Ny Boky Voalohan’ i Nefia

Toko 15

Handray ny filazantsara avy amin’ ny Jentilisa ny taranak’ i Lehia amin’ ny andro farany—Ampitoviana amin’ ny hazo oliva iray izay hanaovana grefy indray ny tena sampany, ny fanangonana an’ i Isiraely—Nanazava ny fahitana momba ny hazon’ aina i Nefia sy niteny momba ny fahamarinan’ Andriamanitra tamin’ ny nanasarahany ny olon-dratsy tamin’ ny olo-marina. Tokony ho 600–592 talohan’ i J.K.

1 Ary ny zava-nitranga, izaho Nefia rehefa avy nentina tao amin’ ny fanahy sy nahita ireo zavatra rehetra ireo, dia niverina tao amin’ ny lain-draiko.

2 Ary ny zava-nitranga dia nahatazana ny rahalahiko aho, ary niady hevitra izy ireo ny momba ny zavatra izay efa nolazain-draiko azy ireo.

3 Fa noresahiny marina tokoa taminy ireo zava-dehibe maro izay sarotra atakarina raha tsy manadina ny Tompo ny olona; ary noho ny hamafin’ ny fony dia tsy niandrandra ny Tompo izy ireo araka ny tokony ho nataony.

4 Ary ankehitriny, izaho Nefia dia nalahelo noho ny hamafin’ ny fony ary koa noho ny zavatra izay efa hitako ka nahafantarako fa tsy azo sorohina ny tsy maintsy hitrangany noho ny faharatsian-toetra lehiben’ ny zanak’ olombelona.

5 Ary ny zava-nitranga dia ankona aho noho ny fahoriako, satria noheveriko fa ny afahoriako dia lehibe indrindra noho ny bfandringanana ny oloko, satria efa nahita ny famongorana azy aho.

6 Ary ny zava-nitranga rehefa nahazo ahery aho dia niresaka tamin’ ny rahalahiko naniry ny hahafantatra avy taminy ny anton’ ny fifandirany.

7 Ary hoy ireo: Indro, tsy mety azonay ny teny izay efa nolazain’ ny raintsika momba ny sampana voajanaharin’ ny hazo oliva ary koa ny momba ny Jentilisa.

8 Ary hoy aho taminy: Efa ananadina ny Tompo va ianareo?

9 Ary hoy ireo tamiko: Tsy nanao izany izahay; satria tsy mampahafantatra anay ny zavatra toy izany ny Tompo.

10 Indro, hoy aho taminy: Nahoana ianareo no tsy mitandrina ny didin’ ny Tompo? Nahoana no te ho faty ianareo noho ny ahamafin’ ny fonareo?

11 Moa tsy tsaroanareo va ny zavatra izay efa nolazain’ ny Tompo?—Raha tsy manamafy ny fonareo ianareo ary amangataka Amiko amin’ ny finoana, sady matoky fa hahazo izany, no mazoto amin’ ny fankatoavana ny didiko, dia hampahafantarina anareo marimarina tokoa ireo zavatra ireo.

12 Indro, lazaiko anareo fa ny mpianakavin’ i Isiraely dia nampitahain’ ny Fanahin’ ny Tompo, izay tao amin-draintsika, tamin’ ny hazo oliva; ary indro, moa va isika tsy tapahina hiala amin’ ny mpianakavin’ i Isiraely, ary moa va isika tsy asampana iray amin’ ny mpianakavin’ i Isiraely?

13 Ary ankehitriny ny zavatra izay tian’ ny raintsika holazaina amin’ ny fanaovana grefy ny sampana voajanahary amin’ ny alalan’ ny fahafenoan’ ny Jentilisa dia izao: Amin’ ny andro farany rehefa ahihemotra ao amin’ ny tsy finoana ny taranatsika, eny, mandritra ny taona maro sy ny taranaka maro any aorian’ ny hanehoan’ ny bMesia ny tenany amin’ ny zanak’ olombelona, amin’ izany ny fahafenoan’ ny dfilazantsaran’ ny Mesia dia ho tonga any amin’ ny Jentilisa, ary avy any amin’ ny eJentilisa dia hankany amin’ ny sisa tavela amin’ ny taranatsika—

