Ny soratra masina
2 Nefia 14


Toko 14

Havotana i Ziona sy ny zanakavaviny ary hodiovina amin’ny andron’ny arivotaona—Ampitahao amin’i Isaia 4. Tokony ho 559–545 taona talohan’i Kristy.

1 Ary amin’izany andro izany dia hihazona lehilahy iray ny vehivavy fito, ka hanao hoe: Hihinana ny mofonay ihany izahay sy hitafy ny akanjonay ihany; fa aoka izahay mba hantsoina fotsiny amin’ny anaranao mba hialan’ny afahafaham-barakanay.

2 Amin’izany andro izany dia ho feno fahatsarana sy voninahitra ny asampana ao amin’ny Tompo; ho soa sy meva ny vokatry ny tany ho an’ireo izay efa ieren-doza amin’i Isiraely.

3 Ary ny zavatra hitranga dia hantsoina hoe masina ireo izay tavela ao Ziona sy mitoetra ao Jerosalema, ny tsirairay izay soratana eo anivon’ny velona ao Jerosalema—

4 aRehefa ho bvoasasan’ny Tompo ny fahalotoan’ny zanakavavin’i Ziona ary ho voadio amin’ny fanahin’ny fitsarana sy ny fanahin’ny dfandringanana ny ra izay eo afovoan’i Jerosalema.

5 Ary ny Tompo hamorona arahona sy setroka mandritra ny andro ary fahazavan’ny afo midedadeda nony alina, ho eo ambonin’ny fitoerana rehetra any an-tendrombohitr’i Ziona sy eny ambonin’ny fivoriany; satria hisy fiarovana eo ambonin’ny voninahitr’i Ziona manontolo.

6 Ary hisy tabernakely ho fialokalofana amin’ny hainandro mandritra ny andro ary ho toeram-apialofana sy fierena amin’ny tafio-drivotra sy ny ranonorana.