Ny soratra masina
2 Nefia 16


Toko 16

Nahita ny Tompo i Isaia—Navela ny fahotan’i Isaia—Nantsoina haminany izy—Naminany ny amin’ny fandavan’ny Jiosy ny fampianaran’i Kristy izy—Ny sisa tavela dia hiverina—Ampitahao amin’i Isaia 6. Tokony ho 559–545 taona talohan’i Kristy.

1 Tamin’ny ataona nahafatesan’i Ozia mpanjaka no nahitako koa ny Tompo mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianany avo sady manerinerina, ary nahafeno ny tempoly ny bebaneban’akanjony.

2 Nitsangana teo ambonin’io ny aserafima; samy nanana elatra enina avy; ny roa nanaronany ny tavany ary ny roa nanaronany ny tongony ary ny roa nanidinany.

3 Ary nifampiantsoantso izy ka nanao hoe: Masina, masina, masina, ny Tompon’ny Maro; henika ny voninahiny ny tany manontolo.

4 Ary nihozongozona ny atokonam-baravarana noho ny feon’ilay niantsoantso ary feno setroka ny trano.

5 Dia hoy aho tamin’izay: Lozako! amaty aho; satria lehilahy maloto molotra aho; ary monina eo anivon’ny olona maloto molotra; nefa ny masoko efa nahita ny Mpanjaka, ny Tompon’ny Maro.

6 Dia nanidina nanatona ahy tamin’izay ny anankiray tamin’ireo serafima nitondra avainafo teny an-tanany izay nalainy tamin’ny tandra avy teo amin’ny alitara;

7 Ary natehiny ny vavako izany ka hoy izy: Indro, efa nitehika ny molotrao io; ary esorina ny ahelokao ary avela ny fahotanao.

8 Ary nandre ny feon’ny Tompo koa aho, nanao hoe: Iza no hirahiko ary iza no handeha ho irakay? Dia hoy aho tamin’izay: Inty aho; iraho aho.

9 Dia hoy Izy: Mandehana ka lazao amin’ity vahoaka ity hoe—Mandrenesa tokoa ianareo, fa tsy nahazo izy; ary mijere tokoa ianareo, fa tsy nahita izy.

10 Ataovy matavy ny fon’ity vahoaka ity sy ataovy lalodalovana ny sofiny ary akimpio ny masony—fandrao hahita amin’ny masony izy sy ahandre amin’ny sofiny ary hahazo amin’ny fony ka hiova fo ary ho sitrana.

11 Ary hoy aho tamin’izay: Tompo ô, mandra-pahoviana? Ary hoy Izy: Mandra-panjarian’ny tanàna ho foana tsy misy mponina sy ny trano tsy misy olona ary ny tanàna ho aolo tanteraka;

12 Ary ny Tompo efa anamindra ny olona any lavitra fa hisy famoizana lehibe eo afovoan’ny tany.

13 Nefa mbola hisy ampahafolony, ary hiverina ireo ary ho levona toy ny terebinta sy ny oaka izay ao anatiny ny votoatiny rehefa manintsan-dravina izy; ka ny taranaka masina no ho avotoatiny.

      • IH tokony ho 750 taona talohan’i Kristy.

      • IH ny sombin’ny fitafiany, na ny silany.

      • HEB nihorohoro ny fototry ny tokonana.

      • HEB noesorina; i.e ankon’ny fahatsapan-tena noho ny fahotany sy ny an’ny vahoakany izy.

      • IH tandindon’ny fanadiovana.

      • IH Toy ny hazo, na dia mihintsana aza ny raviny, dia mbola velona ihany ary mbola afaka mamoa voa.