Ny soratra masina
2 Nefia 31


Toko 31

Nilaza ny antony nanaovana batisa an’i Kristy i Nefia—Tsy maintsy hanara-dia an’i Kristy ka hatao batisa sy handray ny Fanahy Masina ary haharitra hatramin’ny farany ny olona mba hovonjena—Ny fibebahana sy ny batisa no varavaran’ny lalana ety sy tery. Ny fahatongavan’ny fiainana mandrakizay amin’ireo izay nitandrina ny didy rehefa avy natao batisa. Tokony ho 559–545 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ankehitriny, izaho Nefia dia mamarana ny afaminaniako aminareo ry rahalahiko malala. Ary izaho tsy afa-manoratra afa-tsy zavatra vitsivitsy izay fantatro fa tsy maintsy hitranga marina tokoa; no tsy afa-manoratra koa afa-tsy vitsivitsy amin’ny tenin’i Jakoba rahalahiko.

2 Koa ampy ho ahy ny zavatra izay efa nosoratako afa-tsy teny vitsivitsy izay tsy maintsy lazaiko momba ny afotopampianaran’i Kristy; noho izany, dia hiteny aminareo mazava tsara aho, araka ny fahazavan’ny faminaniako.

3 Fa finaritra amin’ny fahazavan-tsaina ny fanahiko; fa amin’izany fomba izany no iasan’ny Tompo Andriamanitra eo anivon’ny zanak’olombelona. Fa manome afahazavana ho an’ny faharanitan-tsaina ny Tompo Andriamanitra; fa miteny amin’ny olona Izy araka ny bfiteniny mba hahazoan’ny olona Azy.

4 Koa mba tiako ho tadidinareo fa izaho efa niresaka taminareo ny momba ilay ampaminany izay nasehon’ny Tompo ahy, izay tokony hanao batisa ny bZanakondrin’ Andriamanitra izay hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao.

5 Ary ankehitriny, raha ny Zanakondrin’ Andriamanitra, izay masina aza, dia ilaina hatao abatisa amin’ny rano mba hahatanteraka ny fahamarinana rehetra, Ô tsy mainka va isika izay tsy masina amin’izany no tena mila hatao batisa, eny, dia amin’ny rano izany!

6 Ary ankehitriny, te hanontany anareo aho ry rahalahiko malala, ahoana no nahatanterahan’ny Zanakondrin’ Andriamanitra ny fahamarinana rehetra tamin’ny nanaovana batisa Azy tamin’ny rano?

7 Tsy fantatrareo va fa masina Izy? Nefa na dia masina aza Izy dia asehony ny zanak’olombelona araka ny maha-nofo, fa manetry ny tenany eo anoloan’ny Ray Izy ary mijoro ho vavolombelona amin’ny Ray, fa ahankatò Azy amin’ny fitandremana ny didiny.

8 Koa nony efa vita batisa tamin’ny rano Izy dia nidina teo Aminy tamin’ny aendriky ny bvoromahailala ny Fanahy Masina.

9 Ary mampiseho indray amin’ny zanak’olombelona izany fa ety ny lalana ary tery ny avavahady izay tokony hidirany, ka ny tenany no efa nataony ohatra taminy.

10 Ary niteny tamin’ny zanak’olombelona Izy hoe: aManaraha Ahy. Noho izany ry rahalahiko malala, ahoana no ahazoantsika bmanara-dia an’i Jesoa raha tsy vonona ny hitandrina ny tenin’ny Ray isika?

11 Ary niteny ny Ray hoe: Mibebaha ianareo, mibebaha ianareo ka aoka hatao batisa amin’ny anaran’ny Zanako Malalako.

12 Ary tonga tamiko koa ny feon’ny Zanaka, manao hoe: Izay atao batisa amin’ny anarako no ahomen’ny Ray ny Fanahy Masina, tahaka Ahy; koa bmanaraha Ahy ary ataovy ny zavatra izay efa hitanareo fa ataoko.

