Ireo loharano hafa
Fanambarana


Fanambarana

Ny fanambarana dia fifandraisana avy amin’Andriamanitra mankany amin’ireo Zanany. Miseho amin’ny fomba maro samihafa izany fitarihana izany arakaraky ny zavatra ilain’ny olona tsirairay, sy ny fianakaviana ary ny Fiangonana manontolo.

Miresaka amin’ireo Mpaminaniny ny Tompo rehefa manambara ny sitrapony amin’ny Fiangonana. Ny soratra masina dia ahitana fanambarana maro toy izany—ny tenin’ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpaminaniny fahiny sy amin’ny andro farany. Ankehitriny ny Tompo dia manohy mitarika ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fanambarana ny Sitrapony amin’ireo mpanompo nofinidiny.

Tsy ireo mpaminany ihany no olona afaka mandray fanambarana. Afaka mandray fanambarana araky ny fahatokianao ianao hanampiana anao amin’ny zavatra ilainao manokana, sy amin’ny andraikitrao ary amin’ny fanontaniana anananao ary hanampiana anao hampatanjaka ny fijoroanao ho vavolombelona.

Miomana Handray Fanambarana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina

Milaza momba ireo karazana fanambarana toy ny fahitana, nofy ary ny fitsidihan’ireo anjely ny soratra masina. Tamin’ny alalan’ireo fomba ireo no namerenan’ny Tompo ny filazantsarany amin’izao andro farany izao sy nanambarany ireo fahamarinana mikasika ireo fotopampianarana toy ny fiainana talohan’ny nahaterahana, ny fanavotana ireo nodimandry, ary ireo fanjakam-boninahitra telo. Kanefa ny ankamaroan’ireo fanambarana ho an’ireo mpitarika sy mpikamban’ny Fiangonana dia tonga amin’ny alalan’ny bitsiky ny Fanahy Masina.

Mety tsy manana endrika toy ny zava-mahatalanjona tahaka ny fahitana na ny fitsidihan’ny anjely ny bitsika malefaka ara-panahy kanefa mahery vaika sy maharitra kokoa izy ireo ary mitondra fiovana eo amin’ny fiainana. Ny tenivavolombelon’ny Fanahy Masina dia mitondra fiantraikany eo amin’ny fanahy izay manan-danja kokoa noho izay zavatra hafa hita na re. Amin’ny alalan’ny fanambarana toy izany dia hahazo tanjaka maharitra ianao mba hiorenanao mafy ao amin’ny filazantsara sy hanampianao ny hafa hanao izany koa.

Ireto torolalana manaraka ireto dia hanampy anao hiomana handray ny bitsiky ny Fanahy Masina:

Mivavaha mba hahazo fitarihana.

Hoy ny Tompo hoe: “Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dòndòny, dia hovohana hianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandòndòna no hovohana” (Matio 7:7–8). Mba hahafahanao mahita sy mandray dia tsy maintsy mikatsaka sy mangataka aloha ianao. Raha tsy mandòndòna ianao—mivavaka amin’ny Rainao any an-danitra hahazo fitarihana—dia tsy hosokafana aminao ny varavaran’ny fanambarana. Kanefa raha manatona ny Rainao amin’ny alalan’ny vavaka feno fanetren-tena ianao dia amin’ny farany ho afaka ny “handray fanambarana miampy fanambarana, fahalalana miampy fahalalana, mba hahafantaranao ireo mistery sy ireo zavatra mitondra fiadanana—izay mitondra fifaliana, izay mitondra fiainana mandrakizay” (F&F 42:61).

Aoka ianao haneho fanajana.

Ny fanehoana fanajana dia fanehoan-kaja sy fitiavana lalina. Rehefa maneho fanajana sy milamina ianao dia manasa ny fanambarana ho tonga. Na dia ao anaty korontana aza ny zavatra rehetra manodidina anao dia afaka manana toetra maneho fanajana ianao ary vonona handray ny fitarihana avy amin’ny Tompo.

Aoka ianao hanetry tena.

