Ny soratra masina
3 Nefia 15


Toko 15

Nolazain’i Jesoa fa tanteraka ao Aminy ny lalàn’i Mosesy—Ny Nefita no ondry hafa izay noresahiny tany Jerosalema—Noho ny heloka, dia tsy nahafantatra ny amin’ny ondrin’i Isiraely niely patrana ny vahoakan’ny Tompo tao Jerosalema. Tokony ho 34 taona taorian’i Kristy.

1 Ary ankehitriny ny zava-nitranga, nony efa namarana ireo teny ireo i Jesoa dia nanopy ny masony manodidina tany amin’ny valalabemandry Izy ary nanao taminy hoe: Indro, efa renareo ny zavatra izay nampianariko talohan’ny niakarako tany amin’ny Raiko; koa, na zovy na zovy no mahatsiaro ireo teniko ireo sy amampihatra izany dia izy no bhatsangako amin’ny andro farany.

2 Ary ny zava-nitranga, nony efa nilaza ireo teny ireo i Jesoa, dia nahatakatra Izy fa nisy ny sasany teo anivony izay nitalanjona sy nanontany tena ny amin’izay tiany holazaina momba ny alalàn’i Mosesy; fa tsy takany ny filazana fa efa lasana ny zavatra taloha ary efa tonga vaovao ny zavatra rehetra.

3 Ary hoy Izy taminy: Aza gaga noho ny nilazako taminareo fa efa lasana ny zavatra taloha ary efa tonga vaovao ny zavatra rehetra.

4 Indro, lazaiko aminareo fa tanteraka ny alalàna izay nomena an’i Mosesy.

5 Indro, aIzaho no Izy izay nanome ny lalàna, ary Izaho no Izy izay nanao fanekempihavanana tamin’i Isiraely oloko; noho izany, ny lalàna dia tanteraka ao Amiko, fa efa tonga Aho bhanatanteraka ny lalàna; koa manam-piafarana izany.

6 Indro, Izaho atsy mandrava ny mpaminany, fa izay rehetra tsy notanterahina tao Amiko, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa hotanterahina avokoa.

7 Ary satria nilaza taminareo Aho fa efa lasana ny zavatra taloha, dia tsy mandrava izay efa notenenina momba ny zavatra izay ho avy Aho.

8 Fa indro, ny afanekempihavanana izay efa nataoko tamin’ny oloko dia tsy tanteraka avokoa; fa ny lalàna izay nomena an’i Mosesy dia manam-piafarana ao Amiko.

9 Indro, Izaho no alalàna sy bfahazavana. Mijere aty Amiko ary mahareta hatramin’ny farany dia ho dvelona ianareo; fa izay emaharitra hatramin’ny farany no homeko ny fiainana mandrakizay.

10 Indro, efa nomeko anareo ny didy; koa tandremo ny adidiko. Ary izany no lalàna sy ny mpaminany, fa bnanambara marina tokoa ny Amiko ireo.

11 Ary ankehitriny ny zava-nitranga, nony efa niteny ireo teny ireo i Jesoa, dia hoy Izy tamin’ireo roa ambin’ny folo izay efa nofinidiny ireo:

12 Ianareo no mpianatro; ary ianareo dia fahazavana ho an’ity vahoaka ity izay sisa tavela tamin’ny mpianakavin’i aJosefa.

13 Ary indro, ity no atany lovanareo; ary efa nomen’ny Ray anareo izany.

14 Ary na oviana na oviana ny Ray dia tsy nanome Ahy didy mba ahitenenako izany tamin’ny rahalahinareo tao Jerosalema.

15 Na oviana na oviana koa ny Ray dia tsy nanome Ahy didy mba hitenenako aminy ny momba ny afoko hafa amin’ny mpianakavin’i Isiraely, izay efa notarihan’ny Ray hivoaka ny tany.

16 Izao ihany no nandidian’ny Ray Ahy mba hoteneniko aminy:

17 Izaho dia manana ondry hafa izay tsy avy amin’ity vala ity; ireny koa dia tsy maintsy entiko, ary handre ny feoko ireny; ary hisy vala iray sy ampiandry iray.

18 Ary ankehitriny, noho ny hamafin’ny hatony sy ny tsy finoany dia tsy anahazo ny teniko izy; koa nodidian’ny Ray Aho tsy hilaza intsony ny momba izany zavatra izany taminy.

19 Nefa lazaiko aminareo marina tokoa fa efa nandidy Ahy ny Ray, ary teniko aminareo izany, fa ianareo dia nosarahina taminy noho ny helony; koa noho ny helony dia tsy fantany ny aminareo.

20 Ary lazaiko aminareo marina tokoa indray fa efa nosarahan’ny Ray taminy ny foko hafa; ary izany dia noho ny helony ka tsy fantany ny amin’ireny.

21 Ary lazaiko aminareo marina tokoa, fa ianareo no ireo izay efa nolazaiko hoe: Manana aondry hafa izay tsy avy amin’ity vala ity Aho; ireny koa dia tsy maintsy entiko, ary handre ny feoko ireny ary hisy vala iray sy mpiandry iray.

22 Ary tsy nahazo Ahy izy, satria noheveriny fa ny aJentilisa izany; tsy azony fa ny Jentilisa dia bhiova fo amin’ny alalan’ny fitoriany.

23 Ary tsy nahazo Ahy izy rehefa nilazako fa handre ny feoko ireny; ary tsy nahazo Ahy izy fa tsy handre na oviana na oviana ny feoko ny aJentilisa—fa Izaho tsy haneho ny tenako aminy raha tsy amin’ny alalan’ny bFanahy Masina.

24 Nefa indro, sady efa nandre ny afeoko ianareo no nahita Ahy; ary ianareo no ondriko ary ianareo dia raisina ho isan’ireo izay efa bnomen’ny Ray Ahy.