Ny soratra masina
2 Nefia 26


Toko 26

Hampianatra ny Nefita i Kristy—Nahita ny famongorana ny olony i Nefia—Hiteny avy amin’ny vovoka ireo—Hanorina fiangonana sandoka sy firaisana tsikombakomba miafina ny Jentilisa—Ny Tompo dia nandrara ny olona tsy hampiasa ny komiberaky ny mpisorona. Tokony ho 559–545 taona talohan’i Kristy.

1 Ary rehefa avy anitsangana tamin’ny maty i Kristy dia bhaneho ny tenany aminareo ry zanako sy rahalahiko malala; ka ny teny holazainy aminareo no ho dlalàna harahinareo.

2 Fa indro lazaiko aminareo fa efa tsinjoko fa taranaka maro no hifandimby, ary dia hisy ady lehibe sy fifandirana eo anivon’ny oloko.

3 Ary rehefa tonga ny Mesia, dia hisy afamantarana homena ny oloko ny amin’ny bfahaterahany ary koa ny fahafatesany sy ny fitsanganany amin’ny maty; ary ho lehibe sy mahatahotra izany andro izany ho an’ny ratsy fanahy, satria ho faty izy; ary ho faty izy, satria mandroaka ny mpaminany sy ny olomasina ka mitora-bato sy mamono ireny; noho izany, dia hiakatra avy amin’ny tany ka hankany amin’ Andriamanitra ny antson’ny dran’ireo olomasina hiampanga azy.

4 Noho izany, ny mpiavonavona rehetra sy ny mpanao ratsy, dia ny andro izay ho avy no ahandoro azy, hoy ny Tompon’ny Maro, fa ho toy ny vodivary izy.

5 Ary ireo izay mamono ny mpaminany sy ny olomasina, dia ny halalin’ny tany no ahitelina azy, hoy ny Tompon’ny Maro; ary ny btendrombohitra no handrakotra azy, hindaosin’ny tadio izy ary hianjera aminy ny trano ka hanamontsamontsana sy hanorotoro azy ho vovoka.

6 Ary hovangiana amin’ny varatra sy ny tselatra ary ny horohoron-tany sy amin’ny fomba fandringanana rehetra izy, satria hirehitra aminy ny afon’ny fahatezeran’ny Tompo ary dia ho toy ny vodivary izy, ary ny andro izay ho avy no handevona azy hoy ny Tompon’ny Maro.

7 Izany fanaintainana sy fangirifirian’ny fanahiko iky noho ny famoizana ny voavono tamin’ny oloko! Satria izaho Nefia dia efa nahita izany ka efa saika nandevona ahy izany manoloana ny fiatrehana ny Tompo; kanefa dia tsy maintsy miantso an’ Andriamanitro aho hoe: aMahitsy ny lalanao.

8 Nefa indro, ny marina izay mihaino ny tenin’ny mpaminany, ka tsy mandringana azy fa miandrandra amin’ny fiorenana kosa ao amin’i Kristy ny famantarana izay omena, na dia eo aza ny afanenjehana rehetra—dia indro ireo no ireo izay btsy ho faty.

9 Fa ahiseho amin’ireo kosa ny Zanaky ny Fahamarinana; ary bhositraniny ireo sy hanana dfiadanana miaraka Aminy, mandra-pahalasana ny etaranaka telo mifanesy, ary maro amin’ny ftaranaka fahefatra no ho lasana ao anatin’ny fahamarinana.

10 Ary rehefa lasa ireo zavatra ireo, dia avy faingana amin’ny oloko ny afamongorana; fa na dia teo aza ny fanaintainan’ny fanahiko dia efa nahita izany aho; koa fantatro fa hitranga izany; ary mivarotra ny tenany amin’ny tsinontsinona izy; satria ho tambin’ny fiavonavonany sy ny fahadalany dia hioty famongorana izy; satria manaiky ny devoly izy sy mifidy ny asan’ny maizina toy izay ny mazava, dia tsy maintsy midina any amin’ny bhelo izy.

