Ny soratra masina
2 Nefia 25


Toko 25

Nirehareha ny amin’ny fanazavan-tsaina i Nefia—Hazava ny faminanian’i Isaia amin’ny andro farany—Ny Jiosy dia hiverina avy any Babylona, hanombo ny Mesia sy haely patrana ary hampahoriana—Hampodiana izy rehefa mino ny Mesia—Ho tonga voalohany Izy, eninjato taona taorian’ny nandaozan’i Lehia an’i Jerosalema—Nitandrina ny lalàn’i Mosesy ny Nefita sady nino an’i Kristy, dia ny Iray Masin’ny Isiraely. Tokony ho 559–545 taona talohan’i Kristy.

1 Ankehitriny, izaho Nefia dia somary miresaka momba ny teny izay efa nosoratako, izay efa notenenin’ny vavan’i Isaia. Fa indro, i Isaia dia nilaza zavatra maro izay asarotra ho an’ny ankamaroan’ny oloko ny mahazo izany; noho izy tsy mahalala ny fomban’ny faminaniana teo amin’ny Jiosy.

2 Fa izaho Nefia dia tsy nampianatra azy zavatra maro momba ny fomban’ny Jiosy; satria ny aasany dia asan’ny maizina ary ny ataony dia naneho fahavetavetana.

3 Koa manoratra ho an’ny oloko aho, ho an’ireo rehetra izay handray ireto zavatra izay soratako ireto rahatrizay mba hahazoany mahalala ny fitsaran’ Andriamanitra izay hihatra amin’ny firenena rehetra, araka ny teny izay efa nolazainy.

4 Koa mihainoa ry vahoakako izay isan’ny mpianakavin’i Isiraely ary atongilano amin’ny teniko ny sofina; satria na dia tsy mazava aminareo aza ny tenin’i Isaia, dia mazava kosa izany amin’ireo rehetra izay heniky ny afanahin’ny bfaminaniana. Fa omeko faminaniana iray ianareo araka ny fanahy izay ao anatiko; koa haminany aho araka ny dfahazavana izay efa nomba ahy hatry ny fotoana izay nandaozako an’i Jerosalema niaraka tamin-draiko; satria indro, finaritra ao amin’ny fanazavana ny sain’ny oloko ny fanahiko mba hahazoany mianatra.

5 Eny, finaritra amin’ny tenin’i aIsaia ny fanahiko fa nivoaka avy tany Jerosalema aho, ary ny masoko efa nahita ny zavatry ny bJiosy, ary fantatro fa ny Jiosy dia mahazo ny zavatry ny mpaminany, ary tsy misy olona hafa izay mahatakatra ny zavatra izay efa nolazaina ny Jiosy tahaka azy, raha tsy hoe efa nampianarina araka ny fomban-javatra teo amin’ny Jiosy izy.

6 Nefa indro izaho Nefia dia tsy nampianatra ny zanako araka ny fomban’ny Jiosy; nefa indro, izao tenako izao dia efa nonina tao Jerosalema, koa fantatro ny amin’ireo toerana manodidina; ary efa nasiako teny tamin’ny zanako ny momba ny fitsaran’ Andriamanitra izay efa anitranga teo anivon’ny Jiosy araka izay rehetra efa nolazain’i Isaia ka tsy hanoratra izany aho.

7 Nefa indro tohiziko ny faminaniako araka ny afahazavan-tsaiko; izay nahalalako fa tsy misy olona afaka mandiso hevitra; kanefa, amin’ny andro izay hahato ireny faminanian’i Isaia ireny, dia hahafantatra marina tokoa ny olona rehefa ho tanteraka izy ireny amin’ny fotoany.

8 Koa amanan-danja ho an’ny zanak’olombelona izy ireny, ary izay mihevitra fa tsy izany, dia ho azy indrindra no hitenenako, ary ferako ho an’ny boloko ihany ny teniko; satria fantatro fa izy ireny dia hanan-danja lehibe ho azy amin’ny dandro farany; satria amin’izany andro izany no hahatakarany azy ireny; koa mba hahasoa azy no nanoratako azy ireny.

9 Ary toy ny efa anamongorana ny taranaka iray teo amin’ny Jiosy noho ny helony, no efa namongorana ihany koa ny taranaka fara mandimby noho ny helony ary tsy nisy na oviana na oviana nofongorana taminy raha tsy efa bnampilaza mialoha taminy ny mpaminanin’ny Tompo.