Mifandray akaiky amin’ny fanehoana fanajana ny fanetren-tena. Rehefa manetry tena ianao dia mahafantatra ny fiankinanao amin’ny Tompo. Nampianatra ny mpaminany Môrmôna hoe: “Noho ny fahalemem-panahy sy ny fietren’ ny fo dia tonga ny famangian’ ny Fanahy Masina, ny Mpampionona mameno amin’ ny fanantenana sy fitiavana tanteraka” (Môrônia 8:26).

Hajao ny didiny.

Vonona ny handray, hahafantatra, ary hanaraka ny Fanahy Masina ianao rehefa mitandrina ireo didy. Nampanantena ny Tompo hoe: “Fa izay mitandrina ny didiko no homeko ny mistery momba ny fanjakako ary izany dia ho loharanon’ ny rano velona ao anatiny, miboiboika hatrany amin’ ny fiainana maharitra mandrakizay” (F&F 63:23).

Mandraisa ny fanasan’ny Tompo amim-pahamendrehana.

Mampianatra antsika ny fomba hananana ny Fanahy Masina ho namana lalandava ny vavaka atao amin’ny fanasan’ny Tompo. Mijoro ho vavolombelona amin’Andriamanitra ianao fa vonona ny hitondra eo aminao ny anaran’ny Zanakalahiny sy hahatsiaro Azy mandrakariva ary hitandrina ireo didiny rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo. Mampanantena ny Ray any an-danitra fa rehefa mitandrina ny fanekempihavanana nataonao ianao dia hanana hatrany ny Fanahy hiaraka aminao. (Jereo ny F&F 20:77, 79.)

Halalino isan’andro ny soratra masina.

Rehefa mandalina amim-pahazotoana ny soratra masina ianao dia hianatra avy amin’ireo ohatry ny lehilahy sy vehivavy izay nahazo fitahiana teo amin’ny fiainany tamin’ny fanarahan’izy ireo ny sitrapon’ny Tompo izay nambarany. Ho mora handray kokoa ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainanao koa ianao. Rehefa mamaky sy mandalina ianao dia afaka mandray fanambarana mikasika ny fomba iantefan’ny andalan-tsoratra masina sasany aminao na mikasika ireo zavatra hafa izay tian’ny Tompo holazaina aminao. Tokony handalina ny soratra masina isan’andro ianao satria afaka manampy anao handray fanambarana ho an’ny tenanao manokana ny famakiana ny soratra masina.

Manokàna fotoana hisaintsainana.

Rehefa manokana fotoana hisaintsainana ireo fahamarinan’ny filazantsara ianao dia manokatra ny sainao sy ny fonao hahazo ilay hery mitarika avy amin’ny Fanahy Masina (jereo ny 1 Nefia 11:1; F&F 76:19; 138:1–11). Misarika ny eritreritrao hanalavitra ireo zavatra tsy manan-danja loatra eto amin’izao tontolo izao ny fisaintsainana ary hampanakaiky kokoa anao amin’ny Fanahy.

Rehefa mitady fitarihana manokana ianao dia diniho ao an-tsainao ilay toe-javatra.

Indraindray dia tsy tonga ny fifandraisana amin’ny Tompo raha tsy aorian’ny fandinihanao toe-javatra iray ao an-tsainao. Nanazava izany lamina izany tamin’i Oliver Cowdery ny Tompo, izay mpitantsoratr’i Joseph Smith tamin’ny ankamaroan’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna. Niresaka tamin’i Oliver Cowdery tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo, nanazava tamin’i Oliver ny antony tsy nahafahany nandika ny Bokin’i Môrmôna, eny fa na dia nomena ny fanomezam-pahasoavan’ny fandikan-teny koa aza izy: “Indro, tsy azonao; noheverinao fa homeko anao izany, rehefa tsy nanana eritreritra afa-tsy ny hangataka izany Amiko ianao. Nefa indro, lazaiko anao, fa tokony handinika izany ao an-tsainao ianao; rehefa izany dia tokony hanontany Ahy ianao raha marina izany, ary raha marina izany, dia hahamay ny ao anatin’ny tratranao Aho; koa ho tsapanao fa marina izany” (D&C 9:7–8).

Katsaho amim-paharetana ny sitrapon’Andriamanitra.

