Ny soratra masina
3 Nefia 18


Toko 18

Nampiorina ny Fanasan’ny Tompo teo anivon’ny Nefita i Jesoa—Nodidina izy ireo hivavaka mandrakariva amin’ny Anarany—Voaozona ireo izay mihinana ny nofony sy misotro ny rany tsy amim-pahamendrehana—Omena fahefana ny mpianatra hanolotra ny Fanahy Masina. Tokony ho 34 taona taorian’i Kristy.

1 Ary ny zava-nitranga dia nandidy ny mpianany i Jesoa mba hitondrany amofo sy divay eo Aminy.

2 Ary raha mbola nandeha nitady mofo sy divay izy ireo, dia nodidiany ny valalabemandry hipetraka amin’ny tany.

3 Ary nony efa tonga ny mpianatra niaraka tamin’ny amofo sy ny divay, dia nalainy ny mofo ka novakiny ary notsofiny rano; ary nomeny ny mpianany sy nodidiany ny hihinanany.

4 Ary rehefa avy nihinana izy ireo ka voky, dia nodidiany ny hanomezany ny valalabemandry.

5 Ary nony efa nihinana ny valalabemandry ka voky, dia hoy Izy tamin’ny mpianatra: Indro hisy anankiray aminareo hotendrena, ary izy no homeko fahefana ahamakiany ny mofo sy hitsofany rano izany ary hanomezany ny vahoakan’ny fiangonako izany, ho an’ireo rehetra izay hino ary hatao batisa amin’ny Anarako.

6 Ary izany dia hoezahanareo mandrakariva hatao, toy izay efa nataoko, toy izay efa namakiako ny mofo sy nitsofako rano izany ary ny nanomezako izany anareo.

7 Ary izany no hataonareo ho afahatsiarovana ny vatako izay efa nasehoko anareo. Ary izany dia ho vavolombelona amin’ny Ray fa mahatsiaro Ahy mandrakariva ianareo. Ary raha mahatsiaro Ahy mandrakariva ianareo dia hanana ny Fanahiko miaraka aminareo.

8 Ary ny zava-nitranga rehefa nilaza ireo teny ireo Izy, dia nandidy ny mpianany ny handraisany amin’ny divay ao amin’ilay kapoaka sy ny hisotroany amin’izany, ary ny hanomezany koa ny valalabemandry mba hahazoany misotro amin’izany.

9 Ary ny zava-nitranga dia nataon’izy ireo izany, ary dia nisotro tamin’izany izy ireo ka voky; ary nomen’izy ireo ny valalabemandry, ary ireo dia nisotro, ka voky.

10 Ary nony efa nanao izany ny mpianatra, dia hoy Jesoa taminy: Hotahiana ianareo noho ity zavatra izay efa nataonareo, fa izany no fanatanterahana ny didiko, ary izany dia vavolombelona amin’ny Ray fa vonona hanao izay efa nandidiako anareo ianareo.

11 Ary izany no hataonareo mandrakariva amin’ireo izay mibebaka sy atao batisa amin’ny anarako; ary hanao izany ianareo ho fahatsiarovana ny rako izay efa nalatsaka ho anareo mba hahazoanareo mijoro ho vavolombelona amin’ny Ray fa ianareo dia mahatsiaro Ahy mandrakariva. Ary raha mahatsiaro Ahy mandrakariva ianareo dia hanana ny Fanahiko miaraka aminareo.

12 Ary omeko anareo ny didy mba hanaovanareo ireo zavatra ireo. Ary raha manao mandrakariva ireo zavatra ireo ianareo, dia hotahiana ianareo, fa miorina eo ambonin’ny avatolampiko ianareo.

13 Saingy na zovy na zovy no manao mihoatra na latsaka noho ireo dia tsy miorina eo ambonin’ny vatolampiko izy, fa miorina kosa eo amin’ny fanorenana fasika; ary rehefa mirotsaka ny orana sy tonga ny riaka, ary mifofofofo ny rivotra, ary mamely azy, dia ahianjera izy, ary misokatra sahady ny bvavahadin’ny helo handray azy.

14 Koa hotahiana ianareo raha mitandrina ny didiko izay efa nandidian’ny Ray Ahy mba homeko anareo.

15 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, tsy maintsy miambina sy amivavaka mandrakariva ianareo, fandrao dia halain’ny devoly fanahy ary hoentiny ho babo.

16 Ary toy ny efa nivavahako teo anivonareo dia toy izany koa no hivavahanareo ao amin’ny fiangonako, eo anivon’ny oloko izay mibebaka sy atao batisa amin’ny anarako. Indro Izaho no afahazavana; efa nanome bohatra ho anareo Aho.

17 Ary ny zava-nitranga nony efa niteny ireo teny ireo tamin’ny mpianany i Jesoa, dia nitodika indray tany amin’ny valalabemandry Izy ary nanao taminy hoe:

18 Indro, lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, tsy maintsy miambina sy mivavaka mandrakariva ianareo fandrao miditra ao amin’ny fakam-panahy; fa maniry ny hahazo anareo i aSatana mba hahazoany mikororoka anareo toy ny varimbazaha.