13 Noho izany ry rahalahiko malala dia fantatro fa raha manara-dia ny Zanaka ianareo, amin’ny finiavan’ny fonareo manontolo, tsy manao amin’ny fihatsarambelatsihy sady tsy misy fitaka eo anoloan’ Andriamanitra fa omban’ny fikasana marina, mibebaka amin’ny fahotanareo, mijoro ho vavolombelona amin’ny Ray fa vonona hitondra ny anaran’i Kristy amin’ny abatisa—eny, amin’ny fanarahana ny Tomponareo sy ny Mpamonjy anareo midina ao anaty rano araka ny teniny, dia indro fa horaisinareo ny Fanahy Masina amin’izany; eny, amin’izany dia ho tonga ny bbatisan’ny afo sy ny Fanahy Masina; ary amin’izany dia ho afaka miteny amin’ny dfitenin’ny anjely ianareo ary hiantsoantso fiderana ny Iray Masin’ny Isiraely.

14 Nefa indro, ry rahalahiko malala, fa toy izao ny feon’ny Zanaka tonga tamiko, manao hoe: Rehefa mibebaka amin’ny fahotanareo ianareo sy mijoro ho vavolombelona amin’ny Ray fa vonona ny hitandrina ny didiko amin’ny alalan’ny batisan’ny rano ary mandray ny batisan’ny afo sy ny an’ny Fanahy Masina ary afaka miteny amin’ny fiteny vaovao, eny, dia amin’ny fitenin’ny anjely, ary rehefa izany ka mbola ahandà Ahy ihany, dia ho btsaratsara kokoa ho anareo ny tsy nahafantatra Ahy.

15 Ary nandre ny feo avy tamin’ny Ray aho, manao hoe: Eny, marina sy mahatoky ny tenin’ny Malalako. Izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.

16 Ary ankehitriny, ry rahalahiko malala, fantatro araka izany, fa raha tsy amaharitra hatramin’ny farany ny olona amin’ny fanarahana ny bohatry ny Zanak’Ilay Andriamanitra velona, dia tsy ho azo vonjena izy.

17 Koa, ataovy ny zavatra izay efa nolazaiko anareo, izay efa hitako fa hataon’ny Tomponareo sy ny Mpanavotra anareo; satria izany no antony nampisehoana ahy izany mba hahafantaranareo ny vavahady tokony hidiranareo. Satria ny vavahady izay tokony hidiranareo dia ny fibebahana sy ny abatisa amin’ny rano; ary avy eo dia tonga ny bfamelana ny fahotanareo amin’ny alalan’ny afo sy ny Fanahy Masina.

18 Ary efa mby amin’ny alalana bety sy tery izay mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay ianareo amin’izany; eny, efa niditra tamin’ny vavahady; efa nanao araka ny didin’ny Ray sy ny Zanaka; ary efa nandray ny Fanahy Masina izay mijoro ho dvavolombelona amin’ny Ray sy ny Zanaka ho fanatanterahina ny fampanantenana izay efa nataony fa raha toa ianareo miditra amin’ny lalana dia handray.

19 Ary ankehitriny ry rahalahiko malala, rehefa nihazo ny lalana ety sy tery ianareo dia mba te hanontany anareo aho raha toa ka efa avita ny zava-drehetra. Indro lazaiko anareo, Tsia; satria tsy ho tonga hatreo amin’izay isianareo ianareo, raha tsy noho ny tenin’i Kristy sy ny bfinoanareo Azy tsy voahozongozona ary ny dfianteheranareo tanteraka amin’ny fahamendrehan’ilay Mahery ka mahavonjy.

20 Noho izany dia tsy maintsy amibosesika handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy ianareo, amin’ny fanananareo bfanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ny dfitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra. Koa raha mibosesika handroso ianareo ka mivoky amin’ny tenin’i Kristy ary emaharitra hatramin’ny farany, dia indro, izao no lazain’ny Ray: Hahazo ny fiainana mandrakizay ianareo.

21 Ary ankehitriny, indro ry rahalahiko malala, izany no alalana; ary btsy misy lalana na danarana hafa nomena ambanin’ny lanitra, izay hahazoana mamonjy ny olona ho ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Ary ankehitriny, indro izany no efotopampianaran’i Kristy, ary ny hany fotopampianarana marina an’ny fRay sy an’ny Zanaka ary an’ny Fanahy Masina izay gAndriamanitra iray, tsy manam-pahataperana. Amena.