 10:32–33).

Mandray ny Fahasoavana mandritra ny Fiainanao

Ankoatry ny filana ny fahasoavana ho an’ny famonjena anao farany, dia mila izany hery manampy izany koa ianao isan’andro eo amin’ny fiainanao. Hankahery sy hampatanjaka anao amin’ny alalan’ny fahasoavany ny Ray any an-danitra rehefa manatona Azy akaiky ao anatin’ny fahazotoana sy, fanetren-tena ary fahalemem-panahy ianao (jereo ny Ohabolana 3:34; 1 Petera 5:5; F&F 88:78; 106:7–8). Ny fiankinana amin’ny fahasoavany dia ahafahanao mandroso sy mivoatra ao amin’ny fahamarinana. Na i Jesoa aza dia “tsy nandray hatramin’ ny voalohany ny fahafenoana fa nanohy ny fahasoavana niampy fahasoavana ambara-pandraisany ny fahafenoana” (F&F 93:13). Ahafahanao manampy amin’ny fanorenana ny fanjakan’Andriamanitra ny fahasoavana, asa fanompoana iray izay tsy ho vitanao amin’ny alalan’ny tanjakao na ny fitaovana eo am-pelatananao fotsiny (jereo ny Jaona 15:5; Filipiana 4:13; Hebreo 12:28; Jakoba 4:6–7).

Raha sendra hakiviana ianao na mahatsapa ho tena tsy manana hery hanohizana ny fiainana ny filazantsara dia tsarovy ny tanjaka azonao raisina amin’ny alalan’ilay hery manampin’ny fahasoavana. Afaka mahita fampiononana sy fanomezan-toky ao anatin’ireto tenin’ny Tompo ireto ianao: “Ampy ho an’ ny olon-drehetra ny fahasoavako mba hanetreny tena eo anoloako; fa raha manetry tena eo anoloako izy ary manam-pinoana Ahy, amin’ izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy” (Etera 12:27).