19 Koa tsy maintsy mivavaka mandrakariva amin’ny Ray amin’ny anarako ianareo;

20 Ary ana inona na inona hangatahinareo ny Ray amin’ny anarako, ka rariny, rehefa mino ianareo fa handray, dia indro homena anareo izany.

21 aMivavaha amin’ny Ray ao amin’ny fianakavianareo amin’ny anarako mandrakariva mba hitahiana ny vadinareo sy ny zanakareo.

22 Ary indro, hihaona miaraka matetika ianareo; ary tsy handrara na iza na iza tsy hanatona anareo ianareo rehefa mivory miaraka, fa hamela azy kosa mba hahazoany manatona anareo ary aza mandrara azy;

23 Fa ahivavaka ho azy kosa ianareo ary tsy handroaka azy hiala; ary raha toa ka tonga matetika eo aminareo izy, dia hivavaka amin’ny Ray ho azy amin’ny anarako ianareo.

24 Koa, aingao ambony ny afahazavanareo mba hamirapiratany eo amin’izao tontolo izao. Indro, Izaho no bfahazavana izay haingainareo ambony—izay efa hitanareo fa nataoko. Indro hitanareo fa efa nivavaka tamin’ny Ray Aho, ary efa vavolombelona avokoa ianareo.

25 Ary hitanareo fa efa nandidy Aho mba atsy hisy aminareo handeha hiala, fa efa naleoko kosa nandidy ny hankanesanareo aty Amiko ka hahazoanareo bmitsapa sy mahita; dia toy izany koa no hataonareo amin’izao tontolo izao; ary na zovy na zovy no mandika izao didy izao dia mamela ny tenany ho azon’ny fakam-panahy izy.

26 Ary ankehitriny ny zava-nitranga, nony efa niteny ireo teny ireo i Jesoa, dia natodiny indray tany amin’ny mpianatra izay efa nofinidiny ny masony, ary hoy Izy taminy:

27 Indro lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, omeko didy iray hafa ianareo, ary avy eo Aho dia tsy maintsy mandeha mankany amin’ny aRay hahazoako manatanteraka ny bdidy hafa izay efa nomeny Ahy.

28 Ary ankehitriny indro, izao no didy izay omeko anareo, mba tsy hisy havelanareo hinia ahandray amin’ny nofoko sy ny rako btsy amim-pahamendrehana, rehefa hohamasininareo izany;

29 Fa na zovy na zovy no mihinana sy misotro ny nofoko sy ny arako btsy amim-pahamendrehana dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an’ny fanahiny; koa raha fantatrareo fa tsy mendrika ny hihinana sy hisotro amin’ny nofoko sy ny rako ny olona iray, dia horaranareo izy.

30 Kanefa atsy handroaka azy hiala avy teo anivonareo ianareo, fa hiahy azy ianareo sy hivavaka amin’ny Ray ho azy amin’ny anarako; ary raha toa ka mibebaka izy sy atao batisa amin’ny anarako, dia handray azy ianareo amin’izany ary hanome azy amin’ny nofoko sy ny rako.

31 Nefa raha tsy mibebaka izy dia tsy horaisina ho isan’ny oloko mba tsy hahazoany mandrava ny oloko, fa indro fantatro ny aondriko, ary voaisa ireny.

32 Kanefa tsy handroaka azy hiala ny sinagoganareo ianareo, na ny toeram-pivavahanareo, fa ho an’ny toa azy no hanohizanareo ny fiahianareo; satria tsy fantatrareo raha toa ka hiverina sy hibebaka izy ary hanatona Ahy amin’ny fo feno finiavana, ary Izaho ahanasitrana azy; ary ianareo no ho fitaovana amin’ny fitondrana ny famonjena ho azy.

33 Koa tandremo ny teniko izay efa nandidiako anareo mba tsy hahatonga anareo ho eo ambanin’ny afanamelohana; fa lozan’izay melohin’ny Ray.

34 Ary omeko anareo ireo didy ireo noho ny fifanjihirana izay efa nisy teo anivonareo. Ary hotahiana ianareo raha atsy manana fifanjihirana eo anivonareo.

35 Ary ankehitriny Aho dia mandeha mankany amin’ny Ray, satria ilaina ny handehanako mankany amin’ny Ray anoho ny aminareo.

36 Ary ny zava-nitranga, nony efa namarana ireo teny ireo i Jesoa, dia nokasihiny tamin’ny atanany ny bmpianatra tsirairay izay efa nofinidiny, ambara-pikasihany azy rehetra, ary niresaka taminy Izy raha nikasika azy.

37 Ary tsy nandre ny teny izay noteneniny ny valalabemandry, noho izany izy ireo dia tsy vavolombelona manambara; fa ny mpianatra kosa dia vavolombelona manambara fa nomeny afahefana izy ireo hanome ny bFanahy Masina. Ary hasehoko anareo any aoriana fa izany fanambarana izany dia marina.

38 Ary ny zava-nitranga nony efa nikasika azy rehetra i Jesoa, dia nisy arahona tonga nanaloka ny valalabemandry ka tsy nahafahany nahita an’i Jesoa.

39 Ary raha mbola nalofana izy ireo, dia lasana Izy niala teo aminy ary niakatra nankany an-danitra. Ary nahita ny mpianatra sy vavolombelona manambara fa niakatra indray any an-danitra Izy.