Ny soratra masina
2 Nefia 8


Toko 8

Nanohy namaky tao amin’i Isaia i Jakoba: Hampionona an’i Ziona sy hanangona an’i Isiraely ny Tompo amin’ny andro farany—Ho tonga any Ziona amim-pifaliana lehibe ny voavotra—Ampitahao amin’ny Isaia 51 sy 52:1–2. Tokony ho 559–545 taona talohan’i Kristy.

1 Mihainoa Ahy ianareo izay manaraka ny fahamarinana. Itodiho ny avatolampy izay nakana anareo sy ny ati-lavaka nihadiana anareo.

2 Jereo i Abrahama arainareo sy i bSaraha izay niteraka anareo; fa izy irery no nantsoiko sy notahiko.

3 Fa hampionona an’i aZiona ny Tompo, hampionona ny toerany rava rehetra Izy; sy hanao ny btany foanany ho tahaka an’i Edena ary ny tany efiny ho tahaka ny sahan’ny Tompo. Fifaliana sy haravoana no ho hita ao, mbamin’ny fisaorana sy ny feo fiderana.

4 Mihainoa Ahy ry vahoakako; ary atongilano Amiko ny sofinao ry fireneko; fa hisy alalàna hivoaka avy Amiko, ary ny fahamarinako dia hampitoeriko ho bfahazavana ho an’ny olona.

5 Akaiky ny fahamarinako; efa niely ny afamonjeko ary ny sandriko no hitsara ny olona. Izaho no hantenain’ireo bnosy ary ny sandriko no hitokiany.

6 Andrandrao ho amin’ny lanitra ny masonareo ka jereo ny tany ambany; fa ny alanitra ho blevona toy ny setroka ary ny tany ho dtonta toy ny fitafiana; ary ireo izay monina eo aminy dia ho faty tahaka izany koa. Fa ho mandrakizay kosa ny famonjeko, ary tsy ho rava ny fahamarinako.

7 Mihainoa Ahy ianareo izay mahalala ny fahamarinana, dia ny vahoaka izay nanoratako ny lalàko tao am-pony, aza amatahotra ny fanomezan-tsinin’ny olona na manahy ny fanevatevany.

8 Satria ho lanin’ny kalalao toy ny fitafiana izy ary ho lanin’ny kankana toy ny volon’ondry. Nefa ho mandrakizay ny fahamarinako, ary hipaka hatrany amin’ny taranaka fara mandimby ny famonjeko.

9 Mifohaza, mifohaza! Tafio ny aherinao Ry sandrin’ny Tompo; mifohaza toy ny tamin’ny andro fahiny. Tsy Ianao va Ilay efa nitetika an-dRahaba sy nandratra ny dragona?

10 Tsy Ianao va Ilay efa nandritra ny ranomasina, ny rano tao amin’ny lalina indrindra; ka efa nahatonga ny fanambanin’ny ranomasina ho alalana nalehan’ny navotana?

11 Koa hiverina ny anavotan’ny Tompo sy hankany Ziona amin-bkira; ary fifaliana maharitra mandrakizay sy fahamasinana no ho eo ambony lohany; ary hahazo fifaliana sy haravoana izy; handositra ny alahelo sy ny dfitolokoana.

12 aIzaho no Izy; eny, Izaho no Izy izay mampionona anao. Indro, iza moa ianao no tokony bhatahotra olona izay ho faty sy hatahotra ny zanak’olona izay hatao toy ny dahitra?

13 Ka amanadino ny Tompo Mpanao anao, izay efa namelatra ny lanitra sy nandatsaka ny fanambanin’ny tany sady efa natahotra lalandava isan’andro vaky noho ny fisafoaky ny mpampahory izay toy ny efa nivonona ny handrava anao ery? Ary aiza ny fisafoaky ny mpampahory?

14 Dodona ny babo an-tsesitany mba hamahana azy, tsy ho faty ao an-davaka izy sady tsy ho diso ny anjara mofony.

15 Fa Izaho no Tompo Andriamanitrao izay amampirohondrohona ny onjan-dranomasina; Tompon’ny Maro no anarako.

16 Efa nataoko teo am-bavanao ny teniko, ary efa nalofako tao amin’ny aloky ny tanako ianao mba hahazoako mamboly ny lanitra sy mandatsaka ny fanambanin’ny tany ary miteny amin’i Ziona hoe: Indro, ianao no aoloko.

17 Mifohaza, mifohaza, mitsangàna Ry Jerosalema izay efa nisotro ny akapoaky ny bfahatezerany teo an-tanan’ny Tompo—efa nosotroinao ny faikany nofiazana tao amin’ny kapoaka mampiraikiraiky—

18 Ary tsy misy mba hitari-dalana azy amin’ny zanany lahy rehetra izay naterany; tsy misy izay mandray azy amin’ny tanana amin’ny zanany lahy rehetra efa notezainy.

19 Ireo azanakalahy roa ireo no tonga eo aminao, izay halahelo anao—ny fahasimbanao sy ny faharavanao mbamin’ny mosary sy ny sabatra—ary amin’ny alalan’iza no hampiononako anao?

20 Ny zanakao lahy dia efa torana, afa-tsy ireo roa ireo; mandry eny an-joron-dalambe rehetra eny ireo; toy ny ombilahidia ao anatin’ny fandrika harato, heniky ny hatezeran’ny Tompo sy ny levilevin’ Andriamanitrao ireo.

21 Koa mihainoa izao ianao ry ilay ory sy amamo ary tsy tamin-divay:

22 Izao no lazain’ny Tomponao, ny Tompo sy Andriamanitrao dia amiaro ny tombontsoan’ny vahoakany; indro, efa nesoriko hiala teny an-tananao ny kapoaka mampiraikiraiky, ny faikany tao amin’ny kapoaky ny fahatezerako; tsy hisotro izany intsony ianao.

23 Fa ahataoko eo an-tanan’ireo izay mampahory anao kosa izany; izay efa niteny tamin’ny fanahinao hoe: Miankohofa hahazoanay mandeha eo amboninao—ary dia nalamakao hitovy tamin’ny tany sy tamin’ny lalambe ny tenanao ho an’ireo izay nandeha teo amboniny.

24 aMifohaza, mifohaza, tafio ny bherinao Ry dZiona; tafio ny fitafianao tsara tarehy Ry Jerosalema, tanàna masina; satria tsy hiditra ao aminao eintsony ny tsy voafora sy ny maloto.

25 Ahintsano ny vovoka hiala amin’ny tenanao; amiarena ka mipetraha Ry Jerosalema; vahao ny bfatorana amin’ny tendanao Ry Ziona zanakavavy babo.