Ny soratra masina
1 Nefia 6


Toko 6

Nanoratra momba ny zavatr’ Andriamanitra i Nefia—Ny fikasan’i Nefia dia ny handresy lahatra ny olona hanatona an’ Andriamanitr’i Abrahama ary hovonjena. Tokony ho 600–592 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ankehitriny, izaho Nefia dia tsy manome ny tetiaran’ny razambeko eto aamin’ity fizaran’ny rakitsoratro ity; sady tsy homeko koa izany any aoriana, eo amin’ireto btakelaka izay soratako ireto; satria efa nomena ao amin’ny rakitsoratra izay efa notanan-ddraiko izany; noho izany aho dia tsy manoratra izany eto amin’ity asa soratra ity.

2 Satria ampy ho ahy ny milaza fa tamingan’i aJosefa izahay.

3 Ary tsy dia misy lanjany ho ahy manokana ny hanaovako fitantarana feno ny zava-drehetra momba an-draiko, satria tsy ary ho voasoratra eo aamin’ireto takelaka ireto izany noho izaho mila toerana malalaka hahazoako manoratra ny zavatr’ Andriamanitra.

4 Fa ny tena fikasako dia ny hahazoako amandresy lahatra ny olona bhanatona ny Andriamanitr’i Abrahama sy ny Andriamanitr’i Isaka ary ny Andriamanitr’i Jakoba mba hovonjena.

5 Koa tsy hanoratra ny zavatra izay amahafinaritra izao tontolo izao aho, fa ny zavatra kosa izay mahafaly an’ Andriamanitra sy ireo izay tsy an’izao tontolo izao.

6 Koa handidy ny taranako aho ny tsy hamenoany ireo takelaka ireo amin’ny zavatra izay tsy manan-danja ho an’ny zanak’olombelona.