14 Ary amin’ izay andro izay ny sisa tavela amin’ ny ataranatsika dia hahalala fa anisan’ ny mpianakavin’ i Isiraely izy, ary izy dia bvahoakan’ ny fanekempihavanan’ ny Tompo; ary amin’ izay dia ho fantany sady ho tonga amin’ ny dfahalalana ny razany izy ary koa amin’ ny fahalalana ny filazantsaran’ ny Mpanavotra azy, izay nampianariny ny razany; koa ho tonga amin’ ny fahalalana ny Mpanavotra azy izy sy amin’ ny fahalalana ny antsipiriany marina amin’ ny fotopampianarany ka hahafantarany ny fomba hanatonana Azy mba ho voavonjy.

15 Ary amin’ izany, amin’ izay andro izay, moa va tsy hiravoravo izy ka hanolotra fiderana an’ Andriamaniny maharitra mandrakizay, ny avatolampiny sy ny famonjena azy? Eny, amin’ izay andro izay, moa va tsy hahazo hery sy famelomana avy amin’ ilay tena bvoaloboka izy? Eny, moa va tsy ho tonga ao amin’ ilay tena valan’ Andriamanitra izy?

16 Indro lazaiko aminareo, Eny; hotsarovana indray eo anivon’ ny mpianakavin’ i Isiraely izy; ary noho izy tena sampan’ ny hazo oliva dia hatao agrefy amin’ ilay tena hazo oliva izy.

17 Ary izay no tian-draintsika holazaina; ary ny tiany holazaina dia tsy hitranga izany raha tsy aorian’ ny hanaparitahan’ ny Jentilisa azy; ary ny tiany holazaina dia ho tonga izany amin’ ny alalan’ ny Jentilisa, hahazoan’ ny Tompo maneho ny heriny amin’ ny Jentilisa, satria ny tena antony dia ahotsipahin’ ny Jiosy na ny mpianakavin’ i Isiraely Izy.

18 Koa ny raintsika dia tsy niresaka ny amin’ ny taranatsika fotsiny fa ny amin’ ny mpianakavin’ i Isiraely rehetra koa, nanondro ny fanekempihavanana izay hotanterahina amin’ ny andro farany; dia ilay fanekempihavanana nataon’ ny Tompo tamin’ i Abrahama raintsika, manao hoe: Amin’ ny ataranakao no hitahiana ny foko rehetra ambonin’ ny tany.

19 Ary ny zava-nitranga, izaho Nefia dia niresaka betsaka taminy ny momba ireo zavatra ireo; eny, noresahiko taminy ny momba ny afampodiana ny Jiosy amin’ ny andro farany.

20 Ary dia naveriko taminy ny teny nataon’ i aIsaia, izay niresaka momba ny fampodiana ny Jiosy, na ny mpianakavin’ i Isiraely; ary rehefa tafody izy dia tsy haharoharo intsony sady tsy haely patrana intsony. Ary ny zava-nitranga dia nanao teny maro tamin’ ny rahalahiko aho, ka dia nitony izy ireo sy bnanetry tena teo anoloan’ ny Tompo.

21 Ary ny zava-nitranga dia niteny tamiko indray izy ireo, nanao hoe: Inona no hevitr’ ilay zavatra izay hitan-draintsika tamin’ ny nofy? Inona no hevitr’ ilay ahazo izay hitany?

22 Ary hoy aho taminy: Izany no sarin’ ny ahazon’ aina.

23 Ary hoy ireo tamiko: Inona no hevitr’ ilay aanja-by izay hitan-draintsika ka nitondra nankeo amin’ ny hazo?

24 Ary dia nolazaiko azy ireo fa izany no atenin’ Andriamanitra; ary na zovy na zovy no hihaino ny tenin’ Andriamanitra sy te bhihazona izany mafy, dia tsy ho faty na oviana na oviana izy; ny dfakam-panahy sy ny ezana-tsipika mirehitry ny ffahavalo dia tsy afaka hampanaiky azy koa ho amin’ ny fahajambana ka hitarika azy any amin’ ny famongorana.