10 Noho izany dia efa nolazaina azy ny amin’ny famongorana izay hihatra aminy avy hatrany, taorian’ny nandaozan-draiko an’i Jerosalema; kanefa nanamafy ny fony izy; ary araka ny faminaniako, dia efa afongana izy afa-tsy ireo izay bnentina ho babo tany Babylona.

11 Ary ankehitriny, izany no lazaiko noho ny fanahy izay ato anatiko. Ary na dia nentina any aza anefa izy dia mbola hiverina indray mba hizaka ny tanin’i Jerosalema; noho izany izy dia ahampodiana ho amin’ny laoniny indray any amin’ny tany lovany.

12 Nefa indro, ho tojo ady sy tabataban’ady izy; ary raha avy ny andro izay hanehoan’ny aZanaka Lahitokan’ny Ray, eny, dia ny Rain’ny lanitra sy ny tany, ny tenany ao amin’ny nofo aminy, dia indro hitsipaka Azy izy noho ny helony sy ny hamafin’ny fony ary ny fihenjanan’ny hatony.

13 Indro, ahohomboany Izy; ary rehefa avy nampandriana tao am-bpasana nandritra ny dtelo andro Izy, dia ehitsangana amin’ny maty miaraka amin’ny fanasitranana ao amin’ny elany; ary ireo rehetra izay hino ny anarany no hovonjena ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Koa finaritra amin’ny faminaniana ny momba Azy ny fanahiko, satria efa fnahita ny androny aho, ary ny foko dia midera ny anarany masina.

14 Ary indro, ny zavatra hitranga, rehefa avy nitsangana tamin’ny maty ny aMesia sy naneho ny tenany tamin’ny olony, tamin’ny rehetra izay nety nino ny anarany, dia indro, bhoravana indray i Jerosalema; ka lozan’ireo izay miady amin’ Andriamanitra mbamin’ny olon’ny fiangonany.

15 Koa ahaely patrana any anivon’ny firenena rehetra ny bJiosy; eny, ary horavana koa i dBabylona; noho izany dia haelin’ny firenen-kafa ny Jiosy.

16 Ary rehefa avy naely patrana izy, ary ny Tompo Andriamanitra efa nikaravasy azy tamin’ny alalan’ny firenen-kafa nandritra ny taranaka maro, eny, na dia hatramin’ny taranaka fara mandimby aza izany, mandra-paharesy lahatra azy ka ahinoany an’i Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra sy ny sorompanavotana izay tsisy fetra ho an’ny olombelona rehetra—ary rehefa ho avy izany andro izany, izay hinoany an’i Kristy sy hiderany ny Ray amin’ny anarany amin’ny fo mahitsy sy ny tanana madio ary tsy hiandrandrany Mesia hafa intsony, amin’izany fotoana izany dia ho tonga ny andro izay tsy maintsy ilaina ny hinoany ireo zavatra ireo.

17 Ary haninjitra ny tanany fanindroany indray ny Tompo ahampodiana amin’ny laoniny ny olony ho afaka amin’ny toetry ny fahaverezana sy ny fahalavoana. Noho izany Izy dia hanomboka hanao asa bmahagaga sy mahatalanjona eo anivon’ny zanak’olombelona.

18 Noho izany Izy dia hampitondra ny ateniny any aminy, dia ny teny izay bhitsara azy amin’ny andro farany, satria homena ireny izy hoenti-mandresy lahatra azy ny amin’ny tena Mesia izay notsipahiny; sy dhandresen-dahatra azy fa tsy ilainy ny hiandrandrany intsony Mesia iray izay ho avy, satria tsy hisy ho avy intsony afa-tsy eMesia sandoka izay hamitaka ny olona; satria tsy misy afa-tsy Mesia iray ihany no voalazan’ny mpaminany, ary io no Ilay Mesia izay hotsipahan’ny Jiosy.

19 Fa araka ny tenin’ny mpaminany, dia ho avy ny aMesia, beninjato taona taorian’ny fotoana nandaozan-draiko an’i Jerosalema; ary araka ny tenin’ny mpaminany ary koa ny tenin’ilay danjelin’ Andriamanitra, dia ho Jesoa Kristy no anarany, ilay Zanak’ Andriamanitra.

