Ny soratra masina
1 Nefia 13


Toko 13

Ny nahitan’i Nefia tamin’ny fahitana ny fiangonan’ny devoly niorina teo anivon’ny jentilisa, ny nahitana sy ny nanjanahana an’i Amerika, ny fahaverezan’ny maro tamin’ireo ampahany tsotra sady sarobidy tamin’ny Baiboly, ny toe-javatra vokatry ny apôstazian’ny jentilisa, ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara, ny fivoahan’ny soratra masin’ny andro farany, ary ny fanorenana an’i Ziona. Tokony ho 600–592 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ny zava-nitranga dia niteny tamiko ilay anjely nanao hoe: Jereo! Dia nijery aho ka nahita firenena sy fanjakana maro.

2 Ary hoy ilay anjely tamiko: Inona no tazanao? Dia hoy aho: Tazako ny firenena sy ny fanjakana maro.

3 Ary hoy izy tamiko: Ireo no firenena sy ny fanjakan’ny Jentilisa.

4 Ary ny zava-nitranga dia nahita teo anivon’ny firenen’ny aJentilisa aho ny fananganana ny bfiangonana lehibe iray.

5 Ary hoy ilay anjely tamiko: Tazano ny fananganana ny fiangonana iray izay maharikoriko indrindra noho ny fiangonana hafa rehetra, izay amamono ny olomasin’ Andriamanitra, eny, ary mampijaly azy sy mamatotra azy ary manazioga azy amin’ny bzioga vy izy ary mamarina azy any amin’ny fahababoana.

6 Ary ny zava-nitranga dia nahatazana io fiangonana amakadiry sy maharikoriko io aho; ary nahita aho fa ny bdevoly no mpanorina izany.

7 Ary nahita koa aho avolamena sy volafotsy, ary lamba landy sy jaky, ary hariry madinika sy ireo karazana fitafiana sarobidy rehetra; ary nahita vehivavy janga maro aho.

8 Ary niteny tamiko ilay anjely, nanao hoe: Indro, ny volamena sy ny volafotsy, ary ny lamba landy sy jaky, ary ny hariry madinika sy ny fitafiana sarobidy, ary ireo vehivavy janga no afanirian’io fiangonana makadiry sy maharikoriko io.

9 Ary koa ny filany handitra amin’izao tontolo izao no ahandringanany ny olomasin’ Andriamanitra sy hamarinany azy any amin’ny fahababoana.

10 Ary ny zava-nitranga dia nijery aho ka nahatazana ireo rano maro; ary nanasaraka ny Jentilisa tamin’ny taranaky ny rahalahiko ireo.

11 Ary ny zava-nitranga dia hoy ilay anjely tamiko: Indro mby eo amin’ny taranaky ny rahalahinao ny fahatezeran’ Andriamanitra.

12 Ary nijery aho ka nahatazana olona iray teo anivon’ny Jentilisa, izay tafasaraka tamin’ny taranaky ny rahalahiko noho ireo rano maro; ary nahita ny aFanahin’ Andriamanitra aho izay nidina ka niasa tamin’ilay olona; ary nandeha nitety ireo rano maro izy ka nankany amin’ny taranaky ny rahalahiko izay nonina tao amin’ny tany nampanantenaina.

13 Ary ny zava-nitranga dia nahita ny Fanahin’ Andriamanitra aho fa niasa tao amin’ireo Jentilisa hafa izany; ary nandeha ireo niala ny fahababoana ka nitety rano maro.

14 Ary ny zava-nitranga dia nahatazana ny avahoaka maro tamin’ny Jentilisa teo amin’ny btany nampanantenaina aho; ary nahatazana ny fahatezeran’ Andriamanitra aho fa izany dia teo amin’ny taranaky ny rahalahiko; ary dia dnahahaka teo anoloan’ny Jentilisa izy sy naringana.

