Ny soratra masina
3 Nefia 21


Toko 21

Hangonina i Isiraely rehefa mivoaka ny Bokin’i Môrmôna—Haorina ho toy ny firenena afaka any Amerika ny Jentilisa—Hovonjena izy raha mino sy mankatò; raha tsy izany dia hojinjaina sy hofongorana—Hanorina an’i Jerosalema Vaovao i Isiraely, ary hiverina ireo foko very. Tokony ho 34 taona taorian’i Kristy.

1 Ary lazaiko aminareo marina tokoa, omeko famantarana iray ianareo mba hahafantaranareo ny afotoana rehefa madiva hitranga ireo zavatra ireo—fa Izaho dia hanangona ny oloko avy amin’ny fielezany ela, Ry mpianakavin’i Isiraely, ary haoriko indray eo anivony i Zionako;

2 Ary indro, izao no zavatra izay homeko anareo ho famantarana—fa lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa ny zavatra izay ambarako anareo sy izay hambaran’ny tenako anareo any aoriana, amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina izay homen’ny Ray anareo, no hampahafantarina ny Jentilisa mba hahafantarany ny momba ity vahoaka ity izay sisa tavela tamin’ny mpianakavin’i Jakoba sy ny momba ity oloko ity izay haeliny;

3 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, rehefa hampahafantarin’ny Ray azy aireo zavatra ireo, ary havoakan’ny Ray avy aminy ho anareo;

4 Fa fahendrena tao amin’ny Ray ny hampiorenana azy eo amin’ity tany ity sy ny hametrahana azy ho toy ny avahoaka afaka, amin’ny alalan’ny herin’ny Ray, mba hahazoan’ireo zavatra ireo mivoaka avy aminy mankamin’ny sisa tavela amin’ny taranakareo mba ho azo tanterahina ny bfanekempihavanan’ny Ray izay efa nifanekeny tamin’ny olony, Ry mpianakavin’i Isiraely;

5 Koa, rehefa ireto asa ireto sy ny asa izay hotontosaina eo anivonareo rahatrizay, no hivoaka aavy amin’ny Jentilisa, hankamin’ny btaranakareo izay hihemotra ao amin’ny tsy finoana noho ny heloka;

6 Fa toy izany no mahamety amin’ny Ray ny hivoahany avy amin’ny aJentilisa, mba hahazoany maneho ny heriny amin’ny Jentilisa, ka ny antony, raha tsy manamafy ny fony ny Jentilisa, dia ny hahazoany mibebaka ary manatona Ahy sy atao batisa amin’ny Anarako ary mahalala ny lafiny marina amin’ny fotopampianarako, mba hahazoana mandray azy ho bisan’ny vahoakako, Ry mpianakavin’i Isiraely;

7 Ary rehefa ho tonga ireo zavatra ireo, ka ny ataranakao hanomboka hahafantatra ireo zavatra ireo—izany dia ho famantarana ho azy mba hahafantarany fa ny asan’ny Ray dia efa nanomboka sahady ho fanatanterahana ny fanekempihavanana izay efa nataony tamin’ny vahoaka izay avy amin’ny mpianakavin’i Isiraely.

8 Ary rehefa ho tonga izany andro izany, ny zavatra hitranga dia hanakombona ny vavany ireo mpanjaka; fa izay tsy nolazaina taminy no ho hitany; ary izay tsy reny no hosaintsaininy.

9 Fa amin’izany andro izany, noho ny Amiko dia hanao asa iray ny Ray, izay ho asa lehibe sy amahatalanjona eo anivony; ary hisy eo anivony ireo izay tsy hino izany, na dia hanambara izany aminy aza ny lehilahy iray.

10 Nefa indro, ny ain’ny mpanompoko dia ho eo an-tanako; koa, tsy horatrainy izy, na dia ho asimbana aza ny tarehiny noho izy ireo. Kanefa hanasitrana azy Aho, satria hasehoko azy fa ny bfahendreko dia lehibe noho ny hafetsen’ny devoly.

11 Koa ny zavatra hitranga dia na zovy na zovy no tsy hino ny teniko, Izaho izay Jesoa Kristy, izay ny Ray no hanao izay hitondrany aizany any amin’ny Jentilisa ary hanome azy fahefana mba hitondrany izany any amin’ny Jentilisa, (izany dia ho to tahaka ny nolazain’i Mosesy) dia bhoesorina izy tsy ho eo anivon’ny oloko izay avy amin’ny fanekempihavanana.

