Ireo loharano hafa
Famerenana amin’ny Laoniny ny Filazantsara


Famerenana amin’ny Laoniny ny Filazantsara

Nanorina ny Fiangonany teo anivon’ireo mpanara-dia Azy i Jesoa Kristy fony Izy teto an-tany. Taorian’ny Fanomboana Azy teo amin’ny Hazo fijaliana sy ny fahafatesan’ireo Apôstôliny dia nesorina teto an-tany ny fahafenoan’ny filazantsara vokatry ny fihanahan’ny apôstazia (jereo ny “Apôstazia,” pejy 6–8). Maro ireo lehilahy sy vehivavy no nikatsaka ny fahafenoan’ny filazantsara nandritra ireo taonjato nisian’ny Apôstazia Lehibe, kanefa tsy nahita izany. Na dia maro aza ireo nitory tamin-kitsimpo mikasika ny Mpamonjy sy ny Fampianarany dia tsy nisy nanana ny fahafenoan’ny fahamarinana na ny fahefan’ny fisoronana avy tamin’Andriamanitra.

Fotoan’ny fahamaizinana ara-panahy ny Apôstazia Lehibe, kanefa ankehitriny isika dia miaina ao anatin’ny fotoana izay ahafahantsika mandray ny “fahazavan’ny filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy” (2 Korintiana 4:4; jereo koa ny F&F 45:28). Naverina tamin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara, ary eto an-tany indray ny Fiangonana Marin’i Jesoa Kristy. Tsy misy fikambanana hafa azo oharina amin’izany. Izany dia tsy vokatry ny fanavaozana, izay nataon’ireo lehilahy sy vehivavy tsara eritreritra ka nanao ny zava-drehetra izay tratry ny heriny hitondrana fanovana. Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonana naorin’i Jesoa Kristy izany. Asan’ny Ray any an-danitra sy ny Zanany Malalany izany.

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany anao dia afaka mandray ireo fitahiana izay tsy nisy teto an-tany saika efa ho 2.000 taona ianao. Afaka mandray ny famelan-keloka ianao ary manana ny Fanahy Masina ho namana lalandava amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana. Afaka miaina ny filazantsara amin’ny endriny feno sy tsotra ianao. Afaka manana ny fahatakarana ny toetoetran’ny Andriamanitra, ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ny tanjon’ny fiainana eto an-tany ary ny fisian’ny fiainana marina aorian’ny fahafatesana ianao. Manana fahafahana ho tarihin’ny mpaminany velona ianao, izay mampianatra ny sitrapon’Andriamanitra amin’izao androntsika izao. Ireo ôrdônansin’ny tempoly dia manome fahafahana anao hahazo fitarihana sy fiadanana, hiomana amin’ny fiainana mandrakizay, ho fehezina amin’ny fianakaviana mandrakizay ary hanao ireo ôrdônansin’ny famonjena ho an’ireo razambenao.

Ireo Zava-nitranga nandritra ny Famerenana tamin’ny Laoniny

  • Ity topimaso manaraka ity dia mamintina ireo zava-nitranga manan-danja vitsivitsy nandritra ny famerenana tamin’ny laoniny ny filazantsara sy ny fanorenana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, izay nambaran’ny Tompo fa “ilay hany fiangonana marina sy velona eto ambonin’ ny tany manontolo” (F&F 1:30).

  • Fiandohan’ny lohataonan’ny 1820. Nivavaka tany amin’ny ala kely iray teo akaikin’ny tranony tao Palmyra, New York i Joseph Smith izay 14 taona, raha nitady izay Fiangonana marin’i Jesoa Kristy. Ho valin’ny vavaka feno fanetren-tena nataony dia niseho taminy ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy ary nilaza taminy fa tsy tokony hiditra ho mpikambana amin’ireo fiangonana nisy teto an-tany tamin’izany fotoana izany izy. (Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:11–19.) Antsointsika hoe ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith izany zavatra nitranga izany ato amin’ny Fiangonana.

  • 21–22 Septambra 1823. Notsidihan’ny anjely antsoina hoe Môrônia i Joseph Smith. Naminany ny zavatra hitranga atsy ho atsy i Môrônia ary nilaza tamin’i Joseph mikasika ilay rakitsoratry ny Bokin’i Môrmôna, izay nosoratana teo amin’ny takela-bolamena. Navelan’ilay anjely hahita ireo takela-bolamena, izay nilevina teo akaikin’ny Havoana Kômôrà i Joseph. (Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:27–53.)