Mampiseho ny Tenany Andriamanitra “amin’ ny fotoany sy araka ny fombany ary araka ny sitrapony” (jereo ny F&F 88:63–68). Ho tonga aminao “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika, etsy kely ary eroa kely” ny fanambarana (2 Nefia 28:30; jereo koa ny Isaia 28:10; F&F 98:12). Aza manandrana manery ireo zavatra ara-panahy hitranga. Tsy tonga amin’ny fomba toy izany ny fanambarana. Manàna faharetana ary matokia ny fotoan’ny Tompo.

Mamantatra ny Fitarihan’ny Fanahy Masina

Eo anivon’ireo feo sy mpampita hafatra maro eto amin’izao tontolo izao dia tsy maintsy mianatra mamantatra ny bitsiky ny Fanahy Masina ianao. Ireto manaraka ireto misy fomba fototra sasantsasany hifandraisan’ny Fanahy Masina amintsika:

Miresaka amin’ny saina sy ny fo amin’ny alalan’ny feo tony sy malefaka Izy.

Nampianatra ny Tompo hoe: “Hiteny anao ao an-tsainao sy ao am-ponao Aho, amin’ ny alalan’ ny Fanahy Masina izay ho tonga ao aminao sy hitoetra ao am-ponao. Ankehitriny indro, io no fanahin’ny fanambarana” (F&F 8:2–3). Indraindray ny Fanahy Masina dia manampy anao hahatakatra ny fahamarinan’ny filazantsara na manome anao bitsika iray izay “toa mibahana ato an-tsai[nao] ary manery mafy indrindra ny fihetseham-po[nao]” (F&F 128:1). Na dia afaka mitondra fiantraikany mahery vaika eo aminao aza ny fanambarana toy izany, dia matetika tonga moramora, toy ny “feo tony sy malefaka” izany (jereo ny 1 Mpanjaka 19:9–12; Helamàna 5:30; F&F 85:6).

Mibitsika amintsika amin’ny alalan’ny fihetseham-pontsika izy.

Na dia faritantsika matetika ho toy ny feo aza ny fifandraisana azo avy amin’ny Fanahy, dia tsapa kokoa izany feo izany fa tsy re. Ary rehefa miresaka momba ny hoe “fihainoana” ny bitsiky ny Fanahy Masina isika, dia matetika ny bitsika ara-panahy faritantsika amin’ny alalan’ny fitenenana hoe “Nanana fahatsapana aho fa …” Mampianatra ity fitsipika ity ny torohevitry Tompo nomeny an’i Oliver Cowdery ao amin’ny fizarana 9 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, izay resahina ao amin’ny pejy 93. Kanefa, tsy dia takatra loatra ity torohevitra ity indraindray. Eo am-pamakiana ity andalan-tsoratra masina ity dia lasa mikorotan-tsaina ny mpikamban’ny Fiangonana sasany, matahotra fa tsy handray na oviana na oviana bitsika avy amin’ny Fanahy Masina satria tsy nahatsapa velively zavatra mahamay tao anatin’ny tratrany. Jereo tsara ny teny farany nataon’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:8: “Koa ho tsapanao fa marina izany.” Ny zavatra mahamay faritana eto amin’ity andalan-tsoratra masina ity dia midika hoe fahatsapana fankaherezana sy filaminana, fa tsy voatery hoe fahatsapana hafanana. Rehefa manohy mikatsaka sy manaraka ny sitrapon’ny Tompo eo amin’ny fiainanao ianao dia lasa hahay hamantatra ny fomba hitarihan’ny Fanahy Masina ny tenanao manokana.

Mitondra fiadanana izy.

Matetika antsoina hoe Mpampionona ny Fanahy Masina (jereo ny Jaona 14:26; F&F 39:6). Rehefa manambara ny sitrapon’ny Tompo aminao izy dia hitondra “fiadanana [a]min’ ny sainao” (F&F 6:23). Ny fiadanana izay entiny dia tsy azo ampitoviana amin’ny fomba fisarihan’izao tontolo izao na ireo fampianaran-diso. Izany dia ilay fiadanana nampanantenain’ny Mpamonjy rehefa nanome toky ireo Mpianany Izy fa handefa ilay Mpampionona: “Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo” (Jaona 14:27).