Ny soratra masina
2 Nefia 19


Toko 19

Niteny ho an’ny Mesia i Isaia—Hahita mazava lehibe ny olona ao amin’ny haizina—Zaza no nateraka ho antsika—Ho Andrian’ny Fiadanana Izy ary hanjaka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida—Ampitahao amin’i Isaia 9. Tokony ho 559–545 taona talohan’i Kristy.

1 Kanefa tsy ho tahaka ny tamin’ny androm-pahoriany ny haizina, fony izy nampijaly kely foana ny atany Zebolona sy ny tany Naftalia tany am-boalohany sy rehefa nampitondra faisana izy tato aoriana tamin’ny lalana amoron’ny Ranomasina Mena, ampitan’i Jordana, any Galilia misy ireo firenena maro.

2 Ny olona izay nandeha tao amin’ny ahaizina dia efa nahita hazavana lehibe; ireo izay mitoetra ao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no efa niposahan’ny hazavana.

3 Hamaroinao ny firenena ary aampitomboinao ny fifaliana—mifaly eo anatrehanao izy toy ny fifaliana amin’ny fararano sy toy ny olona mifaly raha mizara babo.

4 Fa notapahinao ny ziogan’ny enta-mavesany sy ny bao teo an-tsorony ary ny tsorakazon’ny mpampahory azy.

5 Fa ny ady rehetra an’ny mpiady dia arahina horakoraka mifanjevo sy fitafiana mihosin-dra; nefa dia hodorana izany, ary ho kitay ho an’ny afo.

6 Fa azaza no teraka ho antsika; zazalahy no omena antsika, ary ny bfanapahana dia ho eo an-tsorony; ary ny anarany antsoina hoe: Mahagaga, Mpanolo-tsaina, dAndriamanitra Mahery, Ny eRay Maharitra Mandrakizay, Ny Andrian’ny fFiadanana.

7 Ny fitomboan’ny afanapahany sy ny fiadanany dia btsy misy fetra eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida sy eo amin’ny fanjakany mba handidiany sy hampiorenany azy araka ny hitsiny sy ny rariny, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Ny faharisihan’ny Tompon’ny Maro no hanatanteraka izany.

8 Nandefa ny teniny ho an’i Jakoba ny Tompo, ary efa nianjera tamin’i aIsiraely izany.

9 Ary ho fantatry ny olona rehetra na dia i Efraima sy ny mponina any Samaria aza, izay miteny amin’ny fiavonavonana sy fireharehan’ny fo hoe:

10 Efa mirodana ny biriky, nefa hanorina amin’ny vato voapaika isika; efa voakapa ny aviavy fa hosolointsika sedera kosa izy.

11 Koa ny Tompo no hanangana ny fahavalon-adRezina hanohitra azy ary hampiray hina ny fahavalony Izy;

12 Ny Syriana eo anoloana ary ny Filistina aty aoriana; ary ahitelina an’i Isiraely amin’ny vavany mitanatana ireo. Na dia eo aza izany rehetra izany dia tsy mitony ny bfahatezerany fa mbola mihinjitra ny tanany.

13 Satria ny olona tsy amitodika amin’izay mamely azy sady tsy mitady ny Tompon’ny Maro.

14 Noho izany dia hotapahin’ny Tompo hiala amin’i Isiraely ao anatin’ny indray andro ny loha sy ny rambo, ny sampan-drofia sy ny zozoro.

15 Ny zokiolona, izy no loha; ary ny mpaminany izay mampianatra lainga, izy no rambo.

16 Fa ny mpitondra ity vahoaka ity no mampaniasia azy; ary ireo izay tarihiny dia fongana.

17 Koa tsy hanam-pifaliana amin’ny zatovolahiny ny Tompo sady tsy hanana afamindram-po amin’ny kambotiny sy ny mpitondratenany; satria izy rehetra dia samy mpihatsaravelatsihy sy mpanao ratsy, ary ny vava tsirairay dia miteny bhadalana. Na dia eo aza izany rehetra izany, dia tsy mitony ny fahatezerany fa mbola mihinjitra ny dtanany.

18 Fa mirehitra toy ny afo ny faharatsiana; handevona ny hery sy ny tsilo izany sady hampiredaka ny ala mikirindro ka hitambolina hiakatra ireo toy ny fiakaran’ny setroka.

19 Noho ny fahaviniran’ny Tompon’ny Maro dia nihamaizina ny tany ary haroso ny afo toy ny kitay ny olona; atsy hisy hitsitsy ny rahalahiny.

20 Handroba amin’ny tanany havanana izy fa ho noana ihany; ary ahihinana amin’ny tanany havia fa tsy ho voky; samy hihinana ny nofon-tsandriny avy ny tsirairay—

21 I aManase hamely an’i bEfraima, ary i Efraima hamely an’i Manase; hiara-hamely an’i dJoda izy roa tonta. Na dia eo aza izany rehetra izany dia tsy mitony ny fahatezerany fa mbola mihinjitra ny tanany.