  • 22 Septambra 1827. Nandray ny takela-bolamena avy tamin’i Môrônia teo amin’ny Havoana Kômôrà i Joseph Smith taorian’ny nihaonany tamin’i Môrônia isaky ny tamin’ny 22 Septambra nandritra ny efa-taona teo aloha. (Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:53, 59.)

  • 15 Mey 1829. Rehefa namaky mikasika ny batisa ho famelana ny fahotana i Joseph Smith sy ny mpitantsorany Oliver Cowdery teo am-pandikana ireo takela-bolamena dia nandeha tamin’ny toerana nitokana izy ireo mba hangataka fanazavana avy amin’ny Tompo mikasika izany lohahevitra izany. Teo amin’izany toerana izany, amoron’ny Reniranon’i Susquehanna akaikin’i Harmony, Pennsylvania, no nandraisan’izy ireo ny valin’ny vavaka nataony. I Jaona Mpanao Batisa, izay efa nitsangana tamin’ny maty dia tonga teo amin’izy ireo tamin’ny naha “iraky ny lanitra … teny amin’ny rahon’ny hazavana” azy. Nanolotra azy ireo ny Fisoronana Aharôna izy. Dia nifanao batisa i Joseph sy i Oliver ary nifanome ny Fisoronana Aharôna, ho fankatoavana ny torolalana voarain’izy ireo. (Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:68–72; jereo koa ny F&F 13.)

  • Mey 1829. Nanolotra ny Fisoronana Melkizedeka an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ireo Apôstôly fahiny dia i Petera sy i Jakoba ary i Jaona. (Jereo ny F&F 128:20.)

  • Jiona 1829. Nahavita nandika ny Bokin’i Môrmôna ny Mpaminany Joseph Smith rehefa notarihina “araka ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra” (F&F 135:3).

  • 26 Martsa 1830. Nivoaka tany Palmyra, New York ny tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna voalohany natonta.

  • 6 Aprily 1830. Naorina tao Fayette Township, New York ny Fiangonana, izay niantomboka tamin’ny mpikambana enina.

  • 27 Martsa 1836. Notokanana ny Tempolin’i Kirtland, izay tempoly voalohany naorina tamin’ity fotoampitantanana ity. Nanolotra ny vavaka fanokanana ny Mpaminany Joseph Smith, izay nomena azy tamin’ny alalan’ny fanambarana. (Jereo ny F&F 109.)

  • 3 Aprily 1836. Niseho tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland ny Mpamonjy. Niseho koa ary nanome ny fanalahidin’ny fisoronana tamin’i Joseph sy i Oliver i Mosesy, i Elia, ary i Elià. Nitondra ireo fanalahidin’ny hery mamehy i Elià, izay ahafahan’ny fianakaviana hiaraka ho voafehy mandrakizay. (Jereo ny F&F 110.)

Ny Hoavin’ny Fiangonana

Naminany ny mpaminany Daniela tao amin’ny Testamenta Taloha fa “hanorina fanjakana” izay tsy “ho rava mandrakizay” sy “hitoetra mandrakizay” Andriamanitra (Daniela 2:44). Niresaka mikasika Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, izay fanjakan’Andriamanitra eto an-tany amin’izao fotoana izao izy raha nanao izany faminaniana izany. Hatramin’ny andro nanorenana ny Fiangonana niaraka tamin’ireo mpikambana enina dia nitombo sy niroborobo hatrany izany ary hitohy hivoatra hatrany “[mandrapamenony] ny tany manontolo” (Daniela 2:35; jereo koa ny F&F 65:2). An’hetsiny ireo olona no vita batisa isan-taona. Voadika amin’ny fiteny maro ny Bokin’i Môrmôna. Efa saika misy tempoly miorina manerana an’izao tontolo izao. Hitarika ny fandrosoan’ny Fiangonana ireo mpaminany velona, miaraka amin’i Jesoa Kristy ho lohan’ny Fiangonana mandrapahatonga ny tany ho vonona amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

Niresaka mikasika ireo fitahiana avy amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny Mpaminany Joseph Smith: “Ankehitriny, inona no rentsika ao amin’ ny filazantsara izay efa noraisintsika? Feon’ ny fifaliana! Feon’ ny famindram-po avy any an-danitra; ary feon’ ny fahamarinana avy ao amin’ ny tany; vaovao mahafaly ho an’ ny maty; ny feon’ ny fifaliana ho an’ ny velona sy ny maty; vaovao mahafaly sy fifaliana lehibe” (F&F 128:19).