Ireo loharano hafa
Drafitry ny Famonjena


Drafitry ny Famonjena

Nanomana drafitra iray izay ahafahantsika hitovy bebe kokoa Aminy ary handray ny fahafenoan’ny fifaliana ny Ray any an-danitra tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Izany drafitra izany dia antsoin’ny soratra masina hoe “ny drafitry ny famonjena” (Almà 24:14; Mosesy 6:62), “ny drafitra lehiben’ny fahasambarana” (Almà 42:8), “ny drafitry ny fanavotana” (Jakoba 6:8; Almà 12:30), ary “ny drafitry ny famindram-po” (Almà 42:15).

Ny drafitry ny famonjena dia ny fahafenoan’ny filazantsara. Ny drafitry ny famonjena dia ahitana ny Fahariana, ny Fahalavoana, ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, sy ireo lalàna sy ôrdônansy ary fotopampianarana rehetra ao amin’ny filazantsara. Zava-dehibe ao amin’ny drafitry ny Ray any an-danitra koa ny fahafahana misafidy, ilay fahaizana misafidy sy hanao zavatra araky ny sitrapon’ny tenantsika. Noho izany drafitra izany dia afaka ny ho tanteraka isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotana, sy handray ny fahafenoan’ny fifaliana ary hiaina mandrakizay eo anatrehan’Andriamanitra. Ny fifandraisan’ny fianakaviantsika dia afaka haharitra mandrakizay.

Mpandray anjara ao amin’ny drafitry ny Ray any an-danitra ianao ary ny traikefam-piainana mandrakizay anananao dia azo zaraina ho ampahany telo miavaka tsara: fiainana talohan’ny nahaterahana, fiainana an-tany ary ny fiainana aorian’ny fahafatesana. Rehefa takatrao ilay drafitra dia afaka ny hahazo valiny amin’ireo fanontaniana fametraky ny maro ianao: Avy aiza isika? Maninona eto isika? Ho aiza isika aorian’ity fiainana ity?

Fiainana talohan’ny Nahaterahana

Talohan’ny nahaterahanao teto an-tany dia niaina teo anatrehan’ny Rainao any an-danitra ianao tamin’ny naha-iray tamin’ireo fanahy izay zanany anao. Tao amin’io fiainana talohan’ny nahaterahana io dia nanatrika filankevitra niaraka tamin’ireo fanahy hafa izay zanaky ny Ray any an-danitra ianao. Tao amin’izany filankevitra izany no nanoloran’ny Ray any an-danitra ny drafitra lehiben’ny fahasambarana (jereo ny Abrahama 3:22–26).

Tao anatin’izay drafitry ny fahasambarana izay koa ilay Jesoa Kristy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, ilay Fanahy Voalohan-teraky ny Ray dia nanaiky ny ho tonga Mpamonjy (jereo ny Mosesy 4:2; Abrahama 3:27). Ireo izay nanaraka ny Ray any an-danitra sy Jesoa Kristy dia nahazo lalana hidina tety an-tany mba hiaina ny fiainana an-tany sy hivoatra hankany amin’ny fiainana mandrakizay. Nikomy nanohitra ilay drafitra sy “nikatsaka ny handrava ny safidin’ ny olona” i Losifera, izay fanahy iray hafa zanak’Andriamanitra (Mosesy 4:3). Lasa Satana izy ary noroahina tsy ho any an-danitra izy sy ireo mpanara-dia azy ary tsy nomena ireo tombontsoa toy ny fahazoana vatana nofo sy taolana sy ny fahafahana hiaina ny fiainana eto an-tany (jereo ny Mosesy 4:4; Abrahama 3:27–28).

Nandritra ilay fiainanao talohan’ny nahaterahana dia nampivoatra ny maha-izy anao ianao ary nampitombo ireo fahaiza-manaonao ara-panahy. Noho ny fanananao ny fahafahana misafidy dia nandray fanapahan-kevitra manan-danja maro ianao, toy ny fanapahan-kevitra hanaraka ny drafitry ny Ray any an-danitra. Nisy fiantraikany teo amin’ny fiainanao hatramin’izay ka hatramin’izao ireo fanapahan-kevitra ireo. Nitombo faharanitan-tsaina ianao ary nianatra nitia ny fahamarinana sy niomana ny ho ety an-tany, izay toerana ahafahanao manohy ny fivoarana.

Fiainana eto an-tany

Miaina ny fiainana eto an-tany ianao izao. Mitambatra amin’ny vatanao ny fanahinao, izay manome anao fahafahana hivoatra sy hivelatra amin’ny fomba maro izay tsy ho azo natao raha mbola tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Ity ampahan’ny fiainanao ity dia fotoana ianarana, izay ahafahanao mampiseho ny maha-izy azy anao sy misafidy ny hanatona an’i Kristy ary miomana ho mendrika hahazo ny fiainana mandrakizay. Izany koa dia fotoana izay ahafahanao manampy ireo hafa hahita ny fahamarinana sy hahazo fijoroana ho vavolombelona mikasika ny drafitry ny famonjena.

Fiainana aorian’ny Fahafatesana

Rehefa maty ianao dia hiditra any amin’ny tontolon’ny fanahy sy hiandry ny fitsanganana amin’ny maty ny fanahinao. Amin’ny fotoan’ny fitsanganana amin’ny maty dia hikambana indray ny fanahy sy ny vatanao, ary hotsaraina ianao sy horaisina ao amin’ny fanjakam-boninahitra iray. Hiankina amin’ny halalin’ny fiovam-ponao sy ny fankatoavanao ireo didin’ny Tompo ny voninahitra izay holovainao (jereo ny “Fanjakam-boninahitra,” pejy 110–113). Hiankina amin’ny fomba izay “[nandraisanao] ny tenivavolombelon’i Jesoa” izany (F&F 76:51; jereo koa ny 76:74, 79, 101).

Ireo Fitahiana avy amin’ny Fahafantarana ilay Drafitra

Ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ilay drafitry ny famonjena dia afaka manome anao fanantenana sy tanjona rehefa sahirana miatrika ireo fanambin’ny fiainana ianao. Afaka manana fahatokiana ao amin’ilay fahafantarana hoe zanak’Andriamanitra ianao ary niaina teo Anatrehany talohan’ny nahaterahanao teto an-tany. Afaka mahazo ny dikan’ny fiainanao ankehitriny ianao, ary mahafantatra fa ireo zavatra ataonao mandritra ny fiainana an-tany dia hisy fiantraikany ao amin’ilay anjara masinao mandrakizay. Amin’ny alalan’izany fahalalana izany no ahafahanao mampifototra ireo fanapahan-kevitra manan-danja amin’ireo fahamarinana mandrakizay fa tsy amin’ireo toe-javatra eo amin’ny fiainana izay miovaova. Afaka manohy mampivoatra ny fifandraisanao amin’ireo olona ao amin’ny fianakavianao ianao, ary mifaly amin’ilay fampanantenana fa hiaraka ho mandrakizay ny fianakavianao. Afaka mahita fifaliana ianao ao amin’ilay fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny Sorompanavotana, ireo didin’ny Tompo, ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ary ireo fotopampianarana, amin’ny fahafantarana fa “izay manao ny asan’ ny fahamarinana handray ny valisoany, dia fiadanana eo amin’ ity izao tontolo izao ity ary fiainana mandrakizay any amin’ ny tontolo ho avy” (F&F 59:23).