15 Ary nahita ny Fanahin’ny Tompo nidina teo amin’ny Jentilisa aho ka dia niroborobo izy sady nahazo ny atany ho lovany; ary nahatazana aho fa fotsy fihodirana izy, ary tsara tarehy fatratra sady bkanto tahaka ny vahoakako talohan’ny dnandringanana azy.

16 Ary ny zava-nitranga, izaho Nefia dia nahita fa ny Jentilisa izay nandeha niala ny fahababoana, dia nanetry ny tenany teo anoloan’ny Tompo; ary nomba aazy ny herin’ny Tompo.

17 Ary nahita aho fa ny Jentilisa niandohany dia tafangona miaraka tambonin’ny rano sy tambonin’ny tany ihany koa mba hiady aminy.

18 Ary nahita aho fa nomba azy ny herin’ Andriamanitra ary koa fa ny fahatezeran’ Andriamanitra dia mby tamin’ireo rehetra izay niara-tafavory mba hiady aminy.

19 Ary izaho Nefia dia nahita fa ny Jentilisa izay efa nandeha niala ny fahababoana dia anafahan’ny herin’ Andriamanitra teo am-pelatanan’ireo firenen-kafa rehetra.

20 Ary ny zava-nitranga, izaho Nefia dia nahita fa niroborobo teo amin’ny tany izy; ary nahatazana aboky iray aho, ary izany dia nentina teo anivony.

21 Ary hoy ilay anjely tamiko: Moa fantatrao ny hevitr’io boky io?

22 Ary hoy aho taminy: Tsy fantatro.

23 Ary hoy izy: Indro miloaky ny vavan’ny Jiosy iray izany. Ary izaho Nefia dia nahita izany; ary hoy izy tamiko: Ny aboky izay tazanao dia ny brakitsoratry ny dJiosy, izay mitahiry ny fanekempihavanan’ny Tompo, izay efa nataony tamin’ny mpianakavin’i Isiraely; ary izany koa dia mitahiry ny ankamaroan’ny faminanian’ny mpaminany masina; ary izany dia rakitsoratra mitovy amin’ny soratra voasokitra eo amin’ny etakela-barahina saingy tsy misy firy ireo; kanefa ireo dia mitahiry ny fanekempihavanan’ny Tompo, izay nataony tamin’ny mpianakavin’i Isiraely; noho izany dia manan-danja lehibe ho an’ny Jentilisa ireo.

24 Ary hoy ilay anjelin’ny Tompo tamiko: Efa nahita ianao fa niloaka ny vavan’ny Jiosy iray ilay boky; ary rehefa niloaka ny vavan’ny Jiosy iray izany, dia nirakitra ny fahafenoan’ny filazantsaran’ny Tompo, izay ny apôstôly roa ambin’ny folo no vavolombelona manambara; ary vavolombelona manambara ireo araka ny fahamarinana izay ao amin’ny Zanakondrin’ Andriamanitra.

25 Noho izany, ireo zavatra ireo dia mivoaka amin’ny fahadiovany avy any amin’ny aJiosy mankany amin’ny bJentilisa, araka ny fahamarinana izay ao amin’ Andriamanitra.

26 Ary taorian’ny nivoahany noho ny fanomezan-tanan’ny apôstôly roa ambin’ny folon’ny Zanakondry avy tany amin’ny Jiosy amankany amin’ny Jentilisa, dia hitanao ny fananganana io bfiangonana iray dmakadiry sy maharikoriko io, izay maharikoriko indrindra noho ireo fiangonana hafa rehetra; fa indro, efa enesoriny avy tao amin’ny filazantsaran’ny Zanakondry ireo ampahany maro izay ftsotra sady sarobidy indrindra; ary ny maro koa tamin’ireo fanekempihavanan’ny Tompo dia efa nesoriny.

27 Ary izany rehetra izany no efa nataony dia ny mba hahazoany mamily ny lala-mahitsin’ny Tompo, hahazoany manajamba ny maso sy manamafy ny fon’ny zanak’olombelona.

