Ny soratra masina
3 Nefia 22


Toko 22

Amin’ny andro farany dia haorina i Ziona sy ny tsatòkany, ary hangonina amin’ny famindram-po sy ny fahalemem-panahy i Isiraely—Handresy izy ireo. Ampitahao amin’isaia 54. Tokony ho 34 taona taorian’i Kristy.

1 Ary amin’izany dia hitranga izay voasoratra: Mihirà, ry momba, ianao izay tsy nitondra vohoka; velomy ny ahira, ary miantsoa mafy, ianao izay tsy nihetsi-jaza; fa maro kokoa ny zanak’ilay momba noho ny zanak’ilay vehivavy manam-bady, hoy ny Tompo.

2 Halalaho ny toeran’ny lainao, ary avelao ireo hamelatra ny lamba fonenanao; aza mitsitsy, halavao ny tadinao ary hamafiso ny atsatòkanao;

3 Fa hiitatra any an-kavanana sy any an-kavia ianao, ary ny taranakao no handova ny aJentilisa sy hahatonga ny tanàna aolo hisy mponina.

4 Aza matahotra, fa tsy ho menatra ianao; sady tsy hampangaihaizina koa, fa tsy ahalaina baraka ianao; fa hohadinoinao ny henatry ny fahatanoranao, ary tsy hotsaroanao ny faniniana tamin’ny fahatanoranao, ary tsy hotsaroanao intsony ny faniniana tamin’ny maha-mpitondratena anao.

5 Fa ny Mpanao anao no vadinao, ny Tompon’ny Maro no anarany; ary ny Mpanavotra anao, ny Iray Masin’ny Isiraely—ny Andriamanitry ny tany manontolo no hiantsoina azy.

6 Fa ny Tompo efa niantso anao toy ny vehivavy efa nafoy sy ory am-panahy ary vadin’ny fahatanorana, fony ianao nisaorana, hoy ny Andriamanitrao.

7 Fa fotoana fohy no efa nahafoizako anao, fa amin’ny famindram-po lehibe kosa no hampodiako anao.

8 Tamin’ny fahatezerana kely Aho dia nanafina ny tavako taminao nandritra ny fotoana fohy, fa amin’ny hatsaram-po maharitra mandrakizay kosa no ahamindrako fo aminao, hoy ny Tompo Mpanavotra anao.

9 Fa Amiko aizao dia tahaka ny branon’i Noa, fa toy ny efa nianianako fa tsy hanafotra ny tany intsony ny ranon’i Noa no efa nianianako fa tsy ho tezitra aminao Aho.

10 Fa hiainga ny atendrombohitra, ary hafindra ny havoana, fa btsy hiala aminao kosa ny hatsaram-poko, tsy hoesorina koa ny fanekempihavanan’ny fiadanako, hoy ny Tompo izay mamindra fo aminao.

11 Ianao ry ory, afotofoton’ny tafio-drivotra sy tsy ampiononona! Indro, Izaho dia handatsaka ny avatonao amin’ny loko marevaka, sy handatsaka ny fanorenanao amin’ny safira.

12 Ary hataoko agaty ny varavarankelinao, ary karbonkolo ny vavahadinao, ary vatosoa ny sisintaninao rehetra.

13 Ary hampianarin’ny Tompo aavokoa ny zanakao; ary ho lehibe ny fiadanan’ny zanakao.

14 Amin’ny afahamarinana no hampiorenana anao; ho lavitry ny fampahoriana ianao, ka tsy hatahotra, ary ho lavitry ny fampihorohoroana ka tsy hanakaiky anao izany.

15 Indro, hiray hina marina tokoa ireo hanohitra anao, nefa tsy avy Amiko izany; na zovy na zovy no hiray hina hanohitra anao dia hianjera noho ny aminao.

16 Indro, Izaho efa nahary ny mpanefy izay mitsoka ny arina ao amin’ny afo, izay manamboatra fitaovana ho an’ny asany; ary Izaho efa nahary ny mpandringana mba handringana.

17 Tsy misy fiadiana izay amboarina hamelezana anao ka hiroborobo; ary ny lela rehetra izay hiampanga anao amin’ny fitsarana dia hoheloinao. Izany no lovan’ny mpanompon’ny Tompo, ary ny fahamarinany dia avy amiko, hoy ny Tompo.