Ny soratra masina
1 Nefia 5


Toko 5

Naniny an’i Lehia i Sarià—Niara-paly izy ireo tamin’ny fiverenan’ny zanany lahy—Nanolotra fanatitra izy ireo—Ny firaketan’ny takela-barahina ny asa soratr’i Mosesy sy ny mpaminany—Nampahafantarin’ny takelaka fa avy amin’ny taranak’i Jôsefa i Lehia—Naminany ny momba ny taranany sy ny fitehirizana ny takelaka i Lehia. Tokony ho 600–592 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ny zava-nitranga, nony efa tafidina tany an-tany foana tany amin-drainay izahay, dia indro fa heniky ny fifaliana izy ary i aSarià reniko koa dia faly izaitsizy tokoa, satria efa namoy fo marina tokoa ny aminy izy.

2 Satria noheveriny fa efa maty tany an-tany foana izahay; ary efa naniny an-draiko koa izy ka nilaza taminy fa izy dia olon’ny fahitana, nanao hoe: Indro efa nentinao nandao ny tany lovantsika izahay, ary ny zanako lahy dia tsy eo intsony, ary ho faty aty an-tany foana isika.

3 Dia toy izany no fomba fiteny nentin-dreniko naniny an-draiko.

4 Ary ny zava-nitranga dia niteny taminy ny raiko, nanao hoe: Fantatro fa aolon’ny fahitana aho; satria raha tsy nahita ny zavatr’ Andriamanitra tamin’ny bfahitana aho dia tsy ho nahalala ny hatsaram-pon’ Andriamanitra fa ho nijanona kosa tao Jerosalema ary ho niara-maty tamin’ny rahalahiko.

5 Nefa indro, efa nahazo fampanantenana aho ny hahazo ny atany nampanantenaina izay zavatra ifaliako tokoa; eny, ary bfantatro fa hanafaka ny zanako lahy eo am-pelatanan’i Labàna ny Tompo ary hitondra azy ireo hidina indray aty amintsika aty an-tany foana.

6 Ary araka izany fomba fiteny izany no nampaherezan’i Lehia raiko an’i Sarià reniko momba anay, raha mbola nandeha tany an-tany foana izahay niakatra tany an-tanin’i Jerosalema, haka ny rakitsoratry ny Jiosy.

7 Ary nony efa tafaverina tao an-dain-drainay izahay, dia indro fa feno ny haravoany, ary nionona ny reniko.

8 Ary niteny izy, nanao hoe: ankehitriny dia fantatro marina tokoa fa ny Tompo no efa anandidy ny vadiko handositra aty an-tany foana; eny, ary koa fantatro marina tokoa fa efa niaro ny zanako lahy ny Tompo ary nanafaka azy teo am-pelatanan’i Labàna sy nanome azy hery izay nahafahany bnanatontosa ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo azy. Ary dia araka izany fomba fiteny izany no nitenenany.

9 Ary ny zava-nitranga dia niravoravo fatratra izy ireo ary nanolotra afanatitra sy fanatitra ho dorana ho an’ny Tompo; ary nanolotra bfisaorana ho an’ Andriamanitry ny Isiraely.

10 Ary rehefa avy nanolotra fisaorana ho an’ Andriamanitry ny Isiraely izy ireo, dia nalain’i Lehia raiko ny rakitsoratra izay vita sokitra tamin’ny atakela-barahina ka nodinihiny hatrany am-boalohany izany.

11 Ary nahita izy fa nirakitra ny aboky dimin’i Mosesy izany, izay nanome ny tantaran’ny nahariana izao tontolo izao ary koa ny an’i Adama sy i Eva izay ray aman-drenintsika voalohany;

12 Ary koa ny arakitsoratry ny Jiosy hatrany am-piandohana ka hatreo amin’ny fiandohan’ny fanapahan’i Zedekia, mpanjakan’i Joda;

13 Ary koa ny faminanian’ireo mpaminany masina, hatrany am-piandohana ka hatreo amin’ny fanombohan’ny fanapahan’i aZedekia; ary koa faminaniana maro izay efa naloaky ny vavan’i bJeremia.

14 Ary ny zava-nitranga dia hitan’i Lehia raiko koa teo amin’ny atakela-barahina ny tetiaran’ny razambeny; koa fantany fa tamingan’i bJosefa izy; eny, dia i Josefa izay zanak’i dJakoba, izay enamidy tany Egypta, izay efa fnotsimbinin’ny tanan’ny Tompo mba hahazoany mitsimbina an’i Jakoba rainy sy ny ankohonany rehetra tsy ho fatin’ny mosary.

15 Ary izy ireo koa dia efa nentin’io Andriamanitra io ihany izay efa nitsimbina azy ireo, aniala ny fahababoana sy nivoaka ny tany Egypta.

16 Ary dia toy izany no nahitan’i Lehia raiko ny tetiaran’ny razambeny. Ary i Labàna koa dia tamingan’i aJosefa, noho izany izy sy ny razambeny dia efa nitahiry ny rakitsoratra.

17 Ary ankehitriny, nony nahita ireo zavatra rehetra ireo ny raiko, dia heniky ny Fanahy izy ary nanomboka naminany momba ny taranany—

18 Fa ireo takela-barahina ireo dia handeha any amin’ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny, ary ny mponina rehetra izay avy amin’ny taranany.

19 Noho izany dia nolazainy fa tsy ho levona ana oviana na oviana ireo takela-barahina ireo; sady tsy ho vasoky ny fotoana mihitsy. Ary naminany zavatra maro momba ny taranany izy.

20 Ary ny zava-nitranga hatramin’izay dia efa nitandrina ny didy izay efa nandidian’ny Tompo anay izaho sy ny raiko.

21 Ary efa nahazo ny rakitsoratra izay efa nandidian’ny Tompo anay izahay ary efa nodinihinay izany ka hitanay fa mahaliana; eny, asarobidy mihitsy aminy, hany ka afaka bnitahiry ireo didin’ny Tompo ho an’ireo zanakay izahay.

22 Noho izany dia fahendrena tao amin’ny Tompo ny nitondranay izany niaraka taminy, raha nandeha tany an-tany foana izahay hankany amin’ny tany nampanantenaina.