25 Koa, izaho Nefia dia nandrisika azy ireo ahampandry sofina amin’ ny tenin’ ny Tompo; eny, nandrisika azy ireo tamin’ ny hery manontolon’ ny fanahiko aho sy tamin’ ny saina rehetra izay nananako mba hampandriany sofina amin’ ny tenin’ Andriamanitra sy hahatsiarovany ny hitandrina mandrakariva ny didiny amin’ ny zavatra rehetra.

26 Ary hoy ireo tamiko: Inona no hevitr’ ilay arenirano hitan-draintsika?

27 Ary nolazaiko azy ireo fa ny arano izay hitan-draiko dia ny bfahalotoana; ary revon-javatra hafa be loatra ny sainy ka tsy nahatazana ny fahalotoan’ ny rano izy.

28 Ary nolazaiko azy ireo fa ahantsana mahatsiravina izany, izay nanasaraka ny ratsy fanahy tamin’ ny hazon’ aina ary koa tamin’ ny olomasin’ Andriamanitra.

29 Ary nolazaiko azy ireo fa izany no sarin’ ilay ahelo mahatsiravina izay nolazain’ ny anjely tamiko fa efa voaomana ho an’ ny ratsy fanahy.

30 Ary nolazaiko azy ireo fa ny rainay koa dia nahita fa ny afahamarinan’ Andriamanitra dia nanasaraka ny olon-dratsy tamin’ ny olo-marina; ary ny famirapiratany dia nitovy tamin’ ny famirapiratan’ ny afo mirehitra izay miakatra mankany amin’ Andriamanitra mandrakizay mandrakizay ary tsy manam-pahataperana.

31 Ary hoy ireo tamiko: Moa ve izany zavatra izany midika ho fampijaliana ny vatana mandritra ny andron’ ny afisedrana, sa midika ho ny toetra faran’ ny fanahy aorian’ ny bfahafatesan’ ny vatana ara-nofo, sa izany miresaka ny momba ny zavatra izay ara-nofo?

32 Ary ny zava-nitranga dia nolazaiko azy ireo fa izany dia sarin’ ny zavatra sady ara-nofo no ara-panahy; satria ho avy ny andro izay tsy maintsy hitsarana azy ireo araka ny aasany eny dia ny asa izay nataon’ ny vatana ara-nofo nandritra ny andron’ ny fizahan-toetra azy ireo.

33 Koa raha ho afaty ao amin’ ny faharatsiany izy ireo, dia tsy maintsy bholavina koa izy ireo raha ny amin’ ny zavatra izay ara-panahy, izay mikasika ny fahamarinana; koa tsy maintsy hoentina hijoro eo anoloan’ Andriamanitra izy ireo, mba dhotsaraina araka ny easany; ary raha fahalotoana ny asany dia tsy maintsy ilaina ho fmaloto izy ireo; ary raha maloto izy ireo, dia tsy maintsy ilaina ny tsy hahafahany gmitoetra ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra, fa raha izany dia tsy maintsy maloto koa ny fanjakan’ Andriamanitra.

34 Nefa indro lazaiko aminareo fa atsy maloto ny fanjakan’ Andriamanitra, ary tsy afaka miditra ny fanjakan’ Andriamanitra rehefa mety ho zavatra tsy madio; koa tsy maintsy ilaina ny hisian’ ny toeran’ ny fahalotoana voaomana ho an’ izay maloto.

35 Ary misy ny toerana iray efa voaomana, eny, dia ilay ahelo mahatsiravina izay efa noresahiko, ary ny bdevoly no mpanomana izany; koa ny toetra faran’ ny fanahin’ ny olona dia ny hitoetra ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra na ny hariana any ivelany noho ilay dfahamarinana izay efa noresahiko.

36 Koa roahina ny olon-dratsy hiala ny olo-marina ary koa hiala ilay ahazon’ aina izay tena sarobidy ny voany sady tena bmahatsiriritra indrindra noho ny voankazo hafa rehetra; eny, izany no dlehibe indrindra amin’ ny efanomezam-pahasoavana rehetra avy amin’ Andriamanitra. Ary dia toy izany no nolazaiko ny rahalahiko. Amena.