Ny soratra masina
2 Nefia 21


Toko 21

Hitsara araka ny rariny ny vatan’i Jese (i Kristy)—Hahenika ny tany ny fahalalana an’ Andriamanitra amin’ny Arivotaona—Hanangana faneva ny Tompo ka hanangona an’i Isiraely—Ampitahao amin’i Isaia 11. Tokony ho 559–545 taona talohan’i Kristy.

1 Ary hisy asolofo hitsimoka amin’ny bvatan’i dJese ary hisy sampana haniry amin’ny fakany.

2 Ary ny aFanahin’ny Tompo hitoetra Aminy, dia ny fanahin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina, ny fanahin’ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana, ny fanahin’ny fahalalana sy ny fatahorana ny Tompo;

3 Ka hahatonga ny faharanitan-tsainy ho mailaka amin’ny fahatahorana ny Tompo; dia tsy ahitsara araka ny hitan’ny masony Izy, na hitsara araka ny ren’ny sofiny.

4 Fa hitsara kosa ny mahantra araka ny arariny Izy ary bhitsara ny dmalemy fanahin’ny tany araka ny hitsiny; ary Izy hamely ny tany amin’ny tsora-kazon’ny vavany ary amin’ny fofonain’ny molony no hamonoany ny olon-dratsy.

5 Ary fahamarinana no ho sikina aam-balahany ary fahatokiana no ho fehin-kibo am-balahany.

6 Ny amboadia koa hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry ary ny leôparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy ary ny zanak’omby sy ny liona tanora ary ny omby mifahy miaraka; ary zazakely no hiroaka azy.

7 Ary ny ombivavy sy ny bera hiara-komana; ny zanany hiara-mandry; ary ny liona hihina-mololo toy ny omby.

8 Ary ny zaza minono hilalao amin’ny lavaky ny avipera ary ny zaza misara-nono hametraka ny tanany eo amin’ny blavaky ny menarana.

9 Sady atsy handratra no tsy handrava eran’ny tendrombohitro masina rehetra ireo fa ho henika ny bfahalalana ny Tompo ny tany, tahaka ny rano mandrakotra ny ranomasina.

10 Ary aamin’izany andro izany dia hisy bfakan’i Jese iray izay hitsangana ho fanevan’ny vahoaka; dIzy no hotadiavin’ny eJentilisa; ary ho feno voninahitra ny fitsaharany.

11 Ary ny zavatra hitranga amin’izany andro izany dia haninjitra ny tanany afanindroany indray ny Tompo mba hanavotra ny sisa tavela amin’ny vahoakany izay avy any Asyria sy avy any Egypta, sy avy any Patrosa, sy avy any Kosy, ary avy any Elama sy avy any Sinara, ary avy any Hamata sy avy amin’ireo nosin-dranomasina.

12 Ary Izy hanangana afaneva iray ho an’ny firenena ka hanangona ny bvoasesi-tany tamin’i Isiraely sy dhamory avy any amin’ny vazan-tany efatra ireo izay niely patrana tamin’i Joda.

13 Ho foana koa ny afialonan’i Efraima ary hofongorana ny fahavalon’i Joda; i bEfraima tsy hialona an’i dJoda, ary i Joda tsy hihantsy an’i Efraima.

14 Fa ahanidina kosa hankany andrefana eo ambony soroky ny Filistina ireo; hiara-mambabo ny avy any atsinanana ireo; haninjitra ny tanany amin’i Edoma sy i Moaba ireo; ary hanoa azy ny zanak’i Amona.

15 aHandritra tanteraka ny helodranomasin’i Egypta ny Tompo; ary amin’ny rivony mahery no hanetsiketsehany ny tanany eo ambonin’ny renirano sy hamelezany azy mba hisampanany fito ka hampandehanany ny olona tsy miala kapa.

16 Ary hisy alalana ho an’ny olony sisa izay ho tavela izay sisa avy any Asyria, toy ny nisian’izany ho an’i Isiraely tamin’ny andro niakarany avy tany amin’ny tany Egypta.