11 Fa ny Fanahin’ny Tompo dia tsy ahitaona ny olona mandrakariva. Ary rehefa mitsahatra ny fiarahan’ny Fanahy miady amin’ny olona, dia avy faingana ny famongorana, ary izany dia mampahory ny fanahiko.

12 Ary tahaka ny nilazako ny momba ny ahandresen-dahatra ny bJiosy, fa i Jesoa no dtena Kristy dia tsy maintsy ilaina koa ny handresen-dahatra ny Jentilisa fa i Jesoa no Kristy, Ilay Andriamanitra Mandrakizay;

13 Izay maneho ny tenany amin’izay rehetra mino Azy, noho ny herin’ny aFanahy Masina; eny, amin’ny firenena, ny foko, sy ny samy hafa fiteny, ary ny mponina tsirairay, amin’ny fanaovany fahagagana lehibe sy famantarana ary zava-mahatalanjona eo anivon’ny zanak’olombelona araka ny finoany avy.

14 Nefa indro, mamin’ny aminareo ny amin’ny aandro farany aho; ny amin’ny andro izay bhanehoan’ny Tompo Andriamanitra ireo zavatra ireo amin’ny zanak’olombelona.

15 Rehefa avy nihemotra tao amin’ny tsy finoana ny taranako sy ny taranaky ny rahalahiko, ary efa nofaizin’ny Jentilisa; eny, rehefa avy nitoetra nanodidina azy ny Tompo Andriamanitra sady nanao fahirano azy tamin’ny havoana iray ary nanangana toerana mimanda iray hanoherana azy; ary rehefa avy naetry hiosim-bovoka izy, ka tsy misy miangana intsony, dia mbola hosoratana ny tenin’ny marina sy hohenoina ny vavaky ny mahatoky ka tsy hohadinoina ireo rehetra izay efa nihemotra tao amin’ny tsy finoana.

16 Fa ireo izay hofongorana dia ahiteny aminy avy ao amin’ny tany, ary ny lahateniny dia hibitsika avy ao amin’ny vovoka ary ny feony dia ho toy ny an’ny olona izay tsindrian’ny fanahy; fa ny Tompo Andriamanitra hanome azy fahefana hahafahany mibitsibitsika ny momba azy, na dia ho toy ny nivoaka avy tamin’ny tany aza izany; ary ny lahateniny dia hibitsibitsika avy ao amin’ny vovoka.

17 Fa izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra: aHanoratra ny zavatra izay hovitaina eo anivony izy ary hosoratana ireny ka hofehezina ao anaty boky iray, ary tsy hahazo ireny ireo izay efa nihemotra tao amin’ny tsy finoana, satria bmikatsaka ny handrava ny zavatr’ Andriamanitra izy.

18 Noho izany, satria ireo izay efa nofongorana, dia efa nofongorana faingana tokoa; ary ny sarambaben’ny olony lozabe dia ho tahaka ny aakofa izay mielina—eny, dia izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra: Hitranga ao amin’ny indray mipi-maso izany, tampoka—

19 Ary ny zavatra hitranga dia ahokapohin’ny tanan’ny Jentilisa ireo izay efa nihemotra tao amin’ny tsy finoana.

20 Ary asandratra ao amin’ny afiavonavonan’ny masony ny Jentilisa ka efa btafintohina noho ny fahalehibeazan’ny dvato fahatafintohinany, ka dia nanorina efiangonana maro izy; kanefa dia nambaniany ny hery sy ny fahagagan’ Andriamanitra, ary dia nitory tamin’ny tenany ny fahendreny ihany sy ny ffahaizany ihany izy mba hahazoany harena sy ghanosihoseny ny tavan’ny mahantra.