20 Ary ankehitriny ry rahalahiko, efa nilaza mazava tsara taminareo aho mba tsy hahafahanareo mandiso hevitra. Ary raha velona koa ny Tompo Andriamanitra izay anitondra ny Isiraely hiala ny tany Egypta sy nanome fahefana an’i Mosesy bhanasitranany ny vahoaka rehefa avy nokaikerin’ny dmenarana misy poizina ireo, raha atopin’izy ireo ny masony any amin’ilay menarana izay natsangany teo anoloany, ary nanome azy koa fahefana hikapoka ny evatolampy ka dia niboiboika ny rano; eny, indro hoy aho aminareo, fa raha marina ireo zavatra ireo ary raha velona koa ny Tompo Andriamanitra, dia tsy misy fanarana hafa nomena ambanin’ny lanitra hahafahana mamonjy ny olona afa-tsy ny anaran’i Jesoa Kristy, izay efa noteneniko.

21 Koa noho izany antony izany no efa nampanantenain’ny Tompo Andriamanitra ahy fa horaketina sy hotehirizina ireto zavatra izay asoratako ireto ka hatolotra ny solofoko sy ny taranaka fara mandimby mba ho tanteraka ny fampanantenana natao tamin’i Josefa, fa tsy ho bfongana na oviana na oviana ny taranany raha mbola mijoro koa ny tany.

22 Noho izany ireto zavatra ireto dia hatolotra ny taranaka fara mandimby raha mbola mijoro koa ny tany; ary handeha ireto araka ny sitrapo sy ny safidin’ Andriamanitra, ka ny firenena izay hanana ireto dia ahotsarainy araka ny teny izay voasoratra.

23 Fa miasa araka ny zotom-po isika hanoratra mba ahandresy lahatra ny zanatsika ary koa ny rahalahintsika mba hinoany an’i Kristy sy hihavanany amin’ Andriamanitra; satria fantatsika fa noho ny bfahasoavany no hamonjena antsika rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika datao.

24 Ary na dia mino an’i Kristy aza isika dia amitandrina ny lalàn’i Mosesy sady miandrandra an’i Kristy amin’ny fiorenana mafy, mandra-pahatanteraky ny lalàna.

25 Fa izany no antony nanomezana ny alalàna; koa ny lalàna dia tonga bmaty amintsika, ary velomina ao amin’i Kristy isika noho ny finoantsika; kanefa dia mitandrina ny lalàna isika noho ny didy.

26 Ary amiresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy, mitory an’i Kristy, bmamin’ny ny amin’i Kristy, ary manoratra araka ny faminaniantsika mba hahafantaran’ny dzanatsika ny loharano azony andrandraina ho efamelana ny fahotany.

27 Koa miresaka ny amin’ny lalàna isika mba hahalalan’ny zanatsika ny fahafatesan’ny lalàna; ary ny fahalalany ny fahafatesan’ny lalàna no hahazoany miandrandra ny fiainana izay ao amin’i Kristy sy mahafantatra ny zava-kinendry tamin’ny nanomezana ny lalàna. Ary rehefa tanteraka ao amin’i Kristy ny lalàna, dia tsy ilaina ny hanamafisany ny fony Aminy rehefa tsy maintsy hofoanana ny lalàna.

28 Ary ankehitriny indro rey olona, ianareo dia olona amafy hatoka; izany no efa niresahako mazava tsara taminareo mba tsy hahafahanareo mandiso hevitra. Ary ny teny efa nolazaiko dia hijoro ho toy ny bvavolombelona hanohitra anareo; satria ireny dia ampy dhampianatra ny tsirairay ny lala-mahitsy; satria ny lala-mahitsy dia ny mino an’i Kristy fa tsy ny mandà Azy; fa amin’ny fandavanareo Azy, dia mandà ihany koa ny mpaminany sy ny lalàna ianareo.

29 Ary ankehitriny, indro lazaiko aminareo fa ny mino an’i Kristy no lala-mahitsy fa tsy ny mandà Azy; ary i Kristy no Iray Masin’ny Isiraely; koa ianareo dia tsy maintsy miankohoka eo anoloany sy mitsaoka Azy amin’ny ahery, ny saina ny tanjaka, ary ny fanahinareo rehetra; ary raha manao izany ianareo dia tsy holavina velively.

30 Ary raha tany ka mbola ilaina izany, dia tsy maintsy mitandrina ny fomba sy ny aôrdônansin’ Andriamanitra ianareo mandra-pahatanteraky ny lalàna izay nomena an’i Mosesy.