12 Ary ny oloko izay sisa tavela amin’ny taranak’i Jakoba dia ho eo anivon’ny Jentilisa, eny, eo anivony, toy ny aliona eo anivon’ny bibidia any an’ala, tahaka ny liona tanora eo anivon’ny andian’ondry, izay raha mandeha mamakivaky izy dia sady bmanosihosy no mamiravira, ary tsy misy afa-mamonjy.

13 Ny tanany dia haingaina amin’ny rafilahiny, ary hojinjaina avokoa ny fahavalony.

14 Eny, lozan’ny Jentilisa raha tsy amibebaka izy; fa ny zavatra hitranga amin’izany andro izany, hoy ny Ray, dia hoesoriko hiala eo afovoanao ny soavalinao, ary horavako ny kalesinao;

15 Ary horavako ny tanànan’ny taninao, ary harodako avokoa ny toeram-pamaharanao;

16 Ary hoesoriko amin’ny taninao ny famorehana, ary tsy hanana mpimasy intsony ianao;

17 Ny sarinao avoasokitra dia hoesoriko koa mbamin’ny sary vongana eo afovoanao, ary tsy hivavaka intsony amin’ny asan’ny tananao ianao;

18 Ary hongotako hiala eo afovoanao ny alanao; ka horavako ny tanànanao.

19 Ary ny zavatra hitranga dia hatsahatra avokoa ny alainga sy ny fitaka ary ny fialonana, ary ny ady antsanga sy ny komiberaky ny mpisorona, ary ny fijangajangana.

20 Fa ny zavatra hitranga, amin’izany andro izany, hoy ny Ray, dia na zovy na zovy no tsy hibebaka sy tsy hanatona ny Zanako Malala, dia izy no hoesoriko hiala eo anivon’ny oloko, Ry mpianakavin’i Isiraely;

21 Ary Izaho hampihatra valifaty sy fahasiahana aminy, toy ny amin’ny olon’izao tontolo izao, tahaka izay tsy mbola reny.

22 Nefa raha mibebaka sy mihaino ny teniko izy, ary tsy manamafy ny fony, dia ahaoriko eo anivony ny fiangonako, ary hiditra ao amin’ny fanekempihavanana izy ary horaisina ho bisan’ity sisa tavela amin’ny taranak’i Jakoba ity, izay efa nomeko ity tany ity ho lovany;

23 Ary izy dia hanampy ny oloko, ny sisa tavela amin’ny taranak’i Jakoba, ary koa izay rehetra avy amin’ny mpianakavin’i Isiraely ka ho tonga mba hahazoany manorina tanàna iray izay hantsoina hoe, aJerosalema Vaovao.

24 Ary amin’izany izy dia hanampy ny oloko izay miely patrana eran’ny lafin-tany mba hahazoana manangona azy ao Jerosalema Vaovao.

25 Ary amin’izany dia hidina eo anivony ny aherin’ny lanitra; ary bIzaho koa dia ho eo afovoany.

26 Ary amin’izany ny asan’ny Ray dia hanomboka amin’izay andro izay, rehefa hotoriana eo anivon’ny sisa tavela amin’ity vahoaka ity ity filazantsara ity. Lazaiko aminareo marina tokoa, amin’izay andro izay no ahanombohan’ny asan’ny Ray eo anivon’ny niely patrana rehetra tamin’ny oloko, eny, na dia ny foko izay efa bvery aza, izay efa nentin’ny Ray niala an’i Jerosalema.

27 Eny, hanomboka ny asa eo anivon’ny aniely patrana rehetra tamin’ny oloko miaraka amin’ny Ray mba hanomana ny lalana izay hahazoany mankaty Amiko, mba hahazoany miantso ny Ray amin’ny Anarako.

28 Eny, ary amin’izany dia hanomboka ny asa miaraka amin’ny Ray eo anivon’ny firenena rehetra amin’ny fanomanana ny lalana izay hahazoana amanangona ny olony hody any amin’ny tany lovany.

29 Ary hivoaka avy amin’ny firenena rehetra izy ireo; ary tsy hivoaka aamim-pirotorotoana, na handeha handositra, fa Izaho no handeha eo alohany, hoy ny Ray, ary Izaho no ho vodilaharany.