21 Ary nisy maro ny fiangonana miorina izay miteraka afialonana sy fifandirana ary fietraketrahana.

22 Ary misy koa ny atsikombakomba miafina, toy ny tamin’ny andro fahiny, araka ny tsikombakomban’ny devoly, satria izy no fototr’ireo zavatra rehetra ireo; eny, izy no fototry ny vonoan’olona sy ny asan’ny maizina; eny, taritiny eo amin’ny vozony amin’ny tadin-drongony malefaka ireo mandra-pamatorany azy ireo mandrakizay amin’ny tady mahazaka.

23 Fa indro lazaiko aminareo, ry rahalahiko malala, fa tsy miasa ao amin’ny maizina ny Tompo Andriamanitra.

24 Izy dia tsy manao na inona na inona afa-tsy izay ho tombontsoan’izao tontolo izao; satria atia izao tontolo izao Izy ka nomeny na dia ny ainy aza mba hisarihany ny bolona rehetra hanatona Azy. Noho izany Izy dia tsy mandidy na iza na iza tsy handray anjara amin’ny famonjeny.

25 Indro, moa misy antsoiny va ka ataony hoe: Mialà Amiko? Indro, lazaiko aminareo, Tsia; fa hoy kosa Izy: aAvia aty Amiko ianareo rehetra faran’ny tany, bmividiana ronono sy tantely, nefa tsy amim-bola na amin-karena.

26 Indro, moa misy efa nodidiany va ny handaozany ny sinagoga na ny hialany amin’ny trano fivavahana? Indro lazaiko aminareo, Tsia.

27 Moa misy efa nodidiany va ny tsy handraisany anjara amin’ny afamonjeny? Indro lazaiko aminareo, Tsia; fa efa bnomeny maimaim-poana ny olon-drehetra kosa izany; sady efa nandidy ny vahoakany Izy ny handreseny lahatra ny olon-drehetra ho amin’ny dfibebahana.

28 Indro, moa misy efa nodidian’ny Tompo va ny tsy handraisany anjara amin’ny hatsaram-pony? Indro lazaiko aminareo, Tsia; fa manan-jo hitovy ny aolon-drehetra, ka tsy misy voarara amin’izany.

29 Mandidy Izy ny tsy hisian’ny akomiberaky ny mpisorona; fa indro, ny komiberaky ny mpisorona dia ny olona izay mitory sy mametraka ny tenany ho fahazavan’izao tontolo izao mba hahazoany harena sy blaza avy amin’izao tontolo izao; nefa tsy mikatsaka ny fiadanana ho an’i Ziona izy.

30 Indro, efa nandrara izany zavatra izany ny Tompo; koa efa nanome didy ny Tompo Andriamanitra fa ny olon-drehetra dia tokony hanana afiantrana, dia fiantrana izay bfitiavana. Ary raha tsy manana fiantrana izy dia ho tsinontsinona. Koa raha manana fiantrana izy dia tsy hamela ny mpiasa any Ziona ho faty.

31 Fa hiasa ho an’i aZiona ny mpiasa any Ziona; fa ho faty kosa izy raha miasa hahazoam-bbola.

32 Ary efa anandidy ny olona ihany koa ny Tompo Andriamanitra tsy hamonoany olona; tsy handaingany; tsy hangalarany; tsy bhanononany foana ny anaran’ny Tompo Andriamaniny; tsy hialonany; tsy hananany fo lentika; tsy hifandirany; tsy hijangajangany; ary ny tsy hanaovany na inona na inona amin’ireo zavatra ireo; fa na zovy na zovy no manao ireo dia ho faty izy.

33 Fa samy tsy misy avy amin’ny Tompo ireo heloka ireo; satria manao izay tsara eo anivon’ny zanak’olombelona Izy; ary tsy manao na inona na inona afa-tsy izay mazava amin’ny zanak’olombelona Izy; ary manainga ny rehetra Izy hanatona Azy sy hanana anjara amin’ny hatsaram-pony; ary atsy mandà izay manatona Azy Izy; na mainty na fotsy, na andevo na olon’afaka; na lahy na vavy; ary mahatsiaro ny bhafa firenena Izy; ary ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny drehetra na Jiosy na Jentilisa.