28 Koa hitanao fa rehefa avy nandalo teo am-pelatanan’io fiangonana makadiry sy maharikoriko io ilay boky, dia maro ireo zavatra tsotra sy sarobidy nesorina avy tao anatin’ny boky, dia ny bokin’ny Zanakondrin’ Andriamanitra.

29 Ary rehefa avy nesorina ireo zavatra tsotra sy sarobidy ireo dia miely patrana any amin’ny firenen’ny Jentilisa rehetra izany; ary rehefa miely patrana any amin’ny firenena Jentilisa rehetra izany, eny, mitety ireo rano maro aza izay efa hitanao niaraka tamin’ireo Jentilisa izay efa nandeha niala ny fahababoana, dia hitanao fa—noho ireny zavatra tsotra sy sarobidy maro izay efa nesorina tanatin’ny boky ireny, izay mora ny fahazoan’ny zanak’olombelona azy ireny, araka ny fahazavana izay ao amin’ny Zanakondrin’ Andriamanitra—noho ireny zavatra izay nesorina tamin’ny filazantsaran’ny Zanakondry ireny—dia vahoaka maro izaitsizy tokoa no tafintohina, eny, hany ka manan-kery lehibe aminy i Satana.

30 Na dia eo aza izany, dia hitanao fa ny Jentilisa izay efa nandeha niala ny fahababoana sy efa nasandratry ny herin’ Andriamanitra ho ambonin’ny firenena hafa rehetra, eo ambonin’ny tany izay tsara lavitra noho ireo tany hafa rehetra, izay tany efa nifaneken’ny Tompo Andriamanitra tamin-drainao fa ho azon’ny taranany mba ho atany lovany; koa hitanao fa ny Tompo Andriamanitra dia tsy hamela ny Jentilisa hamongotra tanteraka ny bfifangaroan’ny taranakao izay eo anivon’ny rahalahinao.

31 Tsy hamela koa Izy ny ahandravan’ny Jentilisa ny taranaky ny rahalahinao.

32 Tsy hamela koa ny Tompo Andriamanitra ny hipetrahan’ny Jentilisa mandrakizay ao amin’io toetra mahatsiravin’ny fahajambana io, izay tazanao fa misy azy, noho ny ampahany tsotra sy tena sarobidy tamin’ny filazantsaran’ny Zanakondry, izay efa notanan’io afiangonana maharikoriko io izay efa hitanao ny fananganana azy.

33 Noho izany, dia hoy ny Zanakondrin’ Andriamanitra: Ho feno famindram-po amin’ny Jentilisa Aho, amin’ny famangiana ny sisa tavela amin’ny mpianakavin’i Isiraely amin’ny famaliana lehibe.

34 Ary ny zava-nitranga dia niteny tamiko ny anjelin’ny Tompo, nanao hoe: Indro, hoy ny Zanakondrin’ Andriamanitra, rehefa avy mamangy ny asisa tavela amin’ny mpianakavin’i Isiraely Aho—ary ny sisa tavela izay teneniko dia ny taranaky ny rainao—koa, rehefa avy mamangy azy amin’ny famaliana Aho ary mikapoka azy amin’ny tanan’ny Jentilisa, ary rehefa btafintohina fatratra ny Jentilisa noho ny ampahany tsotra sy sarobidy indrindra tamin’ny dfilazantsaran’ny Zanakondry, izay efa nesorin’io fiangonana maharikoriko io, izay renin’ny vehivavy janga, hoy ny Zanakondry—dia ho feno famindram-po amin’ny Jentilisa Aho amin’izany andro izany, hany ka noho ny heriko dia ehambarako be dia be aminy ny filazantsarako izay ho tsotra sy ho sarobidy, hoy ny Zanakondry.

35 Fa indro, hoy ny Zanakondry: Izaho haneho ny tenako amin’ny taranakao mba hanoratany ireo zavatra maro izay hampianariko azy, izay ho tsotra sy ho sarobidy; ary rehefa ho fongana ny taranakao ka hihemotra ao amin’ny tsy finoana, ary torak’izany koa ny taranaky ny rahalahinao, indro, ahafenina ireo zavatra ireo mba haseho ny Jentilisa, noho ny fanomezam-pahasoavana sy ny fahefan’ny Zanakondry.

36 Ary ao amin’ireo zavatra ireo no hanoratana ny afilazantsarako sy ny bvatolampiko ary ny famonjeko, hoy ny Zanakondry.

37 Ary ahotahiana izay hikatsaka ny hampiorina an’i bZionako amin’izany andro izany fa izy no handray ny dfanomezana sy ny herin’ny Fanahy Masina; ary raha emaharitra hatramin’ny farany izy dia hasandratra amin’ny andro farany ka hovonjena ao amin’ny ffanjakan’ny Zanakondry izay maharitra mandrakizay; ary na zovy na zovy no ghitory ny fiadanana, eny, ny teny soa mahafaly, dia endrey ny hatsarany ery an-tendrombohitra.

38 Ary ny zava-nitranga dia nahatazana ny sisa tavela tamin’ny taranaky ny rahalahiko aho ary koa ny abokin’ny Zanakondrin’ Andriamanitra, izay efa niloaka ny vavan’ny Jiosy ka nivoaka avy tany amin’ny Jentilisa mba bhankany amin’ny sisa tavela amin’ny taranaky ny rahalahiko.

39 Ary nony efa tonga tany aminy izany, dia nahatazana ireo aboky hafa aho, izay nivoaka noho ny fahefan’ny Zanakondry, avy tany amin’ny Jentilisa hankany aminy, ho bfandresen-dahatra ny Jentilisa sy ny sisa tavela tamin’ny taranaky ny rahalahiko ary koa ny Jiosy izay naely patrana eran’ny lafiny rehetra amin’ny tany, fa ny rakitsoratry ny mpaminany sy ny an’ny apôstôly roa ambin’ny folon’ny Zanakondry dia dmarina.

40 Ary niteny tamiko ilay anjely nanao hoe: Ireto arakitsoratra farany ireto, izay efa tazanao teo anivon’ny Jentilisa, no bhampitoetra ny fahamarinan’iretsy dvoalohany iretsy izay an’ny apôstôly roa ambin’ny folon’ny Zanakondry ary hampahafantatra ny zavatra tsotra sy sarobidy izay efa nesorina tanatiny; ary hampahafantatra amin’ny foko, sy ny samy hafa fiteny, ary ny mponina rehetra fa ny Zanakondrin’ Andriamanitra no Zanaky ny Ray Mandrakizay sy eMpamonjy izao tontolo izao; ary ny olona rehetra dia tsy maintsy manatona Azy, fa raha tsy izany dia tsy azo vonjena izy.

41 Ary tsy maintsy manatona Azy izy araka ny teny izay haorin’ny vavan’ny Zanakondry; ary ny tenin’ny Zanakondry dia hampahafantarina ao amin’ny rakitsoratry ny taranakao, ary koa ao amin’ny rakitsoratry ny apôstôly roa ambin’ny folon’ny Zanakondry; noho izany dia hakapoka ho airay ihany izy roroa; fa bAndriamanitra iray ihany no misy, iray ihany ny dMpiandry ondry eran’ny tany rehetra.

42 Ary avy ny fotoana izay hanehoany ny tenany amin’ny firenena rehetra na amin’ny aJiosy na koa amin’ny Jentilisa; ary rehefa avy naneho ny tenany tamin’ny Jiosy ary koa tamin’ny Jentilisa Izy, amin’izany Izy dia haneho ny tenany amin’ny Jentilisa ary koa amin’ny Jiosy, ary ny bfarany ho voalohany, ary ny dvoalohany ho farany.